Tuesday, September 16, 2008

Raha toa moa ka … Voninkazo adaladala

Taitra be koa aho naheno hoe miondrika am-panajana noho ny fahalasanan’i Rado. Rado iza?

Dia aleo mba hametraka ity tononkalo ity ho an’i Georges Andriamanantena, izay hahatratra ny faha-85 taonany amin’ny 1 oktobra ho avy izao.

Voninkazo adaladala

Voninkazo adaladala ! Voninkazo tsy misaina
Fa mamony samirery eo an-tany karankaina
Ny manodidina rehetra efa ringitra avokoa
Efa tapitra matory… ! Izy irery no mifoha.

Misy koa ny fo adala ka tsy mety manadino
Ny rehetra raha mangina, izy kosa mbola mino
Mbola tena mahatsiaro ilay Fitiavana ninoany
Mbola velona ao am-pony, tsy mitsahatra mamony

RADO, 11 janoary 2002

Mandria am-piadanana Rado.