Thursday, January 29, 2009

Raha toa moa ka … mila manome tsiny olona aho.

Fomban’ny olombelona ny manome tsiny rehefa raikitra ny sahotaka. Amin’izao trangan-javatra misavorovoro eto amin’ny firenena izao dia samy efa nahazo ny tsininy avy amin’ny mpandinika ny ankolafin-kery samihafa, na ny mpitondra sy ny mpomba ny filoha Marc Ravalomanana io, na ny mpitolona sy ny mpitarika azy Andry Rajoelina io, na ilay iraika lahy taloha izay mbola “Olan’ity Firenena ity” hatrany io, na ny elanelam-panahy izay nitazam-potsiny, na ny Tafika malagasy izay tsy nandray andraikitra tamin’ny fiantombohan’ny fandrobana, noho ny antony stratejika hoe, stratejia inona? (azafady, aleo somary haverina ary atao mitrerona kely, STRATEJIA INONA?)

Nisy ihany ny toromarika na torohevitra natolotra ireny olona ireny mba hialàna amin’izao krizy izao.

Izaho kosa mba hitondra fijery hafa, kanefa mialoha ny hamosahako hevitra dia mila ampahafantarina anao mpamaky aloha fa izaho izay manoratra dia mpino FJKM hiringiriny, raha tsy voalaza mantsy izay dia tena mivaona tanteraka ny hevitra aposako. Raha fanomezan-tsiny no eritreretiko hatao dia lasa fanakorontanana no handraisanareo azy raha tsy mazava izay. Ary araka izay efa natsidiko izay dia ny FJKM izany no ho tena lasibatr’ity fanomezan-tsiny hataoko eto ity.

Nahagaga tokoa mantsy fa tsy voatonona loatra ho tompon’andraikitra amin’izao korontana izao ny FFKM, ary indrindra ny FJKM. Atao ahoana tokoa moa no hanome tsiny ny Raiamandreny ara-panahy?

Ny mahagaga anefa dia ireo olona roa mpifanandrina ara-politika dia samy mitonona ho Kristianina, ary samy zanaky ny FFKM. Marc Ravalomanana dia Filoha lefitry ny fiangonana FJKM, izay andry iray amin’ireo andry efatry ny FFKM. Raha vita ny fifidianana ireo ho lohandohan’ny mpisorona ao amin’ny FJKM dia hoy indrindra ity mpitandrina tao aminay “nanamboatra” ny toe-tsain’ny mpino: “Aoka isika hanaiky ny safidy fa Jesoa Kristy izay Lohan’ny Fiangonana no mifidy, fa ireo olombelona dia fitaovana fotsiny ihany”. Andry Rajoelina kosa dia zanaky ny Fiangonana EKAR, ary raha nampiantso fotoam-bavaka ho an’ny asa hotanterahina izy tamin’ny fiandohan’ny taona dia ny FFKM Antananarivo no niara-nisalahy taminy tamin’izany fotoam-bavaka izany. Koa nahoana ary ny ao amin’ny samy FFKM no navela hifanandrina? Tsy misy Andriamanitra angaha ao no dia avelan’Andriamanitra ho fahamenarana eo anoloan’ny tsy mpino ny zanany?

Izahay ato amin’ny sahan’ny FJKM dia mandinika ny lohahevitra hoe “Mampiray ny Finoana” amin’ity volana janoary ity. Raha ny samy mpino kosa anefa no mifanandrina sy niavian’ny korontana, inona no dikany? Ny dikany dia tsy nahavita ny asa nampiandraiketina azy ny mpino FJKM amin’ny fitoriana an’io teny io. Tsy nisy Raiamandreny ve tao afaka nanoro ny Filoha lefitry ny FJKM hoe mamofona avonavom-po sady mamono firaisana ny fomba firesany, raha vao niandoha ny olana? “Mpampihorohoro”, “Te-hanidina nefa tsy ampy elatra”, “Ho hitantsika eo”, “Anaro izy” … Amin’ny saina tsy miangatra, mampiray tokoa ve ny voambolana toy izany, sy ny hafa izay tsy voatanisa teto akory?

Raha niandoha tokoa anie ity tolona ity, fanokafana ny fahitalavitra VIVA fotsiny ange no resaka e! Ny mpitondra no milaza fa efa mahafantatra fa fanonganam-panjakana no tena tanjon’ny Ben’ny Tanàna, nahoana anefa no vao mainka natosika sy nomena hery ho amin’izany izy? Na dia isan’ny antokom-pivavahana tsy harahiko mandrakizay aza ny Apokalypsy, tsy azoko lavina kosa fa marina ny tenin’i Pasteur Mailhol raha nanambara izy hoe : “Sokafy ny VIVA, ampiakaro arak’izay tratra ny karaman’ny mpiasam-panjakana, aoka hijoro ho elanelam-panahy ny FFKM!” Na bodo sy adala aza ve tsy hahatakatra an’izany? Nefa nahoana ny FFKM no tsy nijoro ho elanelam-panahy ka nampitony ny andaniny sy ny ankilany dieny tany am-piandohana?

Hamaly ny rétorikako amin’izay ary aho.

Satria nalemy ny FFKM. Nalemy izy satria tsy niray. Tsy nampiray ny finoana. Nalemy izy satria nangatsiaka loatra ny fifandraisana teo amin’ny EKAR sy ny fitondrana, raha nafana loatra kosa izany teo amin’ny FJKM sy ny fitondrana. Manaporofo izany tokoa fa nony efa niseho aza ny olana, ka mody nijoro amin’izay ny FFKM, dia tsy dia re loatra ny EKAR ary tena tsy re mihitsy ny FJKM. Na ny fijoroan’ireo mpitarika ny FFKM teo aloha toa an’i Armand Gaëtan Razafindratandra aza dia midika zavatra betsaka. Izaho tsy milaza hoe fahalainana no tsy nijoroan’ireo tokony ho nijoro ho elanelam-panahy. Amiko dia ilay antsoina amin’ny teny vahiny hoe “Crédibilité” no nalemy teo amin’ny FFKM.

Ary rehefa tsy iray ny feon’ny FFKM, dia ny FJKM izany no omeko tsiny ho fototr’izay tsy firaisana izay. Omeko tsiny ny FJKM ho nandao ny toerana maha-Raiamandreny azy ka naka toeran’ny zanaka fotsiny sisa. Tsy lasa zanaky ny Filoha Lala Rasendrahasina sy ny Filoha lefitra Marc Ravalomanana tokoa moa ve ny FJKM? Tsy nanana ny sata ahafahany mananatra ny Filoham-pirenena Marc Ravalomanana intsony izy. Aoka isika handinika ny tantaran’ny Mpanjaka ao amin’ny Baiboly, hahitantsika izay efa fanaon’Andriamanitra manoloana ny vahoaka sy mpitondra tsy manaja Azy. Ankehitriny, tsy basy mipoaka, tsy nampiasa hery ny miaramila kanefa faty mikararàna. Sao sanatria mba famaizan’Andriamanitra kosa izao?

Tsy vahaolana loatra intsony no aroso, fa antso avo ho fitandroana ny amin’ny sisa.

1) Aoka hasiana fitsipika ao amin’ny FFKM mamehy fa izay fiangonana mpikambana ao amin’ny FFKM dia mahaleo tena ara-politika ka na iza na iza tompon’andraikitra ambony ao amin’ny Fiangonana dia tsy mahazo mandray andraikitra ara-politika ambony eto amin’ny firenena, manomboka hatramin’ny Ben’ny Tanàna, Solombavambahoaka, Loholona, Ministra, Filoham-pirenena. Izany hoe raha maniry handray andraikitra iray amin’ireo voalaza ireo ny olom-pirenena iray, zanaky ny fiangonana sady efa manana andraikitra ao amin’ny fiangonana, dia tokony hametra-pialàna amin’ny anankiray amin’ireo andraikiny.

2) Aoka ny fiangonana ao amin’ny FFKM hanendry alahady iray ho andro fiaiken-keloka. Koa samy hiaiky ny fahotantsika isika rehetra, kristianina rehetra eran’i Madagasikara, ary hivavaka sy hangataka amin’Andriamanitra ny famelana ny helotsika.

3) Aoka ny FFKM ho sahy hijoro ho mpampihavana, ka hangataka amin’ny mpitondra sy izay rehetra manana alahelo aminy mba hifamela araky ny fifamelàna kristianina eto amin’ity tany sy firenena ity. Tsy misy tokony atahoran’ny kristianina fifamelàna, na Ratsiraka Didier aza no havela heloka ka hampodiana an-tanindrazana rehefa ao ny finoana sy ny fitiavana. Maro ny fomba ahafahana mametraka ny fomba ifamelàna eto amin’ity firenena ity, fa mba hevitra taingina iray avy aty amiko aloha ity aroso ity : Ny famelan-keloka dia tokony ho avy amin’ny fiaiken-keloka aloha, ka asiana fifanarahana toy izao :
3a) Samy manambara ampahibemaso izay heveriny ho heloka vitany na azo androhirohizana azy ny tsirairay.
3b) Avoaka ny didim-pitondrana fa izay olona rehetra voarohirohy kanefa nanambara ny mety hahavoarohirohy azy araka izay voatondro etsy ambony dia homena famelan-keloka tsy misy fepetra hafa ankoatr’io voalaza etsy ambony io.

Ny toko sy andininy ve no tsy ampy handresen-dahatra ny tsirairay izay mitonona ho mino an’Andriamanitra ka entanin’ny finoana na ny fitiavana, mba hiroso amin’ny fifamelan-keloka?

Averiko manontolo eto ambany, ny voasoratra ao amin’ny epistily voalohany ho an’ny Korintianina, toko faha enina, nalaina tao amin’ny sehatra baiboly.org.

Misy aminareo va, raha manana ady amin’ny namany, sahy handeha hotsarain’ny olona tsy marina, fa tsy eo anatrehan’ny olona masina? 2 Sa tsy fantatrareo fa ny olona masina dia hitsara izao tontolo izao? Ary raha hitsara izao tontolo izao hianareo, moa tsy miendrika hitsara izay zavatra madinika indrindra va hianareo? 3 Tsy fantatrareo va fa hitsara anjely isika? Mainka fa izay zavatra momba izao fiainana izao. 4 Koa raha misy hotsarainareo ny amin’ny momba izao fiainana izao, moa izay ataon’ny fiangonana ho tsinontsinona va no tendrenareo ho mpitsara? 5 Hampahamenatra anareo no itenenako izany. Hay! Dia tsy misy olon-kendry aminareo, na dia iray akory aza, izay mahay manamboatra ny adin’ny rahalahiny? 6 Fa ny rahalahy mandeha hiady amin’ny rahalahiny, na dia hotsarain’ny tsy mino aza. 7 Ary ankehitriny dia kilema aminareo ny anananareo ady amin’ny namanareo. Nahoana no tsy aleo mandefitra ny tsy rariny aza hianareo? Nahoana no tsy aleo maharitra hambakaina aza hianareo? 8 Kanjo hianareo indray no manao izay tsy marina ka manambaka na dia ny rahalahinareo aza. 9 Moa tsy fantatrareo va fa ny olona tsy marina tsy mba handova ny fanjakan’Andriamanitra? Aza mety hofitahina hianareo: fa ny mpijangajanga sy ny mpanompo sampy sy ny mpaka vadin’olona sy ny sodomita 10 sy ny mpangalatra sy ny mpierina sy ny mpimamo sy ny mpanaratsy ary ny mpanao an-keriny dia tsy mba handova ny fanjakan’Andriamanitra. 11 Ary efa mba toy izany ihany ny sasany aminareo, saingy efa voasasa hianareo, efa nohamasinina hianareo, efa nohamarinina hianareo, tamin’ny anaran’i Jesosy Kristy Tompo sy tamin’ny Fanahin’Andriamanitsika. 12 Ny zavatra rehetra azoko atao, nefa tsy dia ary mahasoa avokoa ny zavatra rehetra; ny zavatra rehetra azoko atao, nefa izaho tsy mety handevozin-javatra na inona na inona. 13 Ny hanina dia ho an’ny kibo, ary ny kibo ho an’ny hanina; nefa samy holevonin’Andriamanitra izy roroa. Fa ny tena kosa dia tsy ho an’ny fijangajangana, fa ho an’ny Tompo, ary ny Tompo ho an’ny tena. 14 Ary Andriamanitra efa nanangana ny Tompo sady hanangana antsika koa amin’ny heriny. 15 Tsy fantatrareo va fa momba ny tenan’i Kristy ny tenanareo? Moa hanala ny momba ny tenan’i Kristy va aho ka hanolotra izany ho momba ny tenan’ny vehivavy janga? Sanatria izany! 16 Moa tsy fantatrareo va fa izay miray amin’ny vehivavy janga dia tena iray aminy? Fa hoy Andriamanitra:”Ho nofo iray ihany izy roroa” (Gen 2:24) . 17 Fa izay miray amin’ny Tompo kosa dia fanahy iray aminy. 18 Mandosira ny fijangajangana. Izay fahotana rehetra ataon’ny olona dia eny ivelan’ny tena ihany; fa ny mpijangajanga kosa dia manota mihatra amin’ny tenany. 19 Ahoana ary? Moa tsy fantatrareo fa ny tenanareo dia tempolin’ny Fanahy Masina, Izay ao anatinareo sady efa azonareo tamin’Andriamanitra? Ka tsy tompon’ny tenanareo hianareo. 20 Fa olom-boavidy hianareo; ka dia mankalazà an’Andriamanitra amin’ny tenanareo.

Ary averiko sy hosinganiko manokana ny andininy fahadimy.

Hampahamenatra anareo no itenenako izany. Hay! Dia tsy misy olon-kendry aminareo, na dia iray akory aza, izay mahay manamboatra ny adin’ny rahalahiny?

Wednesday, January 28, 2009

Raha toa moa ka … aorian’ny fahamainana ny fahalenana.

Mbola salama tsy marofy aty DotMG, tompokolahy sy tompokovavy.

Tsy nahavita namaky ireo rohy maro ao amin’ny fahana RSS ary tsy hovakiana intsony angamba izay tsy tratra.

Tsy manam-potoana hamahanam-bolongana loatra intsony koa fa be asa be.

Koa izay tsikaritra ka tsy voalazan’ny hafa aloha no ezahina horesahina.

Dia tsy inona moa izany fa araka izay efa voalaza etsy amin’ny lohateny io. Fotoana maromaro mantsy izay dia maina jiaby ny hazo cyprès teto Antananarivo, nolazaina fa nohanin’ny bibikely. Tahaka ny aretina mifindra mihanaka mihitsy izy ity, ary ireo fefy mba tsara endrika lalovana dia nitory fahalahelovana amin’izato lokony mainty toa misaona sa fambara loza?

Ny fisehon’io aretina io dia mahazo tsikelikely ny ravina maintso rehetra izay mivadika ho lasa mainty na mivolon-tsôkôlà. Misy ny ampahany amin’ny hazo no maina, misy ny hazo iray manontolo na ny fefy iray manontolo mihitsy no voa.

Ankehitriny anefa dia mahavelom-bolo ny mahita fa taorian’ny filatsahan’ny orana dia mitsiry maitso indray ireo hazo cyprès ireo. Ho an’ny hazo sasany dia efa takona mihitsy aza ilay loko rava teo aloha, ary vao mainka endrika tsara kokoa aza no niseho satria dia maitso tanora, mitory lokon’ny fanantenana sy ny fiainam-baovao ireo cyprès vao maniry.

Monday, January 19, 2009

Et si … ces journalistes …

Tena mba iangaviako ianao hamaky hatramin’ny farany fa tsy ho sendaotra ambony ihany, na mpanohana azy ianao na mpanohitra azy…

La manifestation prévue par les autorités municipales d’Antananarivo Renivohitra samedi denier a bel et bien eu lieu. Le Maire y a rameuté ses “sympathisants” et le soi-disant rapport d’activités de la CUA durant cette première année de mandat n’aura été en fait qu’une séance de défi, de provocation et de déstabilisation à peine voilée du régime actuel. Les autorités n’ont rien fait pour empêcher Andry Rajoelina et ses complices dont des professionnels de la politique politicienne de déballer en public les maux qui les rongent et qui les animent. Les observateurs s’accordent à dire que la liberté d’expression et la démocratie ont été respectées, mais … Les valeurs malgaches foulées aux pieds

Cette liberté a été telle que bon nombre des Malgaches ont été outrés voire offusquées par les paroles irrespectueuses proférées par le Maire Andry Rajoelina aux tenants du régimes surtout au Chef de l’Etat, un “Raiamandreny” de la population malgache toute entière. Une fois de plus comme c’était le cas à la cérémonie de présentation de voeux du 09 janvier boudée par le jeune maire de la capitale, la sagesse et les valeurs malgaches ont été littéralement foulées aux pieds. Le responsable de cet affront n’est autre qu’un jeune se réclamant d’être un leader de revendication, d’être le “Messie” qui délivrerait la population malgache de la pauvreté.

A voir de près l’organisation de la manifestation de samedi dernier, il est clair que Andry Rajoelina et ses “partenaires” entendent créer un mouvement de foule visant à venir à bout de l’actuel régime. Dans leur sinistre dessein, ils se ressourcent de l’ouvrage du politicien Machiavel sur la manipulation de la foule. Ce à coup de grands tapages médiatiques visant à diaboliser les tenants du régime et toutes ses actions. L’objectif est d’accroître le capital humain acquis à leur cause. A un certain degré de manipulation, la foule devient une arme inconsciente prête à être menée n’importe où et utilisée à tout genre de folie.

La première étape d’un mouvement de foule est alors de faire croire et de faire en sorte que l’affluence a été monstre lors d’un premier rendez- vous pour attirer davantage les curieux et former de nouveaux adeptes. Sur ce point, on peut dire que Andry Rajoelina et consorts ont mis littéralement le paquet samedi dernier. Selon des indiscrétions, on a recruté environ 2 000 jeunes gens (payés entre 8000 et 15000 ariary par personne) pour “assurer la sécurité” de Andry Rajoelina. Ce qui donne déjà l’impression d’une certaine affluence. Pour agrémenter le rassemblement populaire, on a fait venir certains artistes dont la crème du show-biz malgache, comme Tsiliva, Samoela, Black Jack et Sareraka. Rien de mieux pour attirer les gens et les curieux.

Ce qu’il faut comprendre en effet est que la côte populaire de Andry Rajoelina est basée sur les 63% des Tananariviens qui ont voté pour lui en décembre 2007 sur un taux de participation de … 44%. Les 56% restant sont des indécis. Autrement dit, la victoire de Andry Rajoelina aux élections municipales a été incontestable mais il ne peut pas pour autant s’enorgueillir d’être l’ “élu” de tous les Tananariviens. Après un an de mandant contre-performant et décevant à la magistrature de la ville, cette côte s’est nettement dégringolée. Andry Rajoelina a tenté de rétablir cette situation en jouant les victimes et actuellement en manipulant coûte que coûte la foule et masquer l’incompétence des autorités municipales.

D’où vient l’argent ?

Les questions qui se posent sont : d’où vient l’argent utilisé dans l’organisation de ces manifestations (cachet des artistes, sonorisation salaire des mercenaires…) ?

De la caisse de la commune ? Grignoté dans les chiffres d’affaires de l’entreprise publicitaire du Maire ? Des “gens de bonne volonté ”voulant incessamment allumer le feu et prendre le pouvoir par les rues ?

Que de questions car il faut savoir que l’argent, le nerf de la guerre, motive et donne de l’assurance d’autant plus que l’intention de Andry Rajoelina est on ne peut plus claire.

La population quant à elle réclame plus de transparence sur l’origine de ces fonds car elle ne tolérera pas si l’argent des contribuables serviraient à satisfaire les égos politiques de quelques uns.

http://gate2.mbs.mg/ … #038;date=2009-01-19

Lahatsoratra notsongaina tao amin’ny gazety Le Quotidien izy io, ary atolotra manokana ho an’i Jentilisa izay lasa diso nihaino Radio Viva foana tato ho ato ka tsy mamaky ny Le Quotidien intsony. Mitondra ny sonia hoe Nandrasana ity lahatsoratra ity.