Friday, February 13, 2009

Raha toa moa ka … faritra mena

Isan’ny lahatsoratra faramparany avoakako ity amin’ny maha-tsy momba ny atsy nefa mankahala ny aroa ahy, fa toa ahiahiana ny hiandaniako amin’ny andaniny ary hanambarako izany ampahibemaso atsy ho atsy.

Resadresaka momba ny faritra mena, jery anankiroa samy hafa, ny iray Pro-GVT ary ny iray Pro-TGV.

============

Hoy hono Andriamanitra tamin’i Adama sy Eva :
Ny toerana rehetra eto amin’ny fari-tanin’i Madagasikara dia azonareo idirana sy aleha, fa ny faritra manakaiky ny lapan’Ambohitsorohitra kosa dia faritra mena, tsy azo idirana, fa amin’ny andro izay idikidiranareo ao dia ho faty tokoa ianareo.

Dia hoy kosa ity menarana tamin’i Adama sy Eva : Mandainga Andriamanitra fa tsy ho faty izany ianareo tsy akory raha miditra ao Ambohitsorohitra ao. Andriamanitra ve izy dia hamono ny zanany, tsy misy mihemotra izany eo. Ny tena marina dia amin’ny andro izay hahatafidiranareo ao amin’io lapa io dia hisokatra ny masonareo ka hitovy ho vahoaka sahala aminareo Andriamanitra fa tsy ho Andriamanitra intsony. Dia nidiran’ilay menarana hono ny faritra menan’Ambohitsorohitra, ary niverina avy tany izy ka tsy maty akory, araka ny nambarany. Dia nasainy niditra koa i Eva ary i Eva no niteny tamin’i Adama hoe mahazo miditra fa tsy misy maty izany eo.

=====

Any Smiley zanako malalako.

Manoratra izao teny vitsivitsy izao aho ho anao, mba hipetraka hiaro ny dianao izany teny izany amin’izay làlana alehanao, hahalalànao ny fahotana azo atao sy ny fahotana mahafaty.

Fantaro, ry zanako, fa tsy ny fahotana rehetra izay ataon’ny olona akory dia mahafaty, fa misy ny fahotana madinika, ary misy ny fahotana mahafaty.

Ny maka ny vary sy menaka amin’ny toeram-pivarotana voaroba dia fahotana, nefa tsy misy arakaraka, tsy misy sazy, tsy misy heloka satria vahoaka noana no maka.
Ny manodinkodina volam-panjakana dia fahotana, nefa na miara-manodina hatramin’ny 12 miliara ariary ao amin’ny Banky Foibe aza ianao, dia ny sasantsasany amin’ny mpanodina ihany no mety ho faizina, ary figadrana no sazy ho azon’izy ireo amin’izany.
Ny manao asan-dahalo, fandrobana sy halatr’omby mitam-piadiana, arahina fanolanana dia fahotana, ary mety ho voaheloka ho faty izay tratra, kanefa moa ny tanin’i Madagasikara tsy mampihatra ny fanamelohana ho faty, koa dia mety hiafara amin’ny figadrana mandra-pahafaty fotsiny izay sazy fanamelohana ho faty mety hivoaka.
Ny miditra ny faritra mena etsy amin’ny kianjan’ny 13 mey manao fihetsiketsehana dia fahotana, raha vitsivitsy olona dia mety baomba mandatsa-dranomaso no sazy ho azo, fa raha be olona kosa dia tsy misy sazy azo amin’izany. Miankina amin’ilay mpitarika koa io fa raha Lecacheur no mpitarika dia mety hoenjehin’ny les casseurs, fa raha Ben’ny Tanàna kosa no mitarika dia ialàn’ny mpitandro filaminana moramora fotsiny.
Ny miditra ny faritra menan’Ambohitsorohitra na Iavoloha dia fahotana mahafaty, ary ny sazy dia famonoana ho faty eo no eo, amin’ny alàlan’ny tifitra variraraka tsy misy fampitandremana. Na iza na iza. Na inona no atao eny na inona.