Monday, June 28, 2021

Aty aminay leisy …

Aty aminay leisy, ny mpitondra fivavahana lasa manao politika, maminany ny tenany ho lasa Filoham-pirenena ary mirotsaka kandidà amin’ny fifidianana.
Aty aminay leisy, ny mpitondra firenena mamoaka faminaniana ara-pivavahana fa fanafody avy aty aminay hono no hanavotra an’izao tontolo izao.

Aty aminay leisy, ny mpanakanto malaza lasa manao solombavambahoaka.
Aty aminay leisy, ny solombavambahoaka mahay moraingy sy tolona, ka Novegasy vita.
Aty aminay leisy, ny mpanao haiady lasa mpamokatra sarimihetsika amin’ny Novegasy.

Aty aminay leisy, ny mpandraharaha ara-toe-karena lasa manao politika.
Aty aminay leisy, ny mpanao politika dia mahita fahombiazana rehefa mandraharaha, raha tsy ireo hoe mandraingiraingy ary ambany atsinanana rehefa miova ny mpitondra.

Aty aminay leisy, ny lehiben’ny mpanohitra tsy azo atao lehiben’ny mpanohitra, ka lasa mihevi-tena ho mpitondra, dia mandeha midina ifotony mijery ny fahasahiranan’ny vahoaka.
Aty aminay leisy, ny mpitondra variana manohitra an’ireo mpanohitra, ka tsy mahita ifotony ny fahasahiranan’ny vahoaka.

Aty aminay leisy, ny mpanohitra mitovy fijery ka miombona eo ambadiky ny olona iray, ary tsy mifanakiana, rehefa mbola samy manohitra aloha.
Aty aminay leisy, ny mpomba ny fitondrana mifanipaka mandrakariva toy ny valala an-karona, ary atsimo sy avaratra ny fotokevitra ijoroan’izy samy izy.

Aty aminay leisy, ny mpamboly sy mpiompy tsy mba ampy sakafo sady tsy mba mahavita tena ara-tsakafo.
Aty aminay leisy, ny manam-pahaizana tsy mahay manavotra ny fireneny, tsy mahay mamorona na dia masinina iray ihany aza hanatsara ny fiainan’ny mpiara-belona azy.

Aty aminay leisy, ny mpitandro filaminana sasany mamoritra ny vahoaka, ny sasany mampanofa fitaovam-piadiana amin’ireo mpamaky trano. Hono!
Aty aminay leisy, ry zalahy be galona sy ampy traikefa ao amin’ny ministeran’ny fiarovana, dia arovan’ny soldats marobe sy ampy fitaovam-piadiana ny fonenany.

Aty aminay leisy, ny velona tsy mamela lova tsara sy hoavy azo antenaina hamiratra ho an’ny taranany.
Aty aminay leisy, ny razana mitahy.