Tuesday, December 29, 2009
Samy ho tratry ny taona 2010. [video]
Ho an’ireo anti-TGV toa anareo mpamaky hajaina, ho an’ireo anti-Trois mouvances toa ahy mpanoratra. Ho an’ireo OLP maro an’isa.
Mirary taona 2010 anjakan’ny fifankatiavana sy filaminana ho antsika rehetra.
Ny voninahitra dia ho an’Andriamanitra irery ihany.
Wednesday, November 18, 2009
Raha toa moa ka … seza sy fitombenana
(_!_) Fitombenana virjiny eo amin’ny lafiny politika. Miainga amin’ny toy ity jiaby izany ny fitombenan’ny mpanao politika rehetra aty am-boalohany.
(__!__) Fitombenana XXL : Rehefa nahazo seza tsaratsara ny mpanao politika dia nampitombo ny haben’ny sezany, dia mitombo miaraka amin’izay koa ny fitombenany.
!_!_! Fitombenana fisaka : Itony ireo karazana mpanao politika tsy mba mahazo seza, na mahazo seza ihany fa fatina-strapontin, toy ny hoe aleo atao hoe ialahy izany no Ben’ny Tanàna leisy ry Bory, dia eny tompoko nefa tsy manana fahefana na dia toy ny voatsinapy aza.
)_!_( Fitombenana tery : Mitovitovy amin’ny eo ambony ihany, izany hoe nahazo seza strapontin, saingy rehefa sendra ny Fitombenana XXL anankiroa eo ankavia sy eo ankavanany izay samy manery azy dia …
(_$_) Mpanao politika mivarotra fitombenana : Raha any amin’ny Arema ny vola, dia raha tsy Arema tsy hidola; raha any amin’i Zafy ny vola, dia raha tsy i Zafy tsy hidola, raha any @ Dada ny vola, dia raha tsy i Dada tsy hidola. Manahirana ny hamoaka voambolana toy ny hoe makorelina politika saingy misy ny mpitarika antoko politika mitarika ny antokony hanohana izay manone $ (vakio hoe esss) azy fotsiny ihany. Aiza koa misy izay milatsaka hofidina prezida, dia ny eto Antananarivo indray no tsy ahatongavany vatom-pifidianana fa ny any amin’ny faritra lavitra any aza tongany, satria mantsy novidian’ilay nanana herijika hahazo vato betsaka teto Antananarivo hilatsaka fotsiny izy mba hanembantsembana mpifanandrina hafa.
(_!o) Tanora Goaka 7mbenana. Indraindray mitondra any amin’izay mahafaty ity fanohanana politika ity koa. Rotiky ny bala eny akaikin’ny lapam-panjakana eny ny fitombenana. Aza alaina sary razoky ny tarehy an!
(_._) Mihidy fitombenana : Ohatr’izao ny mpanao politika iray rehefa hanjary ho gadra politika. Hitanao mitsikitsiky be sady sahy sy vonona izy miakatra an’i Fiadanana na eny amin’ny fitsarana eny Anosy fa ny ao amin’ny tsy hitan’ny masonao ao mihidy toy izao.
(_o_) Gadra politika 3 herinandro : Tsy moramora araka ny niheverana azy ity migadra politika ity fa sao dia tokony hanao grève de la faim amin’izay? Aiza koa atambatry ry zalahy amin’ny dahalo sy ny mpanao an-keriny sy ny mpanolana ve?
(_O_) Gadra politika mihoatra ny 6 volana.
(_Y_) Fitombenanan sexy : Efa nilaozan’ny toetr’andro izany vadina filoham-pirenena Maman be izany fa ny lamaody izao dia sipa kely sexy. Ny an-dry Sarkozy izao ohatra vao lany Filoha izy dia natsipiny toy ny tsy teo ilay akoho taman-trano fa naleony nampiakatra sipa kely mbola tsy Maman. Izay manana ambition ho Filoha, jereo aloha ny fitombenan-drafotsy hoe efa Maman na Grand-mère sa mbola sexy.
(_;_) Ary rehefa mahazo seza aza mifikitra tsy mety miala eo fa sao voan’ny hemoroida. Mila ifandimbiasana io seza io.
Wednesday, November 11, 2009
Raha toa moa ka … jiaby jiaby
Toetran-dry zareo mpitondra eto amin’ny firenena ity manao safobemantsina ity rehefa misy tsy mety ataon’ny sasany ka mihatra aman’aina.
Rehefa fiara roa aman-telo ao amina zotra iray no nandona nahafaty olona noho ny fandehanana mafy loatra, dia ny fandrarana ny fiara jiaby jiaby ao amin’io zotra io tsy hiasa no fanafody hitan’ny tompon’andraikitra hanafaizana azy. Izy koa moa tsy mba mandray betax ka tsy raharahany izay fahasahiranan’ny mpandeha aterak’izany fanakanana izany. Ny iaraha-miaiky kosa dia mahomby ny fanapahan-kevitra, na dia mandaitra vetivety ihany aza fa dia tsy misy intsony aloha ny fiara mandona mahafaty mpandeha.
Fiangonana FPVM iray any amin’ny faritany no mikitikitika ny FJKM (izay ain-dehiben’ny mpitondra tamin’izany sady mbola ain-dehibeny hatramin’izao izy tsy mpitondra feno izao) dia ny FPVM jiaby jiaby manerana ny nosy no akatona. Dia mikatòna eo ianao ry FPVM mandra-piongako. Izy angaha manana havana akaiky mpiangona FPVM?
Ary hatramin’izao, mpianatra vitsivitsy no tratran’ny gripan-kisoa ao amina sekoly iray, ary satria mahafaty ny gripan-kisoa dia ny sekoly iray manontolo no akatona ary mijanona any an-trano jiaby jiaby ny mpianatra rehetra. Ny zanany angaha no tsy hahay raha tsy alefa mianatra?
Zanaka Malagasy nalefa niasa tany Libanona telo no nodimandry tamin’ny fomba mampiahiahy dia ny fandefasana mpiasa any no atsahatra manontolo, ary heverina aza ny mety hampodiana jiaby jiaby ireo izay efa tafapetraka any an-toerana. Izy angaha miraharaha izay Malagasy maniry fatratra ny handeha ho any sy manantena fiainana tsaratsara kokoa, izy raha ho any Ambasadôra “au sens propre” tsinona fa tsy “au sens figuré”.
Tsy manakiana ilay fanapahan-kevitra “extrémiste” aho ka, jereo ny mitranga rehefa goragora ry zareo dia izao resa-be momba ny “bois de rose” izao no vokany, ka iaraha-manaiky fa ny fanakanana jiaby jiaby ny fitrandrahana sy fanondranana azy no hany vahaolana.
Ka mba alaivo sary an-tsaina hoe raha nahafaty tao anaty volana na herinandro vitsivitsy foana hono ny aretina SIDA, ary mompera hono na masera no minisitry ny fahasalamana tamin’ny vanim-potoana nisian’ny Malagasy voalohany matin’ny SIDA, fa ho tonga dia navoakany ny lalàna hoe manomboka izao aloha ny Malagasy jiaby jiaby tsy misy mahazo manao firaisana ara-nofo.
Monday, November 2, 2009
Et si … je vous racontais une histoire de merde.
Tay be ity hoy ilay nihaona tamin’ny ministra. Francis Turbo.
- Veuillez vous asseoir et me dire ce qui vous fait souffrir, dit le docteur à son patient.
- Je préfère rester débout, si cela ne vous dérange pas, Docteur, car mon hémorroïde me fait encore un peu mal quand je m’asseois.
- Vous souffrez d’hémorroïde? Cela dépend de combien de temps vous l’avez, dès fois cela se guérit avec des pommades ou des suppositoires, mais il se peut qu’une intérvention chirurgicale soit la seule solution envisageable.
- J’ai souffert de cette hémorroïde depuis 7 ans, des connaissances m’ont conseillé un tambavy qui me guérirait de ce mal en quelques mois, et je me le suis administré sans trop y réfléchir. Mais de toute évidence, cette infusion ne m’a pas complètement guéri de mon hémorroïde, elle me fait encore assez mal, et le tambavy a surtout ajouté un nouveau bobo car maintenant, je souffre aussi de constipation.
- Aïe, fit le toubib, et à part ces deux maux, de quoi d’autres souffrez-vous ou de quoi d’autres avez-vous souffert dans le passé?
- J’ai souffert de toux sèches interminables pendant plus d’une vingtaine d’années qui s’est mué petit à petit vers une tuberculose. J’ai pris des tambavy que je me suis administré moi-même, et quand je l’ai pris, au début ça faisait très mal: hémorragie et du sang dans mes crachats mais finalement je m’en suis complètement guéri au bout de quelques mois. Mais la bonne santé était éphémère : j’ai vite attrapé de la grippe qui me faisait éternuer toutes les 30 secondes. J’ai compris qu’à ce rythme, ma grippe allait me tuer, que ce ne serait pas une grippe ordinaire mais du genre porcine ou aviaire… Je m’en suis débarrassé, mais dès que l’effet de la grippe s’est atténué, je toussais de nouveau comme pendant les vingtaines d’années plus tôt. Je me suis donc administré un autre tambavy et c’est depuis ce temps que je souffrais d’hémorroïde.
- Donc, pour résumer, vous souffrez ou avez souffert de toux sèche, d’éternuements intempestifs, d’hémorroïde et de constipation.
- Oui docteur, de ces 4 maux, et j’espère que vous m’administrerez un médicament qui fasse disparaitre toutes mes souffrances, mais actuellement, c’est la constipation qui me fait le plus souffrir, et un peu l’hémorroïde.
- Hmmmmm, si nous arrivons à guérir complètement cette constipation, votre hémorroïde reviendra en force, et d’un autre côté, si on s’occupe de l’hémorroïde, c’est l’effet de la constipation qui redoublera. Il y a un médicament qui pourrait éradiquer les deux maladies en même temps, mais alors dans ce cas, la tuberculose et la grippe reviendront à coup sûr. Ce que je peux suggérer, c’est de faire cohabiter ces 4 maladies en même temps pendant une période transitoire, pour voir lesquelles on doit éliminer en premier, mais cela vous fera un peu mal.
- Les 4 en même temps? Constipation + hémorroïde, c’est déjà infernal, pourquoi réveiller les démons des toux sèches et des éternuements? Etes-vous sérieux? Imaginez-moi souffrir le martyr chaque fois que je tousse ou que j’éternue.
- Je vous assure que c’est la seule solution et que c’est uniquement transitoire. Il n’y a que de cette façon que je peux reconnaitre votre maladie et que je pourrai vous guérir. Mais vous devez me promettre de ne pas vous faire docteur vous-même, ni voir d’autres docteurs ou d’autres prescriptions parallèles aux miennes, quel que soit le niveau de votre souffrance.
Aux dernières nouvelles, la mouvance hémorroïde a refusé de cohabiter avec la mouvance constipation et n’acceptera jamais constipation comme une des principales maladies du patient. On a aussi entendu dire qu’une partie de la mouvance constipation n’est pas d’accord avec cet accord, et souhaite se dissider et constituer une cinquième mouvance: la mouvance douleur abdominale aigüe diarrhéique. Si cette dissension voit le jour, il y a deux cas de figure : le meilleur des cas, la cohabitation diarrhée + constipation aurait l’effet de s’anéantir, en ramollissant ce qui est dur et donc cela ne ferait plus très mal quand la chose va sortir au bout du tunnel; mais au pire des cas, et c’est malheureusement le cas le plus probable : la chose va pousser et presser de l’intérieur mais bloquer de l’extérieur, pressant le patient à faire la grosse commission toutes les 30 minutes sans que rien n’en sorte. Et Atchouuummm, pardon, Houghh, Houghh, éternuements et toux feront leurs effets toutes les minutes.
Je suis désolé d’avoir parlé de maladies et d’excréments au lieu de parler politique comme d’habitude, mais comme le disait Oscar Wilde : La politique est bien une histoire de merde.
N’est-ce pas?
On tire quand même quelques morales de cette histoire de merde :
1) Si vous invitez quelqu’un à s’asseoir et qu’il refuse poliment ou préfère rester débout, n’insistez surtout pas, il a ses raisons.
2) Il ne faut jamais se faire docteur soi-même.
3) Lasa ny mamba misosoka ny voay, autrement dit, même si vous arrivez à guérir une maladie, une autre maladie va s’installer. Toutefois, ce n’est pas trop décourageant, je connais au moins deux médicaments qui fassent le moindre mal: Après traitement, le patient ne souffrira plus d’aucun de ces 4 maux mais aura une maladie appelée Nirvana hallucinatoire pour l’une des prescriptions et rêves érotiques pour l’autre.
Wednesday, October 21, 2009
Raha toa moa ka … nominé
Nominé izany ny blaogy What-if dia avoty, BMB espace 31.
Raha vao tsy mahazo prix eo aho dia hidongy tsy hanoratra intsony. Izao aza efa mihoatra ny telopolo andro mahery tsy nahavita nametraka hevitra iray teto. Ny hevitra misy ihany fa amin’ilay NON dia aleo tsy mametraka.
Ny hoe nominé izany dia zavatra ratsy ho an’ny fandaharana Pazzapa (ny tena marina anefa iza no tsy mahalala izany hoe nominé sy Pazzapa izany fa fika rehefa mba te-hampiakatra ny filaharana ao amin’i Google sy mba hisintona ireo bodo sy adala mpankafy Pazzapa dia mody soratana matetika amin’ny lahatsoratra iray ny voambolana na teny manan-danja hoe Pazzapa dia tsy maintsy misy mpitsidika vaovao azo avy any amin’i Google any. Bon, izaho moa tsy manaraka firy an’io fandaharana io fa raha asiana ny anaran’ireo mpifaninana ao ny lahatsoratra dia vao mainka mitombo ny herijika hanjonoana mpitsidika. Jeyo, Jenny (mbola ao ami’ny Pazzapa sa efa voadaka?), …
Izay e, sur, manantena an’ilay BMB espace 31 izany e.
Bonjour ,
Vous avez été nominé pour les BOMBS 2009. Visitez la page et encouragez vos lecteurs à vous nominer pour la phase finale.
Bon BOMBS!
-
Hi,
Your blog has been submitted for BOMBS 2009. Please visit our page and ask your readers to promote you to the finals.
Happy BOMBS!
More on BOMBS here
http://www.bestofmalagasyblogs.com/bombs
http://www.bestofmalagasyblogs.com/regles/
http://www.bestofmalagasyblogs.com/goodies
http://twitter.com/Best_Blogs_Gasy
facebook
Thursday, September 17, 2009
Raha toa moa ka … 3 mipetraka, 1 mandeha
Raha nanomboka nampihavana ny korontana politika ny FFKM dia niseho ny tsi-fitovian-kevitra : 4 no isan’izy lehiben’antokom-pinoana mpampihavana, saingy ny iray toa naningana ary ny 3 niombon-kevitra. Nisy fotoana nanipy aron-tanana ny monsenera, ary saika mbola hampitohy ny fampihavanana ihany ny 3 tonta ambiny.
Rehefa tsy vitan’ny Malagasy sy ny Raiamandreny ara-panahy ny fampihavanana dia niditra an-tsehatra indray ny Afrikanina. Natao ankolafy efatra indray ireo hampihavanina ka natsofoka ho isan’izay hiara-midinika ny ankolafy Ratsiraka sy ny ankolafy Zafy Albert. Dia rehefa avy tany Maputo hono dia tsy niray saina indray ny ankolafy efatra fa ny telo niombona ary ny iray naningana.
Dia nanomboka hono ny SIIT teny amin’ny Futura Andranomena izay salon momba ny teknolojia vaovaon’ny fifandraisana. Dia tsy nahazo nandray anjara ny operateur Life fa ny Operateur 3 ihany no nahazo nandray anjara tao dia ny Orange, Telma ary Zain.
Inona ary izany : 3 mipetraka 1 mandeha…
Thursday, September 10, 2009
Raha toa moa ka … bizna mandeha
Rehefa raikitra ny korontana politika dia be ny very asa. Be ny miha-mahantra. Tsy ny tsirairay anefa no miha-mahantra fa misy kosa, ambadik’izay ny miha-manan-karena tampoka. Ary ireo manan-karena tampoka ireo dia tsy voatery ho ireo olona mpiara-dia amin’ny fitondrana na ny mpanakorontana akory, fa mety mba ho olon-tsotra fotsiny, toa ahy sy toa anao, saingy mba mahay manararaotra fotsiny ihany. Ny mahavoa antsika Malagasy mantsy, rehefa hoe mivaro-boanjo no asa fanao, dia tsy mieritreritra zavatra hafa hatao mihitsy fa hiaritra eo amin’io sehatr’asa io foana, nefa amin’ny fotoana sasany mety efa miova ny lalam-barotra ahitam-bokatsoa.
Indro ary, atolotra anao, lisitra sehatr’asa vitsivitsy mety hahitanao fahombiazana. Ndeha izany hatao hoe hamorona Groupement Inter Entreprises aho dia samy mitondra ny anarana hoe Jôgôlens daholo ireo entreprises haoriko, ary hamidy jiaby izy ireo ho an’izay liana ny hibizna.
- Jôgôlens Fashion: Spesialista amin’ny fanjairana palitao double face, fa tsy maintsy ho maro mantsy amin’izao ireo ho mpamadika palitao. Mety ho azo hoeritreretina (sa hoeretreret’na no fiteny, tsy haiko…) ny palitao triple face, avadika intelo mbola lafy tsarany foana no hitan’ny mpijery.
- Jôgôlens Trakta, Afisy, Grafitti (JTAG): mpanoratsoratra rindrina no asa iantsorohany ary mamafa ny soratsoratra apetraky ny hafa (izay mety ho ny orinasa JTAG ihany no nampanaovina izany). Mizara trakta sy mametraka afisy ihany koa. Tsy maintsy ho maro mantsy izao ny mpanakarama hoe soraty etsy hoe “Miala Rakoto” sy ny hoe “Avoahy RABE” sy ny sisa… Ny trakta indray dia ho ireo fanasoketana isan-karazany hatao amin’ireo adversera politika.
- Jôgôlens Bomb Maker : mivarotra kit complet fanaovana baomba artisanale. Misy karazana baomba maro: ny baomba mipoaka sy mandratra na mahafaty, ny baomba tsy mipoaka fa vitan’ny mpitandro ny filaminana ny manao ny desactivation-ny.
- Jôgôlens Fournisseur de Foules (JFF): Mamatsy vahoaka ireo hetsika pôlitika isan-karazany. Handeha koa mantsy ny guerre de vahoaka hoe ny mpanara-dia anay no tena betsaka vahoaka. Ity orinasa JFF ity izany dia manome vahoaka isan-karazany ho an’ireo mpamory vahoaka. Misy pack isan-karazany : Pack 13 Mai, pack 1,3 Mai (mahafeno ampahafolon’ny 13 mey), Pack 0,13 Mai (ampahazaton’i 13 mai), Pack 0,013 Mai, etsetra, etsetra. Misy kalitaony ihany koa ny karazam-bahoaka, ohatra hoe Fônksionera no tianay hananana betsaka ary toudé fônksionera mitokona, na hoe ny anay rehefa mameno kianja dia ça va, na dia tsy ampy taona aza no betsaka.
- Jôgôlens Spy : Afaka ampiasaina hikaroka dosie maloto-n’ny mpitondra teo aloha, mahavita manatsinkafona raharaha maloto maro, ahafahana mampiditra am-ponja azy ireny. Mitsikilo vie privée ihany koa ary sahy mampiseho izay malotoloto any amin’ny haino aman-jery ho ren-tany ren-danitra.
- Jôgôlens Maternité : Efa tsy ampy fialam-boly izao ny Gasy, ny fiainana manahirana, ny torimaso no itovizana amin’ny mpanankarena, tso-dranon’ny Tompo hoe Mamenoa ny Tany sisa no mora tanterahina.
- Jôgôlens Deejay School : Sekoly fanomanana ho DJ, débouchés tonga dia ministra na filoha.
Monday, September 7, 2009
Raha toa moa ka … hiverina amin’ny ara-dalàna isika
Misy volavolan-kevitra hanangana fikambanana iray izao efa naparitakay eran’ny tanàna any. Afaka miditra ho mpikambana ny olom-pirenena velona rehetra, maniry haneho amin’ny vahoaka eran-tàny fa mandàla ny ara-dalàna ny Malagasy. Tsy mahazo miditra ho mpikambana kosa ny mpanao politika, na ankolafy inona na ankolafy inona, satria ry lématy dia mpampandry adrisa fotsiny, milaza ho bonne sy milay kanefa feno fahalòvana.
Fikambanana MATI (Mpandàla ny Ara-dalàna Tena Izy) no hatao anaran’io fikambanana io. Tsy manao politika ary tsy manohana mpanao politika na iza na iza. Tsy azo hoentina amin’ny sehatra politika ny anaran’ny fikambanana.

Ny mpikambana ao amin’ny MATI, araka ilay hoe Mpandàla ny Ara-dalàna Tena Izy, dia tena ho mpandàla ny ara-dalàna marina tokoa: tsy hiampita eny an-arabe raha tsy passage clouté, tsy hanakana betax raha tsy amin’ny toerana voatokana ho amin’izany, tsy midina am-pandehanana, tsy mividy amin’ny mpivarotra an-tsisin-dàlana tsy manara-dalàna, tsy miresaka amin’ny mpamily, tsy mamany eto, … etsetra, etsetra.
Monday, August 17, 2009
Et si … Michelle souhaite qu’on l’emmène danser
Et si, il y a huit ans, Edgar et Michelle ont dansé sur cette chanson, et Edgar murmurait les paroles aux oreilles de sa cavalière. Michelle avait 17 ans à l’époque.
Michelle, my belle.
These are words that go together well,
My Michelle.
Michelle, ma belle.
Sont des mots qui vont très bien ensemble,
Très bien ensemble.
I love you, I love you, I love you.
That’s all I want to say.
Until I find a way
I will say the only words I know that
You’ll understand.
I need to, I need to, I need to.
I need to make you see,
Oh, what you mean to me.
Until I do I’m hoping you will
Know what I mean.
I love you…
I want you, I want you, I want you.
I think you know by now
I’ll get to you somehow.
Until I do I’m telling you so
You’ll understand.
Deux ans plus tard, Michelle et Edgar se sont mariés. Ca fait six ans maintenant.
Aujourd’hui ça fait six ans que nous sommes mariés
Tu m’as donné de beaux enfants tu sais
Et depuis ce p’tit bal ou l’on s’est rencontré
Je n’ai cessé de t’aimer
Mais ce soir j’ai envie de déposer mon tablier
De me faire belle pour toi comme par le passé
Ton fauteuil, ton journal, tes cigarettes et la télé (*)
Ce soir laisses-les de côté
-
Emmènes-moi danser ce soir
Joue contre joue et serrés dans le noir
Fais-moi la cour comme aux premiers instants
Comme cette nuit ou tu m’as pris mes dix sept ans
Emmènes moi danser ce soir
Flirtons ensemble enlacés dans le noir
Timidement dis-moi “Michèle je t’aime”
Amoureusement je suis restée la même
-
Il n’y a plus que tes amis et le football qui comptent pour toi (**)
Et j’ai l’impression que tu ne vois plus en moi que le mère de tes enfants
Je ne te demande pas de m’offrir des fleurs tous les jours,
Mais de faire de temps en temps un geste d’amour
-
Et ce soir je voudrais encore une fois te retrouver
Rentrer au petit jour et puis t’embrasser
Ton fauteuil, ton journal, tes cigarettes et la télé
Ce soir laisse-les de coté
(*) Edgar est propriétaire de journaux et de télés.
(**) Une fois, Edgar passait à la télé, il regardait un match de foot : son équipe nationale contre le Bresil. Et le football, ça compte pour lui.
Mais comme toute bonne histoire a une fin malheureuse, Edgar n’a pas voulu l’emmener danser. Il s’est étonné qu’elle ne soit jamais fatiguée. Une dispute s’ensuit et le couple se sépare.
Goodbye, Michelle, my little one.
You gave me love and helped me find the sun.
And every time that I was down
you would always come around
and get my feet back on the ground.
Goodbye, Michelle, it’s hard to die
when all the bird are singing in the sky,
Now that the spring is in the air.
With the flowers ev’rywhere.
I whish that we could both be there.
We had joy, we had fun, we had seasons in the sun.
But the stars we could reach
were just starfishs on the beach.
Toute ressemblance avec des personnages politiques malgaches n’est que le fruit de votre imagination sur-politisée.

