Wednesday, November 18, 2009

Raha toa moa ka … seza sy fitombenana

(_!_) Fitombenana virjiny eo amin’ny lafiny politika. Miainga amin’ny toy ity jiaby izany ny fitombenan’ny mpanao politika rehetra aty am-boalohany.

(__!__) Fitombenana XXL : Rehefa nahazo seza tsaratsara ny mpanao politika dia nampitombo ny haben’ny sezany, dia mitombo miaraka amin’izay koa ny fitombenany.

!_!_! Fitombenana fisaka : Itony ireo karazana mpanao politika tsy mba mahazo seza, na mahazo seza ihany fa fatina-strapontin, toy ny hoe aleo atao hoe ialahy izany no Ben’ny Tanàna leisy ry Bory, dia eny tompoko nefa tsy manana fahefana na dia toy ny voatsinapy aza.

)_!_( Fitombenana tery : Mitovitovy amin’ny eo ambony ihany, izany hoe nahazo seza strapontin, saingy rehefa sendra ny Fitombenana XXL anankiroa eo ankavia sy eo ankavanany izay samy manery azy dia …

(_$_) Mpanao politika mivarotra fitombenana : Raha any amin’ny Arema ny vola, dia raha tsy Arema tsy hidola; raha any amin’i Zafy ny vola, dia raha tsy i Zafy tsy hidola, raha any @ Dada ny vola, dia raha tsy i Dada tsy hidola. Manahirana ny hamoaka voambolana toy ny hoe makorelina politika saingy misy ny mpitarika antoko politika mitarika ny antokony hanohana izay manone $ (vakio hoe esss) azy fotsiny ihany. Aiza koa misy izay milatsaka hofidina prezida, dia ny eto Antananarivo indray no tsy ahatongavany vatom-pifidianana fa ny any amin’ny faritra lavitra any aza tongany, satria mantsy novidian’ilay nanana herijika hahazo vato betsaka teto Antananarivo hilatsaka fotsiny izy mba hanembantsembana mpifanandrina hafa.

(_!o) Tanora Goaka 7mbenana. Indraindray mitondra any amin’izay mahafaty ity fanohanana politika ity koa. Rotiky ny bala eny akaikin’ny lapam-panjakana eny ny fitombenana. Aza alaina sary razoky ny tarehy an!

(_._) Mihidy fitombenana : Ohatr’izao ny mpanao politika iray rehefa hanjary ho gadra politika. Hitanao mitsikitsiky be sady sahy sy vonona izy miakatra an’i Fiadanana na eny amin’ny fitsarana eny Anosy fa ny ao amin’ny tsy hitan’ny masonao ao mihidy toy izao.

(_o_) Gadra politika 3 herinandro : Tsy moramora araka ny niheverana azy ity migadra politika ity fa sao dia tokony hanao grève de la faim amin’izay? Aiza koa atambatry ry zalahy amin’ny dahalo sy ny mpanao an-keriny sy ny mpanolana ve?

(_O_) Gadra politika mihoatra ny 6 volana.

(_Y_) Fitombenanan sexy : Efa nilaozan’ny toetr’andro izany vadina filoham-pirenena Maman be izany fa ny lamaody izao dia sipa kely sexy. Ny an-dry Sarkozy izao ohatra vao lany Filoha izy dia natsipiny toy ny tsy teo ilay akoho taman-trano fa naleony nampiakatra sipa kely mbola tsy Maman. Izay manana ambition ho Filoha, jereo aloha ny fitombenan-drafotsy hoe efa Maman na Grand-mère sa mbola sexy.

(_;_) Ary rehefa mahazo seza aza mifikitra tsy mety miala eo fa sao voan’ny hemoroida. Mila ifandimbiasana io seza io.

http://lmao.blogs.sapo.cv/10110.html