Wednesday, March 5, 2014

Dre Dre Drenin’ity!

Neny ô, i V anie miteniteny ratsy dia mihomehy izy rehefa avy miteny an’ilay izy sady mitsoaka e! Hoy ilay zanako vavy mitoroka ilay zandriny 4 taona. Somary tsy henon’ny reniny ilay izy tamin’ny voalohany fa nandrasany tsara ilay zaza hamerina, tsy dia azo atao mantsy ny mibedy zaza avy amin’ny alàlan’ny tati-bolana fa aleo renesina tsara aloha ilay teny ratsy vao mibedy.

Kelikely teo, iny indray izy tamy sady nanao hoe “Dre dre drenin’ity”, ary dia mivanitika tokoa sady lasa mirifatra avy eo. Nenjehin’ny reniny, ary nanontaniany tsara hoe fiteny avy aiza io, any am-pianarana any mantsy tsy hay tsy hay intsony.

- “Fa iza no nampianatra anao an’izany? Teny ratsy izany fa aza mamerina an’izany!”
- “I Dada no nampianatra ahy an’izany!”

Maty ialahy ry Dot androany fa mampiana-dratsy ny ankizy.

Mea culpa. Tena izaho tokoa no naharenesany an’io. Misy mpiara-miasa amiko taloha izay rehefa tezitra mitondra fiara dia manompa hoe “Vadin-drenin’ity”. Vady an, fa tsy ilay ompa iray ratsy kokoa. Ary dia naveriko tokoa io fombany io indray andro, mba ohatry ny fanalàna azy sy mba “tribute” kely ho an’ilay bandy akama. Kanjo ren’ilay zanakavavy ilay izy ary tsy tadidiny tsara fa dia io “Dre dre drenin’ity” io no namerenany azy.