Wednesday, December 17, 2008

Raha toa moa ka … havan’iza Rabetsitonta?

Ny anarana hono tanim-boanjo, saingy misy kosa anarana tsy tanim-boanjo fa rehefa maheno patrônyma iray ianao dia midika hoe havan’i anona izany. Ohatra ny hoe Nirhy-Lanto. Original ilay anarana dia raha vao original toy io ny fanoratra azy dia fantatra hoe havan-dry Nirhy-Lanto iny izany. Sahala amin’izany koa angamba ny anarana hoe Ratsiraka (dôty). Moa ve raha vao mandre hoe Ratsiraka tsy havan’ilay Filoha teo aloha izay? Sa mety misy mitondra io anarana io fa tsy taovany tsy volovolony?

Ary ny hoe Rabetsitonta? Havan’ilay kandidà ho Filoha hoe Tovonanahary Rabetsitonta koa ve izay mitondra anarana hoe Rabetsitonta sa tanim-boanjo io?

Ny antony ipetrahan’ny fanontaniana dia betsaka ihany ny olona mitondra ny anarana hoe Rabetsitonta hita tao amin’ny fandaharan’ny fahitalavitra Viva. Farafaharatsiny aloha ireo samy mitondra ny anarana Rabetsitonta ireo samy mpihavana fa ny hoe havan’ilay “Tsy lahatra akory ny fahantrana” aloha dia tsy haiko.

Raha tsy diso aho, toa nomen’ny Filoham-pirenena toerana Loholona ingahy Tovonanahary Rabetsitonta io, amin’ilay 11 tendrena. Ny Grad Iloafo dia voalaza fa mitsipaka ankitsirano ny fanakatonana ny Viva TV na dia isan’ny mpomba ny fitondrana aza, izay fanapahan-kevitra heverin’izy ireo fa fanararaotam-pahefana tsy azo lavina.

Tsetsatsetsa tsy aritra: nanao top 8 an’ireo fahitalavitra azo eto Antananarivo i elman ao amin’i Madanight tamin’ny volana martsa 2008, ary voakilasy ho voalohany tamin’izany i Viva TV. Mitady hiombon-kevitra ihany aho izao mikatona izao ny Viva fa mahatsapa fahabangana ihany.

Farany, ny lafy tsaran’ity fanakatonana ity aloha dia mba tsy miady télécommande amin’i Smiley isa-maraina, ary tsy mihafy mihaino an’ity dessin animé Dora l’exploratrice ity intsony.