Sunday, June 29, 2008

Raha toa moa ka … hamono ny RTA ny Pazzapa?

Ny fandaharana RealTV Pazzapa, izay hala tahaka ireo fandaharana vahiny toa ny Star Ac, dia isan’ny fandaharana be mpanaraka sy be mpankafy tokoa. Manaporofo izany ny tabataba avy amin’ny mpijery amin’ny fandaharana maro eto an-drenivohitra rehefa misy tsy mahafa-po azy ireo ny fandehan’ity fandaharana ity. Mety ho azo inoana hoe izy no fandaharana mampiala voly be mpanaraka indrindra eto Madagasikara.

Maro mpitsikera ihany koa anefa io fandaharana io, noho izay fahalazany be loatra izay. Ao ny toa an’i news2dago izay milaza fa manimba ny mpianatra io fandaharana io, noho ny fanaovan’izy ireo antsirambina ny fianarany, ary tsy raharahian’ny RTA akory izany. Misy ny milaza fa manao fitrandrahana tsy ara-drariny an’ireo tanora kely ireo ny RTA. Izaho moa dia efa nanatsidika fa tsy rariny ilay fandefasana SMS iny no tsy mba misy loka zaraina ho an’ny mpijery akory nefa dia ny mpijery ihany koa no tokony mba hahazo ny anjarany. Ao ihany koa ny manakiana an’ireo mpanakanto nivoaka tao amin’ny Pazzapa ka milaza azy ireo ho tsy manan-talenta firy.

Ho ahy manokana aloha dia nihena tokoa ny fitiavako ny groupe RTA iray manontolo noho ity fandaharana Pazzapa ity. Ny antony dia tsapako ho mitongilana be loatra amin’ny mpanakanto nivoaka avy tao amin’ity fandaharana ity ny groupe iray manontolo eo amin’ny fandaharana hira sy mozika na fampahafantarana mpanakanto, ka manjary tsy izay tsara sy manan-talenta no miseho matetika fa izay nivoaka tao amin’ny Pazzapa. Raha ny RTA no jerena, toa tsy mpanakanto intsony izay tsy nivoaka tao amin’ny Pazzapa. Eo no ilazako hoe mety hamono ny RTA ity fandaharana ity. Toa mba manam-peo manga ihany izany Mirado izany kanefa raha vao RTA no jerena dia ny groupe Tsakarao no tsy maintsy ho hitanao ao foana.

Marina fa rehefa zariny an’iny ny sofinao mpihaino dia ho lasa tia ho azy (amin’ny ankapobeny), nefa koa rehefa tsy tianao hatramin’ny voalohany ilay izy, na haverina in-jato eo aza dia vao mainka ny tsy fitiavanao an’ilay kanto no mitombo. Ankehitriny aloha ny RTA dia fijerena Formule Foot sisa ho ahy, fa raha izay fandaharan-kira alefany dia tsy mihaino/mijery an’izany intsony aho e! Mba ilazao rehefa miova ry zalahy ka tsy dia manao matraquage de Pazzapa intsony.

Mitera-boka-dratsy ho an’ny mpankafy sy ny ankafizina ity fahalazana teren-ko masaka ity. Ny fahalazana no tanjona fa tsy ny fitiavana an’ilay kanto, ary hatramin’ny Ray aman-dReny no mamita-tena, ka naleon’izay nanana ny tsy dia re firy nampivondrona ny zanaka nivoaka tao amin’ny Pazzapa hanao hetsika. Tsaroana, tamin’i Sitraka nivoaka ny Pazzapa, dia notakian’ny mpankafy hoe aiza izy no tsy re? Rehefa tena dinihina anefa, ny azy no mety: tsy tereny hankafy azy ny olona fa ny kanto no ataony, miandry izay fotoanany fa rehefa masaka tsara ve iny tsy ho babo ihany ny sofin’ny mpihaino?

Sunday, June 22, 2008

Raha toa moa ka … gidany

Ny voambolana hoe gidany dia voambolana iray andikana ny hoe faran’ny lisitra. Raha any am-pianarana ka misy 30 ohatra ny mpianatra, ary misy ankizy iray laharana fahatelopolo, dia antsoina hoe gidany izy, na gida.

Ny niavian’io teny io dia avy amin’ny hoe gida maimbo na gida masiso, efa mba maro tamintsika ihany angamba no nandre an’izay kanefa ny tena nahatonga ilay teny kosa vitsy no mahalala.

Tany amin’ny faritr’Ankarafantsika, dia nisy irony guide touristique irony, izany hoe mpitarika ireo mpizaha tany ary manoro azy ireo izay mahaliana ao anaty ala ao. Ka ny tantaran’i Albert Papi indrindra no nahatonga io fiteny hoe gida io. I Albert Papi dia guide (gida hoy ny fanagasiana) izay tia tsaramaso sy laisoa aok’izany, kanefa ny azy ny môtera tsy dia mahazaka an’ilay entana loatra. Koa rehefa mitarika vazaha eny izy, dia matetika no mandefa rivotra mantsina izay tsy azo iainana mihitsy: irony tsy re faneno irony kanefa mahatorana am-pitsanganana. Alaivo sary an-tsaina hoe miakatra tendrombohitra iny no mangeto-maimbo eo alohanao ny mpitarika, dray dray.

Ny hevitra hitan’i Albert dia ny mijanona aty afaran’ny olona rehetra, amin’izay na mangetotra aza tsy dia re loatra. Fantatry ny namany ihany anefa hoe noho ilay etotra no mahatonga azy manao an’io, ka izay no nahatonga azy ireo hanao oha-pitenenana hoe “Aza mba gida masiso toa an’i Albert Papi, ka izy mpitarika indray no aty afara”. Dia rehefa toy izay moa dia ny gida masiso sisa no mijanona ary mbola nohafohezina hoe gidany sy gida aza ilay oha-pitenenana.

Monday, June 16, 2008

Raha toa moa ka … hamita adidy androany

Andro lehibe anio 17 jiona 2008, adidy roa lehibe no hovitaina.

Adidy voalohany:  Mivavaka ho an’i Kamba izay hodidiana fanindroany androany

Adidy faharoa: Mi-télécharge Firefox 3

Fanovana: Vita ny adidy faharoa.

Sertifika nandraisana anjara

Sunday, June 15, 2008

Et si … on améliorait le football de ce côté sud-est de l’Afrique?

A mi-chemin de la deuxième tour des éliminatoires pour la CAN/Mondial 2010, on peut constater que les équipes de football de l’Océan Indien ont sombré. Ce côté sud est du continent a fait une bien piètre prestation, si on comptabilise les efforts de l’Afrique du Sud, Madagascar, Maurice et Seychelles.

12 matches, 1 victoire attribuée à l’Afrique du Sud, 4 nuls (dont la plupart sont des matches nuls, dans l’autre sens du terme), et 7 défaites. En mathématique, cela fait 7 sur 36, plus précisément sept points sur un maximum théorique de 36. Sur ce point, on pourra briller dans les Jeux des Iles de l’Océan Indien, mais au niveau continental, on restera toujours les petis poucets.

Face à Madagascar, les Ivoiriens ont avoué qu’on a un bon jeu, mais c’est l’expérience des matches internationaux qui ferait défaut. Ils ont sûrement raison, mais comment faire des matches internationaux si aucune équipe de cette région n’est capable d’évoluer dans les phases finales de la CAN? A ce rythme, le fossé risque de s’élargir entre le nord et le sud du continent. Pour Madagascar en particulier, je crois que les tournois Cosafa Castle Cup a été pour quelque chose dans l’évolution de son football, car, quoi qu’on dise, on a un léger mieux, ce n’est pas brillant du tout, mais ce n’est pas catastrophique non plus, enfin, … pour l’instant.

Et si … on essayait de multiplier les rencontres internationaux? Et comment?

Voici une proposition de ma part, utopique peut-être, mais mériterait d’un “pourquoi pas”, de mon “pourquoi pas” au moins.

Tous les 2 ans, on participe à des matches internationaux pour les éliminatoires à la CAN. Tous les 4 ans (année 4n - 1), on a les jeux des îles de l’Océan Indien. Il y a aussi le tournoi Cosafa Castle Cup auquel il faut s’attacher. Et si … en plus, on organisait un autre tournoi, tous les 4 ans (4n + 1). Le tournoi s’appelerait “The Indian Ocean Invitational”, et ce serait un tournoi de football organisé par les fédérations de football de l’Océan Indien (Comores, Madagascar, Maurice, Seychelles) avec en plus, et pour se démarquer des Jeux des Iles, l’Afrique du Sud. (Et une entente La Réunion/Maldives/Mayotte?). En plus de ces équipes, on inviterait une ou deux équipes venant peut-être d’une autre confédération faire partie ponctuelle de ce tournoi. Par exemple, pour l’édition 2009, on inviterait le Singapour et la Thailande? Des équipes européennes du genre Luxembourg, qui, comme nous, n’arrivent pas à se faire remarquer au niveau de leur continent, se plairaient-elles à participer à ce genre de tournoi? Avouez que les Îles de l’Océan Indien ont de belles plages et des bons sites touristiques, si ce n’est pas pour le football, ce serait au moins pour les vacances.

Les avantages d’un tel tournoi seraient:
. Minimisation des dépenses en frais de déplacement, car il s’agit d’un tournoi régional.
. Possibilité de faire des matches officiels avec des équipes avec lesquelles on risque de ne jamais rencontrer autrement.
. Vue l’affluence à Mahamasina lors des rencontres internationaux, même lors des Jeux des Iles, la fédération qui héberge le tournoi pourrait y gagner des sous, du moins lors des matches des équipes hôtes.

Friday, June 13, 2008

Raha toa moa ka … fantatr’i Google ny hatsarantarehin’ny olo-malaza?

Jereo fotsiny eto dia avy eo jereo ilay hoe Essayez avec cette orthographe.

http://google.fr/search?q=hiteny+ratsy+tarehy&hl=fr

Thursday, June 12, 2008

Raha toa moa ka … retour vers le futur, un vendredi 13

Resy indray.

Raha toy ireny baolina nihaonan’i Mozambika sy ny Barea omaly hariva ireny dia tena tsy hita marina izay hitantarana azy. Toa saika nety ihany ny natao fa ny sanjila mihitsy no namazivazy. Amin’izay ilay but matin’ny mpitsidika toa taim-baolina sy hadisoana kely avy amin’ny Barea ny betsaka fa tsy tena fahaizana. Ny zavatra tsapa ihany koa dia rehefa manenjika isa ny tena dia toa fohy dia fohy ny fotoana, sahala amin’ny hoe tsy ampy 90 minitra izany ny lalao.

Misasaka izay ny làlana, laharana fahaefatra sady farany no misy antsika, ary ahiana hijanona eo ihany koa fa tsy ho tafarina intsony. Taorian’ireny rodorodo be tamin’ny 30 minitra farany sy ireo karatra mavo sy mena azontsika ireny tokoa mantsy dia tena karazan’ny tsy manana éléments hiatrehana ny lalao miverina any Maputo afaka fito andro intsony isika. Tsy fanambaniana ny fahaizan’ireo mpisolo toerana sanatria fa tena ireo azo lazaina ho éléments clés rehetra no tsy afaka hanao noho ny karatra mena na ny karatra mavo fanindroany.

Re koa izao fa resin’i Côte d’Ivoire ihany koa i Botswana, ary dia azo lazaina fa malalaka amin’izay ny làlan’i Côte d’Ivoire hibata ny laharana voalohany ao amin’ity vondrona ity. Mbola samy afaka miandrandra ny ho laharana faharoa daholo ny ekipa 3 hafa, saingy hita hanan-tombo kokoa i Botswana.

Ny hany azo hanamboaran-tsaina dia mbola i Faneva Ima ihany aloha no mitàna ilay toeran’ny meilleur buteur, raha efa tsy laharana voalohany intsony kosa i Madagasikara amin’ny isan’ny baolina tafiditra fa dia nihemotra kely. Amin’ny 2012 indray manao misimisy e …

PS. Rehefa mametraka post @ ity blaogy ity dia misy daty eo, ary fanaoko ny mametraka daty any aoriana kely matetika rehefa tiako tsy tonga dia hivoaka ny lahatsoratra. Ity lahatsoratra soratako androany Alatsinainy ity kosa dia ataoko datin’ny Vendredi 13, izany hoe 3 andro mialoha ny androany, sao mba mivoaka alohan’ny lalao ihany izy ity ka misy hakana lesona ho an’ny mpilalao hoe tandremo ny karatra sy ny faute majinika ahitan’ny Mozambikana but. Nefa revin-gadra kay ny ahy fa vao nijery ny blaogiko aho teo fa tsy mbola niseho ity lahatsoratra ity.

Et si … retour vers le futur?

Sunday, June 8, 2008

Et si … Madagascar fait match nul avec Côte d’Ivoire?

Et si … Madagascar faisait match nul avec Côte d’Ivoire, ce serait le match nul le moins nul de son histoire.

Moi, qui m’intéresse bien au classement FIFA, je crois que c’est du moins une bonne chose pour notre classement. La Côte d’Ivoire, étant actuellement classée 25 ème mondial et 4éme africain, cela devrait ajouter dans les 371 points dans notre total. Pour comparaison, une victoire contre les Comoriens nous donnaient 318 points. Et quand on a pu arracher un nul comme ça, on se demande: et si … on le gagnait ce match? Ce n’était pas impossible. Les Burkinabés ont bien terrassé les Tunisiens non? Si on continue de ne pas perdre, peut-être que pour la qualification à la CAN 2012, Madagascar ne sera plus parmi les équipes qui devront jouer les matches de barrage.

En attendant, on est toujours classé numéro 1 en nombre de buts marqués et c’est toujours notre Faneva Andriantsima national qui occupe la place de meilleur buteur du tournoi. Youpiiii.

Monday, June 2, 2008

Raha toa moa ka … i Madagasikara no ekipa voalohany (avy aty amin’ny lohany) eto Afrika?

Tsy what if … io, tsy nofinofy, tsy faminaniana fa tena zava-misy iainana ankehitriny, amin’izao ora sy fotoana izao. Tsy mino? Jereo ary ity site an’ny FIFA ity: http://www.fifa.com/worldcup/preliminaries/africa/statistics/index.html

Malagasy no mitana ny toeran’ny meilleur buteur na mpampidi-baolina betsaka indrindra, dia tsy iza izany fa i Faneva Andriatsima. Ao amin’ny Top 5 dia misy malagasy 2 satria mbola malagasy ihany koa no laharana faha-5, dia i Rija Rakotomandimby.

Tsss, hay kay nokajian-dry lematy ilay lalao nihaonana tamin’i Komaoro koa … ilay nisarahana 10 sy 2.