Thursday, November 6, 2008

Raha toa moa ka … tantara mampalahelo

Tantara mampalahelo ilay nanjo ireo mpivady dokotera maty nisy namono niaraka tamin’ny mpanampy azy, indrindra fa ny zanany vavy sy ny sipan’ity zanany vavy ity no nahavanon-doza. Fa dia inona no ao an-dohan’ny malagasy ankehitriny e? Sa, tsy nahazaka ahitra natoraly ireto mpifankatia voarara? Tantara mampalahelo ihany koa ny nanjo ilay Rainiboto novonoin’ny mpiasany sy nodorany noho ny lonilony tsy misy dikany. Tena efa tsy aina ny aina eto amin’ny tanàna. Tantara mampalahelo ihany koa ilay vono olona nahavoarohirohy sy nampigadra ilay mpilalao sarimihetsika Rija Ramino, voampanga sy voaheloka ho namono ny rafozam-baviny. Fa ny ao ambadik’ireo tantara mampalahelo ireo dia, hay tsy ny jiolahy eto amin’ny tanàna no efa sahisahy loatra mamono olona fa ny ankamaroan’ny vono olona misy habibiana dia naloaky ny mpifankafantatra tao ihany.

Fa ity tantara mampalahelo hotantaraiko androany ity kosa dia tsy mampalahelo be toy ireo voatatitra tamin’ny fampidirana ireo, kanefa dia tantara marina ihany kosa.

Vazaha (V): Allo, C’est la société (Notre Société).
Gasy (G): … (tsy renay tsinona izay lazain’ilay olona ao @ telefaonina fa inoana fa miteny izy)
V: C’est la société (Notre Société) qui vous appelle. Vous aviez déposé une demande d’emploi et un CV chez nous
G: …
V: Allo, vous m’entendez? Je veux parler à (Nom de la Gasy)
G: …
V: Allo, Est-ce que vous m’entendez? Répondez si oui.
G: …

V (à moi): Dot, venez SVP, pouvez-vous voir s’il y a un problème avec ce téléphone?
Moi (M): Allo,
G: Allo
M: Ianao ve no (Nom de la Gasy)?
G: Eny tompoko
M: Nametraka CV taty aminay ianao, dia hanome rendez-vous anao ny vazahanay fa voafidy ianao. Tsy henonao angaha ilay patron-nay teo miantso anao?
G: Henoko
M: Koa naninona no tsy novalianao izy?
G: Tsy mahay aho. Tsy mahay miteny frantsay aho.
M (à Vazaha): Elle ne sait pas parler français.
V: Bah, laisses tomber. Qu’elle retourne jouer au football. (Note: Football hono no hobby-n’ilay Gasy mpitady asa)

Gaga dia gaga aho, sady nalahelo hoe amin’izao andron’ny fahamarinana sy fahamasinana izao ve mbola misy malagasy mitady asa, 25 taona, tsy mahay miteny frantsay amin’ny telefaonina? Nalahelo aho, fa ny tena nampalahelo ahy koa dia hoe tsy misy vidiny mihitsy hay moa ity teny malagasy ity raha eo amin’ny sehatry ny asa fa dia tsy maintsy mahay teny frantsay ianao. Na dia voatsongo ho isan’ny mahiratra aza ilay antontan-taratasy napetraka, rehefa an-tsoratra ihany ny fahaizana miteny frantsay dia tsy misy dikany. Nalahelo aho fa, hay tokoa moa raha eto Madagasikara no misy orinasa frantsay misokatra, dia tsy mila mianatra teny malagasy mandrakizay akory ny mpampiasa fa efa mahazo manantena fa hahafehy an’io fiteny io ny 99% -n’ny mpiasa hampiasaina.

Monday, November 3, 2008

TOP 5 … Ireo Filohan’ny Repoblika malagasy.

Anisan’ny tantara iray mba tena ankafiziko indrindra ilay tantara nataon’i Quentin Tarentino hoe “Une nuit en enfer”. Ilay eo amin’ny fitsimbadihan’ity tantara ity no tena mahafinaritra ahy. Ho an’izay tsy nahita, na nahita fa tsy mba mpahatadidy lohateny dia nisy jiolahy anankiroa nanery fianakaviana iray hitondra azy hivoaka ny faritr’i Etazonia ho any Meksika. Mandeha fiara izy ireo, ilay raim-pianakaviana mpitandrina efa maty finoana ary nanana zanaka vavy maha-te hanolana izay izy (raha eo amin’ny toeran’ny jiolahy ianao). Dia maka volom-pilma eo izany ianao hoe erotika ve ity sa suspense sa …. Dia niditra tao anay boîte de nuit anankiray ry zareo mba hiandrasana ny andro ho maraina. Dia nahita vampires dia niady tamin’ny vampires. Fa mandra-pahita an’ilay bibilava aloha, tsy azonao hoeritreretina mihitsy hoe film resaka vampira ity.

Mba tsetsatsetsa tsy aritra iny fa toa milay mantsy ilay style jentilisa manisy fampidirana lavabe dia avy eo ny resaka mifandraika amin’ilay lohateny indraim-bava sisa. Soa fianatsa rô.

Top 5-n’ireo filoham-pirenena nitondra teto Madagasikara, hatramin’ny nahaterahako.

Tamin’ny taona valopolo sy sivinjato sy arivo ny tenako no teraka, ka dia ireo prezidan’ny Repoblika malagasy hatramin’ny 1980 mandraka ankehitriny no hanaovako top 5 eto. Izany hoe tsy ho hita ato ry Philibert Tsiranana, Richard Ratsimandrava, … Top 5 des bests izy ity fa tsy Top 5 des worses, izany hoe fanakilasiana avy any amin’izay tsy dia nahomby ka mankany amin’izay Filoham-pirenena tsara kokoa.

  • 5: Zafy Albert. Araka ny tantara izay nahalalantsika azy, dia nitondra tanelanelan’ny 27 martsa 1993 sy 5 septambra 1996 izy. Rehefa ny handrodanana ny mandan’i Jeriko no masaka tao an-tsain’ny Hery Velona, dia adinony kosa ny nieritreritra hoe iza anefa no asolo an’i Deba. Nony tratra tokoa ny tanjona dia, i Zafy hono no voatery natao ho kandidàn’ny Hery Velona. Tsy nisy safidy hafa tokoa ve? Nony lany izy dia niendaka tsikelikely ny mpiara-mitolona, dia niezaka nanitatra ny fahefany i Zafy Albert.
    Tamin’ny fotoana nitondrany no naha-may ny Rovan’i Manjakamiadana. Izy no nitondra izany flottement izany teto Madagasikara. Izy no antsoin’ny mpanao politika maro hoe Rain’ny Demokrasia. Izy irery no tratran’ny atao hoe Empêchement tamin’ireo Filoha rehetra teto. 3 taona sy tapany no nitondrany. Taty aoriana dia lasa fitaovan’ny olona eo amin’ny fitondrana izy hahafahana manalemy ny mpanohitra, satria fa, ny vahoaka raha vao mahita ny tavany mijoro ho isan’ny mpanohitra dia aleon’ny olona ilay mpitondra misy eo ihany. Izany hoe na dia ratsy endrika aza ny mpitondra, aleon’ny olona mihafy amin’izay mpitondra misy eo toy izay hanara-dia an’ity mpanao politika iray ity. Eo amin’ny intelligence no critère tena nahatonga azy ho voakilasy fahadimy.
  • 4) Ratsiraka Didier. Fantatra ihany koa amin’ny hoe Deba. Anisan’ny Mugabe-n’i Madagasikara ity Filoha ity, satria lava be ny fotoana nitondrany ny firenena, ary na efa voaaisotra aza izy dia mbola tafaverina, ary na efa voaaisotra fanindroany aza izy dia mbola mieritreritra ny hiverina eo amin’ny fitondrana. 15 jona 1975 hatramin’ny 37 martsa 1993, ary 9 febroary 1997 hatramin’ny 5 jolay 2002. Sarotsarotra ny fomba nanesorana azy teo amin’ny Fitondrana, fa moramora kosa ny fomba nahatongavany teo sy niverenany teo. Tamin’ny fotoan’androny no nisy izany sivana izany. Toy ireo Filoha telo hafa ao anatin’ity Top 5 ity dia niha-nahantra ny firenena tamin’ny fitondrany. Ny fampahantrana firenena sy ny fidongiany seza ary ny fahasarotan’ny fanalàna azy tsy ho mpitondra no nahavoakilasy azy ho fahefatra.
  • 3) Ravalomanana Marc. 5 jolay 2002 mandrak’ankehitriny. Nony resin’ny vahoaka i Deba dia natontona tamin’ity mpanao politika ity indray ny fanantenan-dRamalagasy ny hahita fiainana tsara kokoa. Mahay mitady vola izy, ary tsy ny vola no mahory azy fa ny fampiasana azy. Détaxation, fanagadrana mpanao politika mania, fiaraha-miasa akaiky amin’ny fiangonana, izay no tena nahalalàna azy. Hitako ho kilemany ny antsojay ataon’ny mpomba azy amin’izay tsy ao anatin’ny antoko noforoniny, ka nahasahirana ireo tanàn-dehibe tsy nifidy Tim, toa an’i Toamasina fony nanana an’i Roland Ratsiraka ho Ben’ny Tanàna. 6 taona no nitondrany ny firenena fa manomboka betsaka indray ny vahoaka no leo azy. Nahazo karatra mavo tamin’Antananarivo izy tamin’ny fifidianana Ben’ny Tanàna farany teo.
  • 2) Ratsirahonana Norbert Lala. 5 septambra 1996 - 9 febroary 1997. Voatery nizara ny mofo izy nony voatendry ho Filoha mandra-paha… Tsy ampy nanaovany fanodinkodinam-bato ny fotoana nitondrany ka dia resy izy tamin’ny fifidianana tao aorian’io. Zava-mahagaga izany aty Afrika hoe ny mpikarakara ny fifidianana no resy ary voatery hanaiky resy satria tsy afaka hiady. Tompon-dàkan’ny fivadibadihana miankavia miankavanana ity Ranamana ity, ary mpanao an-kiafina ihany koa izy, fa te-hiseho izy dia hita eny, te hiafina dia ao ambadika boaikely vaovao. Ny tsy nananany fotoana ela nitondrana no nahatafiditra azy teo amin’ity laharana faharoa ity satria tsy dia betsaka ny kilema hita taminy tamin’ny fotoana nitondrany. Tsy dia tia rotaka sy herisetra ihany koa izy, ka matoa hitanao mandray anjara amin’ny hetsika midina an-dàlam-be ny AVI dia satria efa tena resy lahatra amin’izay tokoa ny vahoaka.
  • 1) Samoela. 27 mars 1993 - 10 septambra 2008. Rehefa voatery nanaiky ny hanao fifidianana i Deba taorian’ny tolona tamin’ny 1991, dia mba nirotsaka hofidiana koa i Samoela. Nalaza be izy tamin’izany noho ilay hira Soly, ary lany tamin’ny antsasa-manila: 50.000000001% tamin’ny fihodinana voalohany. Ilay tetikasa lehibe fambolen-kazo no nataony voalohany, nanereny ny olom-pirenena tsirairay hampaniry hazo 10 isan-olona isan-taona, ka folo taona taty aoriana dia nisy foto-kazo vaovao miisa 1.500.000.000 sahady naniry, ka lasa mpanondrana hazo i Madagasikara, ary tafaverina ho nosy maitso.
    Vao nandray ny fitondrana izy dia nampireveny ny vahoaka, ka norarany tsy handray anjara amin’ny fitantanan-draharaha ny mpanao politika sy ny mpivavaka, fa ny mpisotro bex ny ranona mananasy no nomeny toerana. Soa tokoa ny fiarahana, satria dia tsy hitan’ny vahoaka ny fahoriana fa tsara revy ny vahoaka. Noho izany dia nazoto niasa ny vahoaka ary nandroso ny firenena. Niova ny firenena naman’i Madagasikara, ka lasa i Alemaina (nanondranantsika labiera sivy hetsy taonina isan-taona), Jamaika sy Kolombia (nifanakalozana ahitra natoraly) no tena sakaizantsika. Nandroso be ny firenena malagasy teo amin’ny lafiny rehetra. Ny Scorpions de Madagascar dia voahosotra ho tompondaka eran-tany tamin’ny jiona 1998, 2002 ary 2006, satria dia nokaramaina 10 tapitrisa ariary isam-bolana ny mpilalao tsirairay ka dia nifantoka tsara. Tamin’ny fifidianana tamin’ny volana aogositra 1998 dia lany tamin’ny salan’isa 113% izy (raha -10% sy -3% ny an’ireo mpifanandrina taminy), ary dia tapaka fa tsy hasiana fifidianana intsony fa samy afa-po ny rehetra. Tsy nila niasa be ny Malagasy satria dia namidiny madio ny harena an-kibon’ny tany ary nozaraina tamin’ny tsirairay ny vola. Niova tanteraka ny hery eran-tany ka i Madagasikara no lasa firenena matanjaka indrindra, ary i Eoropa no lasa kontinanta mahantra. Noho izany, dia nanao fanandramana antsoina hoe LHC ny eoropeanina tamin’ny 10 septambra 2008, ka namerina ny fotoana ho tamin’ny volana novambra 1992. No-flashouillén’ny eoropeanina i Samoela ka lasa tsy nanana eritreritra ny hitondra firenena, ary dia i Zafy Albert no lany, ary io tantara araka izay ieriteretanao azy io no nitranga.

Si j’étais Président par hasard.

Thursday, October 30, 2008

Suddenly … Fo mitambatra

I used to think that love was just a fairy tale
Until that first hello until that first smile
But if I had to do it all again I wouldn’t change a thing
Cause this love is everlasting

Suddenly life has new meaning to me
There’s beauty up above and things we never take notice of
You wake up suddenly you’re in love

Girl you’re everthing a man could want and more
One thousand words are not enough to say what I feel inside
Holding hands as we walk along the shore
Never felt like this before now you’re all I’m living for

Each day I pray this love affair would last forever

There’s beauty up above and things you never take notice of
You wake and suddenly you’re in love

Suddenly (Billy Ocean)

http://www.youtube.com/watch?v=1wyMfe1RJw4
(Tss, tsy mety mametraka video koa ity flatpress ity)

Fo mitambatra iray, no entina eto izao, mitrotro ny fitia
Hohamasinin’Andriamanitra, hitombo hery sy hamerovero koa,
Ka hifanaiky ireto olon-droa, fa hiombom-piainana
Na inona miseho eto an-tany dia vonona hifampitantana

Fitiavana toy ny an’ilay Jesoa
Fitiavana manolotra ny aina
Fitiavana mandresy fahotana
Fitiavana ho mandrakizay doria

To, izao androany izao, ilay nofinofy izay niainanay taloha
Ka indro fa miara-belona miara-tsambatra anivon’ny fitia
Ilay dina izay niarahana nikolo no hamafisina ho doria
Hotehirizina ho vaovao, handrobona hitombo hasina

Fitiavana toy ny an’ilay Jesoa
Fitiavana manolotra ny aina
Fitiavana mandresy fahotana
Fitiavana ho mandrakizay doria

Fo mitambatra (Fihirana Fanampiny FJKM laharana faha 30)

Wednesday, October 29, 2008

Rindrankajy mpitsara tsipelina malagasy

Efa herinandro maromaro izay no afaka nampiasaina ny rindrankajy mpitsara tsipelina noresahiko tany amin’ny Barcamp fa tena tsy nisy inspiraka hanaovana blog post hiresahana azy mihitsy dia navela ho namana vitsivitsy ihany aloha no nahalala azy. Fa saingy ilay inspiraka hanoratra blaogy toa tsy mety ho tonga mihitsy dia naleo navoaka androany ihany ilay izy. Tsy maintsy avoaka alohan’ny faran’ny volana kanefa izao rahampitso ny blaogy efa natokana hanolorana hira ho an’i Aziew, dia ny zoma tsy fantatra na ho afaka na tsia dia aleo atao androany. Na dia ho teny iraim-bava aza no holazaina eto.

Ny rindrankajy mpitsara tsipelina malagasy dia tsy inona fa pejy iray amin’ny internet ahafahana mametraka lahatsoratra amin’ny teny malagasy. Rehefa avy tsindrianao ilay bokotra hoe Alefa dia asehony ireo teny mety ho diso tsipelina tao amin’ny lahatsoratra natsofokao. Tsy mbola afaka manome soson-kevitra momba ny tsipelina tokony ho nampiasaina io rindrankajy io, ary mety ho ela be any aoriana any vao hanao an’izay, raha hanao.

Araka ny efa natsidika tany amin’ny barcamp dia opensource izy io, koa raha mety mahaliana anao dia azo alaina ny source nanamboarana azy. Azonao hatsaraina sy ovaina ary aparitaka ihany koa.

Ny sehatra ahitana azy dia ao amin’ny dotmg.net/spell. Raha hitsara tsipelina dia jereo eto: Fitsarana tsipelina, ary raha hijery ny tetikasa tsipelina dia ao amin’ny tsipelina.sourceforge.net.

Dia antenaina fa afaka hanampy antsika mpiangaly lahatsoratra amin’ny fiteny malagasy ity fitaovana iray ity.

Wednesday, October 22, 2008

Et si … le Tiako I Madagasikara était carré.

Le what-if d’aujourd’hui: si les partis politiques avaient une forme géométrique, et si le TIM avait donc une forme carrée. Sous cette hypothèse, si on avait demandé à 4 organes de presses de décrire ce parti ou de parler de ses activités dans un de leurs articles:

Voici ce qu’on aurait pû lire dans ces organes de presse (à vous de deviner qui est qui):

Presse 1) Le TIM a une forme géométrique circulaire, presque un rond. (Note de What-if: Cet organe de presse là a tendance à arrondir les angles quand on parle de TIM)
Presse 2) Le TIM ressemble à une étoile, mais n’illumine pas car sa couleur n’est pas blanche mais bleue-verte. (Note de What-if: Cet organe de presse là a tendance à tirer de tous les côtés quand on parle du TIM)
Presse 3) Un parti ayant une forme rectangulaire a mis des tiges d’épines du Christ sur le rail, et quand le train y était passé, ses pneus crevaient.
Presse 4) Pendant que le TIM essayait de tenir une réunion; dehors, un malade mental a aperçu deux chiens en train de s’accoupler, et le fou a sectionné l’organe génital du chien mâle.

Wednesday, October 15, 2008

Combien d’o y a-t-il dans google

Question à choix multiple: Combien y a-t-il de lettre o dans google?

Réponses possibles: 0, 1, 2, 3, 4, 5, 6, 7, 8 ou 9

Si vous avez coché uniquement sur le 2, c’est faux.

La réponse exacte est : 1, 2, 3 ou 5. Si vous aviez en plus coché le 7, c’est pas forcément faux non plus.

En effet, vous pouvez vérifier que les sites suivantes sont les mêmes: gogle.com, google.com, gooogle.com et gooooogle.com

Ils ont de l’humour chez Google, (ou dirais-je Gooooooogle), et je trouve génial les gens qui ont de l’humour.

Essayez maintenant gooooooogle.com avec sept o (N’en parlez pas à celui qui aime le chiffre 7 hein). N’ayez pas peur, tapez un quelconque terme de recherche. C’est funny le résultat qu’on trouve…

Google hait les chiffres 0, 4, 6, 8 et 9. Les domaines go(x fois)gle.com avec ces noms de domaine existent mais pas de bons sites.

Question à mille balles : Croyez-vous qu’un domaine go(51 fois)gle.com existe? Réponse: gooooooooooooooooooooooooooooooooooooooooooooooooooogle.com

Si ça vous tente d’avoir un domaine go(x fois)gle.com, à l’heure où j’écris ce billet, goooooooooogle.com (pas la peine de compter, c’est 10 o) est disponible. Par contre gooooooooooogle.com (pas la peine de compter, c’est 11 o) ne l’est plus.

Monday, October 6, 2008

Raha toa moa ka … kiloa sy maizina

(Fa ity blague sendra hita tany dia natao copier/coller, mba mandika ny an’olona kosa tsindraindray e …)

Tonga tany an-danitra hono ireto vola taratasy anankiroa, ariary zato sy iray alina ariary, fa niara-maty an-drano tamin’ilay rangahy nanao azy ireo am-paosy. Mandeha tsirairay moa hojerena eo amin’ny bokin’ny fiainana raha hita ao ny anarany. Vao teo amin’ny anjaran’ilay ariary zato anefa dia hoy ilay mpijery:

Ah, ianao tsy mila jerena intsony fa efa azoko antoka hoe ato ny anaranao, hoy ilay mpijery ny boky sady efa reraka ihany koa izy mantsy. Tonga dia midira ao @ paradisa.

Ah, ianao tsy mila jerena intsony fa efa azoko antoka hoe tsy ato ny anaranao, hoy ihany kosa izy mantsy ilay vola iray alina ariary. Io ry zalahy atsipazo any amin’ny afobe a!

Fa nahoana? hoy ilay iray alina ariary nitabataba. Tsy rariny. TGV angamba io mpijery boky io dia manao fanavakavahana fotsiny satria aho misy ilay sary TIM. Sa ilay solon’anarana hoe maizina omen’ny gasy ahy no ieritreretanareo fa maizina koa aho?

Mangina ialahy, hoy ireo anjely nitazona azy efa nivonona ny hanipy azy any amin’ny afobe. Ny asa vita ihany aty no ifampitsarana fa tsy misy fanavakavahana izany. Iny ariary zato iny mazoto miditra am-piangonana isan’alahady fa ialahy iray alina io, tsindraindray fotoan-dehibe ihany vao mba nahita an’ialahy tao am-piangonana izahay, dia izay no antony.

Wednesday, October 1, 2008

Raha toa moa ka … tazony ny maha-virijiny anao

Avy namaky ilay resaka VETO momba ny maha-virijiny aho dia mampahatsiahy hoe misy kosa, ankoatr’ilay Aoka aloha, fanentanana hoe :

Sahia manao TSIA, ary tazòny ny maha-virijiny anao.

Io kosa dia fandavana ankitsirano e! Hoy ilay sipa tamin’ilay dokam-barotra (dokam-barotra angaha moa no filaza azy ireny sa fanentanana sa inona, raha dokam-barotra dia varotra inona no dokafana?), rehefa avy nobitsibitsihin’ilay bandy hoe andao hanao : “Tsy mbola izao kosa no fotoana fanaovana an’izany e!”. Tazòny ny maha-virijiny anao alohan’ny mariazy.

Nivoaka ny raki-kira faha-dimin’ny tarika Ambondrona, ary ny sary ahafantarana an’izany dia i Ra-kix mampiseho rantsana dimy. Dia mampahatsiahy an’ilay fanentanana amin’ny Aoka aloha ihany koa iny, satria ilay Aoka aloha dia ny rantsana dimy no aharihary. Fa inty hohazavain’ny sary eto ambany ity kosa ny dikan’ilay hoe “Tazòny ny maha-virijiny anao”, fa saingy tapaka foana moa ny tapany ambany amin’ireny doka/fanentanana ireny.

Fanazavàna an-tsary ny dikan'ny hoe tazòny ny maha-virijiny anao

Monday, September 29, 2008

Raha toa moa ka … 3F (IKor 13: 13)

Finoana, (Aza matahotra, minoa fotsiny ihany)

Fanantenana, (Fanantenana Vaovao)

Fitiavana (Andry Rajoelina se porta officiellement candidat à la Mairie de la Capitale, avec, pour cheval de bataille l’Amour (« Fitiavana »))

Ary ankehitriny dia ireto telo ireto no mitoetra: ny finoana, ny fanantenana, ny fitiavana; fa ny fitiavana no lehibe amin’ireo. (IKor 13: 13)

Tuesday, September 23, 2008

Raha toa moa ka … tokony hakatona i Google

Tamin’ilay post omaly, nataoko hoe define:eternity site:microsoft.com ny lohateny, ary dia nisy nandefa imailaka taty amiko nanontany hoe inona hono no dikan’izany. Indro ary hohazavaiko aminareo, na ny efa mahalala na tsia ny dikan’io.

define: Rehefa mitady famaritana teny iray amin’ny alàlan’i Google ianao, dia asiana hoe define, avy eo teboka roa ary ilay teny tiana hofaritana dia omen’i Google avy hatrany ny famaritana iny teny iny, araka izay hitany ao amin’ny internet. Tena fampiasako iny anankiray iny rehefa misy voambolana tsy fantatro. Indray andro, tao amina fantsona IRC iray, nisy olona niresaka tamiko ary voazavako taminy fa ny olana mitranga aminy dia tsy miseho aty amiko, fa aty amiko mety tsara ilay rindrankajy. It’s a bummer, hoy izy. Mailaka ery aho nijery ny dikan’izany hoe bummer izany amin’i Google ka nanoratra hoe define:bummer. Voatery niaiky aho fa tsy mahalala ny dikan’io voambolana io ary nanazava taminy ny vokatra hitako araka ny famaritan’i Google. Toran’ny hehy ilay razoky nilaza tamiko hoe mahakivy no tiany hotenenina.

site: Raha tianao hoferana amina karazan’anaran-tsehatra sasantsasany indray no hanaovan’i Google fikarohana, dia asiana an’io hoe site: io,ka ampahana nom de domaine no atao ao aoriany. Raha ohatra ianao te-hikaroka hoe ao amin’izay sehatra miafara amin’ny .mg ihany no hikaroka, dia afaka ampianao hoe site:.mg ny teny izay hokarohinao. Mba nandramako ary ny nikaroka ny sarin’ny Filoham-pirenena malagasy amin’ny sehatra iray hoe nescent.org, dia toy izao no nanaovako azy: Miditra amin’ny sehatra images.google.com aho, satria io no sehatra fikarohana sary. Avy eo soratako hoe Marc Ravalomanana site:nescent.org, fa tsss, na tokony hakatona i Google na ilay site nescent.org no tokony hotoriana any amin’ny tribonaly iraisam-pirenena.

Izay izany ny vaovao azo zaraina androany fa, raha iverenako ilay lohatenin’ny post omaly dia hoe : famaritana ny atao hoe mandrakizay raha araka an’i MicroSoft, izay no nofonosin’iny lohateny artistika iny.