Wednesday, January 28, 2009

Raha toa moa ka … aorian’ny fahamainana ny fahalenana.

Mbola salama tsy marofy aty DotMG, tompokolahy sy tompokovavy.

Tsy nahavita namaky ireo rohy maro ao amin’ny fahana RSS ary tsy hovakiana intsony angamba izay tsy tratra.

Tsy manam-potoana hamahanam-bolongana loatra intsony koa fa be asa be.

Koa izay tsikaritra ka tsy voalazan’ny hafa aloha no ezahina horesahina.

Dia tsy inona moa izany fa araka izay efa voalaza etsy amin’ny lohateny io. Fotoana maromaro mantsy izay dia maina jiaby ny hazo cyprès teto Antananarivo, nolazaina fa nohanin’ny bibikely. Tahaka ny aretina mifindra mihanaka mihitsy izy ity, ary ireo fefy mba tsara endrika lalovana dia nitory fahalahelovana amin’izato lokony mainty toa misaona sa fambara loza?

Ny fisehon’io aretina io dia mahazo tsikelikely ny ravina maintso rehetra izay mivadika ho lasa mainty na mivolon-tsôkôlà. Misy ny ampahany amin’ny hazo no maina, misy ny hazo iray manontolo na ny fefy iray manontolo mihitsy no voa.

Ankehitriny anefa dia mahavelom-bolo ny mahita fa taorian’ny filatsahan’ny orana dia mitsiry maitso indray ireo hazo cyprès ireo. Ho an’ny hazo sasany dia efa takona mihitsy aza ilay loko rava teo aloha, ary vao mainka endrika tsara kokoa aza no niseho satria dia maitso tanora, mitory lokon’ny fanantenana sy ny fiainam-baovao ireo cyprès vao maniry.

  1. ikalamako

    Wednesday, January 28, 2009 - 12:54:31

    efa misy fahavelomam-bolo ve ry DotMG ? hmmmm

  2. DotMG

    Wednesday, January 28, 2009 - 13:06:34

    Azafady, aoka tsy ho afangaro amin’ny tontolo politika ny tontolo iainana resahiko androany ity. Tena aretina misy io aretina cyprès io fa tsy allusions amin’ny resaka politika akory.

    Ity resaka ity dia tsy misy ifandraisany mihitsy amin’ny resaka korontana eto Madagasikara, afa-tsy ho an’izay minomino foana hoe fambara loza ilay nahamaina azy ary fambara soa koa ny mahamaitso azy ankehitriny.

    Voatery mangina ny What-if amin’ny resaka politika satria dia matotra (sérieux) loatra ny toe-draharaha ka tsy ho sahinay ny hanao vazivazy mety handoro afo sanatria. Koa ny azoko lazaina anao dia efa miha-velom-bola izao ny cyprès. Marina fa nahazo ompa ireo fampahalalam-baovao mbola mandefa hira famelan-kafatra amin’izao andro sarotra izao kanefa tsy voatery hatao ivon’ny resaka hatrany ny savorovoro mitranga fa angamba mba zonay ny miresaka zavatra hafa mihitsy aloha.

  3. tomavana

    Wednesday, January 28, 2009 - 13:45:14

    Doty i DotMG fa tsy nampiasa rindrakajy fitsaràna tsipelina : tsy cyprès fa Kipresy no izy. Tsetsatsetsa tsy aritra ihany izany fa tohizò ny fikolokoloana tsara ny tsimoka, dia az adino no mitatitra aminay fa liana dia liana n yhahafantatra izay fivoatry ny raharaha izahay mpamaky.

  4. DotMG

    Wednesday, January 28, 2009 - 15:33:02

    @tomavana amin’ny baiboly protestanta voaresaka ny hoe hazo kypreso fa tsy mbola nampitaha an’io tamin’ny baiboly teny vahiny aho.

    @ikalamako tsy mbola manana sary maneho ny fahamaitsoan’ny hazo vaovao aho fa ny sariny marary dia misy ato : http://ariniaina.wordpress.com/2009/01/08/cypress-trees-are-dying/

  5. simp

    Wednesday, January 28, 2009 - 18:26:26

    zara fa maniry aza fa tsy izany dia mety mitombo ny afo eraky ny tanana kle
    sady mirehitra be ireny an :)

Add comment

Fill out the form below to add your own comments

User data





Add your comment