Thursday, March 20, 2008

Raha toa moa ka … ataoko ao anaty kidoro ny miliara?

Secret #6 of 7

Dia ataon’ny olona kahihitra inona ary vola hozy nareo?

Ho ahy ny vola aman-karena tsitsiako dia entiko hanampiana ny hafa. Tia manampy olona aho izany.

Ny toetrako mampihomehy dia rehefa indraman’olona vola aho dia satriko homena izy raha manana aho, ary raha toa ka tsy ilay olona fantatro hoe mody mindrana nefa tsy hamerina akory. Nefa rehefa mampindrana aho dia efa afoiko sahady izay ampindramiko, ataoko toy ny tsy ahy intsony sy tsy hiverina intsony, ka raha manao kajy amin’ny resa-bola aho dia efa tsy kaonty izay vola nisy nindrana. Fady mitaky vola koa aho, fa dia rehefa indramanao vola dia anao sy Andriamanitra sisa, na hahatsiaro ianao na tsia. Fa tena ratsy r’ireto izay toetrako izay a! Ny olombelona izany raha anaovanao toetra sahala amin’izay dia izy hiraharaha koa? Na Pasitera no mindram-bola na raiamandreny, apoakany tsotr’izao ianao rehefa tsy mitaky. Dia ny mampalahelo dia rehefa anaovan’olona an’izay toetra izay aho dia toa tsy nampetipety ny fiainany akory izay tantara izay fa ny omaly tsy miova ihany izy, izaho anefa tsy mety afaka amin’ilay tsy mahatanty mijery olona manao mampalahelo fa te-hanampy foana.

Mifangarongaro amin’ilay resaka hoe kahihitra ihany izy ity fa zavatra iray tena halako mihitsy ilay hoe ao anaty fikambanana dia hoe hanao opération Gateau na opération soupe, ary raha vao miainga iny hevitra iny dia manoha riana foana aho. Amiko, rehefa tsy mahazaka manao latsakemboka ny mpikambana sady tsy mahita spaonsa dia aleo ravàna ny fikambanana. Dia lainga be izany ilay resaka hoe malala-tànana aho fa raha izaho no mba itondratondrana an’ireny tapakila opération ireny dia tsy mety mandray aho, ary rehefa terenao (manery daholo ny olona mivarotra an’ireny fa tsy misy manao hoe raha mazoto ramose a) dia vao mainka ianao manery ahy handray anjara no halako.

Fady mampindrana Androrosy aho, ary raha Androrosy no mangataka, na ariary aza tsy mety manome aho. Tsy tia manome mpangataka an-dàlambe koa aho, nanome aho taloha fa efa nisy nibedy dia tsy manome intsony.

Fady manome ny olona efa nampindramako vola aho ka nilaza hoe aterina amin’ny anona nefa manapoaka ahy.

Ny mba faniriako sy mahafaly ahy izany dia hoe nisy olona nila fanampiana, nampiako, ary nihena ny fahasahiranany noho izaho, nefa, tsy mety miverina intsony izay tranga izay. (Niseho in-1 dia ny hafa rehetra nampiana ho’aho, tsssss).

Soa ihany aminao mamaky fa tsy misy anisan’ilay olona mety hindram-bola aty amiko na hivarotra tapakila, ary iangaviako ianao, aza avoaka ny sekire, fa izay mahalala an’ity sekire ity @ havako tsy mba homeko n’inn’inn intsony.