Friday, December 28, 2007

Raha toa moa ka … hiakatra 40% ny karama amin’izao taona vaovao izao

Janoary 2007, 1.300 Ariary ny vidin’ny “dibera” margarine Marna Gold iray vokarin’ny orinasa TIKO. Janoary 2008, tafakatra ho 1.800 ariary ny vidin’io sakafo anankiray io. Ho an’ny mahay matematika toa ahy, dia midika tsotra izany fa niakatra 38% izany ny vidin’io PPN iray io, ary mitovitovy amin’izay ihany koa ny vidin’ny vokatra TIKO hafa rehetra.

Dia rehefa ampihariko amin’ny lojikako amin’izay izay toe-javatra izay, ka sainiko fa Atoa Marc Ravalomanana, Filohan’ny Repoblika no tompon’ny orinasa TIKO, dia velom-panantenana aho hoe … ho hitan’ny mpitondra miharihary kokoa izany ny fiakaran’ny vidim-piainana satria efa tsapany teo amin’ny orinasa tantaniny.

Koa amin’izao taona vaovao ho avy izao, izay hiandrandran’ny valalabemandry fiakaran’ny karama, raha niakatra 38% ny vidin’ny dibera, mahazo manantena aho izany fa hiakatra 40% farafahakeliny ny karaman’ny mpiasambahoaka, ary hanaraka an’izay ihany koa ny an’ny mpiasa amin’ny sehatra tsy miankina. Lojika. Toa hitako ery ny vavan’ny mpanohitra sina tsy miteny rehefa ambaran’ny Filoha amin’ny kabariny fa 40% (na 45% na 50%) ny fiakaran’ny karaman’ny mpiasambahoaka.

Raha, …

Raha toa ka mitovy fomba fijery amiko ny mpitondra,

Raha toa ka nisy tokoa ny fahombiazana teo amin’ny fitondrana ny firenena,

Raha toa ka tsy fampiesonana fotsiny ilay hoe fahaiza-mitantana sy fitiavana an’i Madagasikara

Saingy, …

Hay moa ny ahy revin-gadra, ka ho tanteraka ny faniriako rehefa azo atsofoka ao anaty tavoahangy i Parisy

Hay moa ny vavan’ny mpanohitra efa ela no sina, fa sady nailiky ny mpitondra no naloan’ny vahoaka, ka raha misy te ho mamy hoditra amin’ny vahoaka dia na milaza fa manohana 100% ny fitondrana, na sady tsy mpanohana no tsy mpanohitra fa TSY MIANKINA,

Hay moa samy manana ny Madagasikarany ny tsirairay, ho ahy manokana (DotMG), ohatra, dia ny orinasako no ao an-tsaiko rehefa miteny aho hoe Madagasikara, ka raha milaza aho fa handroso ny fireneko, dia ny orinasako no ao an-tsaiko amin’iny, ary raha midoka tena aho hoe mahay mitantana, dia ny orinasako no nampiharako izay fahaiza-mitantana nananako izay, ka raha iray tapitrisa isam-bolana no tombony azoko tamin’ny orinasako tamin’ny volana janoary 2007, dia ho niakatra 5 tapitrisa ariary isam-bolana izany herin-taona aty aoriana …

Friday, December 21, 2007

What if … we play the game instead of watchin’ the movie

Tom Gruise Viva

Vita ny famindram-pahefana teo amin’ny Ben’ny Tanàna teo aloha sy ny Ben’ny Tanàna vaovao. Niseho ho Raiamandreny ny Filoha Marc Ravalomanana ary niseho ho zanaka hendry ihany koa ny Ben’ny Tanàna vaovao, ka nilaza ny roa tonta fa hiara-hiasa, amin’ny maha Raiamandreny sy Zanaka. Nefa, izany tokoa ve? Raha ny fitantaran’ny madagate.com ny fandehan’ny sarimihetsika hatrany am-boalohany, toa ho sarotsarotra ihany ny fiaraha-monina amin’ny fo madio. Farafaharatsiny hisy ady mangatsiaka angamba … Ny tena fahitana azy mantsy toa mibaribary ihany hoe iza no hahazo tombony amin’ny fanakantsakanana ny orinasan’i Andry TGV.

Dia hiaraha-mahita eo ny tohin’ity sarimihetsika ity, amiko aloha dia efa fantatra ny lohateniny: Mission impossible 1. Fa ny mba angatahina amin’ny mponin’Antananarivo fotsiny dia mba ho mpiara-milalao hamelona ny tantara fa tsy ho mpitazana fotsiny izay hataon’i Tom Gruise V… dia hoe hitehaka raha mahavoa moa hihoraka raha misy tsy mety.

Ilay sary dia manana lisansy Creative Commons Attribution 2.0 an’i Kevin Ballard tao amin’ny flickr

Wednesday, December 19, 2007

Raha toa moa ka … tsy nigrevy isika tamin’ny 2002?

Andro vitsivitsy izay dia nihaiky ny fahareseny ny PDS Hery Rafalimanana, kandidan’ny TIM, ary niarahaba sahady ny Ben’ny Tanàna vaovao Andry TGV. Midika izany fa tsy hisy gidragidra eto amin’ny Tanàna (tsy araky ny ahiahin’ny Quai Sud, 2mn d’arrêt). Ah! Ka gidragidra inona koa moa no afaka hatao eo, amin’ity isam-bato mifanalavitra be, 60% mahery sy 30% mahery?

Manimba ny firenena ny gidragidra, na dia gidragidra am-pilaminana aza. Valiako sahady ny fanontaniana hoe inona no nitranga raha tsy nigrevy isika tamin’ny 2002? Nekena ny hanaovana fihodinana faharoa, kanefa nampahafantarina ny vahoaka fa efa tokony ho vita premier tour ange iny tantara iny fa nisy hala-bato tao. Natao ny fampielezan-kevitra ary nentanina kokoa ny vahoaka handeha hifidy, ka nolazaina fa raha tsy mahatratra 75% ny vokatra marina tsy ho resy ny hala-bato. Ho nolazaina ihany koa fa ho voatery hiara-hiasa amin’ny AREMA ny fitondrana vaovao raha vao ambany ny salanisa azo, koa mila mifidy ny tsirairay. Dia ho nandeha nifidy ny toa anay izay tsy nifidy tamin’ny premier tour, ary ho nifidy TIM, dia vao mainka aza niampy kokoa ny isam-bato azon’i Marc Ravalomanana.

Nihoatra ny 60% ny isam-bato azon’ny kandidà Marc Ravalomanana tamin’ny fihodinana faharoa, ary tsy misy hala-bato azo atao intsony hampitsimbadihana ny vokatra. Dia ho niaiky ny fahareseny ny filoha am-perinasa Didier Ratsiraka ary dia nanolotra ny fahefana ho an’i Marc Ravalomanana. Tonga teo amin’ny fitondrana ny lehilahy, sady ara-drariny no ara-dalàna, tsy nisy aina nafoy, tsy nisy tetezana tapaka, tsy nisy nitsoa-ponenana, tsy nisy toe-karena narary, tsy nisy krizy ekonomika. Angamba mbola ho any amin’ny 1600 Ar any ho any ny sandan’ny Euros.

Raha tonga amin’izao fahantrana izao isika, dia ataoko fa tompon’andraikitra avokoa fa tsy hoe fahotan-dRatsiraka sy Ravalomanana irery no nahatonga an’izao. Amin’ny ho avy ary, dia tokony hatao modely izao voka-pifidianana eto Antananarivo izao, ka raha leo gidragidra politika dia tsotra ny fanafodiny: Mandehana foana mifidy ary entano ny hafa hifidy, fa ny fifidianana no lalana madio ahafahana manadio ny tontolo politika koa nahoana isika no hifidy ny lalan-kisoan’ny grevy sy korontana milamina foana? Aoka ho tsapantsika foana fa maro ny olona izay manaiky vidian-tsafidy, na manao safidy tsy am-pisainana loatra (Aleonay ihany Ratsiraka fa iny no efa voky fa izany Ravalomanana izany tonga eo vao hangoron-karena…) kanefa mazoto mifidy, koa rehefa tsy handeha hifidy ny olona ampy fahalalana kely, dia sady mora ny manodikodim-boka-pifidianana (satria vato vitsy fotsiny dia ampy hampiova zavatra), no mora ihany koa ny hitoeran’ny efa tsy mahavita azy ela eo amin’ny fitondrana.