Wednesday, January 30, 2008
Raha toa moa ka … i Jentilisa ihany no Rajiosy?
Fa mba naninona ary no dia nisy olona 2 dia ny anankiray nifidy solonanarana hoe Jentilisa dia ny anankiray nisafidy ny hoe Rajiosy? Sa efa nifankafantatra mialoha tany sy ady efa tsy vita avy tany? Sa sao dia mba olona iray ihany izy anankiroa ireo? Toy ny maha-1 an’i George W. Bush sy i Tony Blair? Asa …
Namaky fanamarihana iray tao amin’ny blaogin’i Tattum aho indray andro. Mamaky, mamaky, dia resy lahatra aho hoe tena mba mipetrapetraka koa ny hevitr’izany ranamana izany. Mba lahy ary ve izy ity sa vavy fa raha vavy ity tena miady amin’ny piesiko mihitsy fa sady marina ny zavatra lazainy no mitovy amin’ny fomba fisainako rahateo. Namaky, namaky, voavaky hatramin’ny farany ilay fanamarihana, dia hijery an’ilay solonanarana amin’izay hoe solonanarana bandy sa sipa, fa ny an’i Tattum mantsy ny solonanarana miseho aorian’ny fanamarihana, hay … indrisy fa hay izaho ihany no nametraka an’ilay fanamarihana novakiako io.
Sunday, January 20, 2008
What if … mamalan-kira indray DontoMG
I’ve seen these blogs where the owner just writes a little phrase (written in the brand new SMS language) with some photos, sometimes a part of a lyric. I never understood what does all that mean.
I’ve read the VANF’s chronicles on L’express de Madagascar, and I never figured out what does mean “Mamalan-kira indray VANF”, but here is how I mamalan-kira.
It’s amazing how you can speak right to my heart
Without saying a word, you could light up the dark
Try as I may, I could never explain
What I hear when you don’t say a thing
The smile on your face lets me know that you’ll leave me
There’s a truth in your eyes saying you never need me
The touch of your hand says you’ll watch me, whenever I fall
You say it best, when you say nothing at all.
I will sing it at the Randrana Tena Tia’s MBS event. I hope you’ll send SMS to support me.
Friday, January 18, 2008
Raha toa moa ka … fongorina eto amin’ny serasera ity 3P, 3P ity?
Tsy zava-baovao akory ity resaka 3P ity fa aretina efa nahazo ny tranonkala hatry ny ela. Efa nisy ihany fanairana nataoko momba azy ity fony izy vao nahazo vahana teto amin’ny sehatra blaogy.com fa ankehitriny dia indro fa mamely mafy indray ilay fahavoazana.
Oay, saika adinoko, ny 3P resahiko eto dia Pills, Porns, Poker. Izany hoe ireo spam mandoto ny internet miezaka mivarotra fanafody amin’ny internet, na manaparitaka sehatra mamoafady na koa ny lalao fitadiavam-bola, fanariam-bola. Ny sehatra http://www.artiste-malgache.com izany dia tena mahonena mihitsy fa lasa sehatra manome vahana an’ireo mpanao spam ireo. Sehatra mizara GoogleJuice maimaim-poana tsy misy ohatra an’ity. Manala baraka ny mpanakanto malagasy raha toa ka hoe hijery sehatra mahakasika ny mpanakanto ny mpitsidika iray, kanjo varotra fanafody mampangeza sy mampihenjana no hitany ao?
Manana adiresy iray nisy nanoratra tamin’ny internet aho dia mahatonga spam eo amin’ny 3 isan’andro eo, dia nitaraina tamina namana mpiondana Linux noho ireo imailaka sasany tsy mankany amin’ny dossier spam, kanefa manao tolotra hivarotra viagra na fanafody hafa, mba hahasafononoka ny hasambaran’i Madama hono. Dia hoy ilay akama: Ireny spam ireny anie leisy mahafantatra hoe ny an’ialahy MicroSoft (Micro = madinika, Soft = malemilemy) ary tsy afa-po ny vadin’ialahy dia izay no andefasany an’ireny mail ireny fa jereo ny boîte mail-ko raha mahita offre toy ireny ialahy na iray aza. Nojerena ary ny boîte-n’i lehiry, io fa nisy spam iray, dia novakiana, dia spam mivarotra fanafody mampaharitra ela ny lalao no tao. Ny an’ialahy izany Linux ho’aho kanefa 5 segondra dia mamono tena.
Sunday, January 13, 2008
Raha toa moa ka … ekipa mora resena ny Elefantan’i Côte d’Ivoire?
Resaka baolina kitra indray. Mba ahoana ary ny tokinainan’ireto Barea-n’i Madagasikara ireny amin’ny hoavy, fa ny zandrikely toa mba mahavita zavatra ihany fa vao eo amin’ny sehatra senior dia tsy misy horaisina intsony? Misy ve ny mpandimby ary azo antenaina ve ry zalahy? Nahoana ary isika no nahabata ny Mondial Pupilles sy ny Cosafa U-20, kanefa raha vao resaka CAN dia tsy misy tokontaniny. Aiza ve ka La Réunion aza tsy resintsika ao anatin’ny 90 minitra?
Mba sendrasendra nijery ny valin-dalao tamin’ny CAN 2007, sokajy U-20 aho dia gaga nahita fa hay ity Côte d’Ivoire ity rehefa tsy misy Drogba dia sahala amin’ny Barea ihany?
http://rsssf.com/tablesa/afr-u20-07.html
Isika tamin’io fifanintsanana io, nandresy an’i Maorisy (efa saika tsy nandresy), dia avy eo resin’i Zambia mazava dia vita ny lalana. I Côte d’Ivoire rehefa nanilika mondialiste 2 (Angola sy Tunisie) dia nanao ahoana amin’izay tany amin’ny match de poule? Lalao 3, resy in-3, tsy nampidi-baolina na iray aza ary nidirana baolina 7. Ary ireo ekipa nifanandrina taminy dia tsy ireo ekipa eritreretina ho sangany aty Afrika amin’izao fotoana izao, fa ry Congo Brazzaville (izay nibata ny fandresena farany), Gambie ary Burkina Faso.
Inona no azo tsoahina amin’izany? Misy fiovana ny tontolon’ny baolina kitra eto Afrika raha ny latsaky ny 20 taona no jerena. Azo eritreretina fa ho tonga any amin’ny ekipa senior io afaka 4 hatramin’ny 10 taona eo. I Madagasikara dia tokony hanana ny toerana misy azy ao anatin’izany fiovana izany (mutation) raha heverina ny zava-bitan’ny boay kely fa misy indro kely fotsiny no tsy maha-tafita. Inona io indro kely io? Tsy ananako ny valiny.
Thursday, January 3, 2008
Raha toa moa ka … hotapahina ny rano eto Iarivo?
Ny mpanao gazety indray ve no manitatra sa resaka marina ny hoe hotapahin’ny JIRAMA ny jiro sy rano eto Iarivo? Toa gazety mihoatra ny iray aloha no miresaka momba izay, fa dia noho ny trosa tsy voaloan’ny kaominina hono no antony. Dia inona no hitranga raha izany tokoa, ho an’ny olona tsy manana rano any an-tokantranony?
Ny jiro aloha, mba hanomboka hanao fety izany ny mpamaky trano fa mba ho maizimaizina ny elakelatrano, ampian’ny orana mety ho avy amin’ny alina dia tena paradisan’ny famakian-trano mihitsy. Maraina ianao vao gaga fa hay efa matory amin’ny tany fa lasan-dry zalahy ny entana rehetra, hatramin’ny farafara sy ny bodofotsy nirakofana.
Ny rano indray, ho raikitra ny fiarahana rodobe mandeha misasa eny amin’ny Marais Masay: hiaraka ny mponin’Antananarivo mahantra manao jogging maraina, dia mankeny amin’ny Marais Masay misaika, entina ao an-damosina ny akanjo hisoloana rehefa avy misasa. Mitondra rano tapaky ny tavoahangy EauVive hikobanana (sy hanasana ny faritra sarotiny) dia izay. Samy mamonjy ny asany avy eo.