Friday, April 16, 2021

Tsara endrika sa mora vidy?

Nanolotra fanomezana ho an’ny mararin’ny Covid sasantsasany ny Filoham-pirenena mivady. Orinasan-tserasera sy dokambarotra moa no tena nahafantarana azy talohan’ny politika ka dia ny azy tsy mba atao ambanin-javatra mihitsy ny endrika ivelany na ny “packaging”. Toa mampieritreritra indray aza hoe ny endrika ivelany no nandany vola kokoa noho ny tena tao anatin’ilay fanomezana. Mety betsaka kokoa ve ny afaka nomeny raha toa ka nataony tanaty harona plastika mainty fotsiny ny fanomezana dia izay vola lany tamin’ny endrika ivelany nividianana yaourt Tiko na Socolait fanampiny?

Nalaza be ny fanafody ED1 novokarin’i Edmond Rakotomalala. 20.000 Ar no vidiny lazainy fa tokony hivarotan’ny mpaninjara izany, vidiny efa ahazoan’ireo mpivarotra tombony izany io sarany io raha ny marina. Ety amin’ny tsena anefa, ifandrombahana tafahoatra ilay vokatra, ka tafakatra mora foana hatrany amin’ny 30.000 Ar izany ary tsy ferana ny efa isian’ny mpiketrika maka tombony hatrany amin’ny 40.000 Ar aza any ho any. Ny antoka hoe ilay vokatra tena izy no hojifaina mbola baraingo ihany koa.

Mieritreritra ny tena eto hoe sao dia mora loatra kosa aza ny “prix conseillé” nokajian’ny mpamokatra an’ilay fanafody? Indraindray, mba ho tombontsoan’ny besinimaro, dia tsy ny fikatsahana ny vidin’ny entana iray ho faran’izay ambany no safidy tsara indrindra. Mila atao anaty kajy ihany izay tokony hatao rehetra mba hiarovana ny vokatra ho mora azon’izay mila izany, ary amin’ny sarany mitovitovy tantana manerana ny firenena. Tsy manakana izany hoe misy mahazo sarany ambanimbany kokoa ireo mpiara-miasa akaiky sy mpanohana.

Mibedy tena ihany aho amin’izany resako izany, fa ny ahy manokana dia nijery izay hahafahana manao vidiny farany ambany aho amin’ny tolotra omeko, eo amin’ny resaka site web. Izay endrika ivelany dia niniana natao tsotra sy tsy mirenty ary tsy mampiakatra ny vidin’entana. Ary dia ahazoana teny avy amin’ny tsy mpanjifa mihitsy moa izy io hoe maneho tsy fahamatorana. Fa satria aloha mbola betsaka ny mpanjifa afa-po amin’ilay endrika tsotra sy “tsy matotra” dia tsy mbola mivonona ny hampiakatra sarany mihitsy aho. Saingy afaka taona vitsivitsy, mety hifantohana ho fidiram-bola voalohany ihany ity fivarotana nom de domaine sy hébergement internet ity, dia amin’izay fotoana izay angamba vao hijery ny fomba rehetra hanamaroana isa ny mpanjifa araka izay azo atao. Ny amin’ny ankehitriny mantsy, mbola metimety amiko ihany ilay tsy maro mpanjifa loatra, dia mbola araka tsara ny mamaha ny olana rehefa sendra misy mitranga.

Wednesday, April 7, 2021

Ventoline

Rakoto est un vendeur ambulant.

Rakoto est aussi un homme-à-tout-faire d’un politicien influent.

En 2020, Rakoto consultait son toubib de famille par téléphone, il avait des signes d’essoufflement. Ils ont parlé de la pandémie du Covid-19 ainsi que de la difficulté de Rakoto à écouler ses produits. Il vend notamment des pâtes à pizza.

Vers la fin de la discussion, Rakoto posait la question :

- Qu’allez-vous me prescrire? Si possible, des médicaments accessibles, disait-il, car c’est difficile de faire du business.
* Ventoline, répondait sèchement le toubib. Pouvez-vous essayer de me faire livrer un paquet de ces pâtes à pizza qu’ont finement écrasées vos enfants?

Le réseau ne passait pas bien en ce moment là. Le patron de Rakoto, le politicien influent, qui écoutait à côté pour prendre note de la prescription, lui demanda à Rakoto de confirmer.

- Il a dit “vente en ligne” et “confinement”.

Et c’est ainsi que les gouvernants ont décidé que la manière de combattre le Covid19 est de faire du télétravail et du confinement.