Wednesday, February 10, 2016

Ravalo 1:3-9

Injany misy feon’ny miantso mafy any atsimo manao hoe : “Amboary ny lalan-dRajao, ataovy mahitsy ny làlan-kalehany”. Dia niseho i Jean, nanao asa soa nitondra fanampiana tany atsimo, ary nizara hanin-tsy hahavoky sy rano tamin’ny tavoahangy. Dia nandeha nanatona azy ny vahoaka rehetra kere sy tratry ny tsi-fanjarian-tsakafo ka nizarany koba sy ôviva. Ary i Jean nitafy akanjo mivolom-boasary, ary fehin-kibo hoditra no tamin’ny valahany.

Ary nitory izy ka nanao hoe : “Avy ao aoriako ilay tena Prezidà, fa izaho dia an’ny tatezamita fotsiny ihany; tsy miendrika hiondrika hamitra ny loto amin’ny kapany aza aho. Izaho manome anareo rano sy sakafo, fa izy kosa hitondra herinaratra sy groupe électrogène ho anareo”.

Ary tamin’izany andro izany dia tonga avy tany Antananarivo Rajao, niaraka tamin’ny kravaty manga marobe.