Tuesday, September 2, 2008

Raha toa moa ka … tantara tsy milamina

Aza vakiana.

Fa ho an’ireo mbola minia mamaky ihany dia … Disclaimer: Tsy travesti aho na schizophrène, fa mba fomba ny manoratra tantara à la première personne du singulier.

Alahady 31 aogositra 2008, mbola tsy niverina ihany ny fotoanako. Na ny kiboko na ny nonoko, toa tsy misy ilay mararirary isam-bolana izay mampilaza mialoha fa efa ho avy. Etsy andaniny koa anefa, tsy misy irony lazain’ny olona hoe te-handoa na marary an-doha na lasa kamokamo aho fa toa ny omaly tsy miova ihany. Rehefa sendra lasa ny eritreritro amin’ny hoe raha bevohoka tokoa moa izany, dia reko mangorintsina hatrany an-tampon-dohako ka hatrany am-paladiako. Toa misy afo mandoro tampoka izany ao anatiko ao, ary mivoaka eo no eo ny hatsembohako. Aviliko haingana miaraka amin’izay ihany koa ny eritreritro fa toa tahotra sy horohoro no hoentin’izany.

Raha sanatria ka … izany tokoa moa? Inona no holazaiko an’i Dada sy Mama? Dia hanao ahoana ny ho aviko? Ny hanala zaza aloha dia tsy ho vitako mihitsy e! Tsy hosimbaiko amin’izany ny fahasalamako sy ny ain’ny tsy manan-tsiny.

Nojereko ny famantaranandro, amin’ny enina ora maraina. Tsy nisasa akory aho fa nofafafafako tamin’ny servieta nolemana fotsiny ny tarehiko, dia nampiditra akanjo mafana aho ary nivoaka, nitondra vola hividianako fitaovana fitiliana eny amin’ny fivarotam-panafody. Lavitra vao nisy fa alahady ny andro, ka hay ireo toeram-pivarotam-panafody teo akaikinay samy tsy misy mpiandry raharaha. Telo arivo ariary ny vidiny, ary natoron’ilay mpivarotra ahy tsara ny fampiasana azy. Nihazakazaka toy ny tsy teo aho nody, soa fa mbola poritra tsara, dia nampiasaiko ilay izy. Atsoboka ao anaty amany mandritra ny 10 segondra, dia miandry iray minitra dia jerena, raha tsipika mena roa no miseho dia ao izany, raha tsipika mena iray dia tsy mbola bevohoka, ary raha sendra tsy misy tsipika miseho kosa dia mila mamerina fitiliana hono no dikan’izany.

Toy ny adiny iray iny fitopolo segondra iny, nakimpiko kely ny masoko dia nahiratro hibanjina ilay valiny. Mba hampihena ny fitaintainako dia izao no nomasahiko tao an-tsaina: Jereo milamina fotsiny fa ity no midika hoe tapitra ny fitaintainana, rehefa hita izy hita eo izay hatao. Saingy, indrisy … Tsy nitovy tamin’ny endrik’ilay tsipika mena teo amin’ny sary tamin’ny fonon’ilay fitaovana fa toa menamena manjavozavo saro-bakiana izany. Ilay ao amin’ny sary tena hita mihitsy hoe mena, ary manify dia manify latsaky ny iray milimetatra, fa ilay valiny hitako kosa ny hateviny mitovy amin’ilay hoe tsipika roa, saingy tsy miavaka mihitsy. Tsy hitako izay hatao, ity izany ilay midika hoe tsy azo antoka ny valiny fa mila averina, hoy aho. Tsy nety ary ve ny fanatsobohako azy teo?

Tapa-kevitra aho fa handeha hitady fitiliana hafa indray, ary làlan-kafa indray no nizorako, fa tsy ilay mpivarotra teo. Nahita ihany aho, ary moramora kokoa fa dimanjato sy roa arivo. Hafa indray ny fampiasàna azy ity fa atsoboka mandritra ny iray minitra be izao, ary miandry folo minitra indray vao vakiana.

Toy ny tsy teo aho dia tonga tao an-trano indray, mbola misy ambina poritra kely ihany. Naverina indray ny fitiliana, ary raha iny efa lena tsara iny ilay fitaovana dia niezaka nitadidy aho hoe oviana tokoa moa no tonga farany ny fotoanako? Teo vao tadidiko fa … hay moa aho lehilahy, tsy mbola tonga fotoana izany ary tsy ho tonga fotoana mihitsy mandrakizay.

C’est débile fa izaho mort de rire tsisy ohatr’izany amin’ny resak’adala ohatr’io. Manoratra azy eto aza aho mbola mivanitika be.

Inspiration: L’âne dans Shrek 1: Je ne sens plus mes orteils, je ne sens plus mes orteils…. J’AI PAS D’ORTEILS

Timon à Pumbaa, quand Pumbaa s’est persuadé qu’il a pondu un oeuf de crocodile, et que le crocodile en question est un phacochère: Pumbaa, Pumbaa, Pumbaa, tu es un animal mâle du sexe masculin, et tu ne peux en aucun cas pondre quoi que ce soit, et surtout pas un oeuf.