Tuesday, December 24, 2013

Tsy halatra akory ny faharatràna

Indray andro hono nisy vorondolo anankiray nandehandeha teny amin’ny morontsiraka. Somary betsaka ihany anefa ny foza noana teo amin’io tora-pasika io izay mitady hanaikitra an’ilay vorondolo. Nahita hevitra ilay vorondolo fa notsindriany vato ireo foza ka tsy afaka nanaikitra intsony. Dia nandeha nandihidihy teo ambonin’ireo vato ireo amin’izay ny vorondolo ka nanantena fa tsy hisy hahakaikitra intsony.

Kelikely teo anefa, io fa naratra ihany ny tongony. Avy hatrany dia iretsy foza no nampangainy ho nangalatra ireo vato napetrany teo ambony tora-pasika. Nandalo teo Rabetsitonta dia hoy izy tamin’ilay vorondolo: “Tsy halatra akory ny faharatràna”.