Wednesday, December 17, 2008

Raha toa moa ka … havan’iza Rabetsitonta?

Ny anarana hono tanim-boanjo, saingy misy kosa anarana tsy tanim-boanjo fa rehefa maheno patrônyma iray ianao dia midika hoe havan’i anona izany. Ohatra ny hoe Nirhy-Lanto. Original ilay anarana dia raha vao original toy io ny fanoratra azy dia fantatra hoe havan-dry Nirhy-Lanto iny izany. Sahala amin’izany koa angamba ny anarana hoe Ratsiraka (dôty). Moa ve raha vao mandre hoe Ratsiraka tsy havan’ilay Filoha teo aloha izay? Sa mety misy mitondra io anarana io fa tsy taovany tsy volovolony?

Ary ny hoe Rabetsitonta? Havan’ilay kandidà ho Filoha hoe Tovonanahary Rabetsitonta koa ve izay mitondra anarana hoe Rabetsitonta sa tanim-boanjo io?

Ny antony ipetrahan’ny fanontaniana dia betsaka ihany ny olona mitondra ny anarana hoe Rabetsitonta hita tao amin’ny fandaharan’ny fahitalavitra Viva. Farafaharatsiny aloha ireo samy mitondra ny anarana Rabetsitonta ireo samy mpihavana fa ny hoe havan’ilay “Tsy lahatra akory ny fahantrana” aloha dia tsy haiko.

Raha tsy diso aho, toa nomen’ny Filoham-pirenena toerana Loholona ingahy Tovonanahary Rabetsitonta io, amin’ilay 11 tendrena. Ny Grad Iloafo dia voalaza fa mitsipaka ankitsirano ny fanakatonana ny Viva TV na dia isan’ny mpomba ny fitondrana aza, izay fanapahan-kevitra heverin’izy ireo fa fanararaotam-pahefana tsy azo lavina.

Tsetsatsetsa tsy aritra: nanao top 8 an’ireo fahitalavitra azo eto Antananarivo i elman ao amin’i Madanight tamin’ny volana martsa 2008, ary voakilasy ho voalohany tamin’izany i Viva TV. Mitady hiombon-kevitra ihany aho izao mikatona izao ny Viva fa mahatsapa fahabangana ihany.

Farany, ny lafy tsaran’ity fanakatonana ity aloha dia mba tsy miady télécommande amin’i Smiley isa-maraina, ary tsy mihafy mihaino an’ity dessin animé Dora l’exploratrice ity intsony.

Tuesday, December 16, 2008

Raha toa moa ka … teny maloto (2)

Nanontany i Tomavana hoe sao lalàna taloha hono no notantaraiko momba ilay resaka miombona dôty, fa ahoana i boay kely no voalako nefa tsy niombona dôty tamin-dRamose akory? Io fanontaniana io no nanosika ahy hanohy ilay fampianarana momba ny teny maloto, ka nahatonga ity lahatsoratra androany ity izay mitondra ny lohateny hoe Raha toa moa ka … teny maloto 2. Raha mbola tsy nahavaky ilay andiany voalohany ianao dia amporisihina hamaky azy vetivety.

Mba hampazava ny toerana sy ny tranga ahafahana na tsia mampiasa teny maloto dia holazaiko mazava tsara eto izy ireo.

Ohatra, ilay resaka toko sy andininy dia tsy teny maloto mihitsy raha ao am-piangonana, na amin’ny samy mpivavaka no iresahana azy. Tsy mahagaga noho izany ny mahita ireo mpitondra fivavahana rehefa mahazo fitenenana ao am-piangonana raha mamoaka toko sy andininy tsy tambo isaina arak’izay tratrany. Sahala aminao ihany io rehefa misy zavatra andraràna anao, ka sendra misy toerana ahafahanao manao azy dia tena araraotinao tokoa.
Tandremo ihany anefa ilay hoe “amin’ny samy mpivavaka”. Io dia midika hoe mpivavaka mitovy fironan-kevitra, ohatra hoe samy katolika, na samy mitandrina ny andro fahafito, … Fa raha protestanta ianao no manome toko sy andininy amin’ny katolika milaza hoe tsy azo ivavahana i Maria dia tsy mety izay. Raha amin’ny Sabatista no amoahanao toko sy andininy hoe azo hanina ny henan-kisoa dia tsy azo atao izay.

Ny momba ilay miombona dôty indray izao. Any am-pianarana ny ankizy no miombona dôty. Ny ankizy samy ankizy ihany anefa no mahazo miombona dôty. Raha misy ankizy iray tratranao niteny maloto dia azonao lakoina izy raha miombona dôty aminao izy kanefa tsy niteny dôty. Raha tsy miombona dôty aminao izy dia tsy azonao lakoina (fa misy zavatra hafa azonao atao, izay holazaina etsy ambany). Raha nahateny dôty koa izy dia tsy azonao lakoina.
Voalaza teo fa ny ankizy samy ankizy no miombona dôty. Izany hoe Ramose dia tsy mba miombona dôty amin’ny boay kely. Nefa kosa amin’ny maha-Ramose azy dia zo sy adidiny ny milako sy manafay ny boay kely raha tratrany miteny maloto izy ireny, ary izy ihany no afaka mitsara na maloto na tsia ny teny izay reny. Amin’ny maha-Ramose azy dia tsy anjaran’ny boay kely mpianatra ny milaza na mety na tsia ny ataony, matoa ataony dia mety izany. Ary fantaro fa vao mainka teny maloto noho izay efa voalaza ny filazana fa miangatra i Ramose, ary ny hany vokatry ny fimenomenonana dia ny mety ho fitomboan’ny sazy azo.

Raha mpianatra namanao no tratranao miteny maloto dia tsy azonao lakoina izy raha tsy miombona dôty aminao. Fa ny azonao atao dia ny mitoroka azy amin’i Ramose dia anjaran-dRamose ny milako azy araka izay hita tetsy ambony.

Raha sendra misy ny tsy fahazakana ny fahasiahan-dRamose dia tsy azo atao ny be konetaka. Tsy azo atao ny mitoroka azy amin’ny Surveillant Général satria ny surveillant Général rahateo tsy handroaka azy ety anelanelan’ny taom-pampianarana ary tsy hanome rariny anao akory. Ny hany azo atao dia ny mianatra tsara, maniry ho lasa Ramose koa any aoriana dia mamaly faty manao masiaka amin’ny taranak’i Ramose.

Monday, December 15, 2008

Raha toa moa ka … teny maloto

Hatramin’izay fotoana elaela mba niseraserana tamin’ny internet izay dia nahitako fa misy voambolana vitsivitsy tsy dia mba faseho fa manohintohina ny hafa. Halahatro toy ny TOP 5 indray ireo voambolana ireo androany, dia anjaranao ny mitadidy hoe tsy azo hampiasaina izy ireo. Ny laharana fahadimy dia ilay voambolana tsy tokony haseho, nefa azo ihafihafiana ihany, fa ny laharana voalohany kosa dia tena fadin-drazana mihitsy.

Tsetsatsetsa tsy aritra fotsiny fa ny voambolana tena malagasy mahakasika ny fitaovam-pananahana sy ny firaisana ara-nofo dia tena tsy manohintohina na iza na iza ka azonao ampiasaina malalaka. Amporisihina aza ianao hampiely ireny voambolana tena malagasy ireny fa tsy mahamenatra izany.

5: Andevo: Mbola misy vitsivitsy tsy mahazaka io voambolana iray io. Misy olona vitsivitsy raha vao mandre an’io dia midika izay fa mpanavakava-bolonkoditra ilay olona nanonona na nanoratra an’io. Raha tsy te-ho voataky haba (taxé) amin’izany ianao dia aza manoratsoratra an’io.

4: Andriana: Avo folo heny amin’ny olona tsy mahatanty ilay voambolana teo amin’ny laharana fahadimy ny isan’ny olona tsy mahatanty ity voambolana iray ity. Ny vokatry ny fampiasana azy dia mitovy ihany: mpanavakava-bolonkoditra ianao matoa sahy miteny na manoratra an’io.

3: Toko sy andininy: Mba fantapantaro aloha ny olona iresahana vao mamoaka toko sy andininy ao amin’ny Baiboly sao mahita loza. Ny tena marina anefa, tsy ny toko sy andininy ihany no tsy zakan’ny olombelona sasany fa indraindray misy vao mandre hoe fivavahana, Jesoa na Kristy dia efa tena midona-tsetroka ny sofiny. Raha sendra ny olona sahala amin’izay ianao dia ataovy amin’ilay tononkiran’i SolomonaSamoela hoe: Tsy horesahiko politika na horesahiko fivavahana fa ho ampireveko THB mba ho soa ny fiarahana.

2: Merina / Côtier: Ny anaram-poko rehetra eto Madagasikara azonao lazaina na soratana daholo, na Betsileo na Betsimisaraka na Vezo na inona na inona, fa ny teny hoe Merina dia tena tsy azo lazaina mihitsy, raha tsy hoe hainao sy voatononao daholo angaha ireo foko 18 hafa. Raha manonona hoe Merina ianao nefa misy anaram-poko iray tsy fantatrao dia ianao izay no tena mpanavakava-piaviana hiringiriny indrindra!!! Ny fampiasàn’ny olona iray ny voambolana hoe Côtier dia midika fa amin’io olona io, ny foko Merina ihany no Merina fa ny foko hafa tsy misy Merina.

1: Didier Ratsiraka: Izay tratra manonona na manoratra an’io dia hakatona sy horaràna, amin’ny anaran’i …. Tsy maha-Ben’ny tanàna ny patron-nao io. Koa raha tsy tianao ny hamoaka erreur 404 ny blaoginao, fadio dia fadio. Efa misy toko sy andininy ao amin’ny lalàna mandrara ny fampiasàna an’io voambolana io ka tandremo tompoko, ary raha ilaina dia hahitana toko sy andininy handrara izany koa aza ao amin’ny Baiboly.

Saturday, December 13, 2008

Raha toa moa ka … anniversera

Joyeux anniversaire Monsieur le président. Niampy iray indray ny taona niainan’ny Filoham-pirenena Marc Ravalomanana ka dia miarahaba azy. Hadinony moa ny nanasa ny what-if tamin’ity indray maka ity, tsy omena tsiny izy fa fantatra kosa fa mieritreritra izay mahasoa ny tena izy, toy ny ieritreretany izay hahasoa ireo 19 tapitrisa hafa … Mirary anao ho tratry ny taona maro mitsingeringerina, sy hahefa be amin’ny asa tsara izay ataonao.

Herintaona izay no nahalany ho Ben’ny Tanàna an’Antananarhivo an’Andriamatoa Andry Rajoelina. Mirary anao hahavita be amin’ny asa fampandrosoana ny tanànan’Antananarhivo, sy hahatratra ny tanjona amin’ny fanatanterahana ny MAP (Miasa Am-Pitiavana). Handresy ny sakana rehetra anie ianao Mosé lé mera.

Herintaona androany i What-if. Herintaona toy izao no nanolorana voalohany ny fofompofon’ny rediredy hitranga ato dia niantomboka tamin’ilay hoe “Roulette russe”. Tadidinao ve? Happy birthday to me.

Friday, December 12, 2008

Raha toa moa ka … 366

Have a crush on the mayor’s wife admettre être raciste apokalypsa asio am’zay autre Andry Rajoelina blasphémer con selon elle dépression du Christ fucking mices guerre des gangsnavigateurs humour de Ravalomanana lasa i Rado lâcher un pet discrêtement mamangy amin’ny fahoriana miasa, miasa mafy, tsy miasa tsara moov doesn’t care mpitsara tsipelina ne pas comprendre à poil prédire la débâcle des Baréas se faire traiter d’irresponsable se moquer de Windows se moquer des innocents have a crush on the mayor’s wife

Monday, December 1, 2008

Raha toa moa ka … Karatra mena

Vao tsy ampy roapolo minitra no nidiran’i Guss sy Malalatiana tao amin’ilay trano fandihizana dia niangavy an’i Guss hanatitra azy any an-tranony ity vehivavy mpiara-miasa fa misy fanafody tokony hohaniny hono, ary tsy azo atao tara mihitsy ny ora fitelemana azy, kanefa adinony.

Sambany i Guss sendra tranga hanatitra vehivavy mpiara-miasa any an-tranony. Nazoto ihany izy fa ny eo amin’ny hoenti-manana no nanahirana satria lehilahy ny tena tokony hiantoka saran-dàlan’ny fiarakaretsaka kanefa ny faran’ny volana mbola afaka andro vitsivitsy vao ho avy, ny any am-paosy efa manify. Etsy andaniny anefa tsy sahy ny handà ity fiangaviana velively ka dia ilay fika mahazatra no itondrana azy: eo am-pandrasana mahita ny atiny.

Loza koa ity miseho milay, nosakanana ny fiarakaretsaka ary tonga dia niditra, tsy nanontany ny saran-dàlana na niady varotra, fa toy izany mantsy no fomban’ny jentilemanina hitany. Nasainy natoron’i Malalatiana fotsiny ny toerana misy ny tranony. Narary azy ny nandoa saran-dàlana sivy arivo ariary nefa raha ny halavitry ny naleha no tombanana, na dia hoe alina aza, efatra arivo raha betsaka raha niadiana varotra mialoha. Soa aza fa mba nisy iray alina tany am-paosy, ary mba nisy arivo fameriny handehanana bus miverina (raha mbola mahatratra).

Saingy ny tsy nampoizina dia, toa tsy ao anatin’ny kajikajin’i Malalatiana ity fiverenan’i Guss ity, hoe mila miala maimaika sao mba mahatratra betax ihany. Ny betax amin’ity toerana onenan’i Malalatiana misy hatramin’ny sivy alina ihany, ary tena mbola misy herijika hahitan’i Guss fiara hodiana raha tsy ela ny fanaterana an’i Malalatiana.

Teo am-bavahady i Guss dia saika hiverina fa i Malalatiana no tsy nety. Mba midira hoy izy na dia hisotro beksa fotsiny aza fa ialahy ve efa tsy afaka nandihy dia mbola hody maina ihany? Tsy sahy nandà ny anao lahy, sady manina beksa ihany koa ny tendany ka naleony nisafidy ny hanaiky hisotro, mba atao an-keviny hoe mitentina 9 arivo ity beksa hosotroina ao amin’i Malalatiana ity.

Nataony indray migoka ity labiera iray kanety dia saika hanao fialan’ny jiosy izy, saingy hafa kosa ny nandraisan’ilay tovovavy an’ilay fisotro indray mitelina teo. Aminy dia matin-ketaheta ilay tovolahy, na ao amin’ilay oui aminy ity karazana labiera naroso, koa dia nihodina toy ny tsy teo i Malalatiana naka tavoahangy iray hafa tao anaty vata fampangatsiahana, ary nanolotra izany an’i Guss.
- Aoka izay fa misaotra akia, hoy izy niezaka ny handà.
- Ianao koa, ny labiera ange ananako be dia be e! Aza mihafahafa fa tsy misy olana. Ny ahy mantsy, io no mba namako manala fahanginana ahy ato dia fenoiko an’io mihitsy ato an-trano. Sady fantatro fa tena amin’ilay tianao izy ity. Tonga dia nesorin’i Malalatiana ilay kapsily ary sahala amin’ny atohony eo amin’i molotr’i Guss mihitsy ilay vavan-tavoahangy.
- Sao dia mamo aty an-tranon’olona moa fa …
- Ssss, aza mampihomehy leisy ry Guss a! Izay ve dia hahamamo?
Nihemotra i Guss, nitady varavarana ny tongony sy ny sainy. Raha vao manomboka an’io tavoahangy io mantsy izy, dia ho sarotra ny hiala eo raha tsy lany iny, ary azo inoana fa tsy hahatratra betax farany intsony. Ny handeha an-tongotra toa mampatahotra ihany amin’izao tany efa tsy milamina intsony izao, ny am-paosy anefa tsy haharaka fiara karetsaka, ary ny tena tsy ho sahy hangataka na hindrana amin’ity tovovavy.
Efa teo am-baravaravana izy, mitodika manatrika an’i Malalatiana, ny tanany ilany manakatra ny famohana, ny ilany atolony hanao veloma.

- Mbola tsy nahita olona mataho-behivavy sahala amin’ialahy aho ry Guss, hoy i Malalatiana nivantam-piteny, tsy niraharaha akory ity tànana natolotra azy. Angamba ialahy io mbola virijiny matoa manao fihetsika ohatr’izao?

Tsy namaly i Guss, toa tena tsy azony izay tian’i Malalatiana holazaina. Sahala amin’ny zaza herintaona nosesefam-bomanga izy nandre izay tenin’i Malalatiana farany izay. Tsy azony mihitsy ny idiran’izany amin’izany.

Nihodina i Malalatiana, nankeo anelanelan’i Guss sy ilay varavarana, ary indro navoakany avy any am-paosim-patalohany aoriana any, taratasy kely. Sahala amin’ireny mpitsara baolina kitra mamoaka karatra mavo na karatra mena ireny ny namoahany azy ho eo anoloan’ny tarehin’i Guss, saingy tsy misy an’ilay soratra hoe “Aok’aloha” irony ilay izy, ary tsy miloko mena fa miloko fotsy, fotsy madio tsy misy soratra na pentina.

- Inona no dikan’ity? hoy I Guss, toa vava tsy tàna akory izay fanontaniana izay.
- Carte blanche ity, hoy i Malalatiana namaly matotra. Mahazo carte blanche ialahy hanao izay tian’ialahy hatao amiko.