Friday, November 9, 2018

Diso fitsara an’ingahy mpitsara avo aho.

Rehefa miteny hoe HCC dia ny filohany, Jean Eric Rakotoarisoa no sary mby ao an-tsaina. Teto amin’ny tantaran’ny Repoblika Malagasy, dia nahazo fanakianana avy amin’ny olompirenena tsotra hatrany matetika ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana ho mitanila na mamoaka didimpitsarana tsy tena mifanaraka amin’ny lalàna, eny, miandany tafahoatra amin’ny mpitondra matetika.
Raha nandritra izay dimy taona nitondran’ny HVM izay, dia voalaza fa maromaro ihany ny didy navoakan’ny HCC no miendrika fanapahankevitra politika fa tsy didimpitsarana. Raha niandrandra ny vahoaka hoe Miala Rajao na Tsy Miala Rajao, dia “pacte de responsabilité” no navalin’ny HCC.

Fa anisan’ny tena nahatonga ahy hanakiana mafy azy ireo ilay didy farany navoakany momba ny tsy nananganan’ny Filoha Rajaonarimampianina ny Fitsarana Avo na Haute Cour de Justice.
Sady manaiky ilay “didy” hoe diso tokoa ny Filoha, nefa tsy nanome sazy azy araka izay voafaritry ny lalàna fa ny Praiminisitra no nasaina novaina, sady ny ankolafy Rajoelina no nasaina nanendry ny Praiminisitra (nefa hatrizay tsy Rajoelina no nanendry izany nekeny soamantsara ihany), ary ny fifidianana no naroso.

What If no anaran’ity blaogy ity, ary fombako teto ny namisavisa hoe … Raha toa moa ka … nataon’ny HCC hoe Miala Rajao tamin’iny fotoana iny?

Raha didy manasazy an-dRajao no nitranga teo, dia tsy ho nahazo nirotsaka hofidiana intsony ingahirainy, ary zavatra roa no mety ho nitranga : na nisy krizy sy ady an-trano teto ary ho avy ny mpanararaotra hanohana azy izay naongana, na nipetraka ihany rangahy iny rehefa avy nimenomenona, ary tsy ho fantatra mihitsy hoe hatraiza marina ny fitiavan’ny vahoaka azy.

Raha nomen’ny lalàna fahefana hamely teha-maina ny Filoha Rajonarimampianina ny HCC, dia natolony ho an’ny vahoaka malagasy izany fahefàna izany tamin’ny famelàna azy hirotsaka hofidiana, saingy tsy ao anatin’ny fahafahana mampiasa ny fananam-bahoaka (nasain’ny PM nolokoina mena ny plaque an’ny fiaram-panjakana rehetra). Asa re raha efa nisy teto an-tany izany hoe Filoha am-perinasa tsy nahazo mihoatra ny 6% tamin’ny voka-pifidianana. Tsoriko fa tsy nanampo an’ireny vokatra ireny mihitsy aho. Misaotra ny HCC aho ankehitriny noho iny fanapahankeviny farany iny ary miaiky fa misy fijery lavitra tao anatin’ireny fomba namoahana didimpitsarana ireny.

Tuesday, June 7, 2016

Free Basics

Misy karazana afisy izay ao amin’ny sehatr’i Bip milaza hoe 1Ar/s mankany amin’ny opérateurs rehetra, 24H/24.
Rehefa nanontany tsara an’i Bip aho mahakasika ny tena saran’ny tolotra marina, sy ny fepetra hahazoana io sarany io, dia novaliany fa 13Ar/s ny saran’ny antso ao amin’i Bip.

He he, mandehana mahazo …

Momba ny Free Basics indray, mizara roa ny hevitra mahakasika ny mahatsara na maharatsy azy io. Raha tsorina aloha ilay Free Basics izay atolotr’i Bip miaraka amin’i Facebook dia toy izao : misy sehatra vitsikely (10 ihany) azo maimaimpoana. Anisan’ireny ny Facebook, fa toa ao anatiny ihany koa ny Wikipedia. I Facebook izany no karazany hiantoka ny saran’ireo fifandraisana ireo. Mazava ho azy fa misy tamberim-bidy ho an’i Facebook ao matoa miroso amin’izay izy.

Andeha ange hiverenantsika jerena kely ny tontolon’ny internet talohan’ny nisian’i Facebook e! Nalaza be ny forum, izay sehatra ifanakalozan-kevitra manoloana ny lohahevitra iraisana. Naniry ohatry ny anana ny karazana forum tetsy sy teroa. Kelikely dia nisy koa ny blaogy, ny iavahany amin’ny forum dia karazana sehatra ahafahan’ny olona iray mizara izay tiany hozaraina amin’izay lohahevitra safidiny samirery izy io. Ankoatra an’ireo dia teo ihany koa ny sehatra fampahalalana maro samihafa izay mizara vaovao isan’andro.

Rehefa tonga ny Facebook, dia nanomboka maty tsikelikely ireo karazana sehatra teo aloha ireo. Ny blaogy dia nofafan’ny “Statut facebook”. Ny forum dia nosoloin’ny “Groupes facebook”. Ny sehatra mpizara fampahalalana dia eo ihany, saingy mila an’i Facebook vao misy mpitsidika, izany hoe rohy avy aty amin’i Facebook no tena ahitan’izy ireo mpitsidika. Nanjary lasa ivon’ny internet tanteraka i Facebook, ka raha tsy voazara ao amin’i Facebook dia vitsy mpitsidika.
Ny lafy ratsiny hitako aloha dia lasa takalonainan’i Facebook ny mpanjifa ny internet.

Mitantana vondrona anankiray ao amin’i Facebook ny tenako, ary dia misy hatrany ny “spam” izay tonga manakorontana na mandefa zavatra tsy misy idirany amin’ilay vondrona. Mazava ho azy fa fafako avy hatrany ireny, na indraindray bahanako tsy ho tafiditra hiverina ho mpikambana intsony iny olona iny. Eo amin’ny fomba hanatanterahana izay fandaminana izay anefa dia tena tsapa fa tsy ampy ny fitaovana omen’i Facebook, ary tsy misy fomba ahafahako manatsara ny fomba fiasako. Raha ilay ketrika taloha hoe forum, dia malalaka kokoa ny safidy azoko noraisina mba hanatsarana ny fisakanana ny spam.

Misy ihany ankehitriny ny tompona blaogy no mba minia mitazona ny lahatsorany aty anay blaogy, ary mizara ny rohy ao anatin’i Facebook. Tombony kokoa satria mijanona ho tompon’ny lahatsoratra izy (afaka misitraka izay vola mety hampidirin’ny dokam-barotra samihafa amin’iny fitsidihana ny tranonkalany rehefa be mpitsidika), nefa mba mora miparitaka ao amin’i Facebook ihany ilay lahatsoratra. Hanao ahoana moa izany ny aminy rehefa mieritreritra an’ireo olona izay mampiasa Free Basics?

Monday, May 30, 2016

Alicia est mourante

Quand j’ai bousillé mon téléphone Tecno T3, après 3 ans de service, j’ai reçu une sorte de louanges comme quoi ce n’est pas évident de garder le même appareil, made in China de surcroit, bas de gamme, pendant une période aussi longue.
Au fait, ce téléphone peut toujours être ressuscité, une fois que je puisse trouver un ROM compatible, et le ressusciter figure

Alicia est mourante. Je l’ai déjà remplacée par une nouvelle, plus dynamique, plus à la mode, plus puissante, plus jeune… qui s’appelle Lyv.

En souvenir du bon temps passé ensemble, j’ai appelé la Radio Record et lui ai dédié cette chanson.


https://www.youtube.com/watch?v=YG9otasNmxI

Repose Presque en Paix, Alicia.