Tuesday, May 15, 2012

Raha toa moa ka … volivolana

Ohatry ny hoe dia nazoto nampiseho teny maloto teto amin’ity blaogy ity aho tato ho ato e? Kanefa ny namana izay zaza maditra aza ity efa misakaiza amin’Andriamanitra sy mamarana ny lahatsorany amin’ny hoe “Amin’ny anaran’i Jesosy!”.

Hiresaka volana isika anio. Tsy ilay mibaliaka isan-kalina fa ny teny, azoazonareo kokoa amin’ny hoe “voambolana” sy ny hoe “mivolana” angamba. Teny iray itenenana ny teny ny hoe “volana”. Entina maneho zavatra na trangan-javatra miseho eo amin’ny fianana. Toy ny zavamaniry izy io, mety mamoa, mety mitsiry, mety maty momoka, mety malazo, mety maty. Misy ohatra ny voambolana hoe “miboeriboerika“, izay angamba tsy ho fantatrao avy hatrany ny dikan’izany, manomboka malazo ary efa mitady ho faty.

Etsy andaniny, misy indray kosa ny trangan-javatra vaovao, na zavatra vaovao izay tsy mbola nisy teny manondro azy, ka voatery indramana voambolana amin’ny fiteny vahiny na faritana lava be. Ohatra amin’ireny ny anniversaire, izay zavatra tsy nankalazain’ny Ntaolo loatra, ka tsy manana voambolana tsotra manondro an’io isika fa dia hoe “fitsingerenan’ny taona nahaterahana”. Indraindray dia misy teny vaovao vao miforona mifanaraka amin’ny zavatra vaovao, toy ny hoe finday, fimailo, …

Ny famaritana ireny voambolana vaovao ireny no tiako hofaritana amin’ny hoe volivolana. Izany hoe izay olona mamorona voambolana vaovao entina hamaritana zavatra iray vaovao na trangan-javatra iray vaovao dia mamboly volana, koa raha mitsiry tsara io dia mamoa ary lasa voambolana raikitra ilay izy. Matetika dia miforona ho azy eny anivon’ny fiarahamonina eny ny voambolana vaovao, tsy fantatra loatra intsony hoe iza no tena namorona azy, nefa dia lasa teny madio sy raikitra ary samy mahalala ny dikany. Ohatra iray amin’izany ny hoe “makafoka“.

Koa misy tetikasa iray eritreretiko hatao ato ho ato, dia fanomezana sehatra hambolena ireny volana vaovao ireny, mba hahafahantsika mamorona voambolana vaovao hamaritana ireny zavatra misy na miseho kanefa tsy misy voambolana tsotra mahalaza azy. Ny tena tanjona amin’io volivolana io dia tsy grefy na botiora, izany hoe teny vahiny agasiana na misy famaritana avy amin’ny teny iray efa misy, fa tena volana vaovao vao foronina fotsiny tsotr’izao.

Koa indreto ary aloha misy ohatra vitsivitsy amin’ny volana amboleko, asa raha haniry.

Sary maneho lehilahy iray migandrogandro

  • migandrogandro: ilazana olona, lehilahy na vehivavy miondrika ka miseho ny kilaotiny.
  • migandro: ilazana olona, lehilahy na vehivavy miondrika ka miseho hatramin’ny tataka amin’ny fitombenany.
  • migondrogondro: ilazana vehivavy miondrika ka miseho avy eo aloha ny tatinonony
  • migondro: ilazana vehivavy miondrika ka miseho avy eo aloha ny nonony.

Ireo volivolana ireo izao, dia vao noforonina ny fototeny, nefa kosa ny firafitra dia manaraka ihany ny fitsipi-pitenenana malagasy. Ny verindroa mantsy dia manalefaka kokoa ny hevitra iray. Ary mora hita eny amin’ny tenintsika ihany koa fa indraindray dia zanatsoratra iray no manavaka hevitra roa mifanakaiky : ohatra ambany sy ambony, eto koa ny migandro sy migondro, dia mora tadidy ny volana vaovao.

Ohatra hafa:
mibosia: manatsofoka clé USB, dia avadika ambony ambany ilay izy fa ohatry ny diso ny fitsofohany, dia averina amin’ilay telo aloha ihany indray avy eo fa hay ilay tamin’ny voalohany ihany no nety. Entina ihany koa trangan-javatra eo amin’ny fiainana anandramana safidy anankiray, dia ovaina safidy hafa fa toa tsy mety, ary avy eo miverina amin’ny safidy voalohany ihany fa hay iny ihany no mety.
mota: garde du corps.

Friday, May 11, 2012

Raha toa moa ka … teny maloto 3

Translation in english below.

Nisy mpanjifa vahiny iray izay tapa-kevitra hividy nom de domaine tamiko. HopeForYouth.MG ilay nom de domaine. Rehefa vahiny moa no mividy nom de domaine .MG dia en euro ny vidiny, ary any ho any amin’ny 110 Eur any ny herintaona. Na izany aza dia mbola mora indrindra noho ireo concurrents ny vidiny alaiko io ka dia tapa-kevitra ilay mpanjifa fa tonga dia hataony 5 taona misesy. Dia naloako aloha ny saran’izay mba hahafahako mivarotra azy. Vola betsabetsaka ihany rehefa avadika ariary izany 550 Euros izany.

Nalefany ary ny vola, dia hanao reservation amin’izay aho, fa tsy nety mihitsy ilay système fa hoe tsy azo ampiasaina io nom de domaine io. Nokarohana ny antony tsy mampety azy fa saika tsy hita mihitsy, farany dia naverina ny volan’olona. Avy eo, hitako tampotampoka teo ilay fositra.

Teny tsy azo atao anaty nom de domaine .mg, ahitana toy ny hoe fory, kindy, lataka, lely, ...

Hay kay raisin’ny NIC.MG ho teny maloto ny voambolana ahitana teny hoe FORY na aiza na aiza ao amin’ilay teny no misy azy, ka dia tsy ekeny ilay hoe hopeFORYouth.

(PS. Rehefa mamerim-bola izay dia misy sarany alain’ny Paypal amin’ilay vola nandroso nihemotra, ary arakaraky ny habetsaky ny vola nalefa no halafon’izay sarany izay. Atao ahoana fa nila tombony ka natombony e! Mba maty antoka koa indraindray. Voaray ny lesona ka dia tsy ho tratran’ity olana ity intsony aho raha indray andro mba maniry hividy nom de domaine mifanaraka amin’ny anarany ity orinasa dutch anankiray ity!)

Teny maloto 2
Teny maloto 1

======
Since I’m selling .MG domain name, a non-resident customer wanted to purchase the domain HopeForYouth.MG for 5 years. The price of domain name madagascar for foreigners is about 110 Eur / year, and my price is the cheapest domain name for .MG. So, I received payment via Paypal and started the registration process. But the system refused that name, saying it’s forbidden by the registrar’s policy. I had to refund my customer, and then, I suddenly understood why this name was forbidden. It contains the substring “FORY” which is a malagasy term meaning “vagina” or “anus”. And NIC.MG forbids any domain name where any occurence of these “bad words” can be found.
By the way, did you know that the term kindy which is present in english dictionary is considered a bad word in Madagascar? It’s another meaning for vagina.

Monday, May 7, 2012

Raha toa moa ka … tsy nihaona tamin’ny minisitra

Nisy fandaharana izay tamin’ny fahitalavitra taloha, irony mpitsindroka izay mbola azo avadika chiffres eny amin’ny fako irony no natao interview. Mahavelona ve ity mitsindroka zôridira ity, hoy ny mpiasan’ny fahitalavitra manontany. Dia izao no valiny: indraindray mba ahazoana ihany, tapak’andro mety mahafeno arina tapa-gony izahay, indraindray kosa dia zara raha mahazo, ary misy aza fotoana dia fatiantoka no hita. Dia talanjona izahay hoe ahoana moa no fipetrak’ilay hoe mahita fantiantoka amin’io asa mitsindroka io?

Fampidirana kely izay fa izao no resaka: namonjy mariazy izay izahay tamin’ny asabotsy teo. Tetsy amin’ny EKAR Masindahy Josefa Mahamasina no natao ny fanamasinana. Dia i Madamako efa manahinahy ny mpanendaka fa hoe malaza misy manendaka eo amin’io toerana io, ka dia nanaraka akaiky azy mihitsy aho mandra-pahatafiditra tao am-piangonana. Dia nandeha ny lamesa, tsy fianakaviana moa ity nanasa fa namana mpiara-mianatra tsy mifankafoy, ka somary vahiny ihany amin’ity toeram-pivavahana ity. Nipetraka teo afovoamboany teo, taty aorian’ny mpanotrona hafa, ary mbola nisy hafa nipetraka tao aorianay.

Nandritra ny fivavahana, dia hozy Madama tamiko : misy olona masiso be tsy misasa ao aoriana ao izany, nefa izy tsy sahy nitodika nijery ilay olona tao aoriana. Nefa hono nahasorena azy mihitsy ilay olona fa sahala amin’ny mitankisinkisina aminy. Vetivety teo, nanjavona tsy hita ny poketrany, ary ilay olona tao aoriana nolazaina nasiso tsy hita trace intsony ihany koa. Teo vao saina tonga fa hay mpangalatra miditra anaty fiangonana izany ilay olona teo.

Fa izao, lambakely fanadiovan-kiraro no tao anatin’ilay poketra, maquillage efa tontan’ny ela sy lokomena dia izay, ny raha misy vidiny toy ny vola, finday, karatra sy ny sisa efa nomeny ahy vao maraina, ka nampieritreritra ahy ilay fampidirana teo hoe dia fatiantoka izany no hitan’ilay mpangalatra raha atao ny kaonty.

Dia tsaroako koa ity hatsikan’i Francis Turbo eto ambany ity, izay nahatonga anay hamorona oha-pitenenana hoe : “Tay ity hoy ilay nihaona tamin’ny minisitra”, ary dia izay ihany koa no nahatonga an’io lohateny io. Raha nampoiziko hisy hilaiso aza ilay poketra, couchen-jaza avy nampiasaina na serviette hygiénique no natao tao …

=======
Last saturday, me and my wife were invited to the wedding of a classmate. At the church, someone (a woman and a girl), sitting behind us, stole my wife’s pocket. Fortunately, there weren’t anything precious inside. But anyway, I’d wish we’ve put a used diaper inside, just to have some pleasing feelings when thinking of the persons who stole it when they would open the pocket, expecting moneys, telephone, …

The video is a Malagasy sketch about a guy who puts shits inside one of his wallets for thieves and the real documents inside another. He usually carries the two wallets, wishing that one day, someone would steal the one containing shits. Unfortunately for him, one day he has a meeting with the ministry, and he did carry the wrong wallet, and when he opened the wallet, all he could say was “Shit!”.

When we first heard this sketch, we used the longer and more poetic sentence “Shit, like the guy who went to meet the ministry said” each time we would just say “Shit!”.