Thursday, March 26, 2009
Raha toa moa ka … lanitra iray
Aza mibedy na masiatsiaka ry fiangonan-drazana
Raha elaela aho no tsy hitahita sy tsy tazantazana
Angamba tsy meloka raha tsy ho tonga aho @ ‘lahady
Fa mba any an-kafa indray ‘zahay sy Razezo no hifampitady
Fa ny ahy miovaova tsy misy andro raikitra ny andro sabata
Indraindray ‘lakamisy , ndraindray alahady , ndraindray atalata
Tapitra haniko ny kôminio sy ny henankisoa
Fa sady mpandray aho no vita kônfirmasiô ihany koa
Ka tsy hitako zay hifandirana
Izaho koa tsy te hisahirana
Hoe hifandresy lahatra mandavan-taona
Tompo ankiray no ifikirana
Lanitra iray no idirana
Rehefa sitraky ny avo de tonga any foana
Izaho indray aza mba tsahotsahoana fa mananihany
Hoe makorelim-pinoana aho hoe tsy raharahako izany
Izay hahatonga antsika any an-danitra aloha imasoana
F’izaho indray aza mba resadresahana antokom-pinoana
F’angaha moa ny Tompo protestant sa advantista
Na hoe razambe ny any vatican fa ny sisa dia gisitra
Amiko aloha dia mitovy tsy misy hafa izy rehetra
K’izay sendra ahy moa dia itsofohako tsisy fepetra
Ka tsy hitako zay hifandirana
Izaho koa tsy te hisahirana
Hoe hifandresy lahatra mandavan-taona
Tompo ankiray no ifikirana
Lanitra iray no idirana
Rehefa sitraky ny avo de tonga any foana
IFANIHY
Lanitra iray
Monday, March 23, 2009
Et si … Mission Impossible.
Andry Rajoelina :
Mission Impossible 1 : Réussir à se faire élire Maire de la capitale, malgré les réalisations effectuées par le régime en place et bien que c’est le régime qui est son adversaire qui organise ces élections. Mission Impossible Completed.
Mission Impossible 2 : Réussir à renverser le tyran mais populaire Marc Ravalomanana, et ne laisser personne d’autres reprendre le pouvoir, que ce soit le président du Sénat prévu par la Constitution ou l’anti-constitutionnel directoire militaire. Mission Impossible Completed.
Mission Impossible 3 : Réussir à se maintenir pendant 24 mois au pouvoir malgré l’existence d’une dizaine de milliers de manifestants dans les rues, et de plusieurs millions d’autres silencieux, une armée qui a perdu sa cohésion, un embargo qui va s’abattre, une centaine de dinosaures politiques rapaces de pouvoir … et puis se faire élire démocratiquement entre guillemets Président de la République au bout de ces 24 mois malgré l’âge nécessaire qui n’est pas encore atteint. La logique voudrait que pour se faire élire démocratiquement, il faudra améliorer sensiblement la condition de vie de la plupart des Malgaches, tenir les promesses effectuées sur les libertés d’expression, prix de l’huile ménagère, construire un hopital, manger à ses faims pendant au moins 5 ans … Mission Impossible. Period.
Marc Ravalomanana :
Mission Impossible 1 : Faire foirer la mission impossible 1 de Andry Rajoelina. Mission Failed.
Mission Impossible 2 : Faire foirer la mission impossible 2 de Andry Rajoelina. Mission Failed.
Mission Impossible 3 : Revenir au pouvoir après avoir posé sa démission. Mission Impossible. Period. Ou le plan B : Faire foirer la mission impossible 3 de Andry Rajoelina.
Ni Ravalo, Ni TGV :
Déstituer Andry Rajoelina, tout en empêchant le déchu et déçu Marc Ravalomanana de reprendre le pouvoir, sans pour autant donner ce pouvoir à Ratsiraka Didier ou les autres has been. Neutraliser toute tentative de néo-colonialisme. Rechercher un Obama malgache, réussir la Mission Impossible 3 de Andry Rajoelina mais attribuer cette réussite au tout nouvel Obama. Mission Impossible. Period.
(A relire, un billet de décembre 2007 : Mission Impossible )
Friday, March 20, 2009
Et si … genèse et apocalypse d’une crise
Ca n’a pas commencé en juillet 2008, mais bien plus tôt …
Juillet 2008, l’ambassadeur de France Gildas Le Lidec annonce qu’il est contraint de quitter ses fonctions 6 mois seulement après sa nomination. Les raisons avancées ne sont pas claires, Mr l’ambassadeur dit que c’est le Président de la République, Marc Ravalomanana qui ne veut pas de lui.
Un article sur Global voice parle de superstition du Président, et d’une méfiance par rapport à Mr l’Ambassadeur qui “semble étonnamment présent quand les présidents se font tuer”.
La France ne nommera pas de successeur à Mr l’Ambassadeur.
Quelques mois plus tard, les journalistes malgaches surprennent une conversation — téléphonique s’il vous plaît — entre l’exilé Didier Ratsiraka et un de ses fidèles, Ange Andrianarisoa. Après avoir parlé de beaucoup de choses, l’Amiral exilé Didier Ratsiraka s’étonne que ses conversations soient dévoilées au public, il affirme ne pas connaître que c’était le cas et remet à l’ordre son interlocuteur : (En tant qu’exilé), “Je suis tenu de demander l’autorisation du Quai d’Orsay avant de faire des déclarations publiques”, dixit-il. Dans sa “conversation téléphonique”, il a qualifié le jeune maire de Tanà de “notre fils”.
Le régime Ravalomanana ne réagit pas trop. Le “coup” l’a même aidé à discréditer le jeune maire, car le peuple ne porte toujours pas dans son cœur l’ancien Président Ratsiraka. Le Quai d’Orsay n’a pas non plus fait de remise à l’ordre sur les agissements de Ratsiraka, du moins pas de manière publique.
Quelle que soit la raison de “l’expulsion” de l’Ambassadeur de France, la France avait dû prendre cela comme un affront envers l’homme d’Etat qui a nominé cet ambassadeur.
Et puis la fameuse interview de — toujours Didier Ratsiraka — sur les chaînes de télévisions de la capitale, mais en intégralité et prévu d’être rediffusé sur Viva TV, la chaîne du maire Andry Rajoelina.
Fermeture Viva, Ultimatum, Sourde oreille malgré l’appel de tout le monde pour sa réouverture, Ravalomanana a-t-il connu qui est son adversaire, et a-t-il bien mesuré ses faiblesses?
Indrisy, raha nampoiziko hisy hamoaka ny entana dia ho nodorako ny trano. (Si j’ai pu prévoir que des gens feraient sortir les meubles, j’aurais incendié la maison - parodie d’un proverbe malgache)
Fin du billet, j’ai seulement tenu à rappeler ce qui n’a pas été bien mis en exergue ailleurs. C’est une partie de la genèse de la crise, et l’apocalypse, nous l’écrivons maintenant … ou pas.
Thursday, March 19, 2009
Raha toa moa ka … nihinana ny ama ***censored ***
Nihinana ny amaniny. Ara-bakiteny. Izany no nahazo ny Filohan’ny FJKM, ny mpitandrina Lala Rasendrahasina, raha araka ny vaovao notaterin’ny fahitalavitra MaTV sy ny gazety hafa toy ny Gazetiko. Maty hasina.
Afaka mirehareha aloha ny TGV fa tena misy tokoa ny fahalalahana miteny eo amin’ny haino aman-jery. Raha tamin’ny andro taloha tsy ho nivoaka ny vaovao toy ireny, noho ny tsy fahasahiana mamoaka azy, ary raha ho nisy sahy namoaka aza dia ny ampitso ihany dia ho nakatona fa manohintohina ny filaminam-bahoaka.
Tena habibiana tsy roa aman-tany izany raha olona manana hasina no atao an’izany, saingy tsy tokony hahataitra loatra ny kristianina, eny, rehareha aza fa tsy ampahafirin’ny nentin’ny Tompo Jesoa. Tsy hita anefa izay hanazavana ity fihetsika ity. Na olona mamon-drongony no mety ho mahavita mampanao an’izany, na famantarana omen’Andriamanitra ny mpitazana araka ilay Teny hoe “Ny voany no ahafantarana ny hazo”. Sa ve hoe resy lahatra ry zareo fa isan’ny miara-milalao ody amin’ilay filoha lefitra ihany koa ity filoha ity ka otaina fady mba tsy hanan-kery ireo ody?
Tsy izay loatra no tiako horesahina fa izao : ny teny hoe mihinana ny tainy, na mihinana ny amaniny, na misotro ny amaniny dia ompa iray ao anaty baiboly kristianina. (Sokafy ny baibolinao ao amin’ny Mpanjaka faharoa, toko 18, andininy 27 dia jereo tsara ilay soratra kely ery amin’ny vodim-pejy ery.) Koa tsy tokony hatao hoe “Noterena hisotro ny fivalanan-dranony” ny lohatenin-gazety fa afaka notsorina hoe “Nampihinanina ny amaniny”. Tenenina foana fa teny malagasy madio izany tay amin’amany izany fa ilay toe-tsaintsika tsy mety resy lahatra mihitsy fa mitady teny “tsy mandratra sofina” kokoa hatrany. Dia ny voambolana toy ireny izany dia voaozona ho tsy fampiasa raha tsy rehefa miakatr’afo ihany?
Eeeeee, traikefa efa hitako aloha fa tsy fanao amin’ny lohateny ireo voambolana ireo fa voakilasy ho “Teny maloto“, asa rahoviana vao halala-tsaina ny Malagasy ka tsy hitsara ambony ihany amin’ny fahitana ireny voambolana ireny.
PS: ho an’izay tsy manana baiboly protestanta : http://is.gd/nZ0S
Tuesday, March 17, 2009
Why worry [VIDEO] + lyrics
Baby I see this world has made you sad
Some people can be bad
The things they do, the things they say
But baby I’ll wipe away those bitter tears
I’ll chase away those restless fears
That turn your blue skies into grey
Why worry, there should be laughter after the pain
There should be sunshine after rain
These things have always been the same
So why worry now
Baby when I get down I turn to you
And you make sense of what I do
I know it isn’t hard to say
But baby just when this world seems mean and cold
Our love comes shining red and gold
And all the rest is by the way
Why worry, there should be laughter after pain
There should be sunshine after rain
These things have always been the same
So why worry now
Why worry
Dire Straits
Raha toa moa ka … hisafidy voambolana
Amin’ny mpanao gazety sy mpaneho hevitra dia zava-masina ny voambolana ampiasaina, ary mila fidiana tsara fa iny no tena milaza ny état d’âme.
Voalohany aloha dia ny titre omena ireo mpitarika politika.
Filoham-pirenena Marc Ravalomanana / Andriamatoa Andry Rajoelina (fady na dia hoe Ben’ny Tanàna aza, eny na dia hoe Ben’ny Tanàna teo aloha koa aza), PDS Guy Rivo Randrianarisoa / Ramatoa Michelle Ratsivalaka, Praiministra Charles Rabemananjara / Andriamatoa Monja Roindefo. Izay ho an’ny andaniny. Ho an’ny ankilany kosa dia ny mifamadika amin’izay, Filoha Andry Rajoelina na hoe Filohan’ny HAT.
Ho an’ny mpanao gazety mbola te haneho ny maha-tsy mitanila azy izany dia sady antsoina ho Filoham-pirenena i Marc Ravalomanana no antsoina ho Filohan’ny HAT i Andry Rajoelina.
Fony mbola teo ambany fahefan-dRavalomanana ny tafika, dia Mpitandro ny Filaminana no niantsoan’ny andaniny azy, fa Herim-pamoretana kosa izy ireo ho an’ny ankilany. Ny “centristes” izany milaza azy hoe Tafika na miaramila na zandary fotsiny ihany. Rehefa nanohitra an-dRavalomanana kosa ireo tafika ireo, dia miaramila diso làlana, na miaramila mpioko no fiantso azy ho an’ny andaniny, ary niverina ho tafi-bahoaka sy mpitandro filaminana kosa indray ho an’ny ankilany.
Ireo andian’olona nandroba fananana indray, dia mpandroba na mpanakorontana no iantsoan’ny andaniny azy, fa mpanararaotra na mpandoto ny tolona kosa ho an’ny ankilany. Nefa rehefa ny olona akaikin’ny fitondrana Ravalomanana kosa no lasibatra, toa ny nahazo an’ingahy PDS Guy Rivo Randrianarisoa notendren’ny fitondrana Ravalomanana, dia eken’ny ankilany ihany fa hatezeram-bahoaka no niavian’izay fahasimban-javatra izay.
Ny mpanao sakana eny amin’ny làlana indray, dia andrimasom-pokonolona izy ireny raha ny avy ao amin’ny firehan-kevitra tohanan’ilay mpiteny no manainga sy/na manakarama azy, fa mpanao barrage na mpanohintohina ny fivezivezena kosa izy raha ny mifanohitra amin’izay.
Raha iverenana ilay asabotsy nisian’ny ra mandriaka tamin’ny 07 febroary 2009, dia “Fanafiham-bohitra tao Ambohitsorohitra” sy fanitsakitsahana ny faritra mena izany ho an’ny andaniny, saingy “Famonoana malagasy teny Antaninarenina” tsy misy sommation kosa ho an’ny ankilany. Nataoko matavy moa ilay mpisolo toerana hoe “tao” sy “teny” satria midika zavatra betsaka, ary ny anaran’ny toerana nitrangan’ny fatiolona ihany koa dia milaza zavatra vaventy.
Monday, March 16, 2009
Raha toa ianao ka … hiady, aza mitsapa ny herinao izany
Hoy ny taim-bavan’i Nedala hoe : Alohan’ny hiantsiana ady, fantaro aloha ny herinao. Indrisy fa ankehitriny dia toa miverina aminy io teny io. Saingy, raha ny fahitako azy kosa dia izao no fahendrena tokony horaisina: Alohan’ny hamakiana ady, fantaro aloha ny herin’ny fahavalonao sy ny fahalemenao.
Avant de partir en guerre, évalue la force de ton adversaire et aussi tes faiblesses.
1) Fantaro aloha hoe iza no fahavalonao.
Mialoha ny zavatra rehetra, fantaro aloha hoe iza no fahavalonao. Raha Andry Rajoelina, fatina DJ kely tsy misy traikefa no noeritreretin’Andriamatoa Ravalomanana ho fahavalony dia diso amin’ny katesizy ny lehilahy. Amin’izao andro anoratana izao dia hitany tsara hoe iza no tena namany ary iza avy kosa no fahavalony. Raha tsy isaina aloha ny vahoaka Malagasy fa ireo olo-manan-kaja fotsiny dia tratry ny be noho vitsy izy. Indrisy. Ny eto an-toerana fotsiny izay. Ny momba ny fahavalony avy any ivelany, izay iaraha-mahalala hoe iza manginy fotsiny.
2) Fantaro ny herin’ny fahavalonao.
Rehefa hita sy voafaritra tsara hoe iretsy no fahavaloko sy mety ho fahavaloko, dia mila tombanana tsara ny hery ananan’izy ireo, ary tombanana hoe toy ny inona rehefa mitambatra. Ity tolona ity dia nahitana fa kely vovok’aina ilay TGV, mahery am-boalohany fa mora sempotra, ka voatery nitady fanampiana tamin’izay ankolafin-kery rehetra nanaiky hijapy lamasinina.
3) Fantaro ny fahalemenao.
Tsy ny herinao akory no inona amin’ny ady, fa na mahery toa inona aza ianao ka sendra ny mahay angaredona na ny manam-paharetana, mety ho reraka ihany koa na ho tratry ny tsy ampoizina. Ny fahalemen’ny tena no mila fantarina fa io no ahafahan’ny fahavalo mandresy ny tena.
Raha hiverina amin’ilay hoe fantaro ny fahavalonao aho, dia anisan’ny voalohany amin’ny fahavalon-dRavalomanana dia izy tenany ihany sy ny avonavom-pony. Fahalemena lehibe ho azy ny tsy fananany sofina afaka hihaino ny hafa fa ny azy ihany, … izany hoe mihaino ihany ny lehilahy fa misy fahatarana (retard de phase) foana. Ny fahalemeny faharoa dia ny tsy nahavitany ny mission nampanana ny tsy manana nefa tsy maka amin’ny manana, fa toa vao mainka ny nifanohitra tamin’izay aza no tsapan’ny olona sasany, hany ka raha vao nahita mpanohitra tsy isan’ny goaika antitra ny vahoaka dia nirohotra nanohana.
Wednesday, March 11, 2009
Et si … l’erreur fatale du PDS Guy Rivo Randrianarisoa
Anarina foana fa … eeeeeeeeeeee
Mardi 10 mars 2009, anniversaire de ma maman, joyeux anniversaire maman.
Journée noire pour le PDS nommé par le pouvoir Ravalomanana à la tête de la mairie de la commune urbaine d’Antananarivo : On saccage sa maison puis on y met le feu.
Tenenina foana fa … eeeeeeeeeeee
Je vais vous raconter sa mésaventure. Tout a commencé le matin, Guy Rivo ne s’est pas réveillé tôt. Et pourtant, il a un avion à prendre l’après-midi, et des tas d’autres obligations le matin. Il a exactement dix-sept minutes et soixante-dix sept secondes pour faire sa toilette, réchauffer la voiture et partir. Il s’est lavé le visage, les aisselles, les mains et les pieds. Le p’tit déj, il le prendra dans sa voiture.
Il fait sa toilette très vite, et devinez-quoi? Seize minutes et huit secondes se sont déjà écoulées. Il a donc une minute et soixante-neuf secondes pour se raser, s’habiller et partir. Il se touche le menton et la bouche puis se dit: Je ne me raserai pas ce matin, il y a quelques poils mais c’est pas bien grave.
Dans mon billet mêmes causes, mêmes effets en langue malgache, j’ai expliqué qu’en cas d’émeute populaire, on se prend toujours à la propriété d’un homme politique chauve et barbu, on le saccage et on brûle sa maison. Le cas s’est présenté en 2002 et un autre Guy: Razanamasy en paya le prix de sa tête chauve et de ses barbes. En 2009, c’est le tour de Moxe Ramandimbilahatra, toujours chauve et barbu.
Et le 10 mars, ayant commis l’irréparable d’avoir volontairement oublié de se raser le matin, c’est Guy Rivo qui est victime du saccage et brûlage de maison, vu qu’il est déjà un peu chauve et qu’il a laissé quelques barbes sur son visage.
FIN de l’histoire, juste un dernier PS.
Au cas où vous avez remarqué qu’une minute c’est soixante secondes, ne cherchez pas à comprendre… Ce charabia est mis pour essayer désespérément de mettre une touche d’humour dans une histoire à la Gore, sans trop se montrer sadique
Friday, March 6, 2009
Raha toa moa ka … kely, fohy, raims fa milay
Teny roa fotsiny.
Nisy fety tao amin’ilay orinasa niasako. Efa vonona ny kaly sy tsaky isan-karazany, samy haka izay laniny rehefa avy eo fa alohan’ny hihinanana dia misy kabary betsaka aloha. Vita ny kabary, somary elaela ihany, ny olona efa ramaka, nefa mbola tsy tonga dia hihinana fa ny “section théatre” ao amin’ilay orinasa hono mbola hampiseho talenta hamalifaly ny mpiara-miasa aloha. Vetivety fotsiny.
Tsy nahitako finy (vakio hoe fìhany) ilay teatra fa ratsy ny fanamafisam-peo. Miandry izay hihafarany fotsiny aho dia hitehaka, hanome courage. Afaka 4 minitra, indreny fa niara-niondrika ry zareo, nirefodrefotra ny tehaka. Hay mbola tsy vita fa ny fizarana voalohany no vao vita, ka tsy namonjy nidina tety aminay mpijery fa mbola samy niverina teo an-tsehatra ireo mpilalao. Dia nitohy indray ny teatra. 4 minitra indray, saingy sahala amin’ny hoe naharitra kokoa noho ny teo. Ireny indray fa niondrika, nirefodrefotra mafimafy kokoa ny tehaka eran’ny trano. Ilay tehaka mafy tsy midika hoe faly ny mpijery tamin’ilay prestation fa hafaliana hoe hikaly amin’izay. Kanjo indrisy, mbola vao fizarana faharoa no vita fa indreny ny mpilalao mbola niverina toy ny teo ihany. Kiii. Fa misy fizaràna firy aza ity kisehoseho ity?
Tsy voaisako fa angamba teo amin’ny 4 na 5 teo ny fizaràna. Ny tadidiko dia nihamora ny hamafin’ny tehaka, ramaka sa leo? Tsapako koa fa hay tsy izahay taty afara irery no tsy nahazo izay havia sy havanana amin’ilay teatra fa na ny tany aloha koa aza. Raha tsorina dia ry zareo mpilalao ihany no mety nahazo finy raha nisy finy izay seho izay.
Nony tena vita ilay teatra dia indreny fa nidina amin’izay ireo mpilalao nankety aminay mpijery. Nirefodrefotra sady naharitra mihitsy ny tehaka teo, tehaka mihatsaravelatsihy ranofotsiny. Faly ny rehetra fa vita ihany ilay kalvary nampiaretana azy. Nony nangingìna ny tehaka dia nihiaka mafy tao anatin’ny mpiara-miasa tao aho, arak’izay tratrako amin’ity feo keliko.
Teny roa fotsiny.
“Bis eeeeeeee!”
Saingy anisan’ny hatsikana noforoniko tiako indrindra iny. Kely, fohy, raims fa … milay izy amiko. Mahafaly ny mpanao hatsikana ny mahita ny “assistance” miredona hehy mandre izay inianao atao mba hampihomehy, fa mainka milay koa ny mahita ireo izay tsy mahazo raha ka mitodika manao masiaka be mijery ho iza koa ilay niteny hoe Bis teo…