Wednesday, July 28, 2010

Raha toa moa ka … yrdnamidon

Namaky kely ny dinik’ingahy simplex aho omaly. Ny ahy indray raha vao resak’ingahirainy io na fohy na lava voavakiko soa aman-tsara foana. Indraindray moa raha somary fohy ilay izy dia mety ho voavakiko in-droa, in-telo mihitsy aza. Dia lasa ny saiko momba ny filazana manjo rehefa namono tena ilay havana nodimandry.

Amin’ny finoana sy fanantenana ny fitsanganan’ny tena amin’ny maty …

Tsy haiko aloha fa raha mino ny resaka helo sy paradisa ny fianakaviana, dia aleo tsy manantena ny fitsanganan-ko velona satria dia toa midika fa rehefa hitsangan-ko velona izany ilay rahavana namono tena dia lasa any amin’ny helo. Ilehiry nandatsaka aina dia avy eo mety ho tsy nanam-potoana ibebahana intsony fa iny dia jaingy koa.

… no ampandrenesanay anareo fa nantsoin’ny Rainy hody any aminy …

Fanelezana Vaovao Tsy Marina! Sady tonga dia Andriamanitra mihitsy ve no lazaina ho nanao izay tsy nataony? Tsy Izy no niantso fa ilay namono tena no nilitility tonga tsy nantsoina ohatry ny vinanto tsy mahare fosa. Sady mety mety tsy lasa nody any amin’ny Ray koa fa mety nody any amin’ilay Raikely Belza tompon’ny helo.

Ka dia tokony hatao toy izao ny filazana manjo rehefa amin’ny tranga famonoan-tena :

Amin’alahelo sy henatra be no ampandresanay anareo noho ny fihavanana fa nanapitra ny tantarany ny havanay Rabeniomby sy Ravolahanta.

Amennnnnaaaaaaaaaaaaaaaaa!

Tuesday, July 20, 2010

FOSA OLANA

FOSA OLANA.

Indray andro hono dia nisy efa-bavy
niresaka momba ny fanambadiany
Dia samy nifosa an’ireo vadiny avy
nifampitantara ny fomban’ny tiany.

Dia resaka izao, tsy nisy arofanina
na tsiambaratelo fa indro: nisosa
Ny mihaino azy indray no toa mahavalalanina
Fa lalina ireto bajô raha hifosa

Ny ahy hoy ny iray, miaramila tantsambo
Tsy azo baikona izy f’azy ny didy
Tsy laitra dohika, mpidingina rambo
Ny vadiny kosa tsy manan-tsafidy.

Rehefa izy no manina ka mila vady
Tsy maintsy eo no eo no anefana ny adidy
Fa raha mba ianao kosa indray no mitady
Tsy manana zo ny amin’izay hangidihidy.

Raha azony ianao tena mahita faisana
Sokafany avao izay rehetra mihidy
Mpitaingin-tsoavaly va re no iraisana
no mihazona mafy sy miridiridy?

Mpitsabo mpandidy ny ahy, hoy ilay faharoa
Nahavita fianarana be tany andafy
Maro no tsara tia azy tokoa
Kanefa izy kosa tsy mba mampirafy.

Be taona izy nefa dia mbola mirija
Matanjaka fa tsy be setra higafy
Ny fiaviny avao tsy mba ora-mikija
Fa toa erikerika mora fifafy.

Fahaiza-manaony tsy misy madilana
Fa tsoda no tsininy kely mampihafy
Ny molony mantsy somary mivilana
Ka saokako indray no voaoroka mafy.

Ny anay mise au vert efa saika ho mazàna
Hoy ilay fahatelo somary nivalo,
Ny afom-pitiavana tsy mba tamàna
hitoetra ao an-trano f’indrisy mandalo.

Mpitandrina hono izy, mazoto mivavaka
Ka Belzeboba no atao fahavalo
Variana amin’izay dia tsy mahita lavaka
Mandositra adidy, miery, mimalo.

Fanahy no tolomina mandavan-taona
Io no itetezana izao lafivalo
Ny nofoko kosa, indrisy misaona
Toa zary voankazo voapoizina kalo.

Ny anay aza retsy, hozy ity farany
Tonga dia lasa, eny, zara raha mihelina
Tsy maharitra ela tokoa ny tantarany
Tsy misy hotsakoina fa dia indray mitelina

Taloha izy anefa soavaly tanora
Lava sy mafy toa zaran-dapelina
Fa antitra kosa izao ka goragora
mikainkona kely toa garanadrelina.

Dia asa na izy no mamilafila
Na ilay adidy no manelingelina
Sa reraka loatra nikiky kapila
Ka tsy hahavita intsony fa efa domelina?

DotMG - Tononkalo Miala Sakana (19 jolay 2010)