Monday, March 17, 2008

Raha toa moa ka … DotMG olona kahihitra

Secret #4 of 7

Tokony ho naseho talohan’ilay Suave mari magno izy ity fa mbola nikaroka ny tononkiran’Ifanihy hoe Andro iray mba ampiarahina aminy… Tsy hitako ilay tononkira dia alefa manta amin’izao. Nefa ohatr’izao ilay hira:

Fa ny anao ny zava-tsoa tsy mba foinao avoaboaka mbola iandrasana andro iray
Nefa raha  ianao aloha, toa tsy fampiseho vahoaka mbola iandrasana andro iray
Andro iray, andro iray, nefa ianao mampahonena, mahia mampalahelo
Mbola hiandry inona indray, sa ny vola aman-karena no hoentinao any amin’ny helo.

Rehefa mitondra fiara aho dia tsy manitsa-panisatra mihitsy, ou presque. Raha hitako hoe misy mibahambahana ery alohaloha ery, dia ampidiriko ny teboka maty (point mort mantsy e) dia na mandeha 10km/h aza ny fiarako dia taritiko point mort eny. Ny fanitsahana fanisatra mantsy dia manary angovo satria tsy mitahiry angovo mihitsy ny fiara (hatramin’izao aloha). Raha omenao lala-mahitsy aho na fidinana (raha toa tsy fidinam-be fa fidinana kelikely) dia efa ingahy point mort hatrany no mitondra ny fiara. Fa tsy mamono motera kosa aloha na izany aza e, ary raha fidinana mampiahiahy dia manao kaly vitesse ihany. Ohatra hoe midina an’i Maharidaza manao 4eme dia mba mipezy frein kely tsindraikandraika. Izay ny sekire, fa aza mba mampindrana fiara ahy.

Ao aminay dia tsy faly i Aziew fa takamoa mitsitsy no napetako ao dia mitsilopilopy izany ilay izy raha oharina amin’ny takamoa tsy mitsitsy. Rehefa mifindra efitra aho, ka izaho irery no farany tao dia efa mandeha ho azy ny mamono jiro. I Smiley efa mahay irahina hoe “Mandehana vonoy ny jiron’i Bebe”, fa ilay ao an’efitra atorian’ny renibeny mantsy, matetika mirehitra nefa ny olona lasa any an-dakozia. Ny vata fampangatsiahana dia eo amin’ilay hoe WARM no position-ny. Ary tena mitsitsy tokoa io fa elabe vao midridrodridro indray. Nefa ny ao anatiny tsy misy simba na masiso. Sady mba ela kokoa vao mila dégivréna an! Amin’izao andron’ny fahamasinana sy fahamarinana izao, dia eo amin’ny 40kwh ny jiro laninay isam-bolana, nefa mba mampiasa fera fipasohana sy frigo, fahitalavitra, laptop tsindraindray.

Rehefa miantsena PPN aho dia ataoko indray mividy ny siramamy 5kilao, ronono boaty vitsivitsy, … fa amin’izay fomba fividianana izay ahazoana tombony.

Raha toa aho mifidy ny lalana tsaratsara rehefa mandeha an-tongotra, eo ihany ny mitsinjo ny dion’ny kiraro, fa sady mandeha ihany koa ny kajina usure sy amortissements.

Tsy mba tia manara-damaody aho fa izay mateza nefa tsy ihomehezan’ny olona, dia iny no tiako. Na raha toa misy tena mora be (entan-tsinoa) ka mandeha ny kajy hoe na hisolo an’ity in-20 aza aho mbola kely ny vola lany noho ny mividy ilay tsara kalitao, dia mety mividy mora ihany koa aho. Fa ny tsy ho hitanao hovidiako dia hoe lafo nefa tsy hampiasaina maharitra.

Dia tsy dia tiako loatra ny manana fitaovana na fitafy ilay hoe tsy azo anaovana raha tsy occasion spéciale. Eo ihany ilay tia vao fa ny tena tsy laitrako dia ilay zavatra novidiana lafo sao simba ho azy ao amin’ny fampirimana azy ao. Sady izay hono, rehefa misy bikina ao amin’ny fianakams dia lasa lanin’ny voalavo ho azy hono ny lamba mimpirina?

Izay aloha ny sekire faha-4 fa dia ho gaga indray ianao mamaky ny sekire faha-6.