Tuesday, August 28, 2012

Raha toa moa ka … antitra vao miha-gaigy

Miompy alika lahy izay izahay, i Kavana no anarany. Roa taona mahery eo angamba izy io satria roa taona eo izay no nananana azy, ary mbola tsy vaky maso izy no azonay. Alika mahafatifaty izy tamin’ny voalohany, ary tena nanampy tokoa tamin’ny nitomboany. Hafa ihany ny tanàna misy alika fa na amin’ny alina aza dia mandry saina kokoa noho izy mivovo raha vao misy mandalo any ivelany any.

Fa saingy nony nihalehibe i Kavana dia mitombo ny zavatra mahasosotra ataony. Amin’ny alina, dominy sy kasohiny foana ny varavaran’ny garage, izay vy, ka toy ireny mpamaky trano ireny mihitsy no fihaino azy. Ny biby fiompy hafa vonoiny sy haniny. Raha misy dabam-pako tavelavela eny an-tokotany eny, dia asa be indray ny mamerina manangona an’izay fako izany noho ny fanaparitahany azy. Ny malotony miparitaka eny amin’izay toerana rehetra misy soratra hoe “Ny alika no manao maloto eto”. Efa manomboka somary romotra ihany koa nedala, taloha izy milalao an’reo zanakay vavy afaka mitsofoka any am-bavany any mihitsy ny tànan’ny ankizy, fa izao na izaho aza tadiaviny ho rombosana indraindray.

powered by Fotopedia

Tsy dia mba ilay karazan’olona mandany vola sy fananana ho an’ny alika izahay ka ilay hividy sakafo manokana ho azy fa izay ambiny tsy laninay ihany no zaraina aminy, indraindray mba iniana asiana ambiny mihitsy ho azy. Ny nahatonga ny anarany hoe Kavana dia rehefa misy laoka ambony karazana sy lafo vidy ao aminay, ilay tsy dia fihinana matetika ireny, ohatra hoe crevettes. Raha ny tokony ho izy, dia ny taolana sy fika amin’izy ireny ihany no anjaran’i Kavana. Indraindray anefa, tsy laninay tanteraka ilay laoka mafilotra ka misy ambiny mbola betsaka ihany. Somary hanahirana anefa ny hanome an’izany ambiny izany ho azy, ka dia tahirizina maharitraritra ao ihany aloha ilay laoka, sao misy te-hihinana ihany, mandra-paha-tsy ho azo hanina azy intsony. Aleo ho lo toy izay ho an-kavana! Fa rehefa lo ho an’i Kavana ihany.