Sunday, June 22, 2008

Raha toa moa ka … gidany

Ny voambolana hoe gidany dia voambolana iray andikana ny hoe faran’ny lisitra. Raha any am-pianarana ka misy 30 ohatra ny mpianatra, ary misy ankizy iray laharana fahatelopolo, dia antsoina hoe gidany izy, na gida.

Ny niavian’io teny io dia avy amin’ny hoe gida maimbo na gida masiso, efa mba maro tamintsika ihany angamba no nandre an’izay kanefa ny tena nahatonga ilay teny kosa vitsy no mahalala.

Tany amin’ny faritr’Ankarafantsika, dia nisy irony guide touristique irony, izany hoe mpitarika ireo mpizaha tany ary manoro azy ireo izay mahaliana ao anaty ala ao. Ka ny tantaran’i Albert Papi indrindra no nahatonga io fiteny hoe gida io. I Albert Papi dia guide (gida hoy ny fanagasiana) izay tia tsaramaso sy laisoa aok’izany, kanefa ny azy ny môtera tsy dia mahazaka an’ilay entana loatra. Koa rehefa mitarika vazaha eny izy, dia matetika no mandefa rivotra mantsina izay tsy azo iainana mihitsy: irony tsy re faneno irony kanefa mahatorana am-pitsanganana. Alaivo sary an-tsaina hoe miakatra tendrombohitra iny no mangeto-maimbo eo alohanao ny mpitarika, dray dray.

Ny hevitra hitan’i Albert dia ny mijanona aty afaran’ny olona rehetra, amin’izay na mangetotra aza tsy dia re loatra. Fantatry ny namany ihany anefa hoe noho ilay etotra no mahatonga azy manao an’io, ka izay no nahatonga azy ireo hanao oha-pitenenana hoe “Aza mba gida masiso toa an’i Albert Papi, ka izy mpitarika indray no aty afara”. Dia rehefa toy izay moa dia ny gida masiso sisa no mijanona ary mbola nohafohezina hoe gidany sy gida aza ilay oha-pitenenana.