Thursday, April 24, 2008

What if … the matrix had us? [VIDEO]

Wednesday, April 16, 2008

Raha toa moa ka … tsy lanitra ny tontolo misy anao.

 Andeha hamakafaka dokambarotr’i Orange indray isika anio. Dokambarotra iray mifono hevi-dalina izy ity, ary efa miparitaka eran’ny sehatra maro natokana ho an’izany.

Eny amin’ireny fafana lehibe ireny dia toy izao no famariparitana ny sary: Lehilahy iray, ravoravo, mipetraka eo ambony bozaka maitso (mavomavo ho an’ny maso sasany), mamaky gazety. Misy gitara eo ankavanany eo ary lavidavitra kely azy misy baolina fandaka (kitra). Izy irery no eo, ary hita ery lavitra ery ny lanitra, misy rahona vitsivitsy. Eo ambony misy soratra hoe “Tsy lavnitra ny tontolo misy anao”.

Doka orange, Tsy lavitra ny tontolo misy anao

Raha toa moa ka … tsy lanitra ny tontolo misy anao.

1) Ilay gazety dia milaza ny fampahalalam-baovao. Raha lanitra ny tontolo misy anao dia ho nanana fahalalahana izy ireny ka afaka niteny izay tiany ho notenenina, saingy tsy lanitra moa ny tontolo misy anao ka dia matetika izy ireny no voarahon’ny Lehibe, ary misy sasantsasany izay tsy manaiky lembenana no nakatona, ary tsy sahy mitaraina fa ny hafa no mitaraina ho azy.

2) Ilay baolina kitra dia midika baolina kitra. Raha lanitra ny tontolo misy anao dia ho nanana fahalalahana hanao baolina kitra ny mpitia sady matihanina amin’izany, saingy tsy lanitra moa ny tontolo misy anao ka dia … naaton’ny FIFA i Madagasikara satria fa …

3) Ilay gitara dia midika ny lamozika sy ny kanto. Raha lanitra ny tontolo misy anao dia ho nanana fahalalahana hanao fampisehoana ny artista rehefa vita lamina ny momba izany, saingy tsy lanitra moa ny tontolo misy anao ka dia … ny Lehibe no manapaka ny mahamety na tsy mahamety izany, ka rehefa hoy izy hoe OK dia OK ary rehefa hoy izy hoe tsy OK dia tsy OK.

4) Raha tazanina lavitra ny sary toa mahavelom-bolo izany: Manga ny lanitra, Maitso mavana ny tany. Kanjo rehefa dinihina, toa lanitra semban-drahona ilay lanitra, ary bozaka miloko mavomavo fa tsy dia maitso ahoana. Ary tsy mba nisasaka teo afovoany akory ny loko manga sy maitso (mavo e)  fa, ny ampahany maneho ny tany no mibahan-toerana bebe kokoa. Eeee, mbola ety an-tany isika e!

Sunday, April 13, 2008

Raha toa moa ka … asolo régime Mpitsara ny Demokrasia?

Rehefa avy nitondra ny Zanak’Isiraely nivoaka an’i Egypta i Mosesy, ary efa voky andro ka hody any amin’ny razany, dia i Josoa, izay lehilahy hitan’Andriamanitra fa mety hahavita azy no nasainy natao ho solon’i Mosesy. Taorian’i Josoa ny andron’ny Mpitsara, ary taorian’ny andron’ny Mpitsara vao nentina mpanjaka ny Zanak’Isiraely, satria ny vahoaka mihitsy no nangataka tamin’Andriamanitra hoe omeo Mpanjaka toy ireo firenena hafa manodidina anay izahay.

Toy ny ahoana ary izany andron’ny Mpitsara izany hoy ianao? Ny Mpitsara dia mpitarika ny vahoaka, voahosotr’Andriamanitra, ary nitana andraikitra maro teo amin’ny firenena. Toy ny Filoham-pirenena ankehitriny izy, kanefa manana andraikitra hafa ankoatry ny andraikitry ny Filoham-pirenena amin’izao fotoana izao: Mitsara ny adin’ny vahoaka (toy ny mpitsara ankehitriny), nefa izy ihany koa no manao ny famotopotorana ilaina (sady mpanao “enquête”, izany hoe toy ny pôlisy ankehitriny). Ny Mpitsara ihany koa no mampianatra ny lalàn’Andriamanitra, ny baikony no arahina eo amin’izay atao hoe fivavahana. Raha oharina amin’ny andro ankehitriny dia toy ireo olona eken-teny eo amin’ny rafi-pivavahana ankehitriny izany ny Mpitsara.

Mpitari-tafika ihany koa ny Mpitsara. Amin’ny andro ankehitriny moa, raha handray ohatra an’i Madagasikara aho dia tsy misy firenena miady amintsika fa ny fahavalo iadiana dia ny Fahantrana sy ny SIDA, koa raha noeritreretina hoe nisy Mpitsara amin’izao androntsika izao teto Madagasikara dia io Mpitsara io izany no lehiben’ny ady amin’ny SIDA sady lehiben’ny ady amin’ny fahantrana.

Raha aravona izany dia sady Président de la République izy no Chef suprême des armées no Leader spiritueux no Enquêteur & Juge (& Partie) no mpanapa-kevitra amin’izay ady atrehina (amin’ny SIDA, amin’ny Fahantrana). Izy no manao ny lalàna ary izy no mampihatra izany, sy manafay izay tsy manara-dalàna. Sady Loholona izy no Solombavambahoaka, ka mitondra ny hetahetan’ny vahoaka eo aminy sy eo amin’Andriamanitra.

Raha mandroso ny firenena dia Mpitsara mahomby izy, jereo fa nataon’Andriamanitra nandresy izay rehetra fahavalony hatrany ny Zanak’Isiraely tamin’ny andron’ny Mpitsara marina. Raha tsy mandroso kosa ny firenena dia noho ireo vahoaka tsy mety mino sy tsy manaraka ny toroheviny.

Raha toa moa ka …

Sunday, April 6, 2008

Raha toa moa ka … asiako patanty ny teny hoe What if?

Tato ho ato dia tsikaritra fa misy ny namana mampiasa tsy mahazo alalana an’ilay teny kely hoe “Raha toa moa ka …”. (Raha toa moa ka … i Jesoa no eto amin’ny toerako?, …) Ity blaogy ity moa tsy dia misy mpitsidika firy, ary na misy mpitsidika aza, sady misy Ads, dia lasan’i Sefobe ihany ny sôsy fa tsisy ho ahy, koa dia nahita hevitra anankiray aho hampidirana vola amin’ny alàlan’ity blaogy ity.

Nakako patanty tany amin’ny OMAPI ny fampiasana ny teny hoe “Raha toa moa ka …” sy ny hoe “Et si …” ary ny hoe “What if …”. Koa izay mampiasa an’ireo teny ireo any amin’ny blaoginy, na tsy mamafa an’izany any amin’ny blaoginy raha efa nampiasa taloha, dia mandoa vola 1Ariary aty amiko, isan’andro, isaky ny misy mitsidika ilay pejy. Marihina fa ny 0.3 ariary amin’io vola io dia mbola omena an’i sista-karine satria tany aho no naka style.

Thursday, April 3, 2008

Raha toa moa ka … teratany kiobanina i DotMG?

Tandremo: tantara efa nandeha ity horesahiko anio ity.

Miova andriana, miova sata tokoa va re ry zareo ao Kioba, fa nony i Raolona no nitondra ny fanjakana dia nisy fanalalahana vitsivitsy noraisina. Manomboka mahazo mampiasa finday amin’izay ny olom-pirenena tsotra, manomboka mahazo mividy laptop ny olom-pirenena tsotra, manomboka mahazo mandeha any amin’ny hotely izay tiany amin’izay ny olom-pirenena tsotra, ny hany fepetra dia ny fahatakaran’ny sôsiny; raha toa ka ny tompon’andraiki-panjakana ambony sy ny vahiny ihany no nanana izany zo izany teo aloha. Sahala amin’ny hoe manomboka misy ny fahafahana ô?

Eto Madagasikara, volana vitsivitsy lasa izay, namoaka lalàna ny fitondrana fa tsy mahazo mametaka film matroka amin’ny fiara intsony ny olom-pirenena tsotra, fa dia ny tompon’andraiki-panjakana ambony sy ny vahiny ihany sisa no hahazo alàlana amin’izany, raha toa ka samy nanana an’izany zo izany ny bodo sy adala teo aloha. Volana maromaro taty aoriana, toa tsy tsapan’i DotMG izay mba tombontsoa azony tamin’izany lalàna hafahafa izany.

Izao dia reko indray fa tena hapetraka ato ho ato koa hono ilay lalàna hoe tsy mahazo manao slip miloko fotsifotsy intsony ny olom-pirenena tsotra, fa ny vahiny sy ny tompon’andraiki-panjakana ambony ihany no hanana izany zo izany. Nefa ny fanjakana tsy hividy ny slip-nao miloko fotsy hoe fripy fa dia ny manary no mety. Tsy rariny ô?

Raha toa moa ka … nandatsa-bato TGV i DotMG tamin’ny fifidianana ho Ben’ny Tanàna, tsy hoe satria naharesy lahatra azy iny iraikalahy iny, na hoe hitany hoe metimety kokoa noho ilay iray hafa, fa noho ny tsy fahafaliany tamin’ilay antoko politika lehibe tompom-pahefana nanao an’ilay lalàna mandrara ny film sy fitiavana te hamelaka kely fotsiny? Sain-jaza ô?

Tuesday, April 1, 2008

Raha toa moa ka … Tsy ho ampijaliana ny renintsika (1)

Diso tsipelina io lohateny io ka. Natao fanahy iniana mihitsy. Ny tena lohateny dia hoe “Raha toa moa ka … Tsy ho ampijaliana ny tenintsika”. Natao fanahy iniana nodisoana fotsiny io mba hanasongadinana fa rehefa misy diso ny tsipelina dia mety hampiova ny hevitra tian-kambara mihitsy. Koa aleo mandany andro kely manamarina ny tsipelina (raha hay) ary miezaka mianatra ny fanoratra marina arak’izay tratra.

Mba hiresaka momba ny mpanoritra aho anio.

1) Ny anarana Malagasy dia matetika efa misy mpanoritra miaraka aminy, toy ny hoe Rajao, Andrianampoinimerina, Ikoto, … koa tsy tsara ny hanasiana mpanoritra anankiroa mifanesy. Noho izany, dia tsy tokony hatao ny manoratra hoe i Rakoto, fa ilay hoe Rakoto fotsiny dia ampy.

Ohatra: Hoy Ravalomanana, fa tsy hoe Hoy i Ravalomanana, …

2) Misy mampifamadika matetika ny mpanoritra ny sy i. Ny fika tsotra atoroko dia atambatra amin’ny hoe hoy i na hoy ny ilay teny, dia izay metimety kokoa no tokony ho izy. Hoy ny fahitalavitra izao no mety noho ny hoe hoy i Fahitalavitra, dia raha hanoratra dia tokony hatao hoe hita tamin’ny fahitalavitra, fa tsy hoe hita tamin’i fahitalavitra.

Matetika, rehefa raisina toy ny olona (personne) ny zavatra tondroina ary amin’ny maha-tokana an’iny olona iny, dia i no mpanoritra ampiasaina: tamin’i Dada, i Madagasikara; ary rehefa zavatra iaraha-manana, ka ilay mpanoritra dia entina mampiavaka an’ilay zavatra (hoe anay ohatra), dia ny kosa no ampiasaina: faly ve ny mamanao? (jereo fa mety koa ny hoe faly ve i mamanao?)