Monday, December 15, 2008

Raha toa moa ka … teny maloto

Hatramin’izay fotoana elaela mba niseraserana tamin’ny internet izay dia nahitako fa misy voambolana vitsivitsy tsy dia mba faseho fa manohintohina ny hafa. Halahatro toy ny TOP 5 indray ireo voambolana ireo androany, dia anjaranao ny mitadidy hoe tsy azo hampiasaina izy ireo. Ny laharana fahadimy dia ilay voambolana tsy tokony haseho, nefa azo ihafihafiana ihany, fa ny laharana voalohany kosa dia tena fadin-drazana mihitsy.

Tsetsatsetsa tsy aritra fotsiny fa ny voambolana tena malagasy mahakasika ny fitaovam-pananahana sy ny firaisana ara-nofo dia tena tsy manohintohina na iza na iza ka azonao ampiasaina malalaka. Amporisihina aza ianao hampiely ireny voambolana tena malagasy ireny fa tsy mahamenatra izany.

5: Andevo: Mbola misy vitsivitsy tsy mahazaka io voambolana iray io. Misy olona vitsivitsy raha vao mandre an’io dia midika izay fa mpanavakava-bolonkoditra ilay olona nanonona na nanoratra an’io. Raha tsy te-ho voataky haba (taxé) amin’izany ianao dia aza manoratsoratra an’io.

4: Andriana: Avo folo heny amin’ny olona tsy mahatanty ilay voambolana teo amin’ny laharana fahadimy ny isan’ny olona tsy mahatanty ity voambolana iray ity. Ny vokatry ny fampiasana azy dia mitovy ihany: mpanavakava-bolonkoditra ianao matoa sahy miteny na manoratra an’io.

3: Toko sy andininy: Mba fantapantaro aloha ny olona iresahana vao mamoaka toko sy andininy ao amin’ny Baiboly sao mahita loza. Ny tena marina anefa, tsy ny toko sy andininy ihany no tsy zakan’ny olombelona sasany fa indraindray misy vao mandre hoe fivavahana, Jesoa na Kristy dia efa tena midona-tsetroka ny sofiny. Raha sendra ny olona sahala amin’izay ianao dia ataovy amin’ilay tononkiran’i SolomonaSamoela hoe: Tsy horesahiko politika na horesahiko fivavahana fa ho ampireveko THB mba ho soa ny fiarahana.

2: Merina / Côtier: Ny anaram-poko rehetra eto Madagasikara azonao lazaina na soratana daholo, na Betsileo na Betsimisaraka na Vezo na inona na inona, fa ny teny hoe Merina dia tena tsy azo lazaina mihitsy, raha tsy hoe hainao sy voatononao daholo angaha ireo foko 18 hafa. Raha manonona hoe Merina ianao nefa misy anaram-poko iray tsy fantatrao dia ianao izay no tena mpanavakava-piaviana hiringiriny indrindra!!! Ny fampiasàn’ny olona iray ny voambolana hoe Côtier dia midika fa amin’io olona io, ny foko Merina ihany no Merina fa ny foko hafa tsy misy Merina.

1: Didier Ratsiraka: Izay tratra manonona na manoratra an’io dia hakatona sy horaràna, amin’ny anaran’i …. Tsy maha-Ben’ny tanàna ny patron-nao io. Koa raha tsy tianao ny hamoaka erreur 404 ny blaoginao, fadio dia fadio. Efa misy toko sy andininy ao amin’ny lalàna mandrara ny fampiasàna an’io voambolana io ka tandremo tompoko, ary raha ilaina dia hahitana toko sy andininy handrara izany koa aza ao amin’ny Baiboly.