Thursday, September 10, 2009

Raha toa moa ka … bizna mandeha

Rehefa raikitra ny korontana politika dia be ny very asa. Be ny miha-mahantra. Tsy ny tsirairay anefa no miha-mahantra fa misy kosa, ambadik’izay ny miha-manan-karena tampoka. Ary ireo manan-karena tampoka ireo dia tsy voatery ho ireo olona mpiara-dia amin’ny fitondrana na ny mpanakorontana akory, fa mety mba ho olon-tsotra fotsiny, toa ahy sy toa anao, saingy mba mahay manararaotra fotsiny ihany. Ny mahavoa antsika Malagasy mantsy, rehefa hoe mivaro-boanjo no asa fanao, dia tsy mieritreritra zavatra hafa hatao mihitsy fa hiaritra eo amin’io sehatr’asa io foana, nefa amin’ny fotoana sasany mety efa miova ny lalam-barotra ahitam-bokatsoa.

Indro ary, atolotra anao, lisitra sehatr’asa vitsivitsy mety hahitanao fahombiazana. Ndeha izany hatao hoe hamorona Groupement Inter Entreprises aho dia samy mitondra ny anarana hoe Jôgôlens daholo ireo entreprises haoriko, ary hamidy jiaby izy ireo ho an’izay liana ny hibizna.

- Jôgôlens Fashion: Spesialista amin’ny fanjairana palitao double face, fa tsy maintsy ho maro mantsy amin’izao ireo ho mpamadika palitao. Mety ho azo hoeritreretina (sa hoeretreret’na no fiteny, tsy haiko…) ny palitao triple face, avadika intelo mbola lafy tsarany foana no hitan’ny mpijery.

- Jôgôlens Trakta, Afisy, Grafitti (JTAG): mpanoratsoratra rindrina no asa iantsorohany ary mamafa ny soratsoratra apetraky ny hafa (izay mety ho ny orinasa JTAG ihany no nampanaovina izany). Mizara trakta sy mametraka afisy ihany koa. Tsy maintsy ho maro mantsy izao ny mpanakarama hoe soraty etsy hoe “Miala Rakoto” sy ny hoe “Avoahy RABE” sy ny sisa… Ny trakta indray dia ho ireo fanasoketana isan-karazany hatao amin’ireo adversera politika.

- Jôgôlens Bomb Maker : mivarotra kit complet fanaovana baomba artisanale. Misy karazana baomba maro: ny baomba mipoaka sy mandratra na mahafaty, ny baomba tsy mipoaka fa vitan’ny mpitandro ny filaminana ny manao ny desactivation-ny.

- Jôgôlens Fournisseur de Foules (JFF): Mamatsy vahoaka ireo hetsika pôlitika isan-karazany. Handeha koa mantsy ny guerre de vahoaka hoe ny mpanara-dia anay no tena betsaka vahoaka. Ity orinasa JFF ity izany dia manome vahoaka isan-karazany ho an’ireo mpamory vahoaka. Misy pack isan-karazany : Pack 13 Mai, pack 1,3 Mai (mahafeno ampahafolon’ny 13 mey), Pack 0,13 Mai (ampahazaton’i 13 mai), Pack 0,013 Mai, etsetra, etsetra. Misy kalitaony ihany koa ny karazam-bahoaka, ohatra hoe Fônksionera no tianay hananana betsaka ary toudé fônksionera mitokona, na hoe ny anay rehefa mameno kianja dia ça va, na dia tsy ampy taona aza no betsaka.

- Jôgôlens Spy : Afaka ampiasaina hikaroka dosie maloto-n’ny mpitondra teo aloha, mahavita manatsinkafona raharaha maloto maro, ahafahana mampiditra am-ponja azy ireny. Mitsikilo vie privée ihany koa ary sahy mampiseho izay malotoloto any amin’ny haino aman-jery ho ren-tany ren-danitra.

- Jôgôlens Maternité : Efa tsy ampy fialam-boly izao ny Gasy, ny fiainana manahirana, ny torimaso no itovizana amin’ny mpanankarena, tso-dranon’ny Tompo hoe Mamenoa ny Tany sisa no mora tanterahina.

- Jôgôlens Deejay School : Sekoly fanomanana ho DJ, débouchés tonga dia ministra na filoha.

  1. ikalamako

    Thursday, September 10, 2009 - 12:05:54

    ary ny Jôgôlens Milkmaker ? afaka mivaro-dronono ihany koa fa tonga dia anao madagasikara avy akeo.

    Fa avy aiza aloha ilay jôgôlens e. Jôkonsa ilay amin’ny hira fozaorana no nampianarina ahy fa ndrao hono ambakain’ny olona.

  2. saveoursmile

    Thursday, September 10, 2009 - 12:11:48

    hahaha … aiza no fanaovana fangatahana asa ao amin’ny Jôgôlens?
    Mba tiako ampidirina ao @ GIE Jôgôlens koa mantsy ireto afera kely ireto:
    - Jôgôlens aviation: manana dôro iray mipetra-potsiny mantsy aho ao kanefa toa hitako handeha be ato ho ato ny fitetezam-paritra haingana sady tsy maharitra
    - Jôgôlens “feon’ny vahoaka”: mpiantso amin’ireo fandaharana amin’ny radio manome sehatra ny mpihaino, mpametraka commentaires amin’ny forums sy blogs, …
    - jôgôlens kaonferansa: efa manana izay ilainao rehetra hanaovana conference de presse, fivoriana isan-karazany izay tsimialonjafy …

  3. DotMG

    Thursday, September 10, 2009 - 12:17:44

    @saveoursmile : tonga dé poinsa ireo sehatr’asa 3 ireo, Milay be. Ilay Milkmaker-n’ikalamako mantsy efa nisy nanao ary saika tsara kanjo tratran’ny retoro à la case départ tampoka, donc mbola mila dinihina tsara aloha hoe inona fika tsy haha-perte ao anatin’ny indray mipi-maso. Aleo ihany sehatr’asa tsy misy risque e!

  4. DotMG

    Thursday, September 10, 2009 - 12:45:07

    @ikalamako, tsy haiko loatra ny niavian’ilay jogolens, asa i Purplecorner raha mahay, fa tsy izaho aloha no namorona azy. Raha misy mahay fiteny singaporo dia http://google.mg/search?q=jogolens

  5. debstar

    Tuesday, September 22, 2009 - 15:51:38

    - Jôgôlens rice: izao no tena hita fa handeha. Tsy ela fa ao anatin’ny 1 na 2 volana raha ela. Indrindra moa fa hoe nahazo maimaim-poana ianao 3.000 tonnes an! Mitady toerana malalaka ametrahana azy dia miandry, avy eo mivarotra toy ny mofo kely hoy ny fitenenana. Be mpanao ilay izy fa mbola mandaitra foana.
    - Jôgôlens foreign exchange. Mitovy amin’ny teo ambony ihany fa vola vahiny indray. 1 na 2 volana dia mihodina raha maika fa afaka miandry 6 volana raha te hahazo rendement bebe kokoa. Marihiko fa ny devise Euro no tena rentable fa na Dollar aza tsy maty antoka ihany koa ianao.

    Disclaimer: Tsy tompon’andraikitra aho amin’ny fampiasanao ireo torohevitra ireo. Tsy azonao tononina ny anarako raha samborin’ny Fis de mes 2 ianao (na ny vadinao) ka tonga dia entiny mody ny entana (izy roa io) sy ny vola rehetra. Raha mitsimbadika ny toe-draharaha (tonga i Dada dia miverina amin’ny ara-dalana ny rehetra) dia tsy mahazo mitory ahy ianao amin’ny faty antoka mety hanjo anao. Tsy miantoka koa aho raha lanin’ny hao ny vary na lanin’ny koroka ny taratasim-bola.
    For educational purpose only.

  6. thierry_ratsiz

    Saturday, October 3, 2009 - 22:46:13

    Raha atao zany ny kaonty tsotsotra dia tsy tokony ho ory asa mihitsy ny Gasy sa ahoana? (tout est opportunite :)) Fa ilay deejay school aloha reveko be e!! :D

Add comment

Fill out the form below to add your own comments

User data





Add your comment