Monday, October 5, 2020

Ressipraossiteh (2)

Efa an-taonany izay nikarohan’ny informatisianina teto Madagasikara izay fomba ahafahana mampiditra devizy. Maro no vonona hanao asa “freelance” ary mba mety hahita kandra amin’ny internet hotsaingotsaingohana eny ihany, fa ilay fomba handraisana vola mihitsy no olana.

Ny Paypal no efa be mpampiasa any ivelany, ary maro amin’izay mety ho mpanjifa no afaka mandoa vola amin’ny alàlan’ny Paypal, saingy ny kaonty paypal sokafana eto Madagasikara dia tsy afaka mandray vola. Mitaky kaonty amin’ny banky na laharana “carte de crédit” ilay Paypal, saingy ny carte eto Madagasikara na ny kaonty eto dia tsy mety aminy.

Toa resaka lalàna hono no antony. Efa taona maromaro izay no nolazaina fa efa tokony ho voavaha io olana io, saingy hatreto dia mbola henjana vao afaka mampiditra devizy ny Malagasy.

Misy ny startup malagasy toa ny Lemurpay izay afahafana mividy carte virtuelle, saingy toa mbola ady saritaka be koa no miandry raha tiana hampidirana devizy ilay izy, ary toa hoe tsy mety ihany koa aza raha atao adiresy eto Madagasikara. Izy io koa anefa mila laharana finday handefasany SMS tsindraindray ka dia sazy mihantona ho an’izay te hampiasa io hampidirana devizy izany.

Nanomboka ny volana oktobra 2020 dia afaka ampiarahina amina carte Visa ihany koa ny Mvola. Saingy “carte de débit” ilay izy, izany hoe tsy mbola ahafahana mampiditra devizy, fa ny mamoaka ihany. Ny fisian’io tolotra an’ny Mvola io izany ankehitriny dia manome vahana ny famohan’ny firenena devizy, fa mba manasarotra kosa ny fampidirana devizy. Raha ny fahaizana sy ny talenta ananantsika Malagasy anefa, inoana fa devizy betsaka ihany no tokony ho voavily ho aty amintsika, raha eo amin’ny sehatra informatika sy taozavatra ary zavakanto fotsiny no hojerena.

Mampalahelo ahy ilay firenena amin’ny resaka “réciprocité” tsy voahaja sahala amin’izao.

Monday, September 28, 2020

Ressipraossiteh

Mpifanolobodirindrina ry Rampanarivo, eo ambony avaratra sy Ikotomarefo eo ambany atsimo. Tsy mifankahazo be nefa tsy mpiady lava fa samy miezaka miaina ny fiainany. Fa indray andro, tsy naharitra ihany Ikotomarefo, fa mba nangataka fifampiresahana tamin-dRampanarivo.

* Tena tsy lasa ilay rano avy ao aminareo mianjera mankaty aminay, hoy Ikotomarefo fa itadiavo làlana. Aiza ve ka ny rano malotonareo no mameno ny fantsona aty aminay, sasatra mihitsy izahay manalalaka ny fantsona. Aleo mba mifanaja isika, aza alefa aty amin’ny fantsona aty aminay intsony ny rano malotonareo fa manelingelina ny hafa.

Rampanarivo moa tsy dia tia miady aman’olona, ary vao mainka tsy nampazoto azy ny hifanandrina amin’Ikotomarefo noho ny faripiainana tsy mitovy, ndrao lazain’ny fiarahamonina fa mpanenjika ny majinika izy. Tsy misy vahaolana tsotra anefa hitany azo ampiharina satria tsy mifanolotra amin’ny arabe ny taniny ary tsy misy lakan-drano maloto hafa azony andefasana ny rano avy ao aminy. Hany heriny aloha, nangonina ny rano maloto, ary nariany tamin’ny fiarakodia tsindraindray. Nisy fotoana sendra nisy rano nandeha ihany nivoaka tany amin’Ikotomarefo fa avy hatrany dia nanofan’Ikotomarefo paompy mandeha solika ary dia nandefasany rano maloto avy tany aminy niverina ilay fantson-dRampanarivo. Niverina hatrany an-dakozia sy basà an-dRampanarivo tokoa ny rano maloto. “Mahalala ny anarako tsara izay ny vaventy”, hoy Ikotomarefo nihôgahôga tao an-tanànany tao.

Fa fomban’Ikotomarefo ny mandoro fako in-droa isan-kerinandro, sy ny manao kifetifety manasa namana isaky ny zoma hariva sy alahady antoandro. Mba tsy tantin-dRampanarivo ihany koa ireo zavatra roa ireo.

Rehefa lasa ny iray volana taorian’ny fifampiresahana niantsoan’Ikotomarefo azy iny, dia mba nampiantso an’Ikotomarefo indray izy.

* Tena tsy lasa ilay setroka fako doranao io Andriamatoa, hoy izy, ary ilay tabatabanareo isaky ny zoma alina sy alahady antoandro ihany koa tsy afaka tohizana intsony. Miangavy anao aho mba hatsahatrao manomboka izao ihany koa ireo fombanao ireo fa manelingelina ny hafa.

Saika hanohy resaka Ikotomarefo fa toa tsy dia nazoto hiresaka maharitra Rampanarivo, rehefa heno izay tiany hampitaina dia nofaranany ny tafa.

Zoma maraina ary, nandoro fako toy ny mahazatra Ikotomarefo ary niakatra ny setroka. Nitsirika teny am-baravarankely Rampanarivo :
* Ity ilay efa nanafarako anao ramose an, hoy izy, fa manelingelina anay ô!
- Aty an-tanànako aho no mandoro ny fakoko e, hoy Ikotomarefo, somary an’avona, fa ny setroka tsy maintsy miakatra e.

Nagorodan-dRampanarivo niaraka tamin’izay ny rano maloto voaangona nandritra ny herinandro.

* Valy fingika fingàka ve? hoy Ikotomarefo, nanomboka nila ady.
- Aty an-tanànako aho no manary rano maloto e, hoy Rampanarivo, fa ny rano tsy maintsy midina ô!

Nalain’Ikotomarefo indray ilay paompy mandeha solika ary dia nikasa ny hamerina ilay rano maloto any amin-dRampanarivo izy, noho ny hasosorany. Vao nalefa ilay paompy dia nifantsitsitra be teo an-tokontaniny. Hay efa tsinjon-dRampanarivo izay fihetsika izay ka efa nasiany “vanne d’arret” ny fivoahan-drano avy tao aminy. Rehefa avy nanatosaka ilay rano maloto izy dia nohidiany io, hany ka tsy nisy nahafahan’ilay rano maloton’Ikotomarefo niditra tany an-tanànany intsony fa dia niverina niparitaka nandena an’Ikotomarefo mianakavy.

Ny hariva indray, tonga ireto namana mpiara-manao zoma manifika hirevy eo an-tokontanin’Ikotomarefo. Rampanarivo namelona fiara handao vetivety ny tanàna misy tabataba. Fa manampahaizana momba ny simia moa rangahy io, mialoha ny nandehanany dia nisy kasinga roa izay nafangarony teo an-tsisin-tambohony. Solifara ny iray dia tsy haiko ilay iray hafa fa izy ihany no mahalala azy. Vao nifangaro ireo dia namoaka fofona mantsina toy ireny lavapiringa loarana ireny, tena tsy mba azo niainana. Tsy nisy revy afaka natao tao amin-dry Ikotomarefo fa mila hahatorana ny fofona.

Hany heriny dia nitaraina tamin’ireo namany : izao lesy no hasomparan’ny mpanam-bola an. Ananany ny vola dia ny fiainan’ialahy no korontaniny.

Angano angano, arira arira, Je suis Air France.

Friday, September 25, 2020

Paraxy

Nandeha nanamboatra kodiarana môtô aho. Rehefa avy novahan’ilay tovolahy mpanamboatra ilay kodiarana dia nojereny ireo faritra misy loaka.

- Tsy mety tampenana intsony ity Ramose, hoy izy, fa efa triatriatra avy ao anatiny mihitsy ilay kodiarana.

Eny e, kodiarana efa nahavita ela ihany aloha ilay izy e.

- Fa mandra-panovan-dramose azy, hoy izy, dia afaka ampiasana paraxycilline atao fanafodiny?
* Inona tsara? hoy aho, voambolana vaovao tamiko sady tsy azoko veroka ny ifandraisan’ny fanamboarana kodiarana sy hoe fanafody. Fa fanafody vaovao karazana Paracétamol sy Amoxycilline mitambatra ve izany resahiny izany dia inona no idiran’izany amin’ny fanamboarana kodiarana? hoy ahy anakampo.
- Paraxycline, hoy izy namerina, tsy mbola azoko ihany. Afaka vidiako atsy ambadika atsy. (Misy pharmacie tokoa tao ambadika tao)
* Fa ohatrinona anefa izany, hoy aho…
- 600 Ar, hoy izy.
* Eny ary, hoy aho. Ny tao an-tsaiko dia hoe raha izay fanafodina 600Ar no hahasitrana ity kodiaran’ny môtô-ko ity, na koa tsy hahasitrana azy, tsy dia maty antoka be ahoana aho.

Kelikely, iny izy niverina, nitondra paraky Tsimiziva sy vovon-tsavony so Klin. Nakambany tao anaty kodiarana ilay vovoka paraky sy Klin, nasiany rano kely dia nofenoiny rivotra.
- Vita tompoko.

Hay moa izany ilay paraky sy klin ka miditra manentsina ireo lavadavaka amin’ilay kodiarana avy any anatiny, dia mba mampaharitra kokoa an’ilay kodiarana ho elaela vao noana. Mahay Système D anie ho’aho isika Malagasy e!