Monday, September 7, 2009

Raha toa moa ka … hiverina amin’ny ara-dalàna isika

Misy volavolan-kevitra hanangana fikambanana iray izao efa naparitakay eran’ny tanàna any. Afaka miditra ho mpikambana ny olom-pirenena velona rehetra, maniry haneho amin’ny vahoaka eran-tàny fa mandàla ny ara-dalàna ny Malagasy. Tsy mahazo miditra ho mpikambana kosa ny mpanao politika, na ankolafy inona na ankolafy inona, satria ry lématy dia mpampandry adrisa fotsiny, milaza ho bonne sy milay kanefa feno fahalòvana.
Fikambanana MATI (Mpandàla ny Ara-dalàna Tena Izy) no hatao anaran’io fikambanana io. Tsy manao politika ary tsy manohana mpanao politika na iza na iza. Tsy azo hoentina amin’ny sehatra politika ny anaran’ny fikambanana.

aradalana.jpg

Ny mpikambana ao amin’ny MATI, araka ilay hoe Mpandàla ny Ara-dalàna Tena Izy, dia tena ho mpandàla ny ara-dalàna marina tokoa: tsy hiampita eny an-arabe raha tsy passage clouté, tsy hanakana betax raha tsy amin’ny toerana voatokana ho amin’izany, tsy midina am-pandehanana, tsy mividy amin’ny mpivarotra an-tsisin-dàlana tsy manara-dalàna, tsy miresaka amin’ny mpamily, tsy mamany eto, … etsetra, etsetra.

  1. debstar

    Monday, September 7, 2009 - 18:03:29

    Izahay ry akama dia fikambanan’ny Olom-BAnona Malagasy na OBAMA, noho izany dia efa mandala ny ara-dalana hatramin’izay satria olom-banona. Yes we can!

  2. DotMG

    Tuesday, September 8, 2009 - 08:27:27

    Ka ny maha-samy hafa ny OBAMA sy ny MATI dia ny MATI tsy atao anaty farango sosona ilay hoe ara-dalàna rehefa manoratra azy, fa tena légaliste pur porc.

    :P

  3. debstar

    Tuesday, September 22, 2009 - 16:05:01

    Tohizako kely izy ity fa hoy ny P.M de “consensus” tao amin’ny haino aman-jery hoe “Ndao haverina indray ny demokrasia”, dia avy koa hoe “Ndao haverina ny ara-dalana”??? Be loatra ny mpangala-tahaka fa aleo mitady hevitra hafa indray isika ben a!

Add comment

Fill out the form below to add your own comments

User data





Add your comment