Tuesday, September 16, 2008

Raha toa moa ka … Voninkazo adaladala

Taitra be koa aho naheno hoe miondrika am-panajana noho ny fahalasanan’i Rado. Rado iza?

Dia aleo mba hametraka ity tononkalo ity ho an’i Georges Andriamanantena, izay hahatratra ny faha-85 taonany amin’ny 1 oktobra ho avy izao.

Voninkazo adaladala

Voninkazo adaladala ! Voninkazo tsy misaina
Fa mamony samirery eo an-tany karankaina
Ny manodidina rehetra efa ringitra avokoa
Efa tapitra matory… ! Izy irery no mifoha.

Misy koa ny fo adala ka tsy mety manadino
Ny rehetra raha mangina, izy kosa mbola mino
Mbola tena mahatsiaro ilay Fitiavana ninoany
Mbola velona ao am-pony, tsy mitsahatra mamony

RADO, 11 janoary 2002

Mandria am-piadanana Rado.

  1. finoanaranoray

    Monday, September 22, 2008 - 09:52:07

    Fa iza koa ilay Rado hafa?

  2. DotMG

    Monday, September 22, 2008 - 10:08:36

    Izao no fomba nitenenan’ny mpanao gazetin’ny kidaona maraina azy: Misy SMS voaray koa eto milaza fa hoe nodimandro koa hono i Rado… (misy fanampiny ilay izy), fa tsy fantatra na marim-pototra na tsia.

  3. vaniah

    Tuesday, October 28, 2008 - 09:50:02

    Rado mpanao mozika le tao @ kidaona maraina, fa zany hoe tsy dia misy mahalala firy le olona.

    Manaraka izany,

    “Aza havela hahalala ny antony nanaovanao ny hariva mamanala na ireo maraina vao……..”

    Raha toa ka………. dia tsy ho takatry ny saiko ny ho tohin’ny tantara ka aleoko tsy miheritreritra be.

  4. DotMG

    Tuesday, October 28, 2008 - 09:56:40

    Ialahy ity lesy ry Vaniah tsss. Aza mampihomehy ho’aho.

  5. vaniah

    Friday, October 31, 2008 - 11:55:02

    Mampihomehy @ ahoana ary zà?

Add comment

Fill out the form below to add your own comments

User data





Add your comment