Tuesday, May 15, 2012

Raha toa moa ka … volivolana

Ohatry ny hoe dia nazoto nampiseho teny maloto teto amin’ity blaogy ity aho tato ho ato e? Kanefa ny namana izay zaza maditra aza ity efa misakaiza amin’Andriamanitra sy mamarana ny lahatsorany amin’ny hoe “Amin’ny anaran’i Jesosy!”.

Hiresaka volana isika anio. Tsy ilay mibaliaka isan-kalina fa ny teny, azoazonareo kokoa amin’ny hoe “voambolana” sy ny hoe “mivolana” angamba. Teny iray itenenana ny teny ny hoe “volana”. Entina maneho zavatra na trangan-javatra miseho eo amin’ny fianana. Toy ny zavamaniry izy io, mety mamoa, mety mitsiry, mety maty momoka, mety malazo, mety maty. Misy ohatra ny voambolana hoe “miboeriboerika“, izay angamba tsy ho fantatrao avy hatrany ny dikan’izany, manomboka malazo ary efa mitady ho faty.

Etsy andaniny, misy indray kosa ny trangan-javatra vaovao, na zavatra vaovao izay tsy mbola nisy teny manondro azy, ka voatery indramana voambolana amin’ny fiteny vahiny na faritana lava be. Ohatra amin’ireny ny anniversaire, izay zavatra tsy nankalazain’ny Ntaolo loatra, ka tsy manana voambolana tsotra manondro an’io isika fa dia hoe “fitsingerenan’ny taona nahaterahana”. Indraindray dia misy teny vaovao vao miforona mifanaraka amin’ny zavatra vaovao, toy ny hoe finday, fimailo, …

Ny famaritana ireny voambolana vaovao ireny no tiako hofaritana amin’ny hoe volivolana. Izany hoe izay olona mamorona voambolana vaovao entina hamaritana zavatra iray vaovao na trangan-javatra iray vaovao dia mamboly volana, koa raha mitsiry tsara io dia mamoa ary lasa voambolana raikitra ilay izy. Matetika dia miforona ho azy eny anivon’ny fiarahamonina eny ny voambolana vaovao, tsy fantatra loatra intsony hoe iza no tena namorona azy, nefa dia lasa teny madio sy raikitra ary samy mahalala ny dikany. Ohatra iray amin’izany ny hoe “makafoka“.

Koa misy tetikasa iray eritreretiko hatao ato ho ato, dia fanomezana sehatra hambolena ireny volana vaovao ireny, mba hahafahantsika mamorona voambolana vaovao hamaritana ireny zavatra misy na miseho kanefa tsy misy voambolana tsotra mahalaza azy. Ny tena tanjona amin’io volivolana io dia tsy grefy na botiora, izany hoe teny vahiny agasiana na misy famaritana avy amin’ny teny iray efa misy, fa tena volana vaovao vao foronina fotsiny tsotr’izao.

Koa indreto ary aloha misy ohatra vitsivitsy amin’ny volana amboleko, asa raha haniry.

Sary maneho lehilahy iray migandrogandro

  • migandrogandro: ilazana olona, lehilahy na vehivavy miondrika ka miseho ny kilaotiny.
  • migandro: ilazana olona, lehilahy na vehivavy miondrika ka miseho hatramin’ny tataka amin’ny fitombenany.
  • migondrogondro: ilazana vehivavy miondrika ka miseho avy eo aloha ny tatinonony
  • migondro: ilazana vehivavy miondrika ka miseho avy eo aloha ny nonony.

Ireo volivolana ireo izao, dia vao noforonina ny fototeny, nefa kosa ny firafitra dia manaraka ihany ny fitsipi-pitenenana malagasy. Ny verindroa mantsy dia manalefaka kokoa ny hevitra iray. Ary mora hita eny amin’ny tenintsika ihany koa fa indraindray dia zanatsoratra iray no manavaka hevitra roa mifanakaiky : ohatra ambany sy ambony, eto koa ny migandro sy migondro, dia mora tadidy ny volana vaovao.

Ohatra hafa:
mibosia: manatsofoka clé USB, dia avadika ambony ambany ilay izy fa ohatry ny diso ny fitsofohany, dia averina amin’ilay telo aloha ihany indray avy eo fa hay ilay tamin’ny voalohany ihany no nety. Entina ihany koa trangan-javatra eo amin’ny fiainana anandramana safidy anankiray, dia ovaina safidy hafa fa toa tsy mety, ary avy eo miverina amin’ny safidy voalohany ihany fa hay iny ihany no mety.
mota: garde du corps.

Friday, May 11, 2012

Raha toa moa ka … teny maloto 3

Translation in english below.

Nisy mpanjifa vahiny iray izay tapa-kevitra hividy nom de domaine tamiko. HopeForYouth.MG ilay nom de domaine. Rehefa vahiny moa no mividy nom de domaine .MG dia en euro ny vidiny, ary any ho any amin’ny 110 Eur any ny herintaona. Na izany aza dia mbola mora indrindra noho ireo concurrents ny vidiny alaiko io ka dia tapa-kevitra ilay mpanjifa fa tonga dia hataony 5 taona misesy. Dia naloako aloha ny saran’izay mba hahafahako mivarotra azy. Vola betsabetsaka ihany rehefa avadika ariary izany 550 Euros izany.

Nalefany ary ny vola, dia hanao reservation amin’izay aho, fa tsy nety mihitsy ilay système fa hoe tsy azo ampiasaina io nom de domaine io. Nokarohana ny antony tsy mampety azy fa saika tsy hita mihitsy, farany dia naverina ny volan’olona. Avy eo, hitako tampotampoka teo ilay fositra.

Teny tsy azo atao anaty nom de domaine .mg, ahitana toy ny hoe fory, kindy, lataka, lely, ...

Hay kay raisin’ny NIC.MG ho teny maloto ny voambolana ahitana teny hoe FORY na aiza na aiza ao amin’ilay teny no misy azy, ka dia tsy ekeny ilay hoe hopeFORYouth.

(PS. Rehefa mamerim-bola izay dia misy sarany alain’ny Paypal amin’ilay vola nandroso nihemotra, ary arakaraky ny habetsaky ny vola nalefa no halafon’izay sarany izay. Atao ahoana fa nila tombony ka natombony e! Mba maty antoka koa indraindray. Voaray ny lesona ka dia tsy ho tratran’ity olana ity intsony aho raha indray andro mba maniry hividy nom de domaine mifanaraka amin’ny anarany ity orinasa dutch anankiray ity!)

Teny maloto 2
Teny maloto 1

======
Since I’m selling .MG domain name, a non-resident customer wanted to purchase the domain HopeForYouth.MG for 5 years. The price of domain name madagascar for foreigners is about 110 Eur / year, and my price is the cheapest domain name for .MG. So, I received payment via Paypal and started the registration process. But the system refused that name, saying it’s forbidden by the registrar’s policy. I had to refund my customer, and then, I suddenly understood why this name was forbidden. It contains the substring “FORY” which is a malagasy term meaning “vagina” or “anus”. And NIC.MG forbids any domain name where any occurence of these “bad words” can be found.
By the way, did you know that the term kindy which is present in english dictionary is considered a bad word in Madagascar? It’s another meaning for vagina.

Monday, May 7, 2012

Raha toa moa ka … tsy nihaona tamin’ny minisitra

Nisy fandaharana izay tamin’ny fahitalavitra taloha, irony mpitsindroka izay mbola azo avadika chiffres eny amin’ny fako irony no natao interview. Mahavelona ve ity mitsindroka zôridira ity, hoy ny mpiasan’ny fahitalavitra manontany. Dia izao no valiny: indraindray mba ahazoana ihany, tapak’andro mety mahafeno arina tapa-gony izahay, indraindray kosa dia zara raha mahazo, ary misy aza fotoana dia fatiantoka no hita. Dia talanjona izahay hoe ahoana moa no fipetrak’ilay hoe mahita fantiantoka amin’io asa mitsindroka io?

Fampidirana kely izay fa izao no resaka: namonjy mariazy izay izahay tamin’ny asabotsy teo. Tetsy amin’ny EKAR Masindahy Josefa Mahamasina no natao ny fanamasinana. Dia i Madamako efa manahinahy ny mpanendaka fa hoe malaza misy manendaka eo amin’io toerana io, ka dia nanaraka akaiky azy mihitsy aho mandra-pahatafiditra tao am-piangonana. Dia nandeha ny lamesa, tsy fianakaviana moa ity nanasa fa namana mpiara-mianatra tsy mifankafoy, ka somary vahiny ihany amin’ity toeram-pivavahana ity. Nipetraka teo afovoamboany teo, taty aorian’ny mpanotrona hafa, ary mbola nisy hafa nipetraka tao aorianay.

Nandritra ny fivavahana, dia hozy Madama tamiko : misy olona masiso be tsy misasa ao aoriana ao izany, nefa izy tsy sahy nitodika nijery ilay olona tao aoriana. Nefa hono nahasorena azy mihitsy ilay olona fa sahala amin’ny mitankisinkisina aminy. Vetivety teo, nanjavona tsy hita ny poketrany, ary ilay olona tao aoriana nolazaina nasiso tsy hita trace intsony ihany koa. Teo vao saina tonga fa hay mpangalatra miditra anaty fiangonana izany ilay olona teo.

Fa izao, lambakely fanadiovan-kiraro no tao anatin’ilay poketra, maquillage efa tontan’ny ela sy lokomena dia izay, ny raha misy vidiny toy ny vola, finday, karatra sy ny sisa efa nomeny ahy vao maraina, ka nampieritreritra ahy ilay fampidirana teo hoe dia fatiantoka izany no hitan’ilay mpangalatra raha atao ny kaonty.

Dia tsaroako koa ity hatsikan’i Francis Turbo eto ambany ity, izay nahatonga anay hamorona oha-pitenenana hoe : “Tay ity hoy ilay nihaona tamin’ny minisitra”, ary dia izay ihany koa no nahatonga an’io lohateny io. Raha nampoiziko hisy hilaiso aza ilay poketra, couchen-jaza avy nampiasaina na serviette hygiénique no natao tao …

=======
Last saturday, me and my wife were invited to the wedding of a classmate. At the church, someone (a woman and a girl), sitting behind us, stole my wife’s pocket. Fortunately, there weren’t anything precious inside. But anyway, I’d wish we’ve put a used diaper inside, just to have some pleasing feelings when thinking of the persons who stole it when they would open the pocket, expecting moneys, telephone, …

The video is a Malagasy sketch about a guy who puts shits inside one of his wallets for thieves and the real documents inside another. He usually carries the two wallets, wishing that one day, someone would steal the one containing shits. Unfortunately for him, one day he has a meeting with the ministry, and he did carry the wrong wallet, and when he opened the wallet, all he could say was “Shit!”.

When we first heard this sketch, we used the longer and more poetic sentence “Shit, like the guy who went to meet the ministry said” each time we would just say “Shit!”.

Friday, May 4, 2012

Raha toa moa ka … baiboly tia vetaveta

Taloha elabe aho nanao site ahazoana mamaky baiboly kristianina, dia sendra olana ara-teknika ilay serveur dia very tany ny données, moa efa nisy ihany koa ny site hafa nahafahana namaky baiboly, ny baiboly.org, dia najanoko ny ahy. Taty aoriana, sendra olana ihany koa ny baiboly.org dia miala tsiny noho ny fahatapahana vetivety hono, efa ho fotoana elaela ihany izay. Soa fa nisy ihany koa ny vatsy.com sy ny toriteny.net nahafahana namaky baiboly amin’ny fiteny malagasy.
Androany anefa dia misedra olana koa ny toriteny.net, ny vatsy.com izany sisa aloha no haiko, nefa ny azy tsy feno ny baiboly rehetra. Dia nieritreritra aho hoe andeha haveriko ilay site nataoko ho famakiana baiboly iny, dia ndeha hovidiako ny nom de domaine baiboly.com. Dia nanao whois aho, e e e, indrisy fa efa lasan’ny squatteur e! Dia mba nidirako ilay baiboly.com hijerena hoe inona ary no ao. Dia ity eto ambany ity ny sary hitako.

dika an-tsarin'ny sehatra baiboly.com, maneho teny hoe malagasy tia vetaveta

Izao izany no zavatra fantatry ny internet hoe mifandray amin’ny atao hoe baiboly : serimônina, fihaonana eto Madagasikara ary malagasy tia vetaveta. Ka inona moa izany fa tsy efa tia baiboly avy ny 100%-n’ny Malagasy ary efa Paradisa an-tany ity nosintsika ity? Ary eto marina vao tadidiko fa tena vao saika herintaona katroka tokoa no namoahako ilay andinin-tSoratra Masina nalaina tao amin’ny baiboly miresaka fijangajangana amin’ny filàna ara-nofo iny: http://dotmg.net/what-if/2011/05/02/lahatsoratra-special/

=====
Jadis, j’avais fait un site où l’on pouvait lire la bible en langue malgache. Suite à des problèmes techniques du serveurs, mes données étaient perdus et j’ai laissé tomber, d’autant plus qu’un autre site nommé baiboly.org avait très bien pris la relève.
Baiboly est la traduction en malgache du mot “bible”.
Ce jour, j’ai voulu acheter le nom de domaine baiboly.com pour y remettre le site que j’avais développé, mais les cybersquatteurs ont déjà reservé ce nom. J’avais ouvert le site pour voir ce qu’il y avait, et ce qui s’affiche en haut est une capture d’écran d’une page de parking.
Donc, selon les algorithmes de ce site, le terme baiboly se refère à ces 3 choses :
- sermon
- rencontre à Madagascar
- malagasy tia vetaveta (traduction libre Malgaches amateurs de Pornographie).

Tiens, c’est justement presque un an jour pour jour que j’ai publié un verset assez “hot” trouvé dans la Bible. http://dotmg.net/what-if/2011/05/02/lahatsoratra-special/.

Thursday, May 3, 2012

Et si … j’ai croisé les doigts

Dans ma tendre enfance, je dirais que j’étais plutôt un enfant très sage. Mes résultats scolaires étaient une vraie fierté pour mes parents (et pour moi aussi) et je m’impliquais très bien dans les trucs de culte et de foi. J’étais donc rarement sermonné, et très très très rarement battu.
Nous étions une famille pauvre, à la campagne. On mangeait à nos faims mais côté vestimentaires, j’avais presque rien : toujours le même habit et la même sandale en nylon pour le dimanche, trois ou quatre vêtements en tout et pour tout pour les autres jours plus un tablier pour l’école. J’imagine que les vêtements coûtaient très chers pour les campagnards, j’en obtiens un neuf (friperie plutôt) au plus une fois par an.
Les rares fois où j’ai été battu avec un bâton, un fois c’était pour avoir déchiré un habit de seulement 6 mois, une autre fois pour avoir manqué de respect à un raiamandreny, et une autre fois pour s’être battu avec un garçon plus fort que moi.

Croiser les doigts

Pendant les vacances, je me suis lié d’amitié avec un gosse de riche, qui était justement en vacances dans notre village. Mes parents ne voulaient pas de cette amitié, car ils considéraient le garçon trop âgé, trop turbulent, trop brutal, bref, une mauvaise influence. Un jour, cet ami m’a demandé de mettre des habits propres, plus respectables car ses parents arrivent dans notre village et ils voulaient m’inviter. J’ai donc pris secrètement un habit que je ne devais porter la première fois que le dimanche d’après pour le culte, et je suis parti secrètement le rejoindre. Je me suis changé dans des buissons et j’y avais caché mes habits sales.
En me voyant, il a tout de suite crié après moi :
- Je t’avais demandé de mettre des habits présentables, me disait-il, j’aurai honte de te présenter à mes parents avec ton accoutrement.
- C’est tout neuf, rétorquais-je, je ne les ai même jamais porté.
- Beurk, ils puent encore l’odeur de la fripe, disait-il. Tu n’est vraiment qu’un pauvre con!

Sur cet insulte, je l’avais giflé. Il me rendait la pareille et un combat commençait aussitôt. Moins d’une minute après, tous les enfants du village s’étaient rassemblés en spectateurs, y compris mes cousins / cousines. Malheureusement pour moi, le gars était trop fort et il m’a foutu une raclée. Quand les gosses ont vu que je ne faisais pas le poids, ils nous ont séparés. J’avais mal partout, j’avais l’impression que mes joues enflaient comme un ballon et que certains de ses coups étaient restés sur mon dos. Mais ce n’était pas ce qui me préoccupait le plus, mon problème était plus grave.
Mes vêtements neufs étaient déchirés et entachés de poussières, totalement irrécupérables. Et comme un malheur ne vient jamais seul, ceux que j’ai cachés derrière les buissons ont été volés.
Je savais que dès que je rentre, j’allais être puni sévèrement. Frappé à coups de ceinture ou de cravache, puis interdiction absolue de sortie jusqu’à la rentrée, ce serait le minimum. Une de mes cousines, comprenant ma peur, m’avait dit que pour éviter de se faire gronder, l’astuce c’est de mettre une feuille verte en dessous de la langue en rentrant. Elle m’assurait que cela marcherait. Je suivais son conseil, sans trop de conviction, mais au moins, cela avait réussi à écarter ma peur de rentrer.

Arrivé à la maison, mes parents, ayant déjà eu vent de la bagarre, m’attendaient au portail, sans cravache, sans ceinture, sans bâton, et avec visages sereins. Ils m’ont amené vers la douche, où un seau d’eau chaude m’attendait, chose qui est vraiment inhabituelle. Ils ne m’ont pas grondé ce soir là, même pas un petit sermon. La feuille en dessous de la langue a fait un effet. Ils ne m’ont pas grondé les jours d’après. Ils ne m’ont jamais grondé pour cette grosse bêtise.

Des années plus tard, ils ont parlé de cela entre adultes. Ils ont témoigné que, un jour, ils ont suivi une formation où l’on disait aux parents que frapper un enfant n’est pas toujours la bonne solution, et que parfois, même si les enfants font de grosses bêtises, montrer l’amour parental peut être meilleure remède que la punition. Ils ont suivi ce conseil et ont été satisfaits en constatant que je ne recommençais plus jamais à faire des choses en cachette ou à me battre avec quelqu’un.

Et dire que, pendant des mois, j’avais commencer à braver les interdits, étant convaincu que quel que soit le degré des bêtises que j’aurais fait, il me suffirait de mettre une feuille sous la langue et je ne serais point grondé.

Saturday, April 7, 2012

Et si … les hommes peuvent éprouver des sentiments

Sunday, March 18, 2012

Raha toa moa ka … resa-ketotra

Fanokafam-bavony : Indray andro niara-nisakafo tamina namana izay aho. Dia voahitsako ny kirarony dia nanao azafady aho, dia nitsiky fotsiny izy. Kelikely mbola voahitsako indray, dia nanao azafady fanindroany. Mbola nihetsika ihany ny tongotro, fa hay hatramin’ny voalohany tsy ny kirarony no voahitsaka fa hazo tamin’ilay tongo-databatra. Teo aho vao nihomehy hoe fa noheveriny ho inona izany ny anton’ilay azafady teo.

Attention! Ca va péter
Manasa anao hazoto hamaky sy hahita fy

Ventin-kanina: Ny etotra dia rivotra mivoaka avy amin’ny lava-pitombenan’ny olona iray, amin’ny ankapobeny ratsy fofona, mety misy fanenony na tsia. Fa ny “évidence” izay odiantsika izay efa nandre fofon-ketotra tsy eritreretina dia ity : isaky ny mahare fofon’etotr’olona ianao, dia midika izay fa nisy rivotra ratsy avy ao an-kibon’ny olona iray, nandalo ny fantsona fivoahan’ny malotony, niely teo amin’ny rivotra, niditra tamin’ny alàlan’ny oronao (sy ny vavanao koa angamba, fa ny orona aloha no azo antoka), nandalo ny taova fanimboloana ary tafiditra any anatinao. Tsarovy izay isaky ny mandefa rivotra ianao na isaky ny mandre fofon-ketotra.

Dia lasa ny saiko, inay any aho mba Mpanao Gazety, ilay afaka miray efitra amin’ny mpitondra fanjakana ambony ireny. Fa mba alaivo sary an-tsaina anie hoe tontosa ihany ilay fihaonan’ny Lehiben’Ankolafy efatra eto Antananarivo, ary izaho anisan’ny anankiray amin’ireo izay manana fahafahana manatrika izany. Ny alin’ny fihaonana dia efa miletra tsaramaso sy laisoa sy izay sakafo tsy zakan’ny motera aho ary manao fanazaran-tena amin’ny fandefasana etotra masiso nefa tsy misy feony. Ary rehefa ao amin’ilay efatra, dia tena hataoko amim-pisitrahana mihitsy. Tsara lavitra noho ny mitoraka kiraro io, tsy misy mahita na mahalala hoe iza no nandefa, ary tsy afaka miala ny olona atao lasibatra fa tsy maintsy voa. Raha tsy hoe angaha raikitra ny fisavana ka hisy olona asaina mioroka ny fitombenan’ny mpanatrika rehetra hahalalana hoe iza ilay fositra?

Teny atsipy ho anareo izay afaka manao interview amin’ireny mpanao politika ireny, ny solombavambahoaka dia tsy nitondra ny feon’ny vahoaka tamin’ny mpanao politika na mety ho nitondra fa tsy sofin’ny mpanao politika tsy nety nahare ny fitarainan’ny vahoaka mijaly, koa mba meteza re ho solom-pitombenam-bahoaka, hampita ny fahaleon’ny vahoaka amin’ny mpanao politika amin’ny fomba hafa, angamba ny oron’ireo mpanao politika ireo mora andairan-kafatra kokoa noho ny sofina …

Tsindrin-tsakafo: Tsarovy fa isaky ny avy nandre fofon-ketotra ianao ka tsy nangetotra taorian’izay, dia izay iray alehany na nokoboninao tao anatinao ilay rivotra ratsy, na navoakanao tamin’ny taova roa eo amin’ny tarehy ahafahana mamoaka rivotra.

Vakio koa: Olona toy inona moa ianao (resak’etotra iray hafa koa)
Tadidinao ve ny nahatonga ny teny hoe gidany

Friday, February 3, 2012

Et si … MegaUpload a fermé

Les américains ont inventé un jeu très intéressant. Il s’agit d’un jeu de guerre de n personnes. Les règles sont simples :
Règle numéro 1: vous avez un but : parmi les joueurs, vous avez un adversaire X et votre objectif est qu’il soit détruit.
Règle numéro 2 : vous n’avez pas le droit d’attaquer cet adversaire directement
Règle numéro 3 : vous avez le droit d’attaquer tous les autres joueurs.

Ainsi donc, dans ce jeu, Obama, SOPA & PIPA, Wikileaks, Universal, Pirates du web, FSF, Wikileaks, OWS, Google, Wikipedia, Anonymous, … ainsi que les utilisateurs d’internet sont les joueurs.

Tout a commencé quand Wikileaks a diffusé sur internet des documents de l’administration américaine classés top secret. Une gifle en pleine face que l’administration ne pouvait éviter ni contrer. Mais quitte à tomber, vaut mieux se préparer pour le futur, donc Obama devait dresser un plan lui conférant le pouvoir de faire taire un site internet qui lui serait nuisible. Règle numéro 2: il ne peut pas s’attaquer directement à Internet, il a donc choisi pour cible les pirates, mais réellement, Obama n’en a rien à faire du piratage, lui-même a sûrement téléchargé des films sur MegaUpload. En choisissant de s’attaquer au piratage, il a pour allié les entreprises créateurs de films et musique, comme Sony et Universal, d’un côté c’est un bon déguisement pour son plan, et de l’autre, cela permet d’avoir également quelques fonds pour le projet, car ce projet doit passer dans les chambres et Sénat, et comme partout ailleurs dans le monde, il faut bien acheter les élus pour qu’ils votent pour le projet de loi. Justement ce que OWS lutte contre. Ainsi sont nés SOPA et PIPA.
Mais SOPA, il gène pourtant les entreprises comme Google. En effet, si la loi passe, et que Obama décide d’ordonner l’anéantissement d’un site, disons dotmg.net, Google devra desindexer ce site et faire en sorte qu’il ne soit trouvé nulle part.
D’un autre côté, ce pouvoir est trop grand et la mise en scène trop flagrante, les vraies cibles, ceux qui luttent pour un internet libre ont compris qu’il faut la contrer. C’est ainsi que Wikipedia manifeste contre SOPA.
Pour donner l’image d’une administration qui veut vraiment lutter contre le piratage, le FBI ferme MegaUpload.com. Anonymous contre-attaque et se charge contre les sites favorables à SOPA.

Thursday, January 5, 2012

Raha toa moa ka … Onitiana filoha

Taratasy misokatra ho an’i Madama Onitiana Realy.

Raha nijery ireo famakafakana nataonao tamin’ny fotoanan’ny Caucus nisafidianana ny ho kandidà tany Amerika nifanandrinan’i Hillary Clinton sy Barack Obama ny tenako, dia nahatsapa hoe misy fitiavana milalao politika ao anatinao ao. Anisan’ny manana fitiavan-tanindrazana ianao, ary mahafinaritra anao izany hoe vehivavy mitana andraikitra ambony eo amin’ny firenena izany. Raha ny traikefa sy ny haitao indray ary ny diplaoma mitambatra dia inoako fa resinao izy efa-dahy izay mihevi-tena ho nahavita azy na mbola mahavita azy. Taorian’ny fikitikitihan’ny fitondrana HAT anao manokana vokatr’ilay fanadihadiana manongo sy mitsipindy iny dia nitombo be ny côte de popularité anananao.

Koa manan-kevitra aho hoe maninona moa raha manangana ekipa ianao dia alatsaka amin’ny fifidianana filohan’ny repoblika, tsy efa misy herijika ve amin’izao? Ny tsara, vao aty amin’ny fampielezan-kevitra dia asehonao ireo ho mpiara-miasa ao amin’ny governemanta rehefa lany, izany hoe ny ossature-n’ny governemanta tonga dia aseho hoe i anona no hataonao PM, i anona VPM misahana an’izao, etsetra … Raha vao mahatafatsangana ekipa maharesy lahatra ianao dia ao am-paosy io na hanao hala-bato aza i anona sy anona. Ny Gasy ne zao sady efa leo bandy no leo politika e! Tadiavintsika ny folo miliara ariary hanaovana propagandy makotroka raha vonona ianao.

Dia farany, mandra-pandinikao an’ity soso-kevitra ity, misy bandy akama milay izay ho’aho any mety eo amin’ny toeran’ny premier homme raha toa ianao hanao ohatr’i Sarko hoe vao vaovao ny maha-filoha dia vaovao koa ny Carla.

Voahariniaina

PS: Dia avoaka ihany koa le fanampin’anarana tsy misy mahalala hatramin’izay (Ignace ohatra ny an-dRatsiraka, ny anao atao hoe Voahariniaina).

Tuesday, January 3, 2012

2012

Dimanche 01 janvier 2012, comme chaque année, je rend visite à mes Grands Parents à l’occasion du nouvel an. Cette année, j’y suis allé en scooter. On avait prévu de partir tôt, pour éviter la pluie, mais la pluie ne voulait pas vraiment nous éviter, et on n’avait pas la possibilité ni l’envie de filer à l’anglaise. Il commençait à faire nuit quand on partait de chez eux, et la pluie ne s’arrêtait pas.
La casque que je mettais n’avait pas de vitre ni essuie-glace. Mais nous avions quand même cette sorte de lunettes transparentes qu’on peut porter en moto. Elles me permettaient d’ouvrir les yeux malgré la pluie, mais à mesure que le jour s’assombrit, les lumières des feux de stop de la moto qui était devant moi m’aveuglaient.
Après un virage, mes roues avant tombaient dans un trou que je ne voyais nullement. Je roulais assez vite mais j’avais quand même le temps de négocier ma chute. Je m’en suis sorti avec un peu de sang versé sur le goudron et quelques douleurs ici et là, mais j’ai quand même pu rentrer avec la moto. Le fait que la piste était glissante m’était un avantage, j’ai pu glisser assez longtemps, donc pas trop de frottement entre la piste et mon corps.

Lundi 02 janvier 2012, les employés du Ministère de la Santé nous rendent visite pour disperser des DDT. Et comme on a quelques insectes et moustiques, je les avais accueilli à bras ouvert. Une heure trente après, on a trouvé mon lézard agonisant, j’ai oublié de la sortir. Comme toute personne, animal ou objet dans notre maisonnée qui s’est vu attribué un prénom, Amélie était considérée comme un membre de la famille à part entière, et sa disparition était une grande perte. REP.

Et oh, j’avais également oublié de couvrir ou sortir le sac de riz et les oignons, mais après recherche sur internet, il parait que la DDT n’est pas mortel à faible dose pour les humains. On ne risque donc pas en pratique de finir comme Amélie.

Sur ce, je vous souhaite une bonne année, je pense bien mériter de voir une séance de Destination Finale pour me remonter le moral après cette chute (qui me fait toujours mal) et la perte d’un animal de compagnie.