Friday, February 20, 2009

Raha toa moa ka … fanomezam-pahasoavana

Tena tsy tompon’ity hevitra ity aho fa mamerina mitatitra fotsiny, tao amin’ny La Gazette angamba no nisehoan’izy ity, efa elaela ihany. Tahatahaka izao ilay tantara.

Ny olom-pirenena tsirairay amin’ny firenena tsirairay hono dia nomen’Andriamanitra fanomezam-pahasoavana manokana. Ny anglisy ohatra dia nomeny ny fahalalam-pomba, ny japoney nomeny ny fahaiza-manaja, ny amerikanina nomeny ny fahalalahana.

Ho an’ny Malagasy kosa hono dia fanomezam-pahasoavana 3 no nomena isafidianan’ny Malagasy, kanefa ny 2 amin’ireo ihany no azon’ny olona tsirairay alaina fa tsy misy olona Malagasy iray mahazo manana azy telo mitambatra. Dia ireto avy ireo fanomezam-pahasoavana ireo :

1) Honnêteté

2) Intelligence

3) Fanatisme pour Ravalomanana.

Raha ohatra izany ka misy Malagasy iray manana ny fanomezam-pahasoavana 1 sy 3 dia mazava ho azy fa tsy ananany ilay 2 … sy ny toy izay.

Raha mahita olona ianao honnête ary intelligent, tsy fanatique Ravalomanana izy izay.

Misy koa ny Malagasy tsy manana afa-tsy iray amin’ireo fanomezam-pahasoavana ireo, misy ohatra ny manana ilay 3 fotsiny ihany. Misy ihany koa ny tsy manana mihitsy amin’izy telo. Dia mba diniho ny tenanao ary hoe ilay iza amin’izy telo no anananao…

  1. ikalamako

    Friday, February 20, 2009 - 17:49:40

    Ny ahy toa izy telo koh :

    Honnête aho : tsy momba ny atsy aho no tsy momba ny ary
    Intelligente : mahay ny atsy sy ny ary aho
    Fanatisme Ravalomanana : satria mitady ho resy i Andry - io fa miha-mandeha miadana ilay TGV - dia aleo aloha maka tohan’aina @ ronono sy ahourt en attendant

  2. DotMG

    Friday, February 20, 2009 - 18:46:28

    Raha izay no izy dia tsy Malagasy ianao izay.

  3. ikalamako

    Saturday, February 21, 2009 - 01:36:56

    malagasy ray sy reny aho koh ! Sa lasa safiotra tampoka teo ve aho ? Loza…
    Hatrizao toa mitovitovy amiko daholo ny mpitolona koh !

  4. ndrema

    Wednesday, February 25, 2009 - 11:41:41

    le fanatasime est une forme vide d’intelligence, les fanatiques ne sont pas intelligents mais bornés…

  5. jentilisa

    Thursday, February 26, 2009 - 17:16:29

    tsy voatery hoe fanatika ravalo fa rehefa fanatika fotsiny na amin’iza na amin’iza ary eo ihany koa ilay hoe fankahalana fotsiny na inona na inona ataon’ilay ankahalaina

  6. DotMG

    Thursday, February 26, 2009 - 17:27:40

    zah zao ilay fanatisma fankahalana fotsiny halako bika tsy tiako tarehy, n’inn n’inn ataon’là

Add comment

Fill out the form below to add your own comments

User data





Add your comment