Wednesday, October 21, 2009

Raha toa moa ka … nominé

Nominé izany ny blaogy What-if dia avoty, BMB espace 31.

Raha vao tsy mahazo prix eo aho dia hidongy tsy hanoratra intsony. Izao aza efa mihoatra ny telopolo andro mahery tsy nahavita nametraka hevitra iray teto. Ny hevitra misy ihany fa amin’ilay NON dia aleo tsy mametraka.

Ny hoe nominé izany dia zavatra ratsy ho an’ny fandaharana Pazzapa (ny tena marina anefa iza no tsy mahalala izany hoe nominé sy Pazzapa izany fa fika rehefa mba te-hampiakatra ny filaharana ao amin’i Google sy mba hisintona ireo bodo sy adala mpankafy Pazzapa dia mody soratana matetika amin’ny lahatsoratra iray ny voambolana na teny manan-danja hoe Pazzapa dia tsy maintsy misy mpitsidika vaovao azo avy any amin’i Google any. Bon, izaho moa tsy manaraka firy an’io fandaharana io fa raha asiana ny anaran’ireo mpifaninana ao ny lahatsoratra dia vao mainka mitombo ny herijika hanjonoana mpitsidika. Jeyo, Jenny (mbola ao ami’ny Pazzapa sa efa voadaka?), …

Izay e, sur, manantena an’ilay BMB espace 31 izany e.

Bonjour ,
Vous avez été nominé pour les BOMBS 2009. Visitez la page et encouragez vos lecteurs à vous nominer pour la phase finale.
Bon BOMBS!

-

Hi,
Your blog has been submitted for BOMBS 2009. Please visit our page and ask your readers to promote you to the finals.
Happy BOMBS!

More on BOMBS here
http://www.bestofmalagasyblogs.com/bombs
http://www.bestofmalagasyblogs.com/regles/
http://www.bestofmalagasyblogs.com/goodies
http://twitter.com/Best_Blogs_Gasy
facebook