Friday, December 28, 2007
Raha toa moa ka … hiakatra 40% ny karama amin’izao taona vaovao izao
Janoary 2007, 1.300 Ariary ny vidin’ny “dibera” margarine Marna Gold iray vokarin’ny orinasa TIKO. Janoary 2008, tafakatra ho 1.800 ariary ny vidin’io sakafo anankiray io. Ho an’ny mahay matematika toa ahy, dia midika tsotra izany fa niakatra 38% izany ny vidin’io PPN iray io, ary mitovitovy amin’izay ihany koa ny vidin’ny vokatra TIKO hafa rehetra.
Dia rehefa ampihariko amin’ny lojikako amin’izay izay toe-javatra izay, ka sainiko fa Atoa Marc Ravalomanana, Filohan’ny Repoblika no tompon’ny orinasa TIKO, dia velom-panantenana aho hoe … ho hitan’ny mpitondra miharihary kokoa izany ny fiakaran’ny vidim-piainana satria efa tsapany teo amin’ny orinasa tantaniny.
Koa amin’izao taona vaovao ho avy izao, izay hiandrandran’ny valalabemandry fiakaran’ny karama, raha niakatra 38% ny vidin’ny dibera, mahazo manantena aho izany fa hiakatra 40% farafahakeliny ny karaman’ny mpiasambahoaka, ary hanaraka an’izay ihany koa ny an’ny mpiasa amin’ny sehatra tsy miankina. Lojika. Toa hitako ery ny vavan’ny mpanohitra sina tsy miteny rehefa ambaran’ny Filoha amin’ny kabariny fa 40% (na 45% na 50%) ny fiakaran’ny karaman’ny mpiasambahoaka.
Raha, …
Raha toa ka mitovy fomba fijery amiko ny mpitondra,
Raha toa ka nisy tokoa ny fahombiazana teo amin’ny fitondrana ny firenena,
Raha toa ka tsy fampiesonana fotsiny ilay hoe fahaiza-mitantana sy fitiavana an’i Madagasikara
Saingy, …
Hay moa ny ahy revin-gadra, ka ho tanteraka ny faniriako rehefa azo atsofoka ao anaty tavoahangy i Parisy
Hay moa ny vavan’ny mpanohitra efa ela no sina, fa sady nailiky ny mpitondra no naloan’ny vahoaka, ka raha misy te ho mamy hoditra amin’ny vahoaka dia na milaza fa manohana 100% ny fitondrana, na sady tsy mpanohana no tsy mpanohitra fa TSY MIANKINA,
Hay moa samy manana ny Madagasikarany ny tsirairay, ho ahy manokana (DotMG), ohatra, dia ny orinasako no ao an-tsaiko rehefa miteny aho hoe Madagasikara, ka raha milaza aho fa handroso ny fireneko, dia ny orinasako no ao an-tsaiko amin’iny, ary raha midoka tena aho hoe mahay mitantana, dia ny orinasako no nampiharako izay fahaiza-mitantana nananako izay, ka raha iray tapitrisa isam-bolana no tombony azoko tamin’ny orinasako tamin’ny volana janoary 2007, dia ho niakatra 5 tapitrisa ariary isam-bolana izany herin-taona aty aoriana …
Friday, December 21, 2007
What if … we play the game instead of watchin’ the movie

Vita ny famindram-pahefana teo amin’ny Ben’ny Tanàna teo aloha sy ny Ben’ny Tanàna vaovao. Niseho ho Raiamandreny ny Filoha Marc Ravalomanana ary niseho ho zanaka hendry ihany koa ny Ben’ny Tanàna vaovao, ka nilaza ny roa tonta fa hiara-hiasa, amin’ny maha Raiamandreny sy Zanaka. Nefa, izany tokoa ve? Raha ny fitantaran’ny madagate.com ny fandehan’ny sarimihetsika hatrany am-boalohany, toa ho sarotsarotra ihany ny fiaraha-monina amin’ny fo madio. Farafaharatsiny hisy ady mangatsiaka angamba … Ny tena fahitana azy mantsy toa mibaribary ihany hoe iza no hahazo tombony amin’ny fanakantsakanana ny orinasan’i Andry TGV.
Dia hiaraha-mahita eo ny tohin’ity sarimihetsika ity, amiko aloha dia efa fantatra ny lohateniny: Mission impossible 1. Fa ny mba angatahina amin’ny mponin’Antananarivo fotsiny dia mba ho mpiara-milalao hamelona ny tantara fa tsy ho mpitazana fotsiny izay hataon’i Tom Gruise V… dia hoe hitehaka raha mahavoa moa hihoraka raha misy tsy mety.
Ilay sary dia manana lisansy Creative Commons Attribution 2.0 an’i Kevin Ballard tao amin’ny flickr
Wednesday, December 19, 2007
Raha toa moa ka … tsy nigrevy isika tamin’ny 2002?
Andro vitsivitsy izay dia nihaiky ny fahareseny ny PDS Hery Rafalimanana, kandidan’ny TIM, ary niarahaba sahady ny Ben’ny Tanàna vaovao Andry TGV. Midika izany fa tsy hisy gidragidra eto amin’ny Tanàna (tsy araky ny ahiahin’ny Quai Sud, 2mn d’arrêt). Ah! Ka gidragidra inona koa moa no afaka hatao eo, amin’ity isam-bato mifanalavitra be, 60% mahery sy 30% mahery?
Manimba ny firenena ny gidragidra, na dia gidragidra am-pilaminana aza. Valiako sahady ny fanontaniana hoe inona no nitranga raha tsy nigrevy isika tamin’ny 2002? Nekena ny hanaovana fihodinana faharoa, kanefa nampahafantarina ny vahoaka fa efa tokony ho vita premier tour ange iny tantara iny fa nisy hala-bato tao. Natao ny fampielezan-kevitra ary nentanina kokoa ny vahoaka handeha hifidy, ka nolazaina fa raha tsy mahatratra 75% ny vokatra marina tsy ho resy ny hala-bato. Ho nolazaina ihany koa fa ho voatery hiara-hiasa amin’ny AREMA ny fitondrana vaovao raha vao ambany ny salanisa azo, koa mila mifidy ny tsirairay. Dia ho nandeha nifidy ny toa anay izay tsy nifidy tamin’ny premier tour, ary ho nifidy TIM, dia vao mainka aza niampy kokoa ny isam-bato azon’i Marc Ravalomanana.
Nihoatra ny 60% ny isam-bato azon’ny kandidà Marc Ravalomanana tamin’ny fihodinana faharoa, ary tsy misy hala-bato azo atao intsony hampitsimbadihana ny vokatra. Dia ho niaiky ny fahareseny ny filoha am-perinasa Didier Ratsiraka ary dia nanolotra ny fahefana ho an’i Marc Ravalomanana. Tonga teo amin’ny fitondrana ny lehilahy, sady ara-drariny no ara-dalàna, tsy nisy aina nafoy, tsy nisy tetezana tapaka, tsy nisy nitsoa-ponenana, tsy nisy toe-karena narary, tsy nisy krizy ekonomika. Angamba mbola ho any amin’ny 1600 Ar any ho any ny sandan’ny Euros.
Raha tonga amin’izao fahantrana izao isika, dia ataoko fa tompon’andraikitra avokoa fa tsy hoe fahotan-dRatsiraka sy Ravalomanana irery no nahatonga an’izao. Amin’ny ho avy ary, dia tokony hatao modely izao voka-pifidianana eto Antananarivo izao, ka raha leo gidragidra politika dia tsotra ny fanafodiny: Mandehana foana mifidy ary entano ny hafa hifidy, fa ny fifidianana no lalana madio ahafahana manadio ny tontolo politika koa nahoana isika no hifidy ny lalan-kisoan’ny grevy sy korontana milamina foana? Aoka ho tsapantsika foana fa maro ny olona izay manaiky vidian-tsafidy, na manao safidy tsy am-pisainana loatra (Aleonay ihany Ratsiraka fa iny no efa voky fa izany Ravalomanana izany tonga eo vao hangoron-karena…) kanefa mazoto mifidy, koa rehefa tsy handeha hifidy ny olona ampy fahalalana kely, dia sady mora ny manodikodim-boka-pifidianana (satria vato vitsy fotsiny dia ampy hampiova zavatra), no mora ihany koa ny hitoeran’ny efa tsy mahavita azy ela eo amin’ny fitondrana.
Monday, December 17, 2007
Raha toa moa ka … efa miantomboka ny fiafaran’ny TIM?
Toa ny teo ihany no miverina, nosoloin’ny scenariste fotsiny ny mpilalao, ka ilay rôle omaly no lasa deba androany, ilay deba omaly mantsy lasa nisotro ronono, ary ilay rôle androany dia tsy inona fa personnage-n’ilay rôle omaly lasa deba androany ihany.
Fa naninona no resy ny TIM, hoy i jentilisa. Resy tokoa ny TIM, tsy teto Antananarivo fa na tany Antsirabe aza, izay tonga amin’ny vazivazin’ny mpanao baolina hoe efa izy sy ny angatra sisa mbola tsy mahafaty baolina ihany.
Mba hametraka fanontaniana koa aho hoe “Dia hanao ahoana moa izao no hiafaran’ity TIM ity?”. Nanao ahoana moa no niafaran’ny pisodia, ny UNDD, ny AREMA? Aiza daholo izy ireny izao? Tsy aiza fa navadiky ny pejy dia nanjavona. Fa inona no antony?
Toa tsotra amiko ny anton’ny fisandratan’ny antoko politika iray (ascension fulgurante) sy ny fietreny mahatalanjona (chute spectaculaire). Tsotra! Ny antoko politika eto Madagasikara dia tsy sehatra hampivondronana firehan-kevitra mitovy ho amin’ny fampandrosoana fa tohatra iakaran’ny olona iray ho eo amin’ny toerana iriny fotsiny ihany. Ireo antoko sy fikambanana politika rehetra lehibebe, dia ahitana guru anankiray, tsirefesimandidy, tsitohaina, tompon’ny antoko, tompon’ny vola mihodina ao amin’ny antoko, tompon’ny hevitra, tompon’ny fanapahan-kevitra, tompon’ny lalàna ifehezana ny antoko, ary (fanindroany): tompon’ny antoko. An-dRatsiraka ny AREMA, koa dia miala tsiny aminao Atoa Pierre Raharijaona, miala tsiny aminao Atoa Pierrot Rajaonarivelo, miala tsiny aminao Atoa Pierre Houlder, fa mamoròna ianao antoko ho anao manokana raha te ho rôle fa io AREMA io tsy lovanao. Azy sy ny zanany naterany io, fa na zana-drahalahy na zanak’anabavy aza tsy ho tompony. Dia “Copier/Coller” amin’izay koa ny antoko Tiako i Madagasikara.
Ireo mpikambana ao amin’ny antoko politika dia tsy aingain’ny faharesen-dahatra hoe io antoko io no sehatra hahafahana mampandroso ny firenena, fa matetika mpialokaloka na mikaroka tombontsoa ho an’ny tenany manokana.
Porofon’io toe-tsain’ny tia politika te ho lohany io ny tsy nahombiazan’ny Hery Velona tamin’ny 1991. Ny mahaliana ny mpiara-dia dia tsy any amin’ny hoe mifanaraka amin’izay nifanarahana ve ny fitondran’ny mpitondra ny fahefana, fa hoe nahoana i anona no eo amboniko? Ankehitriny, lasa zavatra mahamenatra izany hoe AREMA izany, ary efa mahamenatra ny sasantsasany koa ny hoe TIM. Rahampitso koa ve hahamenatra ny hoe izahay TGV?
Arakarany io, ireo nantsoin’ny TGV dia nanohana ireny, nentanin’ny fanantenana vaovao ve, sa resy lahatra fa misy vola hihodina ao amin’ny fampielezan-keviny ao? Ny Ben’ny Tanàna vaovao vao lany ve, hihaino ny bitsiky ny mpifidy sa ho variana amin’ny ady amin’ny ngeza noho izy, ka hikatsaka izay fomba hiakarana amin’ny ambonimbony kokoa? Eo ny checklist hahitana ny fandehany sy hitsarana azy.
Fa ho an’ny TIM aloha dia hita fa mila manasa loha aloha izy, ka tokony mba hijery izay safidin’ny base amin’ny fifidianana, fa tsy izay sitraky ny any ambony fotsiny no hapetraka ho kandida. Matoa kely ny vokatra dia ireo mpikambana TIM mihitsy no tsy mifidy TIM, koa raha milaza ianareo fa resy ny TIM, dia tsy hoe ny TGV no nandresy azy tsy akory, fa ny TIM mihitsy no efa reraka sahady.
Azo vinaniana ary ve, mba hitovizantsika amin’ny any Etazonia, dia hanangana antoko lehibe iray ny vahoaka, ary ny mpikambana ao amin’ny antoko dia handoa latsakemboka ho fampandrosoana ny fiainan’izany antoko izany, mba tsy ho an’olon-tokana ilay antoko fa ho an’ny besinimaro?
Friday, December 14, 2007
Raha toa moa ka … tsy lanian’ny HCC i andry tgv
Mandre resaka aho mandeha fa tsy manara-dalàna zato isan-jato hono ny Tanora malaGasy Vonona sy ny Tiako i Madagasikara tamin’iny fifidianana ben’ny tanàna farany teo iny. Eo amin’ny haben’ny sarin’ny kandida hono no tsy manara-penitra satria ngeza loatra ny sasany, toy ireny tamin’ny fiara ireny. Dia tsy mahay izay lalàna momba izany raha ny tenanay an!
Manamarika ireo mpitantara tsaho fa dia izy mirahalahy laharana voalohany sy faharoa mihitsy hono no nanao izany tsy fanarahan-dalàna izany. Tetika efa nomanin-dRamose mihitsy hono io, mahita raha koa ange ny malagasy sasany e! Ireny angamba no diso fanantenana fa mpomba an’i Savaron, sa ilay mamoron-tsaho mihitsy no tena mba fialamboliny?
Dia hoy aho hoe: Raha toa moa ka … ataon’ny HCC hoe disqualifiés izy mi-tsam fa tsy nanara-dalàna? dia izay kandidà be vato manaraka azy no lany ho ben’ny tanàna: i Arson miaraka amin’ny vato miisa 9723.
Thursday, December 13, 2007
Et si … on jouait à la roulette russe
Ary raha toa moa ka tsy amin’ny alalan’ny fifidianana no nanendrena ny Ben’ny Tanàna? Ity antsapaka anankiray atao hoe Roulette russe ity no nampiasaina?
Asiana bala dimy ao anaty revolvera dia ahodina dia tifirina eo amin’ny lohan’ny kandidà tsirairay avy, ka raha sendra bala dia maty any iny, tsy misy mimenomenona intsony, raha tsisy bala dia iny no lany Ben’ny Tanàna.