Friday, March 21, 2008

Raha toa moa ka … ny torimaso no itovizana amin’ny miliaridera?

Secret #7 of 7

Sarobidy amiko ny torimaso. Rehefa matory aho dia matory ary rehefa tsy matory dia tsy matory. Zavatra tsy tantiko izany fohazina amin’ny torimasoko izany. Noho io antony io dia tsy mba matory antoandro mihitsy aho. Antony voalohany noho izaho efa tsy mizatra matory antoandro dia ela dia ela aho vao mahita tory amin’ny antoandro. Antony faharoa dia tsy ampy ahy raha torimasona folo na roapolo minitra, ka ilay hifoha na fohazina no tsy laitrako.

Taona vitsivitsy izay, efa manomboka mahazo ahy koa izany tsy mahita tory izany amin’ny alina. Tsy mety mihinana fanafody fampatoriana aho fa iray amin’ireto fika roa ireto no ampiasaiko dia ça va. Ny iray dia ** blaogy.org has censored this content. If you think this is unfair, please drop a mail to the moderators. **. Ny faharoa dia izao: asiako écouteur ny finday, dia alefako ny radio, ataoko BBC, dia mihaino an’io radio io ao amin’ny maizina ao aho. Raha ilay resa-be amin’ny teny anglisy iny no ao dia eo amin’ny 30 minitra eo farafahabetsany dia efa renoka aho. Raha sendra miteny frantsay dia manandrana mihaino VOA koa aho fa ny VOA indray mantsy somary ratsiratsy ny fandraisana azy any aminay. Tsy azoko mihitsy ho maninona koa aza ny BBC rehefa mitantara baolina CAN na milaza vaovao @ 9 sy sasany alina no atao @ fiteny frantsay…

Amin’ny maraina, mila alarme @ finday aho vao maha-taitra fa raha izaho irery tsy mba ho taitra amin’ny ora eritreretinao izany. Dia raha amin’ny 6 ora latsaka folo aho no hitsangana, tsy maintsy any amin’ny dimy ora sy valo amby roapolo minitra any no ampanenoina ny alarme, dia mikafiry ao aloha mandra-paha. Raha oharina amin’ny solosaina izany dia toy ny démarrage-na Microsoft Vista amina solosaina PII.