Thursday, September 10, 2009

Raha toa moa ka … bizna mandeha

Rehefa raikitra ny korontana politika dia be ny very asa. Be ny miha-mahantra. Tsy ny tsirairay anefa no miha-mahantra fa misy kosa, ambadik’izay ny miha-manan-karena tampoka. Ary ireo manan-karena tampoka ireo dia tsy voatery ho ireo olona mpiara-dia amin’ny fitondrana na ny mpanakorontana akory, fa mety mba ho olon-tsotra fotsiny, toa ahy sy toa anao, saingy mba mahay manararaotra fotsiny ihany. Ny mahavoa antsika Malagasy mantsy, rehefa hoe mivaro-boanjo no asa fanao, dia tsy mieritreritra zavatra hafa hatao mihitsy fa hiaritra eo amin’io sehatr’asa io foana, nefa amin’ny fotoana sasany mety efa miova ny lalam-barotra ahitam-bokatsoa.

Indro ary, atolotra anao, lisitra sehatr’asa vitsivitsy mety hahitanao fahombiazana. Ndeha izany hatao hoe hamorona Groupement Inter Entreprises aho dia samy mitondra ny anarana hoe Jôgôlens daholo ireo entreprises haoriko, ary hamidy jiaby izy ireo ho an’izay liana ny hibizna.

- Jôgôlens Fashion: Spesialista amin’ny fanjairana palitao double face, fa tsy maintsy ho maro mantsy amin’izao ireo ho mpamadika palitao. Mety ho azo hoeritreretina (sa hoeretreret’na no fiteny, tsy haiko…) ny palitao triple face, avadika intelo mbola lafy tsarany foana no hitan’ny mpijery.

- Jôgôlens Trakta, Afisy, Grafitti (JTAG): mpanoratsoratra rindrina no asa iantsorohany ary mamafa ny soratsoratra apetraky ny hafa (izay mety ho ny orinasa JTAG ihany no nampanaovina izany). Mizara trakta sy mametraka afisy ihany koa. Tsy maintsy ho maro mantsy izao ny mpanakarama hoe soraty etsy hoe “Miala Rakoto” sy ny hoe “Avoahy RABE” sy ny sisa… Ny trakta indray dia ho ireo fanasoketana isan-karazany hatao amin’ireo adversera politika.

- Jôgôlens Bomb Maker : mivarotra kit complet fanaovana baomba artisanale. Misy karazana baomba maro: ny baomba mipoaka sy mandratra na mahafaty, ny baomba tsy mipoaka fa vitan’ny mpitandro ny filaminana ny manao ny desactivation-ny.

- Jôgôlens Fournisseur de Foules (JFF): Mamatsy vahoaka ireo hetsika pôlitika isan-karazany. Handeha koa mantsy ny guerre de vahoaka hoe ny mpanara-dia anay no tena betsaka vahoaka. Ity orinasa JFF ity izany dia manome vahoaka isan-karazany ho an’ireo mpamory vahoaka. Misy pack isan-karazany : Pack 13 Mai, pack 1,3 Mai (mahafeno ampahafolon’ny 13 mey), Pack 0,13 Mai (ampahazaton’i 13 mai), Pack 0,013 Mai, etsetra, etsetra. Misy kalitaony ihany koa ny karazam-bahoaka, ohatra hoe Fônksionera no tianay hananana betsaka ary toudé fônksionera mitokona, na hoe ny anay rehefa mameno kianja dia ça va, na dia tsy ampy taona aza no betsaka.

- Jôgôlens Spy : Afaka ampiasaina hikaroka dosie maloto-n’ny mpitondra teo aloha, mahavita manatsinkafona raharaha maloto maro, ahafahana mampiditra am-ponja azy ireny. Mitsikilo vie privée ihany koa ary sahy mampiseho izay malotoloto any amin’ny haino aman-jery ho ren-tany ren-danitra.

- Jôgôlens Maternité : Efa tsy ampy fialam-boly izao ny Gasy, ny fiainana manahirana, ny torimaso no itovizana amin’ny mpanankarena, tso-dranon’ny Tompo hoe Mamenoa ny Tany sisa no mora tanterahina.

- Jôgôlens Deejay School : Sekoly fanomanana ho DJ, débouchés tonga dia ministra na filoha.