Wednesday, November 11, 2009

Raha toa moa ka … jiaby jiaby

Toetran-dry zareo mpitondra eto amin’ny firenena ity manao safobemantsina ity rehefa misy tsy mety ataon’ny sasany ka mihatra aman’aina.

Rehefa fiara roa aman-telo ao amina zotra iray no nandona nahafaty olona noho ny fandehanana mafy loatra, dia ny fandrarana ny fiara jiaby jiaby ao amin’io zotra io tsy hiasa no fanafody hitan’ny tompon’andraikitra hanafaizana azy. Izy koa moa tsy mba mandray betax ka tsy raharahany izay fahasahiranan’ny mpandeha aterak’izany fanakanana izany. Ny iaraha-miaiky kosa dia mahomby ny fanapahan-kevitra, na dia mandaitra vetivety ihany aza fa dia tsy misy intsony aloha ny fiara mandona mahafaty mpandeha.

Fiangonana FPVM iray any amin’ny faritany no mikitikitika ny FJKM (izay ain-dehiben’ny mpitondra tamin’izany sady mbola ain-dehibeny hatramin’izao izy tsy mpitondra feno izao) dia ny FPVM jiaby jiaby manerana ny nosy no akatona. Dia mikatòna eo ianao ry FPVM mandra-piongako. Izy angaha manana havana akaiky mpiangona FPVM?

Ary hatramin’izao, mpianatra vitsivitsy no tratran’ny gripan-kisoa ao amina sekoly iray, ary satria mahafaty ny gripan-kisoa dia ny sekoly iray manontolo no akatona ary mijanona any an-trano jiaby jiaby ny mpianatra rehetra. Ny zanany angaha no tsy hahay raha tsy alefa mianatra?

Zanaka Malagasy nalefa niasa tany Libanona telo no nodimandry tamin’ny fomba mampiahiahy dia ny fandefasana mpiasa any no atsahatra manontolo, ary heverina aza ny mety hampodiana jiaby jiaby ireo izay efa tafapetraka any an-toerana. Izy angaha miraharaha izay Malagasy maniry fatratra ny handeha ho any sy manantena fiainana tsaratsara kokoa, izy raha ho any Ambasadôra “au sens propre” tsinona fa tsy “au sens figuré”.

Tsy manakiana ilay fanapahan-kevitra “extrémiste” aho ka, jereo ny mitranga rehefa goragora ry zareo dia izao resa-be momba ny “bois de rose” izao no vokany, ka iaraha-manaiky fa ny fanakanana jiaby jiaby ny fitrandrahana sy fanondranana azy no hany vahaolana.

Ka mba alaivo sary an-tsaina hoe raha nahafaty tao anaty volana na herinandro vitsivitsy foana hono ny aretina SIDA, ary mompera hono na masera no minisitry ny fahasalamana tamin’ny vanim-potoana nisian’ny Malagasy voalohany matin’ny SIDA, fa ho tonga dia navoakany ny lalàna hoe manomboka izao aloha ny Malagasy jiaby jiaby tsy misy mahazo manao firaisana ara-nofo.

Add comment

Fill out the form below to add your own comments

User data





Add your comment