Wednesday, July 28, 2010
Raha toa moa ka … yrdnamidon
Namaky kely ny dinik’ingahy simplex aho omaly. Ny ahy indray raha vao resak’ingahirainy io na fohy na lava voavakiko soa aman-tsara foana. Indraindray moa raha somary fohy ilay izy dia mety ho voavakiko in-droa, in-telo mihitsy aza. Dia lasa ny saiko momba ny filazana manjo rehefa namono tena ilay havana nodimandry.
Amin’ny finoana sy fanantenana ny fitsanganan’ny tena amin’ny maty …
Tsy haiko aloha fa raha mino ny resaka helo sy paradisa ny fianakaviana, dia aleo tsy manantena ny fitsanganan-ko velona satria dia toa midika fa rehefa hitsangan-ko velona izany ilay rahavana namono tena dia lasa any amin’ny helo. Ilehiry nandatsaka aina dia avy eo mety ho tsy nanam-potoana ibebahana intsony fa iny dia jaingy koa.
… no ampandrenesanay anareo fa nantsoin’ny Rainy hody any aminy …
Fanelezana Vaovao Tsy Marina! Sady tonga dia Andriamanitra mihitsy ve no lazaina ho nanao izay tsy nataony? Tsy Izy no niantso fa ilay namono tena no nilitility tonga tsy nantsoina ohatry ny vinanto tsy mahare fosa. Sady mety mety tsy lasa nody any amin’ny Ray koa fa mety nody any amin’ilay Raikely Belza tompon’ny helo.
Ka dia tokony hatao toy izao ny filazana manjo rehefa amin’ny tranga famonoan-tena :
Amin’alahelo sy henatra be no ampandresanay anareo noho ny fihavanana fa nanapitra ny tantarany ny havanay Rabeniomby sy Ravolahanta.
Amennnnnaaaaaaaaaaaaaaaaa!
Tuesday, July 20, 2010
FOSA OLANA
FOSA OLANA.
Indray andro hono dia nisy efa-bavy
niresaka momba ny fanambadiany
Dia samy nifosa an’ireo vadiny avy
nifampitantara ny fomban’ny tiany.
Dia resaka izao, tsy nisy arofanina
na tsiambaratelo fa indro: nisosa
Ny mihaino azy indray no toa mahavalalanina
Fa lalina ireto bajô raha hifosa
Ny ahy hoy ny iray, miaramila tantsambo
Tsy azo baikona izy f’azy ny didy
Tsy laitra dohika, mpidingina rambo
Ny vadiny kosa tsy manan-tsafidy.
Rehefa izy no manina ka mila vady
Tsy maintsy eo no eo no anefana ny adidy
Fa raha mba ianao kosa indray no mitady
Tsy manana zo ny amin’izay hangidihidy.
Raha azony ianao tena mahita faisana
Sokafany avao izay rehetra mihidy
Mpitaingin-tsoavaly va re no iraisana
no mihazona mafy sy miridiridy?
Mpitsabo mpandidy ny ahy, hoy ilay faharoa
Nahavita fianarana be tany andafy
Maro no tsara tia azy tokoa
Kanefa izy kosa tsy mba mampirafy.
Be taona izy nefa dia mbola mirija
Matanjaka fa tsy be setra higafy
Ny fiaviny avao tsy mba ora-mikija
Fa toa erikerika mora fifafy.
Fahaiza-manaony tsy misy madilana
Fa tsoda no tsininy kely mampihafy
Ny molony mantsy somary mivilana
Ka saokako indray no voaoroka mafy.
Ny anay mise au vert efa saika ho mazàna
Hoy ilay fahatelo somary nivalo,
Ny afom-pitiavana tsy mba tamàna
hitoetra ao an-trano f’indrisy mandalo.
Mpitandrina hono izy, mazoto mivavaka
Ka Belzeboba no atao fahavalo
Variana amin’izay dia tsy mahita lavaka
Mandositra adidy, miery, mimalo.
Fanahy no tolomina mandavan-taona
Io no itetezana izao lafivalo
Ny nofoko kosa, indrisy misaona
Toa zary voankazo voapoizina kalo.
Ny anay aza retsy, hozy ity farany
Tonga dia lasa, eny, zara raha mihelina
Tsy maharitra ela tokoa ny tantarany
Tsy misy hotsakoina fa dia indray mitelina
Taloha izy anefa soavaly tanora
Lava sy mafy toa zaran-dapelina
Fa antitra kosa izao ka goragora
mikainkona kely toa garanadrelina.
Dia asa na izy no mamilafila
Na ilay adidy no manelingelina
Sa reraka loatra nikiky kapila
Ka tsy hahavita intsony fa efa domelina?
DotMG - Tononkalo Miala Sakana (19 jolay 2010)
Monday, June 21, 2010
Raha toa moa ka … tsy mba hahita Barea manao mondial mandra-pahafaty
Resaka baolina.
Rehefa hoe afrikanina hono dia manjary te-hanohana ny ekipa afrikanina. Ny ahy tsy dia noho ny hoe afrikanina loatra no antony aniriako ny handresen’ny ekipa afrikanina, fa mba hitsinjovana ny ho avy.
Ity resaka fiadiana ny amboara eran-tany ity mantsy, misy raikipohy henjana ny fikajiana hoe firenena firy no tokony hisolo tena ny kaontinanta iray, ka arakaraky ny vokatra azon’ny kaontinanta eo amin’ny sehatry ny amboara eran-tany no hanomezana isa io kaontinanta io, dia mivoaka arakarak’izay ny hoe tokony ho firenena firy no avy ao amin’io kaontinanta io no handray anjara amin’ny amboara manaraka.
Taloha isika afrikanina dia efatra ihany no tafakatra any amin’ny dingana faran’ny amboara eran-tany. Dia tamin’ny andron’i Roger Milla dia hoe nampiana iray mba ho dimy fa efa misy fivoarana ny fahaizan’i Afrika milalao baolina. Tamin’ity 2010 ity dia enina mihitsy no isan’ny firenena satria moa i Afrika Atsimo efa mpampiantrano rahateo.
Rehefa jerena anefa ny voka-dalao hatreto, dia, andraso anie hojerena e :
Isan’ny lalao nataon’ny Afrikanina (tsy isaina i Lafrantsa sy Italia fa ny tena afrikanina) : 12
Isan’ny baolina tafiditry ny afrikanina : 6 (antsasaka baolina isaky ny lalao), ary ny an’ny Ganéanina amin’ireo, miisa 2 dia tamin’ny alàlan’ny penalty hatrany.
Tontalin’ny isa azo : 7, fandresena tokana, ady sahala efatra, faharesena zato sy arivo. Ny Ganéanina amin’io tsy hay na manao tsolotra avo lenta na manao ody gasy (ody gané mantsy e) fa dia mandresy amin’ny tsy rariny.
Rehefa ireo izany no hatambatra dia karazandrazan’ny hihena ho efatra indray ny ekipa afrikanina hanao mondial amin’ny 2014 (raha mbola tsy tonga ny farany dia tsy ho foana ny fanantenanao). Isika anefa dimampolo mahery, vao mainka tsy azon’ny saina hoeritreretina hoe hahita Barea manao mondial aho alohan’ny hahafatesako.
Tsetsatsetsa farany : pronostic-ko aloha dia 18 ny isan’ny lalao hataon’ny afrikanina amin’ity mondial ity. Tsy haiko tamin’ny 2006 na 17 na 18 no isan’ny lalao nanaovan’ny afrikanina.
Wednesday, June 16, 2010
Raha toa moa ka … Tia Tanindrazana.
Samy tia tanindrazana daholo na izay manangan-tsaina na izay tsy manangan-tsaina, ankoatra ahy.
Ireo izay manangan-tsaina dia maneho ny maha-malagasy azy, hafa anivon’ny samy Firenena, tsy menatra ny mijoro, nahatafaverina ny fahaleovan-tenany dimam-polo taona lasa izay.
Ireo izay tsy manangana noho ny firehana politika dia maneho ny fitiavany an’i Madagasikara, satria mbola tsapany fa tsy mbola azo tanteraka ny fahaleovan-tena ary mbola ao anatin’ny tolona ho famerenana ny fiandrianam-pirenena tena izy izy. Tsy mbola misy angamba ny Malagasy manangana saina fotsy izay midika hoe milavo lefona, fa ireo izay misafidy ny tsy hanangan-tsaina dia raha manangan-tsaina aza dia saina miloko maitso, midika fa mbola manantena fa ho avy tsy ho ela ny fandresen’ny tolony.
Izaho irery no tsy tia tanindrazana satria izao no fanazavana : Tsy manangan-tsaina aho ankehitriny. Tsy noho ny antony politika sy ara-poto-kevitra anefa fa dia noho ny tsy fisian’ny saina fotsiny tsotr’izao. Tsy manan-tsaina aho ary tsy mbola vita biodizé ny hoe hividy saina hatramin’izao. Izaho izany aloha ilay hoe : Ny lefona milavo, ny basy tsy mifahana, ny totohondry tsy mivonkina, ny flesy tsy mihenjana. Tsy miady tsy mitolona fa miandry tati-reraka eto fotsiny.
Thursday, June 10, 2010
Raha toa moa ka … hafaliana vetivety.
Allo chérie, miracle akia, miracle. Tena nisy magouille nataon’ny banky angamba fa eto amin’ny distributeur de billets aho izao mijery ny solde dia akory ny hatairako fa vola be tsy toko tsy forohana no ao @ kaontintsika. 1 million, 10 millions, 100 millions, 1 milliards, …
Non, diso kay aho fa numéro de compte iny novakiako iny fa ny solde ato aza mbola ilay 4.357 Ariary foana.
Thursday, May 13, 2010
Raha toa moa ka … unstrip Poker
Tanora maromaro, lahy sy vavy milalao unstrip poker, ilay strip poker fa à l’inverse. Ohatra 5 lahy 5 vavy no anombohany. Ny fitsipi-dalao dia tsotra : manofa efi-trano iray, dia samy tsy misy miakanjo fa miboridana tanteraka amin’ny voalohany dia atomboka ny poker. Izay resy dia manomboka mampiditra tsikelikely ny akanjony, ohatra, resy in-1 lé sipa dia ampidiriny ny string, resy faharoa dia ampidiriny ny soutif, etsetra.
Izay mahatafiditra ny akanjony rehetra (izay hoe izay resy lava voalohany) dia mangoron’entana dia mody. Izay tsy mety resy kosa miboridana mihanjaka eo.
Rehefa tanora telo sisa no tavela dia efa akaiky ny fiafaran’ny lalao, ka izay resy voalohany amin’izy telo tavela ireo dia mangoron’entana (ny fitafy rehetra azy 3 tavela) sy manidy lakile ny efitra dia izay roa tavela manao izay ataony ao (kôpy elà) mandra-pahatongan’ny ampitso hamohana ny trano indray.
Alaivo sary an-tsaina izany hoe isan’ilay tsara vintana 3 tavela ialahy, dia isany ao koa lé sipa manja be reven’là be mihitsy, dia ny fahatelo bandy iray hafa advan. Ataon’là zany ze tsy haharesy an’là fa mba ilay advan no ho resy sy handeha hody. Izay no cas de figure tsara indrindra. Saingy raha toa moa ka … ilay sipa no hita taratra fa mitady ho resy foana, ka efa ny ba-kirarony sisa no tsy miditra, ny an’ialahy sy ilay bandy iray hafa anefa mbola zara raha mitafy. Ahoana no atao? Raha ilay sipa mantsy izany no resy dia bandy samy bandy nareo mihidy miboridana ao mandritra ny alina.
Manana safidy 3 ialahy.
1) Na ny poker no lalaovina madio, tsy misy kajikajy politika fa izay alehany any alehany, miandry ny fahatsapan-tenan’ny hafa eo.
2) Na mi-bluff, mody tara @ lé bandy 1 elà, dia hatahotra lery dia hi-sacre hoe tay be kosa raha bandy samy bandy no hihidy ato fa aleoko manao mody resy.
3) Na tsy ho zakan’ny sainlà ny hieritreritra hoe bandy samy bandy no ho tavela ao, dia ialahy no mi-sacra manao resy dia avelan’ialahy ho an’ny advan ny entana.
Raha toa moa ka …
Ho avy ihany no tohin’ilay série efa nampanantenaina ka.
Monday, May 3, 2010
Betax mahadizina
Ambohimahadizina et les transports en commun.
A Ambohimahadizina, il n’y a que deux moyens de transport possible si vous n’avez pas votre propre véhicule : le taxi pour les gens favorisés et le betax pour les autres (c’est-à-dire les grosses sauterelles qui dorment). Bus, métro, train, pousse-pousse, … n’existent pas ou ne sont pas faits pour les humains.
Dans cette première épisode de la série Ambohimahadizina, je vous propose quelques clichés sur ces betax, le moyen de transport utilisé par 99% des habitants d’Ambohimahadizina. (Je ne ferai pas un article sur les taxis, cliquez sur le lien le taxi plus haut et Madafan vous servira un très joli billet sur le sujet.) Jentilisa étant absent du pays, je me vois dans l’obligation de faire un billet assez looooooooooooooooooooooooooooooooong.
A Ambohimahadizina, les betax n’ont que deux modes de circulation : le mode “course-poursuite” et le mode “fesse-de-bois” ou vodihazo. En mode course-poursuite, la règle du jeu est très simple : Il ne faut pas se laisser dépasser par un autre taxi-be concurrent. Tous les moyens sont bons pour y parvenir : verrouiller l’accès, provoquer un embouteillage, bien espionner le poursuivant et filer dès qu’il pointe son nez (si vous êtes celui qui est poursuivi), et d’un autre côté, essayer de rouler plus vite que l’advan, se stationner devant lui et non derrière dans les arrêts pour le chargement/déchargement des passagers, demander aux passagers qui vont sortir au prochain arrêt de s’approcher des portes de sortie, (notamment si vous êtes le poursuivant) … Le mode “course-poursuite” est bénéfique pour les passagers qui souhaitent arriver très vite à destination. Le côté négatif c’est que ça cause quelquefois des accidents mortels, mais, ce n’est pas bien grave : tout le monde meurt un jour et à Ambohimahadizina, même une innocente vendeuse de bouquins risque la mort par les balles vicieuses sorties d’une 4×4 blanche. L’autre mode de circulation appelé “vodihazo” est idéal pour les amoureux qui passent du temps ensemble dans la betax, ou pour le père de famille ivrogne qui rentre du boulot et qui n’a pas hâte de revoir les lèvres de son épouse ressemblant à du mofomenakely. La règle du jeu, c’est de rester immobile à chaque arrêt minute pendant au moins 10 minutes, et passé ces 10 minutes, c’est d’essayer d’y rester encore le plus de temps possible jusqu’à ce que le râlement des voyageurs ne soit plus tolérable.
Frais: En général, le prix du ticket, autrement appelé frais de transport, est unique quelle que soit la destination, quelle que soit la ligne de transport. Les exceptions sont les “tapa-dalana” ou mi-chemin. Mi-chemin ne signifie pas la moitié du chemin, cela signifie deux arrêts consécutifs ou tout au plus deux arrêts séparés par un autre et unique arrêt, soit relativement à peu près un dixième de la distance totale. Mi-chemin ne signifie pas moitié du prix du ticket, actuellement c’est deux-tiers du prix normal. (A propos, je suis un mathématicien d’Ambohimahadizina, je peux vous donner la formule mathématique et les lois physiques régissant ces théorèmes).
Les frais sont à regrouper par rangée pour être transmis au receveur et c’est les passagers eux-mêmes qui se chargent de ce regroupement. L’acheminement des frais de transport ainsi regroupés, depuis les passagers jusqu’au receveur requiert la participation bénévole et dévouée des autres passagers, sous les instructions magistrales du receveur. Il en est de même pour la distribution des tickets.
Ticket : c’est un petit bout de papier que les receveurs vous donnent (ou ne vous donnent pas) après avoir reçu votre frais. Il n’existe pas de règle précise sur le quand il en distribue et quand il n’en distribue pas. Si le receveur ne vous en donne pas, il n’est pas nécessaire ni utile de le réclamer, vous passeriez pour un Imbecilus Ambohimadiziniensis. En effet, si vous le réclamez, on vous en donnera un (peut-être même deux ou trois, avec un petit sourire narquois), mais 3 tickets ne vous suffiront pas pour vous essuyer après avoir fait votre besoin.
Famerimbola ou “backmoney”. En général, on vous prie de donner le montant exact du frais, de façon à ce qu’il n’y ait pas de famerimbola, mais dans le cas contraire, le receveur est dans l’obligation de vous retourner la différence entre le billet que vous donnez et le prix exact du ticket. Il faut savoir pourtant qu’il n’est pas du tout obligé de vous retourner le famerimbola tout de suite, ou un peu plus tard. Le théorème suivant a été vérifié par les statistiques : “Toute personne empruntant 10 fois par semaine au moins les betax d’Ambohimadizina oublieront au moins une fois dans sa vie le famerimbola quand elle sort du betax”. Afin de vous éviter de perdre gros dans ce cas, certains receveurs ont l’amabilité de vous proposer de vous retourner immédiatement le 4.000 Ariary et de vous retourner les 700 Ariary restants plus tard, beaucoup plus tard. En cas d’oubli, vous ne perdrez alors que 700 au lieu de 4.700.
Arrêts : Lieux où l’on peut sortir du betax, et théoriquement, lieux où l’on peut y entrer. Ces lieux sont marqués par des signalisations “BUS STOP”, … ou pas. “Ou pas” car les habitants d’Ambohimahadizina détestent ces panneaux signalétiques de toutes leurs forces. Pourtant conçus à l’aide de fers massifs, ces poteaux sont pour la plupart violés (dans le sens voaolana du terme) ou zigouillés. Pour votre sécurité, et aussi par peur des polices de la route, vous ne pouvez sortir du betax que sur ces lieux appelés Arrêts. Les receveurs demandent aux passagers quelques temps avant l’arrivée du betax à un arrêt si un des passagers voudrait y descendre. Il faut donc être attentif et répondre par “Misy miala ao” quand votre arrêt arrive. Les chauffeurs et receveurs du betax accordent souvent une exception à la règle quand il s’agit d’entrer dans le betax sur un lieu qui n’est pas un arrêt, mais quand il s’agit d’en sortir, la règle est scrupuleusement respectée.
Chauffeur : Ambohimadiziniensis avec une chemise et une cravate qui s’assoit sur le premier siège à gauche du betax. L’habit ne faisant pas le moine, ce ne sont pas des Mormons ou des évangélistes d’une secte. Ils ont souvent le privilège de choisir la station radio ou la musique à écouter.
Receveur : appelé aussi aide-chauffeur. C’est celui qui récolte les frais, retourne les famerimbola, espionne les adversaires en cas de course-poursuite, crie les trajets du betax, distribue les tickets, demande si quelqu’un veut descendre à l’arrêt suivant, distribue les strapontins, …
Strapontins : pièce en bois, rarement garni d’éponge et d’une couverture en cuir pour le confort de votre cul, utilisée pour pouvoir s’asseoir là où il n’y a pas de siège.
Tamboho ou seza volamena (littéralement siège en or) : Place étroite, très étroite, dos au chauffeur, où on fait s’asseoir des passagers dans le but de pouvoir en transporter beaucoup plus que la capacité du véhicule. Pour s’y asseoir, les passagers face-à-face font s’entrelacer leurs jambes. J’ai déjà fait l’expérience d’en voler un, de le brûler dans ma cheminée et de regarder les cendres, mais je peux vous dire qu’il n’y avait pas la moindre gramme d’or. (Je parle bien sur de sièges et non de jambes).
Mêlée : Methode de filtrage utilisé par les passagers pour empêcher les vieilles, les infirmes et les plus faibles de prendre le betax. Il s’agit d’une bousculade spontanée dont la règle et la finalité sont d’être parmi ceux que le betax pourra transporter. En effet, quand les betax utilisent le mode “vodihazo” en un point A, il est très probable qu’en un point B, le nombre de passagers voulant utiliser le betax comme moyen de transport est largement supérieur à la capacité de celui-ci, et à ce point B : premiers arrivés, premiers servis. Les mêlées sont une aubaine pour les voleurs à la tire et les faucheurs de poches pour chiper des téléphones portables, portefeuilles ou des argents mal cachés.
Tuesday, April 27, 2010
No matter what they call us
Taloha aho dia mampiasa ny voambolana hoe “Malagasy” rehefa manoratra amin’ny fiteny frantsay ka te hanondro ny teny hoe “Malgache” : la langue malagasy, le peuple malagasy, … Nisy namana Malagasy anefa nanoro ahy hoe tsy teny frantsay izany “Malagasy” izany fa malgache no tokony hosoratana hoy izy. Raha amin’ny tenim-pirenena hafa toy ny anglisy dia malagasy no fanoratra, saingy ny famaky azy kosa aza dia tsy tokony hatao famaky gasy fa tsindriana mafy ny y farany, toy ny hoe “malagassii”.
Hay tokoa moa isika Malagasy ireto ka dia zatra loatra an’ity vary amin’anana ity, ka ny tenindrenintsika efa tsy hay rahateo ny hamoaka fehezanteny tokana tsy misy tena vahiny, dia ny teny vahiny mba efa voafehintsika kokoa indray dia iniana atao vary amin’anana tsotr’izao.
Rehefa nohadihadiana dia hoe manivaiva ny mahamalagasy hono ilay voambolana ataon’ny Frantsay hoe “Malgache” fa Mal + gache izay zavatra roa samy tsy dia tsara loatra. Angaha? Aza masoso-sceptible loatra e! Io toetra mora tohina io nefa mitondra mankaiza? Iavoloha izao toa hoe tsy Iavoloha hono no tena anarany taloha fa satria misy lapan-dRatsiraka dia novaina mba ho mihaja kokoa. Mahabo toa nisy tovana kely izay ilay anarany fa saingy voambolana mingoso izy aty afovoan-tany dia nohafohezina hoe Mahabo. Ankatso novaina hoe Ambohitsaina fa hoe sao dia tsy mendrika ilay anarany. Dia ny Barea koa dia sahala amin’izany: impiry nosoloina anarana fa e e e, Komaoro ihany aloha hatreto no azo antoka hoe resin’ny Malagasy.
Koa izao no hafatra tiana hampitaina e: na inona na inona iantsoan’ny olona anao, aza mba mora tohina amin’izany dia aza miezaka ny hiova anarana izany fa tsy ny anarana no maha-ianao anao. Raha mpivarotra arina ianao dia antsoin’ny olona hoe “Saribao”, aza maka lagy raha izay no mahasalama azy. Iza izao no mahita raha Ilesabotsy no anaram-bositr’i Marc Ravalomanana ireny fony mpianatry ny EPP?
No matter what they tell us
No matter what they do
No matter what they teach us
What we believe is true
No matter what they call us
However they attack
No matter where they take us
We’ll find our own way back
I can’t deny what I believe
I can’t be what I’m not
I know our love’s forever
I know no matter what
If only tears were laughter
If only night was day
If only prayers were answered
Then we would hear God say
No matter what they tell you
No matter what they do
No matter what they teach you
What you believe is true
And I will keep you safe and strong
And sheltered from the storm
No matter where it’s barren
A dream is being born
No matter who they follow
No matter where they lead
No matter how they judge us
I’ll be everyone you need
No matter if the sun don’t shine
Or if the skies aren’t blue
No matter what the ending
My life began with you
I can’t deny what I believe
I can’t be what I’m not
I know this love’s forever
That’s all that matters now
No matter what
No, no matter what
No, no matter what
No, no matter
That’s all that matters to me
No, no matter
That’s all that matters to me
No, no matter
That’s all that matters to me
No, no matter
That’s all that matters to me
No, no matter what
That’s all that matters to me
No, no matter what
That’s all that matters to me
Friday, April 16, 2010
Et si … problème politique, solution mathématique
Ca fait 13 mois que la HAT est au pouvoir et presque 18 mois de crise et les politiques ne sont pas encore près de trouver une solution. Il n’a pas fallu 8 mois pour écarter Ratsiraka en 2001, moins de 3 mois pour éjecter Ravalomanana en 2009, alors si toutes les autres forces politiques malgaches n’ont pas réussi à exterminer TGV en 13 mois et ce malgré les querelles et rivalités internes des pro-HAT, malgré les prises de décisions plus risibles que celles de Ravalomanana, j’aurais plié bagage à leur place (à la place des anti-HAT) et assumé mon incompétence.
Et si on abandonne la démocratie et qu’on invente un nouveau type de régime, que l’on nommerait mathocratie ou computocratie? L’idée est de donner aux mathématiciens (lire informaticiens) le soin de créer un programme informatique qui va diriger le pays, prendre les décisions et résoudre les problèmes. Quand vous saurez que les meilleures intelligences humaines n’arrivent pas à battre un programme informatique dans un domaine aussi simple qu’un jeu d’échec, et que Andry Nirina Rajoelina, Marc Ravalomanana ne sont pas comparables à Kasparov ou Vladimir Kramnik dans leurs domaines respectifs, vous serez peut-être convaincu qu’une intelligence artificielle fera un moindre mal au pays, et on pourra débugger si besoin. Plus jamais d’élection, plus de famenoam-paosy, plus de tolona, jamais plus.
Monday, March 8, 2010
Raha toa moa ka … protestanta kamo
Eritreritra vitsivitsy sendra nandalo momba ny fivavahana kristianina.
Ho an’izay tsy mahalala na tsy mahatadidy moa dia mpino protestanta FJKM ny tenanay. Anisan’ny zavatra tsapako momba ny fivavahana protestanta dia mora noana (ara-kibo) izahay mpivavaka. Porofon’izany, ao amin’ny fihirana protestanta, ny hira manamarika ny firavana no isan’ny fohy indrindra. Ny laharan-kira 328 hatramin’ny 349 no ao anatin’ny tariky ny hira firavana, ary raha manokatra ny fihirana protestanta ianao tandrifin’ireo hira ireo dia hahita fa ny pejy tsirairay amin’ny fihirana dia misy hira betsaka indrindra, izany no maneho fa fohy ireo hira ireo. Ny hira fohy indrindra ao amin’ny fihirana dia ny hira 347 (andalana 4 fotsiny ary andininy tokana ihany), ary ny 349 kosa indray no ahitana isan’andininy fohy indrindra satria dia andalana 2 isan’andininy. Izany hoe rehefa tena manenjika mafy Ramaria, dia azon’ny mpitarika ny fotoam-pivavahana atao ny hoe “Alohan’ny tso-drano dia hataontsika amin’ny feony Rap ny hira 349 andininy voalohany, ary aorian’ny tso-drano dia andininy faharoa no ataontsika amin’ny feony Rap ihany”.
349
1) Dera re, laza anie!
Ho an’Andriamanitra!
2) Aoka ny tany re,
Mba hiadana anie !
***
Asa na noho izay hanoanana izay, fa dia maro ireo izay efa noraisina ho mpandray no tsy mazoto manatrika ny fandraisana Fanasàn’ny Tompo fa avy dia mitsoaka mandeha mody. Mba torohevitra ho an’ny tompon’andraikitra ao @ fiangonana ao : andramo soloina singana Pringles ilay “mofo tsy misy masirasira manambara ny nofon’i Kristy” dia soloina “THB Pression” ilay divay (izay efa sirop izy izao) sao mba ho maromaro kokoa ny ho tamàna.
***
Efa notantaraiko tany aloha tany fa indraindray aho manana olana kely amin’ny tsy fahitan-torimaso. Fa indraindray any am-piangonana dia misy ilay mpilaza raharaham-piangonana ireny dia tena manan-talenta amin’ny fampatoriana ny mpiangona mihitsy. Hozy aho tamin’i Aziew indray andro, nandritra ny raharaham-piangonana : Ndeha hokaramaiko leisy ity razoky mpilaza raharaha ity mba hilaza raharaham-piangonana any an-trano rehefa ilay tsy mahita tory iny aho fa tsy ampy 3 minitra ilehio no milaza raharaha dia ho tonga any @ lanitra fahafito ny torimasoko raha amin’ny alina iny no mandre azy. Na bizna tokony ataon’ny fiangonana itadiavam-bola ny famarotana kapila mangirana mirakitra raharaham-piangonana dia alefa amin’ny alina izany ho an’izay sarotsarotra mitady torimaso. Tonga dia trétimà tsy misy effets secondaires, ary azo antoka nefa ny fahombiazany.
***
Hamaranana ny resaka ary dia ity tantara kely tantarain’ny mpitandrina ao anaty toriteny ity : Tao amin’ity tanàna kely nitandremany taloha hono nisy ireo zatovolahy sy zokinjokiny miara-misotrosotro toaka isan’alahady itony, ary lalovan’ingahy mpitandrina foana. Dia tsy reraka mitaona azy ireo hono ingahy mpitandrina hoe “Andao ho any am-piangonana” saingy tsy menatra koa izy ireo mamaly hoe “Eto aloha izao pasitera no mahatsara anay”.
Indray andro nefa hono nodimandry ny iray tamin’ireto mpisotro, ary ny andinin-tSoratra Masina nosafidian’ny fianakaviana indrindra dia ilay hoe “Fa ny eo akaikin’Andriamanitra no mahatsara ahy”.