Tuesday, September 9, 2008

Raha toa moa ka … misy tsy tiako ny mpanao radio sy tele

Top 6 -n’ireo mpanao tele sy radio tsy tiako indrindra, mba tsy hilazana hoe nandra araka ny fijeriko, eto Madagasikara.

Raha toa moa ka … mba hokilasiako hoe iza no mpanao tele sy radio izay hitako tsy manintona ahy indrindra eto Madagasikara amin’izao fotoana izao. Tsy dia mba manam-potoana firy hijerena tele sy hihainoana radio ny tenako, fa na izany aza, amin’ny fotoana mba andehanana eny @ fiara fitateram-bahoaka sy mba ahafahana mi-zapy ao an-trano dia nivoaka aloha ireto lisitra ireto, ny fahadimy dia izay mba azoazo ihany, ary ny voalohany izany no tena crême des crêmes, ilay mampitsoaka matanjaka ny mahita/mandre azy.

Marihina fa fijeriko manokana izy ity, amin’izay masontsivana ampihariko, maro amin’ireo voatonona anarana ireo no tena be mpankafy tokoa, ary mety ho tafiditra ao anatin’ny Top 6 -n’ny mpanao tele sy radio tsara indrindra aza, raha olon-kafa no manakilasy azy. Raha mba mazoto ianareo, mba tsarao hoe ity fitsarana ity na mba avoahy koa ny anareo.

  • 6) Lily & Christian, Délire Zone/Pazzapa, RTA. Fony zaza ny tena dia mpanaraka ny fandaharan’izy mianadahy ireto tao amin’ny Radio Tsioka Vao. Anisan’ny tena tiako tamin’izany ny Hit Parade. Fa tsy haiko tampoka teo, mety ho izaho angamba no lasa antitra fa izao toa manirikiry ahy ny mahita ny endriny. Sahala amin’ny hoe mahita Club Dorothée izany aho. Ny tiako holazaina amin’io dia ry Dorothée sy ilay Hélène ireny izany olona efa antitra sy tola nefa manao toetran-jaza. Mety manampy trotraka sy antony nahatafiditra azy mianadahy ato amin’ity top 6 ity koa ny fandaharana Pazzapa izay tsy hita izay maminy nefa be mpanaraka.
  • 5) Ireo bandy mpanao fandaharana momba ny jeu video rehetra, na tele iza na tele iza. Izaho tia mi-jeu, fa ny zavatra tsapako, na iza na iza bandy manao fandaharana momba ny jeu amin’ny tele gasy dia tena lavitra be amin’ny fandaharan’ny any ampita. Izay miteny frantsay ohatry ny tsy mahafehy ny teny frantsay izany. Izay miteny Gasy ohatry ny manana langage rapperhe tsy dia ambiazako.
  • 4) Steve Maniry, Paika, TVM. Ity bandy ity dia mpamokatra fandaharana fotsiny na mpanao lahatsoratra no mety aminy fa ny mihaino ny feony tena tsy ao mihitsy. Ohatry ny mampatahotra izay ny mihaino ny fomba anononany ny fehezanteny. Dia ny fandaharan’ilehiry koa amin’ny teny malagasy nefa diso tsipelina be loatra, tena akotry amim-bary fa tsy mba vary amin’akotry. Aza ampijaliana ny tenitsika Bainina a!
  • 3) Maholiravaka, Gasy Parade, TV Plus. Sahirana ihany aho hilaza hoe tsy tiako i Maholiravaka noho izao antony izao, satria toa vao sendra izy no miseho eo @ télé eo dia tsy maintsy misolo ho azy io raha mbola mijery eo aho. Asa, ilay fiteniny sa ny endriny no tsy tiako? Mba mila valiny izay.
  • 2) Bandy tsy haiko anarana, Malagasy Mihira, Ma-tv. Miala tsiny lesy fa tsy haiko ny anaran’ialahy satria vao ialahy no miseho dia mitovy amin’ny manjo ny fandaharan’i Maholiravaka ihany no manjo ny fandaharan’ialahy: misolo hafa ny tele. Fa ny an’ialahy indray aloha mba azoko veroka ny antony e! Ao amin’ny resaka tsiky ilay izy. I Jerry Marcoss izao rehefa mitsiky dia bôgôsy kokoa noho izy rehefa tsy mitsiky. Ny mpanao tele rehefa mitsiky dia satry foana hijery ny tsikitsikiny satria dia tena tsara tarehy ry zareo. Fa ialahy ambaraky ny efa lehilahy, mbola rehefa mitsiky koa ialahy vao mainka ratsy kokoa. Tokony mpanao radio na mpanao gazety no nety tamin’ialahy fa tsy mpanao tele.
  • 1) Sylvie angamba na Sylvia no anaran’ity crême des crêmes ity, mpanolotra fandaharana ao amin’ny Radio Record. No Comment.