Sunday, June 29, 2008

Raha toa moa ka … hamono ny RTA ny Pazzapa?

Ny fandaharana RealTV Pazzapa, izay hala tahaka ireo fandaharana vahiny toa ny Star Ac, dia isan’ny fandaharana be mpanaraka sy be mpankafy tokoa. Manaporofo izany ny tabataba avy amin’ny mpijery amin’ny fandaharana maro eto an-drenivohitra rehefa misy tsy mahafa-po azy ireo ny fandehan’ity fandaharana ity. Mety ho azo inoana hoe izy no fandaharana mampiala voly be mpanaraka indrindra eto Madagasikara.

Maro mpitsikera ihany koa anefa io fandaharana io, noho izay fahalazany be loatra izay. Ao ny toa an’i news2dago izay milaza fa manimba ny mpianatra io fandaharana io, noho ny fanaovan’izy ireo antsirambina ny fianarany, ary tsy raharahian’ny RTA akory izany. Misy ny milaza fa manao fitrandrahana tsy ara-drariny an’ireo tanora kely ireo ny RTA. Izaho moa dia efa nanatsidika fa tsy rariny ilay fandefasana SMS iny no tsy mba misy loka zaraina ho an’ny mpijery akory nefa dia ny mpijery ihany koa no tokony mba hahazo ny anjarany. Ao ihany koa ny manakiana an’ireo mpanakanto nivoaka tao amin’ny Pazzapa ka milaza azy ireo ho tsy manan-talenta firy.

Ho ahy manokana aloha dia nihena tokoa ny fitiavako ny groupe RTA iray manontolo noho ity fandaharana Pazzapa ity. Ny antony dia tsapako ho mitongilana be loatra amin’ny mpanakanto nivoaka avy tao amin’ity fandaharana ity ny groupe iray manontolo eo amin’ny fandaharana hira sy mozika na fampahafantarana mpanakanto, ka manjary tsy izay tsara sy manan-talenta no miseho matetika fa izay nivoaka tao amin’ny Pazzapa. Raha ny RTA no jerena, toa tsy mpanakanto intsony izay tsy nivoaka tao amin’ny Pazzapa. Eo no ilazako hoe mety hamono ny RTA ity fandaharana ity. Toa mba manam-peo manga ihany izany Mirado izany kanefa raha vao RTA no jerena dia ny groupe Tsakarao no tsy maintsy ho hitanao ao foana.

Marina fa rehefa zariny an’iny ny sofinao mpihaino dia ho lasa tia ho azy (amin’ny ankapobeny), nefa koa rehefa tsy tianao hatramin’ny voalohany ilay izy, na haverina in-jato eo aza dia vao mainka ny tsy fitiavanao an’ilay kanto no mitombo. Ankehitriny aloha ny RTA dia fijerena Formule Foot sisa ho ahy, fa raha izay fandaharan-kira alefany dia tsy mihaino/mijery an’izany intsony aho e! Mba ilazao rehefa miova ry zalahy ka tsy dia manao matraquage de Pazzapa intsony.

Mitera-boka-dratsy ho an’ny mpankafy sy ny ankafizina ity fahalazana teren-ko masaka ity. Ny fahalazana no tanjona fa tsy ny fitiavana an’ilay kanto, ary hatramin’ny Ray aman-dReny no mamita-tena, ka naleon’izay nanana ny tsy dia re firy nampivondrona ny zanaka nivoaka tao amin’ny Pazzapa hanao hetsika. Tsaroana, tamin’i Sitraka nivoaka ny Pazzapa, dia notakian’ny mpankafy hoe aiza izy no tsy re? Rehefa tena dinihina anefa, ny azy no mety: tsy tereny hankafy azy ny olona fa ny kanto no ataony, miandry izay fotoanany fa rehefa masaka tsara ve iny tsy ho babo ihany ny sofin’ny mpihaino?

  1. ramatoa manana ny rariny

    Monday, November 24, 2008 - 14:24:29

    bonjour daoly!Ny ahy ny tiako hotsindriana fotsiny dia ny hoe foano ny pazzapa.Nahoana?Ny rta tompoko dia tsy mijery afa-tsy tarehy.Satria ve hoe tian’i Rija i Koly dia hoe ajanony ao@villa?Na hoe tsy zakan’i rija na fidy Koly dia nominéna i Elie?Adalan’i Elie ihany lou léiz fana zan ar.Reny Koly reny zao efa hatr@voloany no tokony hiala fa atao fitadiavam-bola fotsiny satria izy rery n sipa maay mtendry gitara dia manjar tsis kil n spectacle.shhhhhhh foano oa ny pazzapa msotra

  2. JESS

    Tuesday, December 9, 2008 - 11:29:04

    Pazzapa v?Fanadalana saimbahoaka tsotrzao fotsn.Eo @fitsarana mo d ita mints lé fanavakavaana e.Ts mety mints,tna ts mety.Manimb sain’ol ko e..

  3. resaka sérieux

    Saturday, December 27, 2008 - 16:11:00

    Tsara kosa aloha le fandaharana fomule foot amin’ny rta e, fa iny ihany no toa tena “interessant”, ny ambony dia resaka varotra sy fitadiavam-bolan’ny rta daholo no toa misongadina. Indraindray mba mila omena faafinaretana koa ny mpijery ry rta a!!

  4. football

    Monday, June 29, 2009 - 17:35:06

    Tsy aleoko mijery an’i Kanto ao am formule foot marina toy izay hijery pazzapa?

  5. storie

    Sunday, August 23, 2009 - 08:41:15

    az be comentaire fa mjerev fotsn tvm ref ts ti!!viv pazapa et la rta!!

  6. DotMG

    Monday, August 24, 2009 - 09:15:52

    pathétique

  7. bellmeuf

    Saturday, September 12, 2009 - 12:18:10

    viv pzp!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!

  8. Betty

    Friday, November 6, 2009 - 16:32:11

    tsisy resaka tarehy zany rangà tao am pazzapa fa raha izany ts ho lany mits i tiji a,fahaizana io,
    de satria voalohany no lany tam pazzapa de ts maints faranana am vehivavy koa no haka ny lokan’ny paazapa la derniere,
    de mba soloy zvt interéssant ndra yny pazzapa fa makaleo be kah

  9. Betty

    Friday, November 6, 2009 - 16:33:40

    aleo ho an i JENNY ny pazzapa amty e,izy ni hita hoe mahay kokoa ra mihoatr am Fredda be,

  10. anti_pazapa

    Sunday, January 10, 2010 - 15:13:26

    zapoury alou tsy ty maizna an’le pazapory fa manala baraka pory le izy sady manimba hira fotsiny ry tavandrenin’reny sou yany fa tsisy tsony le izy fa tena bidon be lotra tsisy oooriginalité fa copie dholy .
    sady le 1er lot minable kely tss un seul mot c’etait archinnuuuuuull!!!

  11. sipa mlay

    Saturday, April 10, 2010 - 12:08:36

    msotr’e foano pazzapa

  12. herijaona

    Monday, October 11, 2010 - 17:48:29

    zaran’là aza tsy vita t@ reny 26/01/09 ko ny studio fa ataovy iany io corruption anareo ao RTA io. zao miainga ndray ny VOX POP. groupe mananaoriginalité (PIARAKANDRO) no ahintsana. Dé in fa tsy ifindràn’ny virus hatr@ fandaharana koltoraly

  13. tangalamena

    Saturday, October 30, 2010 - 10:45:43

    marina ny volazan la raherijon, raha misy ny kofy tena mtrandraka d le mpiarakandro,fa saing efa mipetraka mialo io oe reto no tsy maintsy miakatra dia eliminena z tsy ao anaty listra, efa ao daolo ny calcul ny %ntagee,nga tsy hanakarena nray raondry(coach fidy)

Add comment

Fill out the form below to add your own comments

User data





Add your comment