Sunday, July 28, 2013

Setrin-kafatra

Nodomiko in-telo
Ilay hazom-baravarany
Narosoko ny haody
Nantsoiko aloha ny anarany

Tsy niandry iray minitra
Na hoe segondra betsaka
Fa avy dia naneno
Nivoha ilay karetsaka

Toy ny hoe efa nandrasany
Ny ora hahatongavako
Toy ny efa nandrandrainy
Ny endrika aman-tavako.

Nihevitra aho voalohany
fa efa tena tsy andriny
ny handre izay momba anao
raha potiky ny fandriny,

Na mbola manantena
Na koa namela ny helony
Raha manimanina azy
Misangy irony avelony.

Ny tanako miarahaba
noraisiny maharitra
ny masony nibanjina
nitsiky sy finaritra.

Dia nojereko aloha
izay mety ho fahasambarany
fa tsisy sarin’olona
an-doham-parafarany.

Indro an’efitranony
ny tavim-boninkazo
tsy mavokely loko
fa ravina malazo.

Anefa raha ilay tsikiny
toa ampy ahafantarana
f’ianao tena efa hadinony:
tantara efa nifarana.

Ny momba anao any izy
ka tsy nanadihady
izaho tsy nitantara
ary izy tsy nitady.

Zarako aza, sitrako
ny tsy voatery hamitaka
handainga na hanafina
ny fonao miparitaka.

Ny endrikao manjetoka
Tsy nila nofantariny
Ny jalinao miketoka
Sy izay ho sarintsariny.

F’izy hono no mijaly
Tsy manana olon-tiana
Kanefa be fitiavana
Tsy tapitra holaniana.

Tsy ratsy saina hono izy
Tsy izany mihitsy anefa
Ny fony ilay nanaiky
No diso fiantefa

Naharitra ora maro
Ny resakay sy tafa
Hehy, tomany, tsiky
Fiontanana hafahafa.

Ny vetso am-poko lalina
Hay reny am-poto-tsofiny
Banjininy ny masoko
Ny molotro notohofiny.

Noraisiny ny tànako
napetrany tan-tratrany
Nasainy hanafosafo
an’ito fo maratrany

Avy eo nohidiany mafy
Ilay hidim-baravarany
F’izaho no asainy hameno
Ny kitsom-pahasambarany.

Tany aminy aho kanefa,
dia izay no setrin-kafany.

DotMG, 28 jolay 2013

Tuesday, July 2, 2013

Le dernier message

Un jeune homme avait une petite amie.
Il commençait à en avoir marre d’elle car elle lui envoyait des messages toutes les heures qui disaient: “tu me manques” ou “je t’aime”. Un soir, avant de se coucher il a reçu un message, mais plutôt que de le lire il est allé dormir. Le matin il a été réveillé par un appel. C’était la mère de sa copine, en pleurs pour lui dire que sa copine était morte la nuit dernière. Il a raccroché, en état de choc, est allé lire le message: “mon cœur, viens vite! je crois que quelqu’un est en train de me suivre!”.

Morale de l’histoire : Trop de SMS peut te couter la vie.