Tuesday, December 16, 2008

Raha toa moa ka … teny maloto (2)

Nanontany i Tomavana hoe sao lalàna taloha hono no notantaraiko momba ilay resaka miombona dôty, fa ahoana i boay kely no voalako nefa tsy niombona dôty tamin-dRamose akory? Io fanontaniana io no nanosika ahy hanohy ilay fampianarana momba ny teny maloto, ka nahatonga ity lahatsoratra androany ity izay mitondra ny lohateny hoe Raha toa moa ka … teny maloto 2. Raha mbola tsy nahavaky ilay andiany voalohany ianao dia amporisihina hamaky azy vetivety.

Mba hampazava ny toerana sy ny tranga ahafahana na tsia mampiasa teny maloto dia holazaiko mazava tsara eto izy ireo.

Ohatra, ilay resaka toko sy andininy dia tsy teny maloto mihitsy raha ao am-piangonana, na amin’ny samy mpivavaka no iresahana azy. Tsy mahagaga noho izany ny mahita ireo mpitondra fivavahana rehefa mahazo fitenenana ao am-piangonana raha mamoaka toko sy andininy tsy tambo isaina arak’izay tratrany. Sahala aminao ihany io rehefa misy zavatra andraràna anao, ka sendra misy toerana ahafahanao manao azy dia tena araraotinao tokoa.
Tandremo ihany anefa ilay hoe “amin’ny samy mpivavaka”. Io dia midika hoe mpivavaka mitovy fironan-kevitra, ohatra hoe samy katolika, na samy mitandrina ny andro fahafito, … Fa raha protestanta ianao no manome toko sy andininy amin’ny katolika milaza hoe tsy azo ivavahana i Maria dia tsy mety izay. Raha amin’ny Sabatista no amoahanao toko sy andininy hoe azo hanina ny henan-kisoa dia tsy azo atao izay.

Ny momba ilay miombona dôty indray izao. Any am-pianarana ny ankizy no miombona dôty. Ny ankizy samy ankizy ihany anefa no mahazo miombona dôty. Raha misy ankizy iray tratranao niteny maloto dia azonao lakoina izy raha miombona dôty aminao izy kanefa tsy niteny dôty. Raha tsy miombona dôty aminao izy dia tsy azonao lakoina (fa misy zavatra hafa azonao atao, izay holazaina etsy ambany). Raha nahateny dôty koa izy dia tsy azonao lakoina.
Voalaza teo fa ny ankizy samy ankizy no miombona dôty. Izany hoe Ramose dia tsy mba miombona dôty amin’ny boay kely. Nefa kosa amin’ny maha-Ramose azy dia zo sy adidiny ny milako sy manafay ny boay kely raha tratrany miteny maloto izy ireny, ary izy ihany no afaka mitsara na maloto na tsia ny teny izay reny. Amin’ny maha-Ramose azy dia tsy anjaran’ny boay kely mpianatra ny milaza na mety na tsia ny ataony, matoa ataony dia mety izany. Ary fantaro fa vao mainka teny maloto noho izay efa voalaza ny filazana fa miangatra i Ramose, ary ny hany vokatry ny fimenomenonana dia ny mety ho fitomboan’ny sazy azo.

Raha mpianatra namanao no tratranao miteny maloto dia tsy azonao lakoina izy raha tsy miombona dôty aminao. Fa ny azonao atao dia ny mitoroka azy amin’i Ramose dia anjaran-dRamose ny milako azy araka izay hita tetsy ambony.

Raha sendra misy ny tsy fahazakana ny fahasiahan-dRamose dia tsy azo atao ny be konetaka. Tsy azo atao ny mitoroka azy amin’ny Surveillant Général satria ny surveillant Général rahateo tsy handroaka azy ety anelanelan’ny taom-pampianarana ary tsy hanome rariny anao akory. Ny hany azo atao dia ny mianatra tsara, maniry ho lasa Ramose koa any aoriana dia mamaly faty manao masiaka amin’ny taranak’i Ramose.

  1. tomavana

    Tuesday, December 16, 2008 - 11:45:18

    Mazava ! Izay vao azoko fa misaotra. Ka ianao anie tsy tonga dia nitsotra hoe sekoly tamin’ny taona 1960 ilay modely e !

    Ankehitriny raha mahakasi-tanàna ny zanaky ny sasany any an-tsekoly ianao … ny maha-ramose anao dia tsy ampy velively ho fiarovana ny asanao … na ny ainao akory aza.

  2. Rajiosy

    Saturday, January 17, 2009 - 14:51:08

    ary izao vao tsaroako tokoa ilay resaka dôty ity !
    izay izany no maha-dôty-emze anao knou

  3. ikalamako

    Friday, January 23, 2009 - 02:58:39

    sady dôty tsisy kadò tsisy n’inn n’inn an !

  4. pissoa

    Friday, January 30, 2009 - 16:30:51

    too bad we are not in primary school :))

    fanitsiana kely: azo ataony mitondra toko sy andininy amin’ny katolika hoe tsy azo hivavahana i Masina Maria ka ! Ny Katolika betsaka mahafantatra an’izany, mety omeny tehaka kely ianao fa mahay lesona hi hi hi

Add comment

Fill out the form below to add your own comments

User data





Add your comment