Monday, September 29, 2008

Raha toa moa ka … 3F (IKor 13: 13)

Finoana, (Aza matahotra, minoa fotsiny ihany)

Fanantenana, (Fanantenana Vaovao)

Fitiavana (Andry Rajoelina se porta officiellement candidat à la Mairie de la Capitale, avec, pour cheval de bataille l’Amour (« Fitiavana »))

Ary ankehitriny dia ireto telo ireto no mitoetra: ny finoana, ny fanantenana, ny fitiavana; fa ny fitiavana no lehibe amin’ireo. (IKor 13: 13)

Tuesday, September 23, 2008

Raha toa moa ka … tokony hakatona i Google

Tamin’ilay post omaly, nataoko hoe define:eternity site:microsoft.com ny lohateny, ary dia nisy nandefa imailaka taty amiko nanontany hoe inona hono no dikan’izany. Indro ary hohazavaiko aminareo, na ny efa mahalala na tsia ny dikan’io.

define: Rehefa mitady famaritana teny iray amin’ny alàlan’i Google ianao, dia asiana hoe define, avy eo teboka roa ary ilay teny tiana hofaritana dia omen’i Google avy hatrany ny famaritana iny teny iny, araka izay hitany ao amin’ny internet. Tena fampiasako iny anankiray iny rehefa misy voambolana tsy fantatro. Indray andro, tao amina fantsona IRC iray, nisy olona niresaka tamiko ary voazavako taminy fa ny olana mitranga aminy dia tsy miseho aty amiko, fa aty amiko mety tsara ilay rindrankajy. It’s a bummer, hoy izy. Mailaka ery aho nijery ny dikan’izany hoe bummer izany amin’i Google ka nanoratra hoe define:bummer. Voatery niaiky aho fa tsy mahalala ny dikan’io voambolana io ary nanazava taminy ny vokatra hitako araka ny famaritan’i Google. Toran’ny hehy ilay razoky nilaza tamiko hoe mahakivy no tiany hotenenina.

site: Raha tianao hoferana amina karazan’anaran-tsehatra sasantsasany indray no hanaovan’i Google fikarohana, dia asiana an’io hoe site: io,ka ampahana nom de domaine no atao ao aoriany. Raha ohatra ianao te-hikaroka hoe ao amin’izay sehatra miafara amin’ny .mg ihany no hikaroka, dia afaka ampianao hoe site:.mg ny teny izay hokarohinao. Mba nandramako ary ny nikaroka ny sarin’ny Filoham-pirenena malagasy amin’ny sehatra iray hoe nescent.org, dia toy izao no nanaovako azy: Miditra amin’ny sehatra images.google.com aho, satria io no sehatra fikarohana sary. Avy eo soratako hoe Marc Ravalomanana site:nescent.org, fa tsss, na tokony hakatona i Google na ilay site nescent.org no tokony hotoriana any amin’ny tribonaly iraisam-pirenena.

Izay izany ny vaovao azo zaraina androany fa, raha iverenako ilay lohatenin’ny post omaly dia hoe : famaritana ny atao hoe mandrakizay raha araka an’i MicroSoft, izay no nofonosin’iny lohateny artistika iny.

Monday, September 22, 2008

what if … define:eternity site:microsoft.com [Photo]

2878366632_87b1ff1454.jpg?v=0

Tuesday, September 16, 2008

Raha toa moa ka … Voninkazo adaladala

Taitra be koa aho naheno hoe miondrika am-panajana noho ny fahalasanan’i Rado. Rado iza?

Dia aleo mba hametraka ity tononkalo ity ho an’i Georges Andriamanantena, izay hahatratra ny faha-85 taonany amin’ny 1 oktobra ho avy izao.

Voninkazo adaladala

Voninkazo adaladala ! Voninkazo tsy misaina
Fa mamony samirery eo an-tany karankaina
Ny manodidina rehetra efa ringitra avokoa
Efa tapitra matory… ! Izy irery no mifoha.

Misy koa ny fo adala ka tsy mety manadino
Ny rehetra raha mangina, izy kosa mbola mino
Mbola tena mahatsiaro ilay Fitiavana ninoany
Mbola velona ao am-pony, tsy mitsahatra mamony

RADO, 11 janoary 2002

Mandria am-piadanana Rado.

Thursday, September 11, 2008

Raha toa moa ka … tonga soa DotMG (2)

Tsy ity no lahatsoratra voalohany ato amin’ity blaogy ity. Tsy azonao fafaina na ovaina ity lahatsoratra ity, satria tsy ho tafiditra ao amin’ny Toeran’ny mpandrindra ianao raha tsy mahalala ilay tenimiafina.

Misaotra anao mitsidika ny Blaogy.

Tuesday, September 9, 2008

Raha toa moa ka … misy tsy tiako ny mpanao radio sy tele

Top 6 -n’ireo mpanao tele sy radio tsy tiako indrindra, mba tsy hilazana hoe nandra araka ny fijeriko, eto Madagasikara.

Raha toa moa ka … mba hokilasiako hoe iza no mpanao tele sy radio izay hitako tsy manintona ahy indrindra eto Madagasikara amin’izao fotoana izao. Tsy dia mba manam-potoana firy hijerena tele sy hihainoana radio ny tenako, fa na izany aza, amin’ny fotoana mba andehanana eny @ fiara fitateram-bahoaka sy mba ahafahana mi-zapy ao an-trano dia nivoaka aloha ireto lisitra ireto, ny fahadimy dia izay mba azoazo ihany, ary ny voalohany izany no tena crême des crêmes, ilay mampitsoaka matanjaka ny mahita/mandre azy.

Marihina fa fijeriko manokana izy ity, amin’izay masontsivana ampihariko, maro amin’ireo voatonona anarana ireo no tena be mpankafy tokoa, ary mety ho tafiditra ao anatin’ny Top 6 -n’ny mpanao tele sy radio tsara indrindra aza, raha olon-kafa no manakilasy azy. Raha mba mazoto ianareo, mba tsarao hoe ity fitsarana ity na mba avoahy koa ny anareo.

  • 6) Lily & Christian, Délire Zone/Pazzapa, RTA. Fony zaza ny tena dia mpanaraka ny fandaharan’izy mianadahy ireto tao amin’ny Radio Tsioka Vao. Anisan’ny tena tiako tamin’izany ny Hit Parade. Fa tsy haiko tampoka teo, mety ho izaho angamba no lasa antitra fa izao toa manirikiry ahy ny mahita ny endriny. Sahala amin’ny hoe mahita Club Dorothée izany aho. Ny tiako holazaina amin’io dia ry Dorothée sy ilay Hélène ireny izany olona efa antitra sy tola nefa manao toetran-jaza. Mety manampy trotraka sy antony nahatafiditra azy mianadahy ato amin’ity top 6 ity koa ny fandaharana Pazzapa izay tsy hita izay maminy nefa be mpanaraka.
  • 5) Ireo bandy mpanao fandaharana momba ny jeu video rehetra, na tele iza na tele iza. Izaho tia mi-jeu, fa ny zavatra tsapako, na iza na iza bandy manao fandaharana momba ny jeu amin’ny tele gasy dia tena lavitra be amin’ny fandaharan’ny any ampita. Izay miteny frantsay ohatry ny tsy mahafehy ny teny frantsay izany. Izay miteny Gasy ohatry ny manana langage rapperhe tsy dia ambiazako.
  • 4) Steve Maniry, Paika, TVM. Ity bandy ity dia mpamokatra fandaharana fotsiny na mpanao lahatsoratra no mety aminy fa ny mihaino ny feony tena tsy ao mihitsy. Ohatry ny mampatahotra izay ny mihaino ny fomba anononany ny fehezanteny. Dia ny fandaharan’ilehiry koa amin’ny teny malagasy nefa diso tsipelina be loatra, tena akotry amim-bary fa tsy mba vary amin’akotry. Aza ampijaliana ny tenitsika Bainina a!
  • 3) Maholiravaka, Gasy Parade, TV Plus. Sahirana ihany aho hilaza hoe tsy tiako i Maholiravaka noho izao antony izao, satria toa vao sendra izy no miseho eo @ télé eo dia tsy maintsy misolo ho azy io raha mbola mijery eo aho. Asa, ilay fiteniny sa ny endriny no tsy tiako? Mba mila valiny izay.
  • 2) Bandy tsy haiko anarana, Malagasy Mihira, Ma-tv. Miala tsiny lesy fa tsy haiko ny anaran’ialahy satria vao ialahy no miseho dia mitovy amin’ny manjo ny fandaharan’i Maholiravaka ihany no manjo ny fandaharan’ialahy: misolo hafa ny tele. Fa ny an’ialahy indray aloha mba azoko veroka ny antony e! Ao amin’ny resaka tsiky ilay izy. I Jerry Marcoss izao rehefa mitsiky dia bôgôsy kokoa noho izy rehefa tsy mitsiky. Ny mpanao tele rehefa mitsiky dia satry foana hijery ny tsikitsikiny satria dia tena tsara tarehy ry zareo. Fa ialahy ambaraky ny efa lehilahy, mbola rehefa mitsiky koa ialahy vao mainka ratsy kokoa. Tokony mpanao radio na mpanao gazety no nety tamin’ialahy fa tsy mpanao tele.
  • 1) Sylvie angamba na Sylvia no anaran’ity crême des crêmes ity, mpanolotra fandaharana ao amin’ny Radio Record. No Comment.

What if … back for good and … naked

What if … back for good; and DotMG naked.

By the way, this is a good song, but the lyrics are not for you and me, just the title :), and maybe the part in bold…

Back For Good (Take That)
	
I guess now it's time for me to give up
I feel it's time
Got a picture of you beside me
Got your lipstick mark still on your coffee cup
Got a fist of pure emotion
Got a head of shattered dreams
Gotta leave it, gotta leave it all behind now
	
Whatever I said, whatever I did I didn't mean it
I just want you back for good
Whenever I'm wrong just tell me the song and I'll sing it
You'll be right and understood
	
Unaware but underlined I figured out this story
It wasn't good
But in the corner of my mind I celebrated glory
But that was not to be
In the twist of separation you excelled at being free
Can't you find a little room inside for me
	
Whatever I said, whatever I did I didn't mean it
I just want you back for good
Whenever I'm wrong just tell me the song and I'll sing it
You'll be right and understood
	
And we’ll be together, this time is forever
We’ll be fighting and forever we will be
So complete in our love
We will never be uncovered again
	
Whatever I said, whatever I did I didn’t mean it
I just want you back for good
Whenever I’m wrong just tell me the song and I’ll sing it
You’ll be right and understood
	
I guess now it’s time, that you came back for good 

Sunday, September 7, 2008

Et si … fin de parcours pour Madagascar et Botswana

La situation avant la dernière journée.

Madagascar a gagné à domicile face au Botswana par 1 but à 0. Un but somptueux de Praxis Rabemananjara. Mozambique à réussi à tenir tête à domicile face aux Ivoiriens. Le classement provisoire est le suivant:

Equipe             J   G   N   P   Pts    GD
	
Côte d’Ivoire      5   2   3   0    9      +5
Madagascar         5   1   3   1    6      -2
Mozambique         5   1   2   2    5      +1
Botswana           5   1   2   2    5      -4

La victoire malgache face au Botswana est précieuse pour améliorer son classement FIFA, mais insuffisante pour espérer pouvoir poursuivre la deuxième phase. En effet, un facteur que les analystes oublient de prendre en compte, quand ils parlent de meilleur deuxième, est une règle ajoutée par la FIFA après la défection de l’Erythrée. Après que l’Erythrée a déclaré forfait, la FIFA a dû modifier le règlement du calcul des points pour les meilleures deuxièmes, afin de donner la même chance pour l’équipe deuxième du groupe 11. Cette règle stipule que les matches opposant le deuxième de groupe au dernier de groupe ne seront pas pris en compte. Donc, même si Madagascar parvient à tenir deuxième de groupe, si le Botswana termine dernier de groupe, on ne comptera pas les 4 points gagnés contre cette équipe, et si c’est Mozambique qui finit dernier, on ne comptera pas les matches contre le Mozambique, dont la raclée 3-0 à Maputo.

Côte d’Ivoire qualifiée, sauf miracle.

La Côte d’Ivoire a presque obtenu son ticket de qualification à la deuxième phase. Et c’est grâce à la victoire de Madagascar sur le Botswana. En effet, la Côte d’Ivoire est assurée de la première place du groupe, sauf si elle perd à domicile face à Madagascar par quatre buts d’écarts ou plus, situation qui n’est pas impossible mais … improbable.

Botswana fait ses adieux.

Le Botswana peut dire adieu à la qualification. Bien sûr, il peut espérer la seconde place du groupe, en battant à domicile le Mozambique et en espérant que Madagascar ne gagne pas face à la Côte d’Ivoire. Mais avec ce schéma, il ne peut pas espérer figurer parmi les meilleurs deuxièmes, car ils seront crédités de seulement deux points. En effet, la règle de calcul des équipes repêchées comme meilleurs deuxièmes stipule que le match effectué par la deuxième équipe de chaque groupe et le dernier ne sera pas pris en compte (je sais, je repète la même phrase), et en conséquence, s’ils gagnent le match, Mozambique finira dernière de groupe, et les deux victoires contre Mozambique ne seront donc pas comptées.

Le Mozambique garde sa chance de qualification.

Après avoir tenu en échec la Côte d’Ivoire par un but partout à Maputo, Le Mozambique peut encore espérer poursuivre le chemin. En effet, s’ils arrivent à battre le Botswana à Gaborone, et que si Madagascar ne gagne pas face à la Côte d’Ivoire, ils seront seront assurés de la seconde place, et crédités de 5 points avec une différence de buts de +2 pour le comptage des points des équipes meilleures deuxièmes (2 points des matchs nuls contre Madagascar et Côte d’Ivoire et 3 points pour la victoire 3-0 contre Madagascar à Maputo. 5 points en quatre matches, c’est suffisant.

Madagascar ne finira peut-être pas dernière de groupe.

La bonne nouvelle à tirer de la victoire contre Botswana, pour Madagascar, est qu’on ne finira peut-être pas dernière de groupe, cette fois-ci. Si le face à face Botswana - Mozambique se solde par une victoire, l’équipe perdante sera classée dernière de groupe. Si les deux équipes se partage les points, et que Madagascar ne perd pas par deux buts d’écart ou plus, ce sera le Botswana qui sera classé dernier. Quant à la qualification au deuxième tour, Madagascar n’a pas d’autre alternative que de gagner contre le Côte d’Ivoire. On a donc une toute petite chance, mais l’histoire a montré que nos footballeurs sont incapables de saisir sa qualification lors d’un match capital de la dernière chance. Les chances pour Madagascar de finir deuxième sont, soit de gagner contre le Côte d’Ivoire, soit d’être capable de ramener un nul et en espérant que Botswana - Mozambique font aussi un match nul.

Analysons le second cas, qui serait le moins improbable: Les deux derniers matches du groupes se solderont par deux matches nuls. Madagascar finira donc deuxième, avec 7 points, mais ce sera le Botswana qui sera classé dernier. On enlève nos points gagnés contre le Botswana (4 points, goal différence +1) et il nous reste trois points avec un goal différence de -3. Ce ne sera pas suffisant.

Si on arrive à faire le miracle de battre les Ivoiriens chez eux, on aura 5 points si le Botswana finit dernier de groupe, et 8 si le Botswana gagne à domicile contre le Mozambique.

Suggestion de stratégie et pronostic

Après avoir vu ces analyses, et avoir compris que pour Madagascar, la seule alternative est de gagner contre les Ivoiriens dans leur fief, la stratégie que je suggèrerais pour le match contre la Côte d’Ivoire est de verrouiller le match par un système purement défensif. Il faut y aller avec le moral d’un perdant, mais qui aura tout à perdre. L’important ne sera donc pas une qualification mais de sortir la tête haute de cette phase en évitant la dernière place. Le seul objectif doit être de tenir en échec, encore, la Côte d’Ivoire, et de ne pas la laisser marquer un seul but. Autrement dit, un nul vierge ou bien, avec un peu de bonne chance, une victoire grâce à un but de contre-attaque. Ce sera un match où l’on pourra tester encore la compétence de notre système défensif. Et pour la qualification à la CAN 2012, on pourra espérer échapper au match de barrage.

Quant au pronostic, Botswana vaincra le Mozambique par 1 à 0, et Madagascar ramènera un nul vierge contre les Ivoiriens (si on suit ma suggestion) ou alors Madagascar sera aussi battue par le Côte d’Ivoire par 4 à rien si on tente un système offensif. On sera donc classé troisième de groupe.

Tuesday, September 2, 2008

Raha toa moa ka … tantara tsy milamina

Aza vakiana.

Fa ho an’ireo mbola minia mamaky ihany dia … Disclaimer: Tsy travesti aho na schizophrène, fa mba fomba ny manoratra tantara à la première personne du singulier.

Alahady 31 aogositra 2008, mbola tsy niverina ihany ny fotoanako. Na ny kiboko na ny nonoko, toa tsy misy ilay mararirary isam-bolana izay mampilaza mialoha fa efa ho avy. Etsy andaniny koa anefa, tsy misy irony lazain’ny olona hoe te-handoa na marary an-doha na lasa kamokamo aho fa toa ny omaly tsy miova ihany. Rehefa sendra lasa ny eritreritro amin’ny hoe raha bevohoka tokoa moa izany, dia reko mangorintsina hatrany an-tampon-dohako ka hatrany am-paladiako. Toa misy afo mandoro tampoka izany ao anatiko ao, ary mivoaka eo no eo ny hatsembohako. Aviliko haingana miaraka amin’izay ihany koa ny eritreritro fa toa tahotra sy horohoro no hoentin’izany.

Raha sanatria ka … izany tokoa moa? Inona no holazaiko an’i Dada sy Mama? Dia hanao ahoana ny ho aviko? Ny hanala zaza aloha dia tsy ho vitako mihitsy e! Tsy hosimbaiko amin’izany ny fahasalamako sy ny ain’ny tsy manan-tsiny.

Nojereko ny famantaranandro, amin’ny enina ora maraina. Tsy nisasa akory aho fa nofafafafako tamin’ny servieta nolemana fotsiny ny tarehiko, dia nampiditra akanjo mafana aho ary nivoaka, nitondra vola hividianako fitaovana fitiliana eny amin’ny fivarotam-panafody. Lavitra vao nisy fa alahady ny andro, ka hay ireo toeram-pivarotam-panafody teo akaikinay samy tsy misy mpiandry raharaha. Telo arivo ariary ny vidiny, ary natoron’ilay mpivarotra ahy tsara ny fampiasana azy. Nihazakazaka toy ny tsy teo aho nody, soa fa mbola poritra tsara, dia nampiasaiko ilay izy. Atsoboka ao anaty amany mandritra ny 10 segondra, dia miandry iray minitra dia jerena, raha tsipika mena roa no miseho dia ao izany, raha tsipika mena iray dia tsy mbola bevohoka, ary raha sendra tsy misy tsipika miseho kosa dia mila mamerina fitiliana hono no dikan’izany.

Toy ny adiny iray iny fitopolo segondra iny, nakimpiko kely ny masoko dia nahiratro hibanjina ilay valiny. Mba hampihena ny fitaintainako dia izao no nomasahiko tao an-tsaina: Jereo milamina fotsiny fa ity no midika hoe tapitra ny fitaintainana, rehefa hita izy hita eo izay hatao. Saingy, indrisy … Tsy nitovy tamin’ny endrik’ilay tsipika mena teo amin’ny sary tamin’ny fonon’ilay fitaovana fa toa menamena manjavozavo saro-bakiana izany. Ilay ao amin’ny sary tena hita mihitsy hoe mena, ary manify dia manify latsaky ny iray milimetatra, fa ilay valiny hitako kosa ny hateviny mitovy amin’ilay hoe tsipika roa, saingy tsy miavaka mihitsy. Tsy hitako izay hatao, ity izany ilay midika hoe tsy azo antoka ny valiny fa mila averina, hoy aho. Tsy nety ary ve ny fanatsobohako azy teo?

Tapa-kevitra aho fa handeha hitady fitiliana hafa indray, ary làlan-kafa indray no nizorako, fa tsy ilay mpivarotra teo. Nahita ihany aho, ary moramora kokoa fa dimanjato sy roa arivo. Hafa indray ny fampiasàna azy ity fa atsoboka mandritra ny iray minitra be izao, ary miandry folo minitra indray vao vakiana.

Toy ny tsy teo aho dia tonga tao an-trano indray, mbola misy ambina poritra kely ihany. Naverina indray ny fitiliana, ary raha iny efa lena tsara iny ilay fitaovana dia niezaka nitadidy aho hoe oviana tokoa moa no tonga farany ny fotoanako? Teo vao tadidiko fa … hay moa aho lehilahy, tsy mbola tonga fotoana izany ary tsy ho tonga fotoana mihitsy mandrakizay.

C’est débile fa izaho mort de rire tsisy ohatr’izany amin’ny resak’adala ohatr’io. Manoratra azy eto aza aho mbola mivanitika be.

Inspiration: L’âne dans Shrek 1: Je ne sens plus mes orteils, je ne sens plus mes orteils…. J’AI PAS D’ORTEILS

Timon à Pumbaa, quand Pumbaa s’est persuadé qu’il a pondu un oeuf de crocodile, et que le crocodile en question est un phacochère: Pumbaa, Pumbaa, Pumbaa, tu es un animal mâle du sexe masculin, et tu ne peux en aucun cas pondre quoi que ce soit, et surtout pas un oeuf.

Sunday, August 31, 2008

Raha toa moa ka … mahasoa sy mahafinaritra

Tokony ho efa ela itony no nivoaka fa sendra ny panne dia very tany, dia naverina nosoratana aloha. Ity no iray amin’ilay hoe aza vakiana iny e, raha tadidinareo.

(Inspired from the comments on simplex’ Odd one out, http://simplex.blaogy.com/post/326/5077)

I Mahasoa dia tsy mba mandeha irery mihitsy fa miaraka amin’ny sakaiza iray foana izy. Tamin’ny voalohany dia i Mahasoa sy i Mahafinaritra no mpisakaiza tsy misaraka mihitsy. Tena nalaza izy mi-tsam, ary izay nisy azy dia nifanotofana haleha, fa hoe … atsy hono no misy an’i Mahasoa sy an’i Mahafinaritra.

Taty aoriana anefa, tsy hita niaraka intsony Mahasoa sy Mahafinaritra fa izay nisy an’i Mahasoa, toa tsy nisy an’i Mahafinaritra. Naka sakaiza vaovao indray ary i Mahasoa, ka zazakely teratany thailandey antsoina hoe Patrice (afohezina hoe Pat) izay indray no hitany. Dia niaraka teny indray aloha i Mahasoa sy Pat. I Mahasoa dia nahatazona ny anarany hoe Mahasoa foana, fa i Pat kosa dia miovaova araka ny vanim-potoana ny anaram-bositra nomena azy. Tsindraindray, ny maha-thailandey azy no tadidin’ny olona dia antsoiny hoe Thai: Iny i Mahasoa sy Thai. Indraindray, ny maha-ankizy azy no tsaroana dia antsoina hoe Ankizy, na Petit na Kid: Mahasoa sy Ankizy, Mahasoa sy Petit, Mahasoa sy Kid. Indraindray ny maha-mahantra azy no hitan’ny olona dia antsoiny hoe Mahantra na Pauvre na Poor: Mahasoa sy Mahantra, Mahasoa sy Pauvre, Mahasoa sy Poor.

Fa ny zavatra tsapa dia, aleo ihany mahita an’i Mahasoa miaraka amin’i Mahafinaritra, fa tena tsy tsara raha vao hafa ankoatr’i Mahafinaritra no miaraka aminy.