Friday, February 27, 2015

Raha toa moa ka … Tsy M (2)

Resaka Mvola indray.

Hay moa aho ity tamin’ny vao nanomboka nampiasa azy ity dia efa kivy sy tsy afa-po sahady. Tato aoriana, ohatry ny nihamatotra ihany ry zareo ary azo ambara ihany koa fa mitana ny laharana voalohany eo amin’ny tsenan’ny vola am-pinday ny Telma.

Anisan’ny maneho an’izay fitarihana ny tsena izay, dia ny Telma irery no ahafahana maka ny vola eny amin’ny Distributeurs Automatiques des Banques. Zavatra tokony ho tena mahaliana izany, satria anisan’ny sakana anankiray amin’ny fampirimana vola amin’ny finday ny fahasarotan’ny fakana vola eny amin’ireo points de ventes samihafa, indrindra moa raha sendra betsabetsaka ny vola ilainao.

Dia nampiasain’i Telma ary ny fampahafantarana rehetra, dokambarotra sy ny tambajotra sosialy hampahafantarana an’io tolotra io. Koa tao amin’ny pejy Facebook ofisialy nisy an’io tolotra io, dia nanontany aho ny amin’izay mety ho sarany. Tsy nisy namaly ilay fanontaniana fa “Misy mihaino?”. Nanontany hoe aiza sy aiza avy ny DAB azo akana Mvola? Tsy misy mamaly. Indray andro, somary maika ara-bola, dia nandramana ilay tolotra, na dia tsy fantatra ary izay ho sarany. Nandeha teo Analakely fa eo “poince” haka ao amin’ny banky raha tsy mandeha aza ny DAB, fa hay azo akana Mvola ilay DAB teo na dia tsy hita mazava loatra ety ivelany aza izay famantarana ny amin’izany.

Azo ny vola, 6.000 AR ny saran’ny maka 400.000 Ar, raha 3500 Ar ny saran’ny maka hatramin’ny 500.000 AR eny amin’ny point Mvola. Noho ny halafony ve izany no antony iniana tsy ilazana amin’ny mpanjifa ny sarany mihitsy?

Ny ingénieurs informatiques mahavita asa tsara fa ny commerciales toy ny eny amin’ny orinasa lehibe rehetra … tsy mahomby amin’ny asany.

Bandes d’amateurs ….

Friday, February 20, 2015

Tiako i Mugabe

Ankamantatra : Inona no ifandraisan’i Jason Statham sy Robert Mugabe?

Jason Robert

Nahazo kiana kely izay aho tao amin’ny Facebook, vondrona Fiteny Malagasy. “DotMG < Miala tsiny indrindra raha somary hanankiana kely fa ise manaja ny fiteny Malagasy sy ny maha Malagasy ka sao dia mba tsy mety lahy ity sarim-bazaha ataonao eo amin'ny rindrinao ity ?". Ny anton'ny fanakianana dia miseho ho mpanaja ny fiteny malagasy sy ny maha-Malagasy aho, kanefa ny sarintava ampiasaiko dia sarin'ilay mpilalao sarimihetsika Jason Statham.

Koa satria hivoana amin’izay antony nametrahako an’ilay lahatsoratro tao ity valin-tsikera ity, ary tiako hatao kabary tsy valiana ihany koa, dia nosoratako eto amin’ity blaogiko ity ny valiny.

Ao amin’i Facebook, ny fampiasana sarintavan’olo-malaza dia heverina ho midika fankafizana an’iny olo-malaza iny. Eny tokoa, mpankafy ny ankamaroan’ny sarimihetsika lalaovin’i Statham aho. Mpankafy sinema ihany koa aho, saingy tsy ny sinema rehetra kosa. Amin’ny ankapobeny dia ny sarimihetsika amerikanina ihany no tena ankafiziko. Matoa aho mankafy sarimihetsika an’ny firenen-kafa dia mety ho ilay mpilalao (Jean Reno) na ilay mpanatontosa (Luc Besson) no maharesy lahatra ahy, ary vitsy ihany ireny no tiako. Fa anisan’izay tena tsy tiako, tsy ankafiziko, ary mbola ho ela mihitsy vao mety haharesy lahatra ahy dia ny sinema afrikanina sy ny sinema malagasy.

Tsy hoe satria aho Malagasy dia tsy maintsy hankafy sy hipasopasoka ny sinema vitan’ny Malagasy, fa raha ny andrankandrana nataon-dry Maitre Avoko sy Caporal Bob ho an’ny sarimihetsika “action”, na ny “kopi-kolé” ratsy noho ny “original” nataon-dry Light Production, na ny sinema atao “support publicitaire” toy ny an’ny Scoop Digital sy ny namany, tsy afaka ny mbola hiteny mihitsy aho hoe azo jerena ny sinema malagasy amin’izao.

Mbola miandry an-dry Lova Nantenaina sy ny Homemade Studio hanana miliara vitsivitsy hanatontosana sarimihetsika tsara aho, na ry Andry Rajoelina hiova taranja ka ho lasa mpanao filma mahaleo tena, izay vao ho mpankafy ny sarimihetsika malagasy.

(Anarana mitovy io Andry Rajoelina io fa tsy ilay mpanao politika akory, mba jereo fotsiny ny soratra miakatra rehefa avy mijery an’ilay horonan-tsarimiaina Angelo la Débrouille ianareo).

Valin’ny ankamantatra teo ambony : Tsy misy loatra ny ifandraisana, fa sarin’i Mugabe no nataoko sarintava tao amin’i Facebook talohan’io Statham io, mba hampahafantarako ny nahavoafidy an’i Mugabe ho filohan’ny fivondronambe afrikanina no antony tamin’izay.

Wednesday, February 4, 2015

deux point zéro

En informatique, le fait de “versionner” un logiciel ou une application montre son évolution. Cela sous-entend que son développement est encore actif, que les développeurs travaillent pour l’améliorer et corriger les éventuels erreurs. Il est généralement conseillé de toujours basculer vers la version la plus récente.

A Madagascar, les partis et tendances politiques suivent le même rythme. Après Mapar 1, Mapar 2, VPM MMM 1, VPM MM2, l’association AV7 qui a commencé par sa version 7 suit la même tendance et propose également la version AV 7.2.

Qui veut parier que d’ici la fin d’année, la HVM sortira également sa version 2.0 ?