Friday, November 9, 2018

Diso fitsara an’ingahy mpitsara avo aho.

Rehefa miteny hoe HCC dia ny filohany, Jean Eric Rakotoarisoa no sary mby ao an-tsaina. Teto amin’ny tantaran’ny Repoblika Malagasy, dia nahazo fanakianana avy amin’ny olompirenena tsotra hatrany matetika ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana ho mitanila na mamoaka didimpitsarana tsy tena mifanaraka amin’ny lalàna, eny, miandany tafahoatra amin’ny mpitondra matetika.
Raha nandritra izay dimy taona nitondran’ny HVM izay, dia voalaza fa maromaro ihany ny didy navoakan’ny HCC no miendrika fanapahankevitra politika fa tsy didimpitsarana. Raha niandrandra ny vahoaka hoe Miala Rajao na Tsy Miala Rajao, dia “pacte de responsabilité” no navalin’ny HCC.

Fa anisan’ny tena nahatonga ahy hanakiana mafy azy ireo ilay didy farany navoakany momba ny tsy nananganan’ny Filoha Rajaonarimampianina ny Fitsarana Avo na Haute Cour de Justice.
Sady manaiky ilay “didy” hoe diso tokoa ny Filoha, nefa tsy nanome sazy azy araka izay voafaritry ny lalàna fa ny Praiminisitra no nasaina novaina, sady ny ankolafy Rajoelina no nasaina nanendry ny Praiminisitra (nefa hatrizay tsy Rajoelina no nanendry izany nekeny soamantsara ihany), ary ny fifidianana no naroso.

What If no anaran’ity blaogy ity, ary fombako teto ny namisavisa hoe … Raha toa moa ka … nataon’ny HCC hoe Miala Rajao tamin’iny fotoana iny?

Raha didy manasazy an-dRajao no nitranga teo, dia tsy ho nahazo nirotsaka hofidiana intsony ingahirainy, ary zavatra roa no mety ho nitranga : na nisy krizy sy ady an-trano teto ary ho avy ny mpanararaotra hanohana azy izay naongana, na nipetraka ihany rangahy iny rehefa avy nimenomenona, ary tsy ho fantatra mihitsy hoe hatraiza marina ny fitiavan’ny vahoaka azy.

Raha nomen’ny lalàna fahefana hamely teha-maina ny Filoha Rajonarimampianina ny HCC, dia natolony ho an’ny vahoaka malagasy izany fahefàna izany tamin’ny famelàna azy hirotsaka hofidiana, saingy tsy ao anatin’ny fahafahana mampiasa ny fananam-bahoaka (nasain’ny PM nolokoina mena ny plaque an’ny fiaram-panjakana rehetra). Asa re raha efa nisy teto an-tany izany hoe Filoha am-perinasa tsy nahazo mihoatra ny 6% tamin’ny voka-pifidianana. Tsoriko fa tsy nanampo an’ireny vokatra ireny mihitsy aho. Misaotra ny HCC aho ankehitriny noho iny fanapahankeviny farany iny ary miaiky fa misy fijery lavitra tao anatin’ireny fomba namoahana didimpitsarana ireny.