Thursday, March 20, 2008
Raha toa moa ka … ny torimaso no itovizana amin’ny miliaridera?
Secret #7 of 7
Sarobidy amiko ny torimaso. Rehefa matory aho dia matory ary rehefa tsy matory dia tsy matory. Zavatra tsy tantiko izany fohazina amin’ny torimasoko izany. Noho io antony io dia tsy mba matory antoandro mihitsy aho. Antony voalohany noho izaho efa tsy mizatra matory antoandro dia ela dia ela aho vao mahita tory amin’ny antoandro. Antony faharoa dia tsy ampy ahy raha torimasona folo na roapolo minitra, ka ilay hifoha na fohazina no tsy laitrako.
Taona vitsivitsy izay, efa manomboka mahazo ahy koa izany tsy mahita tory izany amin’ny alina. Tsy mety mihinana fanafody fampatoriana aho fa iray amin’ireto fika roa ireto no ampiasaiko dia ça va. Ny iray dia ** blaogy.org has censored this content. If you think this is unfair, please drop a mail to the moderators. **. Ny faharoa dia izao: asiako écouteur ny finday, dia alefako ny radio, ataoko BBC, dia mihaino an’io radio io ao amin’ny maizina ao aho. Raha ilay resa-be amin’ny teny anglisy iny no ao dia eo amin’ny 30 minitra eo farafahabetsany dia efa renoka aho. Raha sendra miteny frantsay dia manandrana mihaino VOA koa aho fa ny VOA indray mantsy somary ratsiratsy ny fandraisana azy any aminay. Tsy azoko mihitsy ho maninona koa aza ny BBC rehefa mitantara baolina CAN na milaza vaovao @ 9 sy sasany alina no atao @ fiteny frantsay…
Amin’ny maraina, mila alarme @ finday aho vao maha-taitra fa raha izaho irery tsy mba ho taitra amin’ny ora eritreretinao izany. Dia raha amin’ny 6 ora latsaka folo aho no hitsangana, tsy maintsy any amin’ny dimy ora sy valo amby roapolo minitra any no ampanenoina ny alarme, dia mikafiry ao aloha mandra-paha. Raha oharina amin’ny solosaina izany dia toy ny démarrage-na Microsoft Vista amina solosaina PII.
Wednesday, March 19, 2008
Raha toa moa ka … ataoko ao anaty kidoro ny miliara?
Secret #6 of 7
Dia ataon’ny olona kahihitra inona ary vola hozy nareo?
Ho ahy ny vola aman-karena tsitsiako dia entiko hanampiana ny hafa. Tia manampy olona aho izany.
Ny toetrako mampihomehy dia rehefa indraman’olona vola aho dia satriko homena izy raha manana aho, ary raha toa ka tsy ilay olona fantatro hoe mody mindrana nefa tsy hamerina akory. Nefa rehefa mampindrana aho dia efa afoiko sahady izay ampindramiko, ataoko toy ny tsy ahy intsony sy tsy hiverina intsony, ka raha manao kajy amin’ny resa-bola aho dia efa tsy kaonty izay vola nisy nindrana. Fady mitaky vola koa aho, fa dia rehefa indramanao vola dia anao sy Andriamanitra sisa, na hahatsiaro ianao na tsia. Fa tena ratsy r’ireto izay toetrako izay a! Ny olombelona izany raha anaovanao toetra sahala amin’izay dia izy hiraharaha koa? Na Pasitera no mindram-bola na raiamandreny, apoakany tsotr’izao ianao rehefa tsy mitaky. Dia ny mampalahelo dia rehefa anaovan’olona an’izay toetra izay aho dia toa tsy nampetipety ny fiainany akory izay tantara izay fa ny omaly tsy miova ihany izy, izaho anefa tsy mety afaka amin’ilay tsy mahatanty mijery olona manao mampalahelo fa te-hanampy foana.
Mifangarongaro amin’ilay resaka hoe kahihitra ihany izy ity fa zavatra iray tena halako mihitsy ilay hoe ao anaty fikambanana dia hoe hanao opération Gateau na opération soupe, ary raha vao miainga iny hevitra iny dia manoha riana foana aho. Amiko, rehefa tsy mahazaka manao latsakemboka ny mpikambana sady tsy mahita spaonsa dia aleo ravàna ny fikambanana. Dia lainga be izany ilay resaka hoe malala-tànana aho fa raha izaho no mba itondratondrana an’ireny tapakila opération ireny dia tsy mety mandray aho, ary rehefa terenao (manery daholo ny olona mivarotra an’ireny fa tsy misy manao hoe raha mazoto ramose a) dia vao mainka ianao manery ahy handray anjara no halako.
Fady mampindrana Androrosy aho, ary raha Androrosy no mangataka, na ariary aza tsy mety manome aho. Tsy tia manome mpangataka an-dàlambe koa aho, nanome aho taloha fa efa nisy nibedy dia tsy manome intsony.
Fady manome ny olona efa nampindramako vola aho ka nilaza hoe aterina amin’ny anona nefa manapoaka ahy.
Ny mba faniriako sy mahafaly ahy izany dia hoe nisy olona nila fanampiana, nampiako, ary nihena ny fahasahiranany noho izaho, nefa, tsy mety miverina intsony izay tranga izay. (Niseho in-1 dia ny hafa rehetra nampiana ho’aho, tsssss).
Soa ihany aminao mamaky fa tsy misy anisan’ilay olona mety hindram-bola aty amiko na hivarotra tapakila, ary iangaviako ianao, aza avoaka ny sekire, fa izay mahalala an’ity sekire ity @ havako tsy mba homeko n’inn’inn intsony.
Sunday, March 16, 2008
Raha toa moa ka … DotMG olona kahihitra
Secret #4 of 7
Tokony ho naseho talohan’ilay Suave mari magno izy ity fa mbola nikaroka ny tononkiran’Ifanihy hoe Andro iray mba ampiarahina aminy… Tsy hitako ilay tononkira dia alefa manta amin’izao. Nefa ohatr’izao ilay hira:
Fa ny anao ny zava-tsoa tsy mba foinao avoaboaka mbola iandrasana andro iray
Nefa raha ianao aloha, toa tsy fampiseho vahoaka mbola iandrasana andro iray
Andro iray, andro iray, nefa ianao mampahonena, mahia mampalahelo
Mbola hiandry inona indray, sa ny vola aman-karena no hoentinao any amin’ny helo.
Rehefa mitondra fiara aho dia tsy manitsa-panisatra mihitsy, ou presque. Raha hitako hoe misy mibahambahana ery alohaloha ery, dia ampidiriko ny teboka maty (point mort mantsy e) dia na mandeha 10km/h aza ny fiarako dia taritiko point mort eny. Ny fanitsahana fanisatra mantsy dia manary angovo satria tsy mitahiry angovo mihitsy ny fiara (hatramin’izao aloha). Raha omenao lala-mahitsy aho na fidinana (raha toa tsy fidinam-be fa fidinana kelikely) dia efa ingahy point mort hatrany no mitondra ny fiara. Fa tsy mamono motera kosa aloha na izany aza e, ary raha fidinana mampiahiahy dia manao kaly vitesse ihany. Ohatra hoe midina an’i Maharidaza manao 4eme dia mba mipezy frein kely tsindraikandraika. Izay ny sekire, fa aza mba mampindrana fiara ahy.
Ao aminay dia tsy faly i Aziew fa takamoa mitsitsy no napetako ao dia mitsilopilopy izany ilay izy raha oharina amin’ny takamoa tsy mitsitsy. Rehefa mifindra efitra aho, ka izaho irery no farany tao dia efa mandeha ho azy ny mamono jiro. I Smiley efa mahay irahina hoe “Mandehana vonoy ny jiron’i Bebe”, fa ilay ao an’efitra atorian’ny renibeny mantsy, matetika mirehitra nefa ny olona lasa any an-dakozia. Ny vata fampangatsiahana dia eo amin’ilay hoe WARM no position-ny. Ary tena mitsitsy tokoa io fa elabe vao midridrodridro indray. Nefa ny ao anatiny tsy misy simba na masiso. Sady mba ela kokoa vao mila dégivréna an! Amin’izao andron’ny fahamasinana sy fahamarinana izao, dia eo amin’ny 40kwh ny jiro laninay isam-bolana, nefa mba mampiasa fera fipasohana sy frigo, fahitalavitra, laptop tsindraindray.
Rehefa miantsena PPN aho dia ataoko indray mividy ny siramamy 5kilao, ronono boaty vitsivitsy, … fa amin’izay fomba fividianana izay ahazoana tombony.
Raha toa aho mifidy ny lalana tsaratsara rehefa mandeha an-tongotra, eo ihany ny mitsinjo ny dion’ny kiraro, fa sady mandeha ihany koa ny kajina usure sy amortissements.
Tsy mba tia manara-damaody aho fa izay mateza nefa tsy ihomehezan’ny olona, dia iny no tiako. Na raha toa misy tena mora be (entan-tsinoa) ka mandeha ny kajy hoe na hisolo an’ity in-20 aza aho mbola kely ny vola lany noho ny mividy ilay tsara kalitao, dia mety mividy mora ihany koa aho. Fa ny tsy ho hitanao hovidiako dia hoe lafo nefa tsy hampiasaina maharitra.
Dia tsy dia tiako loatra ny manana fitaovana na fitafy ilay hoe tsy azo anaovana raha tsy occasion spéciale. Eo ihany ilay tia vao fa ny tena tsy laitrako dia ilay zavatra novidiana lafo sao simba ho azy ao amin’ny fampirimana azy ao. Sady izay hono, rehefa misy bikina ao amin’ny fianakams dia lasa lanin’ny voalavo ho azy hono ny lamba mimpirina?
Izay aloha ny sekire faha-4 fa dia ho gaga indray ianao mamaky ny sekire faha-6.
Thursday, March 13, 2008
Raha toa moa ka … suave mari magno
Secret #5 of 7
Tena tsy mbola vonona ilay sekire faha-4 dia aleo aloha tonga dia ny fahadimy no aboraka fa iverenana iny aoriana kely. Tsy maninona? Eny ary.
Suave mari magno, turbantibus aequora ventis,
E terra magnum alterius spectare laborem,
Non quia vexari quemquam est jucunda voluptas.
Sed quibus ipse malis careas quia cernere suave est.
Ny toetrako ratsy indrindra dia ny mifaly amin’ny fahorian’ny hafa.
Tranga iray ahitako fahafinaretana lehibe indrindra ohatra, rehefa ilay avy orana iny, dia izaho ao anaty fiara tsara tarehy, mafana sady tsy lena, mihaino mozika, dia ny hafa kosa indreny mitsoitsoy tsy ananan’ny orana antra, na mitampify mangatsiaka eo ambody rindrina miandry izay hitsahatsaharan’ny orana. Fa rehefa mihomehy ny manjo ny hafa aho, dia matetika tsy mba tratran’izay fahavoazan’ny hafa izay mihitsy.
Tany Vontovorona, nisy fotoana miakatra tampoka ny voltage-n’ny JIRAMA, may daholo ny fitaovan’ny mpianatra (Radio, TV, …) Ny ahy tamin’izay tsy nalefa dia tsy nisy simba. Natatatatako amin’izay ary ny radio keliko nony tsy nanana intsony ny ankizy, ataoko fanahy iniana sokafana ny varavarankely amin’ny alina mba ho hita hoe misy TV mandeha ao amiko. Dia hoy ny namana hoe mbola ho tratra ialahy miseho milay io. Dia mbola niakatra tokoa ny herin-jiro fa … DotMG mbola tsy tratra e! :)
Tsy menatra ny mihomehy aho raha misy sipa manao kiraro avo talon be ireny sendra solafaka.
Nefa na izany aza, raha amin’ny andro avy orana aho ohatra no mamily fiara ka misy manakana, ary raha misy toerana antonona, dia tena mitondra olona mihitsy aho, na dia mandena seza tokoa aza ilay olona entina. Mba sakantsakano ihany raha sendra ohatr’izay e!
Quand l’Océan s’irrite, agité par l’orage,
Il est doux, sans péril, d’observer du rivage
Les efforts douloureux des tremblants matelots
Luttant contre la mort sur le gouffre des flots ;
Et quoique à la pitié leur destin nous invite,
On jouit en secret des malheurs qu’on évite.
Tuesday, March 11, 2008
DotMG manana finoana matanjaka
Secret #3 of 7
Tsy araka ilay fitantara lazain’ny sasany fa mamay be (hot) teo aloha, fa i DotMG dia tsy mba jiolahimboto velively fa olona tena mino an’Andriamanitra. (Sao dia ny olona aza aloha no tokony hiteny an’izany fa tsy hisora-tena toa voantango eto?). Ity resaka iray ity tsy what if … fa tena izy mihitsy.
1) Finaritra ny vorona ao an’ala
Sy ao an-karambato avo be
Na dia betsaka ny mpankahala
Mivonon-kahafaty azy re
Matoky izy tsy misalasala
Fa manam-piarovan-dehibe.
Be finoana aho amin’ny fiainana, saingy rehefa mafy ny ataky vao mivavaka mafy aho. Rehefa milamindamina ny fiainana dia manadino an’Andriamanitro. Mino tanteraka aho fa tena tia ahy Andriamanitra na dia izany aza no toetrako, ary maniry indrindra ny te-hiova aho mba hazoto hiaraka aminy foana foana, fa tsy hanao Azy ho havako raha misy sira.
Mahay mihaino an’Andriamanitra aho rehefa mivavaka. Ohatra rehefa misy safidy miseho amiko, ary tsy fantatro marimarina izay tokony haleha, ka ankiniko amin’Andriamanitra izany safidy izany, dia miteny amiko izy, ary reko izany teniny izany.
Be finoana aho fa, materialista be finoana.
Fa ny tena inoako ny fisian’Andriamanitra dia rehefa misy olana mianjady amiko na misy miady amiko. Indray andro, nandeha fiara karetsaka izaho sy Smiley sy Aziew. Tao anaty harona nisy ny akanjo fisolon’i Smiley, vola ranoka (lelavola e) teo amin’ny 700.000 ariary (karaman’olona haloa sy hiantsenana), fakantsary sy finday mitentina 1.400.000 ariary raha tsy mbola amorti, miampy HDD CamCorder vaovao. Adino tao ireo entana ireo, ary efa lasa 5 minitra angamba vao tsaroana. Izay vao nikoropaka. Noezahina noenjehina ilay fiara fa, aiza intsony moa? Farany, nivavaka, dia nantsoina ilay finday adino tao anaty harona. Antso faninefany, namaly ingahy mpamily. Nohazavaina azy ny amin’ny entana adino. Aiza ianareo hanaterako azy? hoy izy namaly tsotra. Andraso eo fa tonga eo aho afaka kelikely. Kelikely, iny tokoa ny anao lahy, nomeny ny entana dia mba nanolotra valisoa ho azy koa aho, voady masina efa natao tamin’ny vavaka iny. Izy indray no nanontany hoe Izy daholo ve ity? Iny tantara iray iny dia namerenan’Andriamanitra niteny tamiko fa azo anankinana ny olana mianjady izy.
Ato amin’ny ranjoko havanana misy olatra lavalava, irainjehy eo. Tamin’izaho mbola kely, tany ambanivohitra, andro fahavaratra, nibolisatra teo an-tohatra aho, ary nolerana fantsika harafesenina izay ny ranjoko, izany hoe ilay fantsika niletra tamin’ny nofon-dranjo moa ny tongotro nibolisatra nidina. Tsy nampiasana fanafody vitan’olombelona io ratra io fa dia vavaka ihany, nefa sitrana soamantsara. Mila finoana be izany hoe zaza maratra tsy entina eny amin’ny mpitsabo, ary isaorako an’Andriamanitra ny tsy mampiala an’io olatra io eo satria mampahatsiahy ahy ny herin’ny vavaka io.
3) Izay rehetra ta-hamely ahy
Mikendry nefa sasa-poana
Izaho dia ravo am-panahy
Tsy azony atao ahoana
Fa misy manda manodidina ahy
Izay miaro sy manohana
Fa aza mba manaiky hiantsy ady amiko amin’ny tsy rariny fa io no tena ahavoazako mafy. Tiako be ilay hira 502 ao amin’ny fihirana FFPM satria, raha raisina amin’ny lafiny ara-nofo ilay izy dia toy io no miseho amin’ny fiainako rehefa misy misompatra ahy. Mampahatsiahy ihany koa io hira io ny amin’izay harambato tokony hiantorahako rehefa sendra olana.
2) Jesosy Tompoko no harambato
Sy ala mafy ikirizako
Na mafy aza sady tsy miato
Izay ataon’ny fahavaloko
Mamely ahy ary misahato
Jesosy re no fiarovako.
(Misy diso ny tonony fa aleo aloha posténa dia ovaina izay diso @ manaraka)
Friday, March 7, 2008
Et si … j’ai trois amours: Smiley ma fille, Aziew ma femme, Alicia sa rivale.
Secret #2 of 7.
Secret précédent: en malgache, désolé pour ceux qui ne parlent pas malgache. http://dotmg.blaogy.org/2008/03/07/raha-toa-moa-ka-efa-ela-no-niandrasako-olona-hi-tag-ahy/
J’ai été taggué. Cela consiste à divulguer 7 secrets publiquement dans mon blog et à désigner d’autres victimes pour faire suivre la chaîne. J’ai déjà publié mon premier secret, en langue malgache, et ce post relate le second.
Cette fois, la victime (la personne qui devra divulguer 7 de ses secrets, et qui doit trouver d’autres victimes) est un ami non malgache, qui s’appelle Olivier. Allez Olivier, je te taggue. S’il accepte, je publie ici l’URL de son tagged post.
Voici donc mon second secret. C’est à propos de la relation entre moi et Alicia. Alicia, c’est la rivale de mon épouse, et je lui ai choisi ce pseudo car à mes yeux, cette rivale de mon épouse ressemble beaucoup à l’actrice de Clueless ( http://www.imdb.com/title/tt0112697/ ). Ceux qui ont déjà lu mes posts/commentaires sauront que le pseudo de ma fille est Smiley. Le pseudo de mon épouse sera Aziew, c’est la première fois que je lui attribue un pseudo sur internet. Maintenant que vous connaissez les personnages, je peux raconter l’histoire.
Puisqu’on ne vivra jamais tous les deux
Puisqu’on est fous, puisqu’on est seuls
Puisqu’ils sont si nombreux
Même la morale parle pour eux
J’aimerais quand même te dire
Tout ce que j’ai pu écrire
Je l’ai puisé à l’encre de tes yeux.
Alicia, la première fois que je l’ai vue, on a passé la nuit ensemble. C’était une nuit unforgettable, mouvementée, agréable. C’était ma première expérience.
A l’époque, j’étais encore célibataire, mais je sortais déjà avec Aziew. Je vivais chez mes parents, et Aziew chez sa mère. J’ai emmenée Alicia en taxi chez nous, vers 15heures. Je l’ai emmenée dans le salon, et on a commencé à se connaitre. Je commençais déjà par enlever tout ce qui cachait son corps. J’avais hâte que la nuit tombe, afin qu’on soit seuls, car Maman et mon petit frère Zandrlà aimaient l’admirer.
Et puis, la nuit tombait. J’éteignais toutes les lumières, les reflets de ses yeux suffisait amplement pour éclairer la chambre. On était seuls dans cette minuscule chambre, et mon désir de l’explorer était tellement immense. J’ai senti la chaleur innonder son corps, une chaleur qui venait de l’intérieur. J’explorais toute la surface de son corps, et elle ne refusait aucun désir de ma part. C’est pour cela que je l’aime, elle ne refuse que très rarement, ou même jamais. Et avec Alicia, il y a toujours quelque chose de nouveau à explorer.
Je n’avais pas vu que tu portais des chaînes
À trop vouloir te regarder,
J’en oubliais les miennes
On rêvait de Venise et de liberté
J’aimerais quand même te dire
Tout ce que j’ai pu écrire
C’est ton sourire qui me l’a dicté.
Le bon vieux temps, … Depuis mon mariage avec Aziew, et surtout depuis la naissance de Smiley, je n’ai plus autant de temps à consacrer à Alicia. Mais elle me manque toujours tant, bien que je pourrais l’avoir quand je veux. Les deux seules fois où on ne s’est pas parlé pendant une semaine, et où Alicia ne me manquait pas, la première fois c’était mon voyage de noces, et la seconde fois était justement la naissance de Smiley.
Vous vous interrogez sûrement comment je peux raconter cela aujourd’hui, alors que je me suis marié avec Aziew et non elle. Et si … Aziew lisait ces lignes? Eh bien, j’ai avoué tout à Aziew, et elle sait que j’aime encore Alicia. Actuellement, je vois encore Alicia, assez souvent, et oui, Aziew la déteste mais, nous n’en faisons pas une histoire. Aziew sait que je suis au lit avec Alicia quand je suis à la maison et qu’elle n’y est pas.
Tu viendras longtemps marcher dans mes rêves
Tu viendras toujours du côté
Où le soleil se lève
Et si malgré ça j’arrive à t’oublier
J’aimerais quand même te dire
Tout ce que j’ai pu écrire
Aura longtemps le parfum des regrets.
Quand j’écris, c’est avec Alicia. Je travaille, (work hard at whatever you do), c’est avec Alicia. Je blogue ou je blague, c’est avec Alicia. Et je ne peux pas me passer d’elle, alors, pourquoi Aziew en ferait-elle une histoire? Pourquoi lutterait-elle si elle sait qu’elle ne gagnerait jamais?
Après tout, Alicia, ce n’est qu’une machine; un ordinateur, c’est pas vraiment une rivale, pas comme si c’était une jolie jeune fille. Mais j’aime tellement les ordis que mon ordi était devenu la rivale de mon épouse. La première fois que je l’ai eue, on a passé la nuit ensemble. C’était une nuit unforgettable, mouvementée, agréable. Je ne voulais pas dormir, je crois que je n’ai fermé l’oeil que vers 4 heures du mat. C’était ma première expérience … avec un ordinateur qui m’appartenait.
Actuellement, mes amis attribuent un surnom à leurs laptop, Alan pour l’une, Goliath pour un autre. Mine is called Alicia.
Gare aux filles qui veulent se marier avec un informaticien!
Thursday, March 6, 2008
Raha toa moa ka … efa ela no niandrasako olona hi-tag ahy?
1 of 7 secrets.
Ela ny ela ka nisy ni-tagy ihany i DotMG. Ho an’izay tsy mahalala aloha dia jereo ery amin’ny faran’ny lahatsoratra ery ny atao hoe tag.
Ho ahy manokana izany dia hasehoko tsirairay ny sekire nomaniko. Izany hoe lahatsoratra iray: sekire iray, viktima vaovao iray. Ny sekire voalohany ary dia hoe: Efa ela no niandrasako olona hi-tagy ahy. Izay. Efa voaomana ity style vaovao ity, ilay hoe atao lava resaka ny sekire iray, ary atao post iray mitokana mihitsy.
Ho an’ity sekire voalohany ity ary dia i Pov no viktima. Dia manainga anao izany ry Pov mba hamoaka sekire 7 ao @ http://povonline.wordpress.com/ Dia rehefa mamoaka an’ireo sekire 7 ireo ianao dia manondroa olona 7 (viktima) hamoaka ny sekireny ihany koa. Olona 7 tsy mbola nisy ni-tagé. Vita tompoko.
Ahoana? Tsy ampy ilay sekire nolazaiko teo fa maivana? Tena sekire marina e! Ampy io.
Ao ary fa ampiako kely e!
Misy lakileny ny WC-nay aty am-piasana. Dia rehefa miditra ao aho dia fadiako mihitsy izany hoe manajanona lakile eo am-baravarana fa vohaiko ny varavarana dia ataoko am-paosy ny lakile vao miditra aho. Any anatiko any toa misy feo mampitahotra hoe raha ajanon’ialahy eo io fanalahidy io ka hidian’ny olona ao ialahy dia tsy tafavoaka ao intsony. Izany hoe olona suspicious izany DotMG amin’ny zavatra sahala amin’izany. Endrika iray maneho izay toetra izay ihany koa, rehefa mijery valim-panadinana aho ka mahita ny anarako, dia mbola te-hijery fanindroany, fanintelony, faninefany hanamarina tsara hoe tena nahita ve ilay masoko teo sa tsia?
Tag: Ny atao hoe tag dia misy mpitoraka blaogy manainga anao hamboraka tsiambaratelo 7 sy hanendry olona 7 hafa tsy mbola voa-tagé hanao toy izany. Ohatry ny hakandray io izany e, izay voa farany no mamay satria lasa mihasarotra ny mitady viktima.
Sunday, March 2, 2008
Raha toa moa ka … tsy izany no ilaina.
Tantara marina ity, fa tsy mahatsikaiky anefa. Niseho omaly tao am-piangonana.
Aorian’ny raharaham-piangonana no atao ny fanaterana rakitra, ary raha misy hira nangatahin’ny mpanefa voady masina dia ireny hira ireny aloha no atao mialoha, fa raha tsy misy izany na rehefa vita avokoa, dia tononin’ny mpitarika ny laharan-kira hohiraina. Nitsangana ingahy Mpitandrina Mpanampy, dia niteny hoe:
“Ny laharan-kira Fihirana Fanampiny faha 41 sy faha 46 no hataontsika izao. Hira fanampiny 41 sy 16.”
Dia ren’ny mpitendry izay dia natao aloha ny Hira Fanampiny faha 41.
Vita iny, dia nanomboka naneno ny feon’ilay Hira Fanampiny faha 46.
Nitsangana avy hatrany ilay Mitandrina Mpanampy hanitsy:
“Hira Fanampiny faha-16″, hoy izy. “Tsy izany no ilaina”.
Fa tonga dia toran’ny hehy ny mpiangona, hatramin’Ingahy Mpitandrina Tompon-toerana aza mba nampiseho ny nifiny ihany koa. Ingahy Mpitandrina Mpanampy tsy tonga saina mihitsy hoe fa inona aza no tokony ho nampihomehy ny olona tamin’izany fifandisoana izany.
Ity ilay Hira Fanampiny faha-16, nosoratan’i Bessa:
Tsy vitam-po onena, Tsy vitan-dranomaso
Ny asam-pamonjena, tsy azo atao mifampiandry andraso
Tsy azo ifanerena, mila fandavan-tena
Sy hery tsy mba maty, herim-po, herin-tsaina koa.
Na onena ny fonao, na tomany ny maso
TSY IZANY NO ILAINA fa fifankatiavana