Wednesday, March 12, 2008

DotMG manana finoana matanjaka

Secret #3 of 7

Tsy araka ilay fitantara lazain’ny sasany fa mamay be (hot) teo aloha, fa i DotMG dia tsy mba jiolahimboto velively fa olona tena mino an’Andriamanitra. (Sao dia ny olona aza aloha no tokony hiteny an’izany fa tsy hisora-tena toa voantango eto?). Ity resaka iray ity tsy what if … fa tena izy mihitsy.

(mid)
(mp3)

1) Finaritra ny vorona ao an’ala
Sy ao an-karambato avo be
Na dia betsaka ny mpankahala
Mivonon-kahafaty azy re
Matoky izy tsy misalasala
Fa manam-piarovan-dehibe.

Be finoana aho amin’ny fiainana, saingy rehefa mafy ny ataky vao mivavaka mafy aho. Rehefa milamindamina ny fiainana dia manadino an’Andriamanitro. Mino tanteraka aho fa tena tia ahy Andriamanitra na dia izany aza no toetrako, ary maniry indrindra ny te-hiova aho mba hazoto hiaraka aminy foana foana, fa tsy hanao Azy ho havako raha misy sira.

Mahay mihaino an’Andriamanitra aho rehefa mivavaka. Ohatra rehefa misy safidy miseho amiko, ary tsy fantatro marimarina izay tokony haleha, ka ankiniko amin’Andriamanitra izany safidy izany, dia miteny amiko izy, ary reko izany teniny izany.

Be finoana aho fa, materialista be finoana.

Fa ny tena inoako ny fisian’Andriamanitra dia rehefa misy olana mianjady amiko na misy miady amiko. Indray andro, nandeha fiara karetsaka izaho sy Smiley sy Aziew. Tao anaty harona nisy ny akanjo fisolon’i Smiley, vola ranoka (lelavola e) teo amin’ny 700.000 ariary (karaman’olona haloa sy hiantsenana), fakantsary sy finday mitentina 1.400.000 ariary raha tsy mbola amorti, miampy HDD CamCorder vaovao. Adino tao ireo entana ireo, ary efa lasa 5 minitra angamba vao tsaroana. Izay vao nikoropaka. Noezahina noenjehina ilay fiara fa, aiza intsony moa? Farany, nivavaka, dia nantsoina ilay finday adino tao anaty harona. Antso faninefany, namaly ingahy mpamily. Nohazavaina azy ny amin’ny entana adino. Aiza ianareo hanaterako azy? hoy izy namaly tsotra. Andraso eo fa tonga eo aho afaka kelikely. Kelikely, iny tokoa ny anao lahy, nomeny ny entana dia mba nanolotra valisoa ho azy koa aho, voady masina efa natao tamin’ny vavaka iny. Izy indray no nanontany hoe Izy daholo ve ity? Iny tantara iray iny dia namerenan’Andriamanitra niteny tamiko fa azo anankinana ny olana mianjady izy.

Ato amin’ny ranjoko havanana misy olatra lavalava, irainjehy eo. Tamin’izaho mbola kely, tany ambanivohitra, andro fahavaratra, nibolisatra teo an-tohatra aho, ary nolerana fantsika harafesenina izay ny ranjoko, izany hoe ilay fantsika niletra tamin’ny nofon-dranjo moa ny tongotro nibolisatra nidina. Tsy nampiasana fanafody vitan’olombelona io ratra io fa dia vavaka ihany, nefa sitrana soamantsara. Mila finoana be izany hoe zaza maratra tsy entina eny amin’ny mpitsabo, ary isaorako an’Andriamanitra ny tsy mampiala an’io olatra io eo satria mampahatsiahy ahy ny herin’ny vavaka io.

3) Izay rehetra ta-hamely ahy
Mikendry nefa sasa-poana
Izaho dia ravo am-panahy
Tsy azony atao ahoana
Fa misy manda manodidina ahy
Izay miaro sy manohana

Fa aza mba manaiky hiantsy ady amiko amin’ny tsy rariny fa io no tena ahavoazako mafy. Tiako be ilay hira 502 ao amin’ny fihirana FFPM satria, raha raisina amin’ny lafiny ara-nofo ilay izy dia toy io no miseho amin’ny fiainako rehefa misy misompatra ahy. Mampahatsiahy ihany koa io hira io ny amin’izay harambato tokony hiantorahako rehefa sendra olana.

2) Jesosy Tompoko no harambato
Sy ala mafy ikirizako
Na mafy aza sady tsy miato
Izay ataon’ny fahavaloko
Mamely ahy ary misahato
Jesosy re no fiarovako.

(Misy diso ny tonony fa aleo aloha posténa dia ovaina izay diso @ manaraka)