Wednesday, December 17, 2008

Raha toa moa ka … havan’iza Rabetsitonta?

Ny anarana hono tanim-boanjo, saingy misy kosa anarana tsy tanim-boanjo fa rehefa maheno patrônyma iray ianao dia midika hoe havan’i anona izany. Ohatra ny hoe Nirhy-Lanto. Original ilay anarana dia raha vao original toy io ny fanoratra azy dia fantatra hoe havan-dry Nirhy-Lanto iny izany. Sahala amin’izany koa angamba ny anarana hoe Ratsiraka (dôty). Moa ve raha vao mandre hoe Ratsiraka tsy havan’ilay Filoha teo aloha izay? Sa mety misy mitondra io anarana io fa tsy taovany tsy volovolony?

Ary ny hoe Rabetsitonta? Havan’ilay kandidà ho Filoha hoe Tovonanahary Rabetsitonta koa ve izay mitondra anarana hoe Rabetsitonta sa tanim-boanjo io?

Ny antony ipetrahan’ny fanontaniana dia betsaka ihany ny olona mitondra ny anarana hoe Rabetsitonta hita tao amin’ny fandaharan’ny fahitalavitra Viva. Farafaharatsiny aloha ireo samy mitondra ny anarana Rabetsitonta ireo samy mpihavana fa ny hoe havan’ilay “Tsy lahatra akory ny fahantrana” aloha dia tsy haiko.

Raha tsy diso aho, toa nomen’ny Filoham-pirenena toerana Loholona ingahy Tovonanahary Rabetsitonta io, amin’ilay 11 tendrena. Ny Grad Iloafo dia voalaza fa mitsipaka ankitsirano ny fanakatonana ny Viva TV na dia isan’ny mpomba ny fitondrana aza, izay fanapahan-kevitra heverin’izy ireo fa fanararaotam-pahefana tsy azo lavina.

Tsetsatsetsa tsy aritra: nanao top 8 an’ireo fahitalavitra azo eto Antananarivo i elman ao amin’i Madanight tamin’ny volana martsa 2008, ary voakilasy ho voalohany tamin’izany i Viva TV. Mitady hiombon-kevitra ihany aho izao mikatona izao ny Viva fa mahatsapa fahabangana ihany.

Farany, ny lafy tsaran’ity fanakatonana ity aloha dia mba tsy miady télécommande amin’i Smiley isa-maraina, ary tsy mihafy mihaino an’ity dessin animé Dora l’exploratrice ity intsony.

Tuesday, December 16, 2008

Raha toa moa ka … teny maloto (2)

Nanontany i Tomavana hoe sao lalàna taloha hono no notantaraiko momba ilay resaka miombona dôty, fa ahoana i boay kely no voalako nefa tsy niombona dôty tamin-dRamose akory? Io fanontaniana io no nanosika ahy hanohy ilay fampianarana momba ny teny maloto, ka nahatonga ity lahatsoratra androany ity izay mitondra ny lohateny hoe Raha toa moa ka … teny maloto 2. Raha mbola tsy nahavaky ilay andiany voalohany ianao dia amporisihina hamaky azy vetivety.

Mba hampazava ny toerana sy ny tranga ahafahana na tsia mampiasa teny maloto dia holazaiko mazava tsara eto izy ireo.

Ohatra, ilay resaka toko sy andininy dia tsy teny maloto mihitsy raha ao am-piangonana, na amin’ny samy mpivavaka no iresahana azy. Tsy mahagaga noho izany ny mahita ireo mpitondra fivavahana rehefa mahazo fitenenana ao am-piangonana raha mamoaka toko sy andininy tsy tambo isaina arak’izay tratrany. Sahala aminao ihany io rehefa misy zavatra andraràna anao, ka sendra misy toerana ahafahanao manao azy dia tena araraotinao tokoa.
Tandremo ihany anefa ilay hoe “amin’ny samy mpivavaka”. Io dia midika hoe mpivavaka mitovy fironan-kevitra, ohatra hoe samy katolika, na samy mitandrina ny andro fahafito, … Fa raha protestanta ianao no manome toko sy andininy amin’ny katolika milaza hoe tsy azo ivavahana i Maria dia tsy mety izay. Raha amin’ny Sabatista no amoahanao toko sy andininy hoe azo hanina ny henan-kisoa dia tsy azo atao izay.

Ny momba ilay miombona dôty indray izao. Any am-pianarana ny ankizy no miombona dôty. Ny ankizy samy ankizy ihany anefa no mahazo miombona dôty. Raha misy ankizy iray tratranao niteny maloto dia azonao lakoina izy raha miombona dôty aminao izy kanefa tsy niteny dôty. Raha tsy miombona dôty aminao izy dia tsy azonao lakoina (fa misy zavatra hafa azonao atao, izay holazaina etsy ambany). Raha nahateny dôty koa izy dia tsy azonao lakoina.
Voalaza teo fa ny ankizy samy ankizy no miombona dôty. Izany hoe Ramose dia tsy mba miombona dôty amin’ny boay kely. Nefa kosa amin’ny maha-Ramose azy dia zo sy adidiny ny milako sy manafay ny boay kely raha tratrany miteny maloto izy ireny, ary izy ihany no afaka mitsara na maloto na tsia ny teny izay reny. Amin’ny maha-Ramose azy dia tsy anjaran’ny boay kely mpianatra ny milaza na mety na tsia ny ataony, matoa ataony dia mety izany. Ary fantaro fa vao mainka teny maloto noho izay efa voalaza ny filazana fa miangatra i Ramose, ary ny hany vokatry ny fimenomenonana dia ny mety ho fitomboan’ny sazy azo.

Raha mpianatra namanao no tratranao miteny maloto dia tsy azonao lakoina izy raha tsy miombona dôty aminao. Fa ny azonao atao dia ny mitoroka azy amin’i Ramose dia anjaran-dRamose ny milako azy araka izay hita tetsy ambony.

Raha sendra misy ny tsy fahazakana ny fahasiahan-dRamose dia tsy azo atao ny be konetaka. Tsy azo atao ny mitoroka azy amin’ny Surveillant Général satria ny surveillant Général rahateo tsy handroaka azy ety anelanelan’ny taom-pampianarana ary tsy hanome rariny anao akory. Ny hany azo atao dia ny mianatra tsara, maniry ho lasa Ramose koa any aoriana dia mamaly faty manao masiaka amin’ny taranak’i Ramose.

Monday, December 15, 2008

Raha toa moa ka … teny maloto

Hatramin’izay fotoana elaela mba niseraserana tamin’ny internet izay dia nahitako fa misy voambolana vitsivitsy tsy dia mba faseho fa manohintohina ny hafa. Halahatro toy ny TOP 5 indray ireo voambolana ireo androany, dia anjaranao ny mitadidy hoe tsy azo hampiasaina izy ireo. Ny laharana fahadimy dia ilay voambolana tsy tokony haseho, nefa azo ihafihafiana ihany, fa ny laharana voalohany kosa dia tena fadin-drazana mihitsy.

Tsetsatsetsa tsy aritra fotsiny fa ny voambolana tena malagasy mahakasika ny fitaovam-pananahana sy ny firaisana ara-nofo dia tena tsy manohintohina na iza na iza ka azonao ampiasaina malalaka. Amporisihina aza ianao hampiely ireny voambolana tena malagasy ireny fa tsy mahamenatra izany.

5: Andevo: Mbola misy vitsivitsy tsy mahazaka io voambolana iray io. Misy olona vitsivitsy raha vao mandre an’io dia midika izay fa mpanavakava-bolonkoditra ilay olona nanonona na nanoratra an’io. Raha tsy te-ho voataky haba (taxé) amin’izany ianao dia aza manoratsoratra an’io.

4: Andriana: Avo folo heny amin’ny olona tsy mahatanty ilay voambolana teo amin’ny laharana fahadimy ny isan’ny olona tsy mahatanty ity voambolana iray ity. Ny vokatry ny fampiasana azy dia mitovy ihany: mpanavakava-bolonkoditra ianao matoa sahy miteny na manoratra an’io.

3: Toko sy andininy: Mba fantapantaro aloha ny olona iresahana vao mamoaka toko sy andininy ao amin’ny Baiboly sao mahita loza. Ny tena marina anefa, tsy ny toko sy andininy ihany no tsy zakan’ny olombelona sasany fa indraindray misy vao mandre hoe fivavahana, Jesoa na Kristy dia efa tena midona-tsetroka ny sofiny. Raha sendra ny olona sahala amin’izay ianao dia ataovy amin’ilay tononkiran’i SolomonaSamoela hoe: Tsy horesahiko politika na horesahiko fivavahana fa ho ampireveko THB mba ho soa ny fiarahana.

2: Merina / Côtier: Ny anaram-poko rehetra eto Madagasikara azonao lazaina na soratana daholo, na Betsileo na Betsimisaraka na Vezo na inona na inona, fa ny teny hoe Merina dia tena tsy azo lazaina mihitsy, raha tsy hoe hainao sy voatononao daholo angaha ireo foko 18 hafa. Raha manonona hoe Merina ianao nefa misy anaram-poko iray tsy fantatrao dia ianao izay no tena mpanavakava-piaviana hiringiriny indrindra!!! Ny fampiasàn’ny olona iray ny voambolana hoe Côtier dia midika fa amin’io olona io, ny foko Merina ihany no Merina fa ny foko hafa tsy misy Merina.

1: Didier Ratsiraka: Izay tratra manonona na manoratra an’io dia hakatona sy horaràna, amin’ny anaran’i …. Tsy maha-Ben’ny tanàna ny patron-nao io. Koa raha tsy tianao ny hamoaka erreur 404 ny blaoginao, fadio dia fadio. Efa misy toko sy andininy ao amin’ny lalàna mandrara ny fampiasàna an’io voambolana io ka tandremo tompoko, ary raha ilaina dia hahitana toko sy andininy handrara izany koa aza ao amin’ny Baiboly.

Saturday, December 13, 2008

Raha toa moa ka … anniversera

Joyeux anniversaire Monsieur le président. Niampy iray indray ny taona niainan’ny Filoham-pirenena Marc Ravalomanana ka dia miarahaba azy. Hadinony moa ny nanasa ny what-if tamin’ity indray maka ity, tsy omena tsiny izy fa fantatra kosa fa mieritreritra izay mahasoa ny tena izy, toy ny ieritreretany izay hahasoa ireo 19 tapitrisa hafa … Mirary anao ho tratry ny taona maro mitsingeringerina, sy hahefa be amin’ny asa tsara izay ataonao.

Herintaona izay no nahalany ho Ben’ny Tanàna an’Antananarhivo an’Andriamatoa Andry Rajoelina. Mirary anao hahavita be amin’ny asa fampandrosoana ny tanànan’Antananarhivo, sy hahatratra ny tanjona amin’ny fanatanterahana ny MAP (Miasa Am-Pitiavana). Handresy ny sakana rehetra anie ianao Mosé lé mera.

Herintaona androany i What-if. Herintaona toy izao no nanolorana voalohany ny fofompofon’ny rediredy hitranga ato dia niantomboka tamin’ilay hoe “Roulette russe”. Tadidinao ve? Happy birthday to me.

Friday, December 12, 2008

Raha toa moa ka … 366

Have a crush on the mayor’s wife admettre être raciste apokalypsa asio am’zay autre Andry Rajoelina blasphémer con selon elle dépression du Christ fucking mices guerre des gangsnavigateurs humour de Ravalomanana lasa i Rado lâcher un pet discrêtement mamangy amin’ny fahoriana miasa, miasa mafy, tsy miasa tsara moov doesn’t care mpitsara tsipelina ne pas comprendre à poil prédire la débâcle des Baréas se faire traiter d’irresponsable se moquer de Windows se moquer des innocents have a crush on the mayor’s wife

Monday, December 1, 2008

Raha toa moa ka … Karatra mena

Vao tsy ampy roapolo minitra no nidiran’i Guss sy Malalatiana tao amin’ilay trano fandihizana dia niangavy an’i Guss hanatitra azy any an-tranony ity vehivavy mpiara-miasa fa misy fanafody tokony hohaniny hono, ary tsy azo atao tara mihitsy ny ora fitelemana azy, kanefa adinony.

Sambany i Guss sendra tranga hanatitra vehivavy mpiara-miasa any an-tranony. Nazoto ihany izy fa ny eo amin’ny hoenti-manana no nanahirana satria lehilahy ny tena tokony hiantoka saran-dàlan’ny fiarakaretsaka kanefa ny faran’ny volana mbola afaka andro vitsivitsy vao ho avy, ny any am-paosy efa manify. Etsy andaniny anefa tsy sahy ny handà ity fiangaviana velively ka dia ilay fika mahazatra no itondrana azy: eo am-pandrasana mahita ny atiny.

Loza koa ity miseho milay, nosakanana ny fiarakaretsaka ary tonga dia niditra, tsy nanontany ny saran-dàlana na niady varotra, fa toy izany mantsy no fomban’ny jentilemanina hitany. Nasainy natoron’i Malalatiana fotsiny ny toerana misy ny tranony. Narary azy ny nandoa saran-dàlana sivy arivo ariary nefa raha ny halavitry ny naleha no tombanana, na dia hoe alina aza, efatra arivo raha betsaka raha niadiana varotra mialoha. Soa aza fa mba nisy iray alina tany am-paosy, ary mba nisy arivo fameriny handehanana bus miverina (raha mbola mahatratra).

Saingy ny tsy nampoizina dia, toa tsy ao anatin’ny kajikajin’i Malalatiana ity fiverenan’i Guss ity, hoe mila miala maimaika sao mba mahatratra betax ihany. Ny betax amin’ity toerana onenan’i Malalatiana misy hatramin’ny sivy alina ihany, ary tena mbola misy herijika hahitan’i Guss fiara hodiana raha tsy ela ny fanaterana an’i Malalatiana.

Teo am-bavahady i Guss dia saika hiverina fa i Malalatiana no tsy nety. Mba midira hoy izy na dia hisotro beksa fotsiny aza fa ialahy ve efa tsy afaka nandihy dia mbola hody maina ihany? Tsy sahy nandà ny anao lahy, sady manina beksa ihany koa ny tendany ka naleony nisafidy ny hanaiky hisotro, mba atao an-keviny hoe mitentina 9 arivo ity beksa hosotroina ao amin’i Malalatiana ity.

Nataony indray migoka ity labiera iray kanety dia saika hanao fialan’ny jiosy izy, saingy hafa kosa ny nandraisan’ilay tovovavy an’ilay fisotro indray mitelina teo. Aminy dia matin-ketaheta ilay tovolahy, na ao amin’ilay oui aminy ity karazana labiera naroso, koa dia nihodina toy ny tsy teo i Malalatiana naka tavoahangy iray hafa tao anaty vata fampangatsiahana, ary nanolotra izany an’i Guss.
- Aoka izay fa misaotra akia, hoy izy niezaka ny handà.
- Ianao koa, ny labiera ange ananako be dia be e! Aza mihafahafa fa tsy misy olana. Ny ahy mantsy, io no mba namako manala fahanginana ahy ato dia fenoiko an’io mihitsy ato an-trano. Sady fantatro fa tena amin’ilay tianao izy ity. Tonga dia nesorin’i Malalatiana ilay kapsily ary sahala amin’ny atohony eo amin’i molotr’i Guss mihitsy ilay vavan-tavoahangy.
- Sao dia mamo aty an-tranon’olona moa fa …
- Ssss, aza mampihomehy leisy ry Guss a! Izay ve dia hahamamo?
Nihemotra i Guss, nitady varavarana ny tongony sy ny sainy. Raha vao manomboka an’io tavoahangy io mantsy izy, dia ho sarotra ny hiala eo raha tsy lany iny, ary azo inoana fa tsy hahatratra betax farany intsony. Ny handeha an-tongotra toa mampatahotra ihany amin’izao tany efa tsy milamina intsony izao, ny am-paosy anefa tsy haharaka fiara karetsaka, ary ny tena tsy ho sahy hangataka na hindrana amin’ity tovovavy.
Efa teo am-baravaravana izy, mitodika manatrika an’i Malalatiana, ny tanany ilany manakatra ny famohana, ny ilany atolony hanao veloma.

- Mbola tsy nahita olona mataho-behivavy sahala amin’ialahy aho ry Guss, hoy i Malalatiana nivantam-piteny, tsy niraharaha akory ity tànana natolotra azy. Angamba ialahy io mbola virijiny matoa manao fihetsika ohatr’izao?

Tsy namaly i Guss, toa tena tsy azony izay tian’i Malalatiana holazaina. Sahala amin’ny zaza herintaona nosesefam-bomanga izy nandre izay tenin’i Malalatiana farany izay. Tsy azony mihitsy ny idiran’izany amin’izany.

Nihodina i Malalatiana, nankeo anelanelan’i Guss sy ilay varavarana, ary indro navoakany avy any am-paosim-patalohany aoriana any, taratasy kely. Sahala amin’ireny mpitsara baolina kitra mamoaka karatra mavo na karatra mena ireny ny namoahany azy ho eo anoloan’ny tarehin’i Guss, saingy tsy misy an’ilay soratra hoe “Aok’aloha” irony ilay izy, ary tsy miloko mena fa miloko fotsy, fotsy madio tsy misy soratra na pentina.

- Inona no dikan’ity? hoy I Guss, toa vava tsy tàna akory izay fanontaniana izay.
- Carte blanche ity, hoy i Malalatiana namaly matotra. Mahazo carte blanche ialahy hanao izay tian’ialahy hatao amiko.

Tuesday, November 25, 2008

Et si … j’ai cessé d’avoir des rêves.

Efa namoaka lahatsoratra aho teo kay aho voatondro tatsy ambadika dia mba manoratra indray ny fahitako an’i aAfrika. Isaorana i kdaomba manadala ahy lol.

Je n’ai pas encore blogué sur l’Afrique, et je n’en avais pas du tout envie, mais ce sournois de Jentilisa m’a tagué et … mais c’est une blague?

Afrika dia kaontinanta anisan’ny niangaran’Andriamanitra satria dia ao aminy no misy ny harena be tsy hita nonoanoanoa eo @ harena an-kibony nyan-kibon’ny tany. Kanefa dia mbola mahatramahantra ara-toetsaina izy satria misy ireo olona hafa tsy mitovy loko aminy izay fetsy sy mpampiady angely etsy sy eroa ka rotiky ny ady sy ny korotanakorontana i Afrika. Ary sokajin’ireosokajian’ireo fetsy ireo ho sarangan’olona ambany izy satria dia havahana mihitsy izy raha eo @ lafinalafiny volokoditravolon-koditra. Raha samy misy olona tratra miklandy ohatra any eropa dia ny afrikanina ihany no tena lazaina sy dradraina lava @ haino aman-jery na samy misy eropeanina tatsinanatatsinanana sy aziatika aza samy tratra ao.

L’Afrique est un continent — et non un pays –. C’est le continent le plus pauvre du globe, Dieu a vraiment donné pour qu’elle soit un continent riche mais, Balitte ne serait pas chanceux. Certes, c’est un continent qui abonde de ces futilités qu’on appelle “pierres précieuses”, mais ces futilités ne sont pas comestibles et ces futilités ne peuvent pas être exploitées pour devenir de l’énergie. Mais, ce foutu continent n’a pas la vraie richesse: celle du roi Solomon, la sagesse et la richesse intellectuelle. L’africain croit que s’il est pauvre, c’est par la faute de l’autre, toujours, de ces rusés de renards. Il croit qu’on le maltraite, qu’on l’accuse à tort?

Tsy atao mahagaga izany satria tsy maintsy hifandimby hanana ny heriny ireo lokom-bolokoditralokom-bolon-koditra rehetra ireo. Efa madiva hifarana ity ny herin’ny fotsy ka hirona any @ mavo indray izao ny hery izay hinonainoana marimarina fa karazana tetezamita hanampy ny mainty hoditra hiakatra sy haka ny toerana tokony hisy azy.

Son utopie, qu’un jour ou l’autre, il aura la revanche et aura, comme par magie, une vie meilleure que son oppresseur actuel. Que grâce à la magie, et à sa couleur, cela arrivera, et il lui suffit d’attendre. Je ne sais pas quel age elle a, l’Afrique, mais à son âge, les autres n’ont plus cru à la magie. Les autres ont agi. Les autres se sont surpassés. Le Messie est déjà passé, maintenant, l’Afrique attend Paul.

I Barack Obama moa no tena pitik’afo nadrehatranandrehitra ny ambopo nyhambompon’ny afrikanina hitraka oehoe tokony havitahahavita zavatra ny mainty rehefa tena hanao. Santionany io fa maro ireo safiotra sy mainty hoditra no manam-pahaizana sy kinga eo @ lafiny fanatanjahan-tena. Ireny olona ireny moa dia azo antoka fa taranaka afrikanina miely etsy sy eroa noho ny fivarotana andevo taloha. Ireto ohatra ny olona mainty mba fantatro anisanyanisan’ny malaza indrindra: Péle mpanjaka nympanjakan’ny baolina kitra, Tiger Woods, Lewis Hamilton, Ry Michael jJackson, Jordan …, Ry Venus sy Serena… ireo aloha no tsarokotsaroako fa mbola betsaka fa tsy ary ho voatanisako eto avokoa. Ny tiako hatongavanahahatongavana fotsiny dia ity oe!, hoe: tsy latsan-danjalatsa-danja @ hafa akory i afrika fa manana ny maha izy azy.

Si la malédiction existe, je crois que les Africains sont maudits de ne pas réussir tant qu’ils sont Africains. Si un ancien Africain a réussi à briller, c’est souvent quand il a cessé d’être Africain et est devenu Américain; il y en a d’exemples: Barack Obama, Pele, Tiger Woods, Lewis Hamilton, Michael Jackson, Venus et Serena Williams, … Et je vous le dis, quand l’Africain lambda voit l’un des anciens leurs atteindre le top comme ça, ils prennent cela pour un signe que leur tour arrivera très bientôt. Je suis d’accord avec Barijaona: Barack Obama se doit de botter les fesses à tous ceux qui croient qu’il est le Messie (ou le Paul) tant attendu.

Raha te hiala @ izao fahatranafahantrana misy azy izao i aAfrika dia tokony hahay hifandamina aloha ny firenena tsirairay sy ireo mponina eo aminy. Izany dia tsy ezaka ho azo rampitso dia rampitsorahampitso dia rahampitso akory fa mety mbola taonjato maro any aorinaaoriana any vao ho tratra satria mila adinoin’ireo taranaka ho avy aloha ny tontolo misy azy izao vao mioronamiorina tsara ny fitiavan-tanindrazana hipoitra ao anatiny ao.

NinikoNiniako natao toy izao ity lahatsoratra ity satria isika afrikaninaAfrikanina mantsy dia fatratra @ fitanisana ny lasa ka manetretramanetsetra ny fiainana taloha izay efa tsy ho diavina intsony fa efa nivalona ho tantara sisa fa tokony hahay himbajinahibanjina ny ho avy sy hanao tomban’ezaka sy hanisy tanjona tsaratsara kokoa mihoatranymihoatra ny anio. Fehiny dia fanirikofaniriako tokoa raha ny aAfrikanina no hanoritra ny ho aviny sy izay mety sy tsara ho azy fa tsy ny firenena hafa akory. Mbola maro ny torapo tiako soratanahosoratana ka aleo aloha faranana eto ny anio.

Africa, if you want to success, please stop dreaming, stop having a DREAM. ACT. NOW.

Mais avant, dépenses tout en argent pour acheter de la sagesse et de l’intelligence.

Nadika tsy nahazo alàlana avy tao amin’ny blaogin’i news2dago.

Monday, November 24, 2008

Raha toa moa ka … fika milay sa fika masiso?

  • Comment enferme-t-on un girafe dans un frigo en 4 mouvements?
  • Qu’est-ce qui est rouge et qui passe à travers les murs?
  • Qu’est-ce qui est rouge et qui ne passe pas à travers les murs?
  • Qu’est-ce qui fait 999 fois TIC et une fois TOC?
  • Pourquoi les oiseaux volent-ils vers le sud?

Fika milay.

Ny gaufrette TURBO dia gaufrette malagasy iray, izany hoe orinasa malagasy no mamokatra azy. Ariary zato ny vidiny ary ny tsirony aloha dia tian’i Smiley tsara satria dia io foana no vidiana ho azy, ary rehefa anontaniana aza izy hoe inona no goûter tian-dria dia matetika no mamaly hoe Turbo. Asa na misy ifandraisany amin’i Francis Turbo mpanao hatsikana na tsia, mety tsy misy ifandraisany ka, fa dia misy ankamantatra mananihany amin’ny fiteny frantsay amin’ny fonon’io gaufrette io. Ireo napetrako eo aloha ireo ny sombintsombiny amin’izany ankamantatra izany, ary ny valin’ny ankamantatra dia ao amin’ilay fonona gaufrette ihany rehefa sokafana ilay mihorona kely iny. Fika milay ilay misarika kill amin’ny zavatra toy ireny, ary satria moa vokatra vita gasy ilay izy sady humouristique ilay ankamantatra dia anaovako dokambarotra maimaimpoana eto amin’ny blaogiko mihitsy, koa raha te hahafantatra ny valin’ireo ankamantatra eo ambony ireo ianao dia … mba mividiana (na mampividiana, ho an’izay mipetraka any andafy).

Fika masiso.

Ny an’ny orinasa Zain kosa indray dia izao no nataony. Namoaka tamin’ny dokambarotra izy fa hoe manomboka ny 15 novambra hatramin’ny 14 desambra, mampidira fahana 5.000 Ariary, antsoy ny 636, dia mahazo miantso tsy an-kiato ny laharana Zain maimaim-poana, amin’ny 6 ora maraina hatramin’ny 6 ora hariva. Dia roboka tokoa ary Ramalagasy mampiditra 5.000 Ar dia miantso ny 636, dia manantena hoe tafiditra amin’ity tolotra Zain illimité, ka dia ho afaka miantso laharana Zain amin’ny sandany 0 ariary. Eny tokoa, saingy samy hafa ny famakin’ny mpanjifa sy ny mpanolotra ilay dokambarotra. Ny an’i Zain dia hoe ny andro ampidirana ilay fahana 5.000 Ariary ihany no manankery ny tolotra, izany hoe raha amin’ny 8 ora maraina ianao no miantso ny 636, dia kaofiny ao aloha ny 5.000 Ariary, dia afaka miantso laharana Zain maimaim-poana ianao iny andro iny hatramin’ny 6 ora hariva, fa rahampitso dia andro hafa indray, tsy maimaimpoana intsony. Hay ireto Gasy nanandrana an’ilay fika masiso nieritreritra hoe hatramin’ny desambra mbola ho maimaim-poana foana ny antso.

Fika milay sa fika masiso?

Namaky ny ady amin’ny orinasa MAGRO sy ny tompony ny mpitantana ny orinasa Savonnerie Tropicale fa hoe tsy manampy azy hono ito farany fa vao mainka mandentika aza. Efa notaterin’i Jentilisa ihany aloha ny momba ilay antso tao amina onjam-peo iray izay nanehoany ny fika hanakianana ny mpitondra, fa tsy nahomby angamba ilay fika na fanokafam-bavony amin’ny ady hovakiana mihitsy ilay fika iray iny. Tamin’ny herinandro ambony teo tokoa dia namory mpanao gazety ny Savonnerie Tropicale nilazany ny tsy rariny mihatra aminy, ny dingana efa vitany ho an’ny firenena sy ny orinasa malagasy, ary nomarihiny fa izy dia anisan’ny nanampy ny vondrona Tiko tamin’ny fotoan’androny. Hatramin’izao aloha mbola tsy nisy nilaza ho be koretaka ireto Savonnerie Tropicale ireto, ary izaho tsy dia mahay manakilasy eto na fika milay na fika masiso ity mamely mpitondra ity. Andrasana dia ho hita izay tohiny …

Raha sanatria ka fika masiso ilay izy dia … ny savony betsaka hanadiovana. Mba fantatrareo moa fa ny voambolana hoe fika dia entina hilazana ny fivaviana ihany koa indraindray?

Friday, November 14, 2008

Et si … c’est une idée de génie.

Un certain musulman veut une nouvelle femme beaucoup plus robuste, plus apte à le soutenir dans ses déplacements à l’étranger, car sa femme préférée actuelle est trop lente et ne lui donne pas le confort et le plaisir du voyage qu’il espère, eh bien, je trouve ça une idée de génie. Parce que les musulmans sont riches (ils ont le pétrole et beaucoup de femmes et enfants aussi riches que lui) et qu’il a les moyens, c’est une idée géniale. Ça ne lui coûtera pas les yeux de la tête d’entretenir une nouvelle femme. De plus, puisque l’actuelle femme favorite n’est pas mécontente, alors, vous, fermez-là, c’est pas vos oignons qu’il ait une autre chouchou.

Avis aux musulmans: je ne suis pas musulman et j’espère que parler d’un musulman ne vous choque pas. Je parle de musulman ici car les musulmans peuvent avoir plus d’une femme, contrairement à nous, pauvre chrétiens. Sur ce point, on vous envie. Et j’aime les musulmans.

Fin de l’interlude, début de l’histoire.

Un pauvre arabe, assoiffé, marchait dans le désert. Sa gourde est à sec, et depuis 2 heures. Pas l’ombre d’un oasis à l’horizon, même pas un petit mirage pour se bercer d’illusion. Tout-à-coup, il voit un vase par terre.

- Tiens, je vois un vase par terre, se dit-il. Peut-être qu’il y a de l’eau dedans.

Il frotte un peu le couvercle, et tout-à-coup, un génie sort du récipient et se prosterne devant lui.

  • Ô maitre, dit le Génie, merci de m’avoir libéré. Pour te récompenser, je t’accorde un vœu.
  • Mais les autres, ils ont eu droit à 3 vœux? se plaint l’arable.
  • Oui, leurs génies ont été emprisonnés dans un vase depuis 1000 ans, mais moi, je n’étais emprisonné que pendant 333 ans et 4 mois.

L’arabe réfléchit, si je demande de l’eau, je n’aurai plus droit à autre chose. Si je demande de la richesse ou bien de l’argent, qui pourrait vendre de l’eau dans ce désert?

Et puis, il a trouvé une idée géniale.

  • Je veux qu’on me donne vingt millions d’euros dans un bon resto à Paris, dit-il, en pensant qu’ainsi, il aurait et la richesse et des boissons à gogo.
  • Exaucé, fit le génie en disparaissant.

Et notre arabe se voit téléporté à Paris, sur son trente-et-un, dans un bon resto frais. Un homme plein de moustache, avec des lunettes toutes noires et fumant un gros cigare, lui tend un mallette.
- 20 millions, sire, s’exclama-t-il, puis il part aussitôt.

L’arabe ouvre la mallette et vois des tas de billets de 100 euros, avec les numéros qui ne se suivent pas. Et pendant qu’il admire ces billets, un flic le menotte, s’empare de la mallette et pointe son arme sur la tempe de l’arabe, en s’exclamant: Pris en flagrant délit de transfert d’argent sale. Vous resterez au trou pour le restant de vos jours, cher ami.

Fin de l’histoire .

Pour ceux qui sont durs de la comprenette, les génies exaucent les vœux textuellement, mais cela entraîne un dégât plus important pour celui qui fait les vœux. Du genre, vous demandez 20 millions d’euros, votre père meurt et vous héritez de 20 millions.

La morale de l’histoire, c’est que si un jour, on vous dit que vous aviez eu une idée de génie ou une idée géniale, pensez-y à trois fois avant de conclure qu’il s’agit vraiment d’un compliment. Mesdames et messieurs, Faîtes vos vœux, rien ne va plus. (Pour ceux qui veulent que l’histoire continue: lire cette blague).

Wednesday, November 12, 2008

Raha toa moa ka … Miasà, miasà mafy, miasà tsara.

Mba fantatrareo ve ny nanovan’ny ankizy ilay hira hoe “Sahia”, filamatry ny Filoha Ravalomanana iny?

Ka sahia, andeha hiara-dia, aza kanosa fa avia
Ravalomanana no hitondra sipa, ka mandroso no toromarika.

Fa resaka famaritana ny atao hoe miasa no horesahiko eto anio. Nisy nanontany aho mantsy indray andro momba ilay motto-ko hoe “Work hard at whatever you do!”. Ny enti-milaza hoe “Miasa” dia manana dikany maromaro arakaraka ny teny ampiarahina aminy.

Miasa
Rehefa tonga ao am-piasana ka velona ny ordinatera, ary eo amin’ny clavier na ny souris ny maso, dia izay no atao hoe miasa. Tsy ilaina hofantarina izay ao amin’ny écran ao na WebMail na Sudoku na Facebook na Pacman na Solitaire na zavatra hafa, asa daholo ireny.
Miasa tsara
Rehefa Miasa, ka tsy WebMail na Sudoku na Facebook na Pacman na Solitaire, na ny toy izay no eo amin’ny écran eo.
Miasa mafy
Rehefa Miasa, ka tsy mahita afa-tsy ny écran, ary tsy mandre izay manodidina anao eo. Na dia hoe may aza ny trano ka miolomay mivoaka ny olona rehetra, ianao irery kosa ho tavela eo miaraka amin’izay “asa” ataonao, dia izay ilay miasa mafy.
Miasa miaraka
Rehefa Miasa, ka tsaty (Chat) no fenêtre active eo, dia izay ilay hoe miasa miaraka. Anisan’ny miasa miaraka ihany koa ilay mi-jeu ka miezaka manindry ny score vitan’ilay namana mpifaninana iray.
Miasa maharitra
Amin’ny valo alina mbola Miasa foana, nefa tokony amin’ny 5 ora sy sasany no mody. Odiana tsy heno ilay finday mibipy milaza hoe “Modia am’zay” fa … asa tokony ho vita anio ve dia hiverenana rahampitso?
Miasa betsaka
Rehefa misy fenêtres mihoatra ny 5 arahi-maso eo amin’ny ordinatera, mila asesisesy tsirairay ary matetitetika.
Tsy miasa
Tsy dia fahita firy amin’ny voambolan’ny mpampiasa ordinatera, fa rehefa tapaka ny herin’aratra mba mi-chôme ihany izy.